Fiangonan'Andriamanitra

1. lals ( 14/10/2011 14:49)
Miarahaba antsika rehetra!

Nataoko ity lohahevitra ity mba hamakafakantsika.

Araka ny voalazan'ny namana atsy ambadika :

"... Dia tena nianatra sy namaky ny Baiboly isanandro aho. Fantatro tamin'izany fa be ny fampianaran'ny Fiangonako (EKAR) no tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Tompo. Ka diso va aho raha niala tao ary mitady ny tena Fiangonan'Andriamanitra ?"

Dia nanontany aho hoe : INONA MARINA NO TENA ATAO HOE FIANGONAN'ANDRIAMANITRA?

Raha ny ankehitriny izao no dinihako, dia samy manana izay heveriny ho tena Fiangonan'Andriamanitra ny olona.
novalian'i bor2lais ny 21/10/2011 15:35
2. avylavitra ( 14/10/2011 16:06)

lals:

Miarahaba antsika rehetra!

Nataoko ity lohahevitra ity mba hamakafakantsika.

Araka ny voalazan'ny namana atsy ambadika :

"... Dia tena nianatra sy namaky ny Baiboly isanandro aho. Fantatro tamin'izany fa be ny fampianaran'ny Fiangonako (EKAR) no tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Tompo. Ka diso va aho raha niala tao ary mitady ny tena Fiangonan'Andriamanitra ?"

Dia nanontany aho hoe : INONA MARINA NO TENA ATAO HOE FIANGONAN'ANDRIAMANITRA?

Raha ny ankehitriny izao no dinihako, dia samy manana izay heveriny ho tena Fiangonan'Andriamanitra ny olona.

Ny tenanao no tena FIANGONAN'ANDRIAMANITRA. Saro-pady io resaka iray io, ary isan'ny zavatra tsy mba fanontaniko olona velively ny mikasika ny finoany rehefa miresaka aminà namana aho. Ny antony ve? Ezahako araka izay azo atao ny tsy hifanafintohina. Raha izaho no manolotra hevitra, dia hoy aho hoe. vakio ny baiboly, tano ny tsara, ary ampianaro amin'ny fomba mendrika amin'izay tianao hampianarina azy, saingy tandremo ny manao amboletra fa tsy mety. Fadio koa ny tonga dia manamavo ny an'ny sasany, fa raha tian'Andriamanitra ny hanokatra ny masom-panahin'ny tsirairay, dia tsy misy afa-miala amin'izany, na iza na iza
3. pulm ( 15/10/2011 07:10)
amiko ny atao hoe Fiangonana dia toby iray iangonan'ny olona maro be ka misy zavatra dinihina na tapahina ao, ny FIangonan'Andriamanitra indray toerana iray izay natao hivorian'ny zanak'Andriamanitra rehetra.marihako tsara fa samy hafa ny miangona sy ny mivavaka
ny miangona dia fomba fahazarana fotsiny ny fandehanana any
ny mivavaka dia tena manokampo amin'Andriamanitra,fahalalako tsotsotra fotsiny ireo
4. Miharena ( 15/10/2011 10:58)
Ilay mari-drefy enti-mamaritra izany hoe Fiangonan'Andriamanitra izany dia tsy ananantska olombelona loatra.
Milaza daholo ny rehetra fa ny Baiboly no fototra nefa rehefa mandeha eny andro sy ny fotoana dia misy fomba fanao izay noforonin'ny olombelona hiaraha-manatanteraka ary nifanekena fa hatao ao amin'ny fiangonana tsirairay. Dia lasa mivaofy ireo fomba fanao ireo no ataon'ny mpitsikera ka zary korontana no iafarany ary maro ireo izay miala amin'ny fiangonana niandohany.
Raha miditra fiangonana haf aindray anefa izy dia azoko antoka koa fa tsy mahita fahamarinana ao raha mbola fijery ivelany ihany no ao aminy.

