Fiangonan'Andriamanitra

21. RBNIR ( 18/10/2011 14:15)
bor2lais:

Ka amiko manokana dia io no voa tiana ambara angamba : "Fifankatiavana" ! :-)

Marina izany namana,
Tokony ho hita taratra ao amin'ilay fiangonana tokoa ny fahatanterahan'ireo didim-mpitiavana nolazain'i Jesosy Tompon-tsika :
« Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; » (Marka 12:29)
« koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). » (Marka 12:30)
« Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » (Marka 12:31)
Ny fanantanterahana ilay faharoa dia fantantsika tsara : « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Romana 13:10)
Tian-tsika ny tenan-tsika ka izay no tsy hahasahian-tsika manisy ratsy ny tenan-tsika. Dia tahaka izany no takian'ny Tompo mba atao ho an'ny hafa.

Fa ny fanantanterahana ilay voalohany kosa no vitsy mpahalala ary tena vitsy mpanantanteraka tokoa : « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3).
Ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny hitandremana ny didiny izay voalaza fa "tsy mavesatra".

Tsy ampy namana raha ny iray amin'ireo ihany no tanteraka ao amin'ny fiangonanao fa tokony ho hita taratra avokoa ny fahatanterahan'izy roa tonta.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

22. lals ( 19/10/2011 08:55)
Miarahaba antsika rehetra,

Hoy ny soratra masina : isika no tenimpolin'A/tra, izay manimba ny tenimpolin'A/tra dia ho ravain'A/tra.

Amiko manokana aloha dia tsy hiditra amin’ilay resaka hoe ny Fiangonan’Andriamanitra dia ny tenanao. Tsy any manko no tiako hahatongavana araka ilay lohahevitra napoitrako.

RBNIR:

Ireto no toetran'ny fiangonana voalohany :
* ambany fitarian'ny Fanahy Masina,
* Omban'ny HERIN'ANDRIAMANITRA (arahana fahagagana sy famantarana lehibe)
* Mitory ny FAHAMARINANA izay nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo (ara-baiboly).

+
Fitiavana

"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro". 1 Pet 4: 8

"Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. ... Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony..." 1 Kor 13 : 1 - 10

Arak’izany dia miainga avy amintsika tsirairay io fitiavana io, isika no mikiry sy miezaka ahatafavoahana amin’izany. Tsy nahalala izany isika anefa raha tsy tao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.

Ny olana mipetraka izany dia ny hoe: misy tokoa ve ny fiangonan'Andriamanitra mahatanteraka ireo rehetra ireo ?
Ataoko angamba fa tsia ny valiny. Mbola manjaka ny asan'ny satana dia ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana, sns ... na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny samy mpiara-miangona.
23. Miharena ( 19/10/2011 09:29)
fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony...

Fa amin'ny resaka lazain'i lals ny amin'ny fiangonana dia tsy tenan'ny olombalona tsairairay dia mety ho diso izy satria io fehezanteny voambara ao amin'ny Soratra Masina io anie ka mikasika ny fahatanterahan'ny olona tsirairay fa tsy ny fiangonana velively.

Ny fangonana dia fiombonana misy rafitra ka raha ny rafitra no hamarinina dia diso be isika. Ny tenan'ny tsirairay no hamarinina fa tsy ny fangonana ary io no ampianarina ho fototra ao am-piangonana. Ataoko fa samy manana io fototra io avokoa ny fiangoana rehetra afa-tsy ireo izay mivoana rehefa mandeha ny fotoana ary mitory ny rafi-piangonana fotsiny sisa fa tsy mahatory ny fototra intsony.
24. maranatha ( 21/10/2011 05:38)
Raha ny Baiboly no manazava ny atao hoe Fiangonan'Atra dia izao novoalaza.

Voalohany:Misy tokoka ny Fiangonan'atra tsy marobe fa tokana hoy izy ao amin'ny Tono-kiran'iSolomona 6:8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?