Ka ny valinteny etsy ambony milaza fa isika tsirairay na ny tenantsika no fiangonan'Andriamanitra na koa hoe tempolin'Andriamanitra no mahalaza kokoa ny fiombonana ao AMINY fa tsy ireo fombafomba izay nampisintaka ny maro.

Ny hany mba tiako soritina fotsiny dia samy niainga tamin'ny maha-voarin'Andriamanitra avokoa ny foto-pandalinana rehetra ka tokony ho tsorina ankehitriny ny fifandraisana amin'Andriamanitra fa tsy hatao fombafomba fa iainana tanteraka mihitsy.
5. didi10 ( 15/10/2011 19:07)
Miarahaba antsika rehetra!

Hoy ny namana tao ambony tao hoe ny tenanao no tena Fiangonan'Andriamanitra! Marina indrindra izany saingy izao:

hoy ny Soratra Masina: Mk 15;16: "Izay mino sy atao Batisa no ho vonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina"

Iza ary no hanao Batisa ahy? satria aho izao tsy manana trano fiangonana (niala tao @EKAR)
Ireto avy ny "conviction" voatsoakako tao amin'ny Soratra Masina fa tokony ho endriky ny fiangonan'Andriamanitra:

Trinite = Eny
Jesosy zanak'Andriamanitra = Andriamanitra = Eny
Anaran'Andriamanitra = YHWH = YHaWeH= Iaveh
Anaran'ny Zanakondry = Yeshoua = Jesosy = anarana mahavonjy sady maharoaka demonia;
Anarana tokana mahavonjy = Jesosy
Vavaka Maria sy olomasina = Tsia
Sabata andro fahafito = Sabotsy = Andro fitsaharana sy iangonana: tsy miova ary tsy foana.
Calendrier solaire = Tsia
Calendrier lunaire hébraique = Eny = Andro miatomboka maty masoandro @ hariva (maizina + mazava), voalohan'ny volana = tsinam-bolana; voalohan'ny taona = lohataona = Nissan
Batisa = Eny = par immersion = Mianatra,mino, vao azo atao
Fianinana aorian'ny fahafatesana = Eny = Misy ny afobe sy ny paradisa
Purgatoire = Tsia
Didy 10 = Eny= Tsy foana fa naravon'i Jesosy amin'ny didy vaovao = Fitiavana Andriamanitra + ny namana
Lalan'i Mosesy sy fanatitra sorona = Tsia= Efa maty niaraka tamin'i Jesosy; efa niova Finoana
Sakafo voarara = Tsia = tsy mahaloto ny fanahy
Andro nahafatesan'i Jesosy = Alarobia= Paska an 30 = 14 nissan an 30
andro nitsanganany = Sabata = feno 3 andro sy 3 alina
25 DESAMBRA, = Tsia = tsy marina ny daty = dadabenoely = sapin = tsia
Fankalazana ny Paska = Eny = nitsanganan'ny zanakondry tamin'ny fahafatesana = Fety lehibe indrindra
...
Tsy misy fiangonana mahafeno ireo fepetra ireo raha eto Madagasikara.
MARIHIKO FA IZAHO DIA MINO DIA MINO FA TSY MISY ANARAM-PIANGONANA MAHAVONJY FA RAHA TENA MITADY AN'ANDRIAMANITRA SY TE HANAO NY SITRAPONY MARINA IANAO DIA MIBEBAHA, RAISO JESOSY AO AMIN'NY FIAINANAO, VAKIO NY BAIBOLY ARY TADIAVO NY FAHAMARINANY.

Ianao koa mba manaova résumé ohatran'io nde isika hanontany tena amin'izay hoe tena Andriamanitra iray ihany ve no ivavahantsika.

rinarinamalagasy@yahoo.fr

6. rijadolly ( 16/10/2011 04:21)

Miharena:

Ka ny valinteny etsy ambony milaza fa isika tsirairay na ny tenantsika no fiangonan'Andriamanitra na koa hoe tempolin'Andriamanitra no mahalaza kokoa ny fiombonana ao AMINY fa tsy ireo fombafomba izay nampisintaka ny maro.

Ny hany mba tiako soritina fotsiny dia samy niainga tamin'ny maha-voarin'Andriamanitra avokoa ny foto-pandalinana rehetra ka tokony ho tsorina ankehitriny ny fifandraisana amin'Andriamanitra fa tsy hatao fombafomba fa iainana tanteraka mihitsy.

Miray hevitra tanteraka amin'io hevitra io koa aho, izay midika tsy fanaratsiana ny fomba ny hafa ihany koa ka hanamarin-tena fa ny anay ihany no Marina.
7. Miharena ( 16/10/2011 05:07)
Didi10:

Trinite = Eny
Jesosy zanak'Andriamanitra = Andriamanitra = Eny
Anaran'Andriamanitra = YHWH = YHaWeH= Iaveh
Anaran'ny Zanakondry = Yeshoua = Jesosy = anarana mahavonjy sady maharoaka demonia;
Anarana tokana mahavonjy = Jesosy
Vavaka Maria sy olomasina = Tsia
Sabata andro fahafito = Sabotsy = Andro fitsaharana sy iangonana: tsy miova ary tsy foana.
Calendrier solaire = Tsia
Calendrier lunaire hébraique = Eny = Andro miatomboka maty masoandro @ hariva (maizina + mazava), voalohan'ny volana = tsinam-bolana; voalohan'ny taona = lohataona = Nissan
Batisa = Eny = par immersion = Mianatra,mino, vao azo atao
Fianinana aorian'ny fahafatesana = Eny = Misy ny afobe sy ny paradisa
Purgatoire = Tsia
Didy 10 = Eny= Tsy foana fa naravon'i Jesosy amin'ny didy vaovao = Fitiavana Andriamanitra + ny namana
Lalan'i Mosesy sy fanatitra sorona = Tsia= Efa maty niaraka tamin'i Jesosy; efa niova Finoana
Sakafo voarara = Tsia = tsy mahaloto ny fanahy
Andro nahafatesan'i Jesosy = Alarobia= Paska an 30 = 14 nissan an 30
andro nitsanganany = Sabata = feno 3 andro sy 3 alina
25 DESAMBRA, = Tsia = tsy marina ny daty = dadabenoely = sapin = tsia
Fankalazana ny Paska = Eny = nitsanganan'ny zanakondry tamin'ny fahafatesana = Fety lehibe indrindra

Saika tsy handray anjara amin'ity resaka voatanisa ity aho saingy voasarika ihany hampahafantatra izay mba azo lazaina fa fahamarinana ao.

Ny roa voalohany ihany no mety iraisan'ny rehetra amin'ireo voatanisa ireo. Raha vao midina ilay mari-drefy dia manomboka ny ady hevitra be dia be. Na ireo voalohany lazaiko ireo aza dia mbola ataontsika hoe mety fa tsy tena iraisana akory.

Koa tsara angamba tsy mamaritra an'Andriamanitra arak'izay heverintsika fa arak'izay maha-IZY AZY izay RAIN'NY REHETRA. Matetika ny olona tena mitory AZY ary nitenenaNY dia tsy manome anarana AZY mihitsy.
8. didi10 ( 16/10/2011 11:57)

Miharena:

Ny roa voalohany ihany no mety iraisan'ny rehetra amin'ireo voatanisa ireo. Raha vao midina ilay mari-drefy dia manomboka ny ady hevitra be dia be. Na ireo voalohany lazaiko ireo aza dia mbola ataontsika hoe mety fa tsy tena iraisana akory.