Iza tokoa moa izany izy io satria raha izay izany dia tokana ny fiangonan'Atra, inoko fa tsy hatoro an-tsika fa Kristy no lahy ary ny fiangonana no vavy araka ity teny ao amin'ny efesiana 5:22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]24 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]

Amin'izao fotoabna izao mantsy dia marobe ny fiangonana ka raha tsy mandinika dia tsy mahalala ilay tena fiangonan'Atra izay Andry sy fihorenan'ny Fahamarinana (Itim 3:15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia])

FAHAROA: Ny hahafantarana ny Fepetra momba ny fiangonan'Atra dia hoy ny Isaia 8:20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]

Arak'izany dia tsy maintsy miainga amin'ny lalàn'Atra izany , manamafy izany ny Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

Fa manaraka izay dia ny finoana an'i Jesosy. tsy maintsy mino fa i Jesosy no ilay Kristy manala ny fahotan'izao tontolo izao, Izy no ilay zanak'Atra araka ny planin'Atra momba ny drafim-panavotana.

Raha ireo fepetra ireo anefa no jerena dia mbola betsaka no mahafeno izany fepetra izany mba hahatanteraka ilay teny ao amin'i Isaia 4:1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso.

izany hoe samy mbola manao izay tiany hatao fa mba tononina fotsiny hoe Kristiana, ny Fahamarinan'Atra no hanasaronany ny fampianarany manokana mba hihavahany amin'ny sasany, dia hoy ny soratra masina hoe IItes 2:10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Ny tena fiangonan'Atra dia mampianatra 100% ny tenin'Atra ary ny fototra rehetra ao anatin'izany dia Atra mihintsy no nanome azy amin'ny alalan'ny mpaminany izay nofidin'Atra ho amin'ny andro farany. Io no Fiangonana mitana sy manana ny FANAOVAN-JIRO avy amin'Atra.

Amin'izao fotoana izao dia mitory ny hafatry ny Anjely telo, manerana ny tany izany fiangonanan'Atra izany araka ny voalaza ao amin'ny Apok 14:6-11;

Io Fiangonan'Atra io no ilay tanana mimanda fandosirana amin'ny mpamaly rà (ny devoly). Ny anjely mpiambina io Fiangonana io dia mitana fiadiana hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

Noho ny mbola maha fotoana ny famindram-po izao fotoana izao anefa dia mbola betsaka ireo vahoakan'Atra no mbola tavela any amin'ireo fiangonana hafa sasany aty iveleny ireo no hanaovan'ny tompo antso avo ao amin'ny Apok 18:4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.

Miandry ny fivoahan'ireo olona ireo ny Tompo hahafeno ny isan'ny 144 000 ( Apok 11:1 [Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.) ka raha vao feno ny isa dia miteny izao indray ny Tompo [color=blue] Apok 16:17 ... dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.

Aorian'izay teny izay dia tsy misy intsony ny fanelenelanana ataon'ny Kristy amin'Atra sy ny olona, tapitra ny famindram-po samy mivelona amin'ny toetra izay novolavolainy nandritra ny fanelanelanan'i kristy ny tsirairay [color=blue] Apok 22:11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.

Ho henjehina amin'izay ireto vahoakan'Atra hahatenteraka ny soratra masina hoe Asa 14:22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ao anatin'izay fotoana izay indrindra no HIHAVIAN'IKRISTY handray ireo vahoakany. I tes 4:16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

IO NO FIANGONANA MANANA ILAY FANAOVAN-JIRO MITANA NY FAHAMARINANA AVY AMIN'A/TRA. IO NO FAHAZAVAN'IZAO TONTOLO IZAO. IO NO ILAY TANANA FANDOSIRANA NOMEN'A/TRA HANDOSIRANA NY MPAMALY RA. NA DIA KELY SY BITIKA AZA IO FIANGONANA IO DIA MIFANTOKA AO NY FIJERIN'NY LANITRA MANONTOLO. AVY AO NO MAKA FAHAZAVANA NY HANKAMAROAN'NY FIANGONANA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO.
25. bor2lais ( 21/10/2011 08:55)
RBNIR:

Tokony ho hita taratra ao amin'ilay fiangonana tokoa ny fahatanterahan'ireo didim-mpitiavana nolazain'i Jesosy Tompon-tsika :
« Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; » (Marka 12:29)
« koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). » (Marka 12:30)
« Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » (Marka 12:31)
Ny fanantanterahana ilay faharoa dia fantantsika tsara : « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Romana 13:10)
Tian-tsika ny tenan-tsika ka izay no tsy hahasahian-tsika manisy ratsy ny tenan-tsika. Dia tahaka izany no takian'ny Tompo mba atao ho an'ny hafa.

Fa ny fanantanterahana ilay voalohany kosa no vitsy mpahalala ary tena vitsy mpanantanteraka tokoa : « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3).
Ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny hitandremana ny didiny izay voalaza fa "tsy mavesatra".

Tsy ampy namana raha ny iray amin'ireo ihany no tanteraka ao amin'ny fiangonanao fa tokony ho hita taratra avokoa ny fahatanterahan'izy roa tonta.

Miala tsiny aminao aloha fa resaka "VOA" (fruits) no noresahiko fa tsy niteny aho hoe ahoana ny fikolokoloana na ny fanondrahanao ilay "hazo" (arbre).

Satria moa efa miresaka didy ihany ianao eo amin'io 1 Jaona 5:3 resahinao io, toa misy koa ange ao izay hoe : "minoa Izay nirahiNY" (na mitovitovy amin'izay : ialako tsiny fa tsy dia havanana loatra amin'ny resaka toko sy andininy ny tenako) raha tsy diso aho e !

Koa satria Ilay nirahiNY no nilaza iry didy voalohany ambaranao iry (Marka 12 : 29-30), ny filazanao izany dia toa milaza fa ny Fiangonana dia tsy mino Ilay nirahiNY akory e !

Tsy gravy ve izany fomba fijerinao izany RBNIR sa izaho kosa angamba no tsy mahazo resaka e ? :-)
26. RBNIR ( 21/10/2011 09:30)

[/quote]
Faly Miarahaba namana bor2lais,
Fiangonan'Andriamanitra no lohahevitra, mba hampazava azy kokoa ho anao: ny fiangonan'Andriamanitra dia tokony ho hita ao ny "voan'ny fitiavana" izay voalazako eo ambony ireo. Fiangonanan'Andriamanitra dia tsy ampy raha finoana fotsiny fa tsy maintsy hita taratra ao koa ny fitandremana ny didiny. Ny voa tadiavina tsinona dia olona masina ary ny olona masina dia ity manaraka ity no famaritana azy namana : « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12).
Voalaza arak'io teny io fa "ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy".
Fiangonana mahatanteraka an'io no fiangonan'Andriamanitra namana.

Samy ho tahin'ny Tompo namana.
27. bor2lais ( 21/10/2011 11:09)
RBNIR:

Fiangonanan'Andriamanitra dia tsy ampy raha finoana fotsiny fa tsy maintsy hita taratra ao koa ny fitandremana ny didiny.

Miankina amin'ny antsoinao hoe finoana kosa io e ! Amiko dia dia voafono ao anatin'ny finoana Azy ny fanarahana ny didy lazainao fa tsy zavatra roa samihafa akory !
RBNIR:

Ny voa tadiavina tsinona dia olona masina ...

Tena eto aho vao mahatsapa fa tsy mahazo resaka raha izany kay ! :-)

Amiko mantsy ny voa dia vokatry ny finoana Azy : fifankatiavana ! Ny fahamasinana indray amiko dia tanjona ... ("limite supérieure" hoy ny mpanao marika izay !) sa ahoana hoy Masindahy RBNIR ? hihihi !