Hosea 4;6a
Ringana ny oloko noho ny fahalalana,

NY OLOKO HOY NY TOMPO, izaho sy ianao milaza azy ho Kristianina io izany teneniny izany.
Tadiavo ny fahamarinana, tsy izay teneniko akory ny marina fa samihafa ny olona nitady sy tsy nitady fa izay nitady manana fahalalana bebe kokoa an'Andriamanitra.
9. lals ( 17/10/2011 08:44)
Miarahaba antsika

Mahafinaritra daholo ny hevitsika rehetra, saingy rehefa nodinihako ny ankamaroany dia tsy haiko na azonareo ilay lohahevitra na izaho mihitsy no tsy mahazo ilay resaka tian'ny namana atsy ambadika holazaina? ... Satria tsy mifandraika amin'ny fiheverako sy ny fieritreretako azy ny tian'ilay namana ambara sa ahoana ry Didy10?

Ataoko angamba fa tsy diso aho raha mamerina indray:
Raha tsy diso aho dia nahita ny tsy fetezan-javatra ao amin'ny Fiangonana Ekar nisy azy izy, izany hoe nahatsikaritra fa tsy nifanaraka ny voalazan'ny Baiboly sy ny fomba fivavahana tao amin'io Ekar io dia niala izy ary namonjy ny tena fiangonan'Andriamanitra. Izany hoe namonjy ny fiangonana iray izay heveriny fa mifanaraka amin'ny voalazan'ny Baiboly izy.
Io fiangonan'Andriamanitra io no tiako ho fakafakaintsika arak'io zava-mitranga io.

10. didi10 ( 17/10/2011 09:53)
Fahasalamana namana lasl

Tsy any amin'ny hoe tsy azo ny lohahevitra no olana lasl fa samy mahazo tsara ny tiana tenenina daholo ny mpisera. Samy tsy te hanao remise en question ny Fiangonany ny tsirairay satria samy mihevitra fa NA MISY AZA NY ZAVATRA IZAY EKENY FA MIFANDISO AMIN'NY SORATRA MASINA dia tsy maninona izany satria TSY HITSARA FIANGONANA ANDRIAMANITRA FA NY TSIRAIRAY IHANY.

Mba tokony alefa lavitra ihany ny saina sao mba tafiditra ao amin'ilay VEHIVAVY JANGA (FIANGONANA) lazain'ny APOKALIPSY isika, fantatrareo tsara ny loza hahazo izany FIANGONANA izany.

Apok 19:2
2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony;
fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy-
dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany-
ary namaly azy noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
11. lals ( 17/10/2011 12:56)
didi10:

Marina fa TSY HITSARA FIANGONANA ANDRIAMANITRA FA NY TSIRAIRAY IHANY, kanefa tadidio fa tamin' ny alalan'io fiangonana io no nahafahan'ny ankamaroan'ny olona rehetra nahalala ny sitrapon'Andriamanitra, nahafantaran'izy ireo ny tsara sy ny ratsy, sns ... dia vahoaka maro no ho voafitaka raha tsy isika no manambara, mivoy ny marina.

Izay no ataoko hoe mivaona be ihany ny hevitsika manoloana ity lohahevitra ity. Tena ekeko fa samy tsy te hanao remise en question ny Fiangonany ny tsirairay, fa saingy izao tsy izany akory no entina anafenana ny tena fahamarinana ao anaty Baiboly. Dia hoy aho hoe: raha izao no mitohy dia jamba mitarika jamba isika ka an-kady no iafarany.

Izay fiafenan'ny marina izay indrindra manko no mampizarazara ny fiangonana tahaka izao.

Hitantsika tsara fa maro isika ato no mamaky sy mandinika tsara ny Baiboly ... mandefa lavitra ny saina ireo mpamaky Baiboly samihafa ireo fa tsy mitovy ... tsy mitovy ny fiheverantsika sy ny fieritreretantsika. Samy mitazona ny azy.

Dia izay indray aloha ny hevitra avy aty amiko.
12. RBNIR ( 18/10/2011 07:12)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray ny tenako,
Ity fiangonana ity tadiavina ry namana isany :

« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Matio 7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Matio 7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Matio 7:18)
« Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Matio 7:19)
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Matio 7:20)
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
13. judi2303 ( 18/10/2011 07:30)

Miharena:

jn 1:12; rom 10: 9 app_22 izay maharitra no vonjena, mitiava sy mivava ho an'ny olona rehetra mba ho samy voavonjy, izay ny lalan'i Jesosy
14. RBNIR ( 18/10/2011 08:02)
lals:

Dia nanontany aho hoe : INONA MARINA NO TENA ATAO HOE FIANGONAN'ANDRIAMANITRA?

Ilay "vala" nantsagan'i Jesosy Kristy no izy « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)
Tokony hitovy tamin'ilay natsangan'i Jesosy tany ambohalohany ihany ny fiangonanay amin'izao fotoana izao (satria ny Tompo tsy miova mandrak'izay).
Ilay mat.7:16-21 no namariparitan'i Jesosy Tompo an'io fiangonana io mba ho mora fantatr'ireo ondriny ilay "vala".

Samy ho tahin'ny Tompo namana.

15. judi2303 ( 18/10/2011 08:26)
Fanamafisana:
Hoy ny soratra masina : isika no tenimpolin'A/tra, izay manimba ny tenimpolin'A/tra dia ho ravain'A/tra.
Ho anao mandehana araka izay hitarihan'ny FM anao, ary manitara ny Fanjakany @ izay tontolo misy anao sy ny fahalalana nomeny anao ary aza manintsy ny fampianaran'ny hafa fa mivavaha hoazy mbo hitombo fahalala izy ary tadidio fa sombiny ihany ny fantatsika fa rehefa tonga any @ Ray isika dia ho feno tanteraka
16. didi10 ( 18/10/2011 08:28)
RBNIR

Ka aiza ary ilay fiangonana e?

- Ny Apstolika Romana ve
- Ny judaisme méssianique ve?
17. RBNIR ( 18/10/2011 09:06)
didi10:

RBNIR

Ka aiza ary ilay fiangonana e?

- Ny Apstolika Romana ve
- Ny judaisme méssianique ve?

:) Ireto no toetran'ny fiangonana voalohany :
* ambany fitarian'ny Fanahy Masina,
* Omban'ny HERIN'ANDRIAMANITRA (arahana fahagagana sy famantarana lehibe)
* Mitory ny FAHAMARINANA izay nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo (ara-baiboly).

Ary ireo voalaza ao amin'ny Mat.7:16-21 tsy maintsy hita taratra ao amin'ilay "vala" . Tsy ilaina manadihady lalina hoe mpisoloky v sa tsia ny mpitarika fa rehefa fantatrao tsara ny mpiangona ao dia ho fantatrao ho azy koa ny toetran'ny mpitarika ao. « Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Matio 7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Matio 7:18)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
18. Maranatha ( 18/10/2011 11:12)
Miarahaba ny tsirairay nandray anjara tao anatin'ity lohahevitra ity hoe ny Fiangonan'A/tra ity .

Raha ny Baiboly no manazava ny atao hoe Fiangonan'Atra dia izao novoalaza.

Voalohany:Misy tokoka ny Fiangonan'atra tsy marobe fa tokana hoy izy ao amin'ny Tono-kiran'iSolomona 6:8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?

Iza tokoa moa izany izy io satria raha izay izany dia tokana ny fiangonan'Atra, inoko fa tsy hatoro an-tsika fa Kristy no lahy ary ny fiangonana no vavy araka ity teny ao amin'ny efesiana 5:22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]24 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]

Amin'izao fotoabna izao mantsy dia marobe ny fiangonana ka raha tsy mandinika dia tsy mahalala ilay tena fiangonan'Atra izay Andry sy fihorenan'ny Fahamarinana (Itim 3:15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia])

FAHAROA: Ny hahafantarana ny Fepetra momba ny fiangonan'Atra dia hoy ny Isaia 8:20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]

Arak'izany dia tsy maintsy miainga amin'ny lalàn'Atra izany , manamafy izany ny Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

Fa manaraka izay dia ny finoana an'i Jesosy. tsy maintsy mino fa i Jesosy no ilay Kristy manala ny fahotan'izao tontolo izao, Izy no ilay zanak'Atra araka ny planin'Atra momba ny drafim-panavotana.

Raha ireo fepetra ireo anefa no jerena dia mbola betsaka no mahafeno izany fepetra izany mba hahatanteraka ilay teny ao amin'i Isaia 4:1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso.

izany hoe samy mbola manao izay tiany hatao fa mba tononina fotsiny hoe Kristiana, ny Fahamarinan'Atra no hanasaronany ny fampianarany manokana mba hihavahany amin'ny sasany, dia hoy ny soratra masina hoe IItes 2:10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Ny tena fiangonan'Atra dia mampianatra 100% ny tenin'Atra ary ny fototra rehetra ao anatin'izany dia Atra mihintsy no nanome azy amin'ny alalan'ny mpaminany izay nofidin'Atra ho amin'ny andro farany. Io no Fiangonana mitana sy manana ny FANAOVAN-JIRO avy amin'Atra.

Amin'izao fotoana izao dia mitory ny hafatry ny Anjely telo, manerana ny tany izany fiangonanan'Atra izany araka ny voalaza ao amin'ny Apok 14:6-11;

Io Fiangonan'Atra io no ilay tanana mimanda fandosirana amin'ny mpamaly rà (ny devoly). Ny anjely mpiambina io Fiangonana io dia mitana fiadiana hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

Noho ny mbola maha fotoana ny famindram-po izao fotoana izao anefa dia mbola betsaka ireo vahoakan'Atra no mbola tavela any amin'ireo fiangonana hafa sasany aty iveleny ireo no hanaovan'ny tompo antso avo ao amin'ny Apok 18:4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.

Miandry ny fivoahan'ireo olona ireo ny Tompo hahafeno ny isan'ny 144 000 ( Apok 11:1 [Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.) ka raha vao feno ny isa dia miteny izao indray ny Tompo Apok 16:17 ... dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.

Aorian'izay teny izay dia tsy misy intsony ny fanelenelanana ataon'ny Kristy amin'Atra sy ny olona, tapitra ny famindram-po samy mivelona amin'ny toetra izay novolavolainy nandritra ny fanelanelanan'i kristy ny tsirairay Apok 22:11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.

Ho henjehina amin'izay ireto vahoakan'Atra hahatenteraka ny soratra masina hoe Asa 14:22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ao anatin'izay fotoana izay indrindra no HIHAVIAN'IKRISTY handray ireo vahoakany. I tes 4:16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

MIVAVAHA MANGATAHA NY FANAHY MASINA MBA HANAZAVA NY MARINA SY HITARIKA ANTSIKA HAHITA NY FIANGONAN'ATRA. MBA HAHATONGA ANTSIKA TSY HO TRATRAN'NY FAHATEZERANY.

MAHEREZA

MAHEREZA HARARAOTY NY FOTOANA
19. bor2lais ( 18/10/2011 12:22)
RBNIR:

Ity fiangonana ity tadiavina ry namana isany :

« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Matio 7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Matio 7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Matio 7:18)
« Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Matio 7:19)
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Matio 7:20)
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Ka inona no amaritana ny atao hoe voa tsara eto ?
Ny mety olana mantsy dia eo amin'ny resaka "goût"n' ny tsi11 : ao ny tia voa "mamy" ao ny tia voa "marikivy", sns
Vazivazy ihany ny ahy iny fa ny tiako mba lazaina dia ity :
- nanome didy vaovao ny Tompo ahafantaran'ny olona izay tena mpianany.
Ka amiko manokana dia io no voa tiana ambara angamba : "Fifankatiavana" ! :-)
20. RBNIR ( 18/10/2011 12:31)
bor2lais:

Faly miarahaba namana,
Elaela izy izany an,
Tsy mety anie ilay hoe an'ny ts11 e! Tokony hoe izay tian'Andriamanitra no eken'ny rehetra, ary izay tiany tsy sarotra ny mitady azy fa ao anaty baiboly ihany e
Faly mifandray aminao indray namana,
Samy ho tahin'ny Tompo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0462