Vazivazy ny ahy fa sao dia tezitra eo ! :-)
28. RBNIR ( 21/10/2011 12:07)
bor2lais:

Vazivazy ny ahy fa sao dia tezitra eo ! :-)

Tsy mahazo tezitra izany isika namana a!
Ahoana ianao amin'ity teny ity : « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)
Aiza no tokony hotratrarina ilay fahamasina dieny mbola velona sa rehefa any ankoatra any????
Efa manoro hevitra an-tsika ny Soratra Masina : olona masina = izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. Inona no mahasakana an-tsika tsy hanao izany? sa tsy tian-tsika ny mintandrina an'izany ry namana??

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!

29. bor2lais ( 21/10/2011 13:03)
RBNIR:

Aiza no tokony hotratrarina ilay fahamasina dieny mbola velona sa rehefa any ankoatra any????
Efa manoro hevitra an-tsika ny Soratra Masina : olona masina = izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. Inona no mahasakana an-tsika tsy hanao izany? sa tsy tian-tsika ny mintandrina an'izany ry namana??

Ny tsy mampitovy hevitra ahy aminao anie dia ity e : rehefa zohina ny resakao dia toa ny tenantsika ihany no tadiavinao hitsara tena hoe "masina aho satria voatandriko ny didin'Andriamanitra". Izany hoe toa maka ny toeran'Ilay tokony hitsara antsika isika. Ny fiheviNY anefa toa hoe tsy fihevitsika e ! :-)

Amiko dia tsy misy mahatandrina 100% ny didin'Andriamanitra ny olombelona hafa tsy Ilay Tokana ihany ! Izay ny ahy no ialofako Aminy !

Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)
30. RBNIR ( 21/10/2011 13:14)

Ny teny aloha namana dia manao hoe : "tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina..." Tsy aiko izay mety ho fiatrakan'izay teny izay aminao fa amiko problema b raha sanatria aho ka ho voakilasy tsy masina.
Hoy koa ny teny hoe olona masina izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. Te ho voakilasy ao amin'ilay hoe olona masina aho ka dia aleko mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
Vita ny anjarako an'Andriamanitra no sisa, fa raha tsy nanao kosa aho, dia normal raha ho sahirana ny saiko.
Hamafisiko ny hevitra : fiangonanan'Andriamanitra : mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i JEsosy.
Samy ho tahin'ny Tompo namana
31. RBNIR ( 21/10/2011 13:38)

Fanampiny kely ilay didim-pitiavana 2 lehibe efa tafiditra ao anatin'ny didy tandremana an!
Torohevitra atolotra am-pitiavana ho anao jereo ny lohahevitra mikasika ilay fitandremana ny didy araho ity lien ity http://forum.serasera.org/forum/message/m4e96d49b726d4

Raha tsy manana ianao mangataha dia mba mianara e!

Samy ho tahin'ny Tompo namana,
32. bor2lais ( 21/10/2011 15:35)
RBNIR:

Hamafisiko ny hevitra : fiangonanan'Andriamanitra : mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i JEsosy.

Efa nomeko etsy ambony ny hevitro :
bor2lais:

Miankina amin'ny antsoinao hoe finoana kosa io e ! Amiko dia dia voafono ao anatin'ny finoana Azy ny fanarahana ny didy lazainao fa tsy zavatra roa samihafa akory !

RBNIR:

Fanampiny kely ilay didim-pitiavana 2 lehibe efa tafiditra ao anatin'ny didy tandremana an!

Resaka efa nandeha teto ny momba an'io.
"Relation verticale" = izaho sy Andriamanitra
"Relation horizontale" = fifankatiavana "mpirahalahy"
Tsy misy dikany ny "horizontale" (mianjera ho azy) raha tsy eo ny "verticale" : raha tsara ny fifandraisako amin'Andriamanitra (finoana na hazo) dia mandeha ho azy ny fifankatiavana amin'ny "rahalahy" (voa). :-)

Mikasika ny rohy nomenao dia mifandray amin'io efa voalaza io ihany : (tokony) voafono ao amin'ny finoana Azy ny fanajana ny didy !

Izay ny fomba fijeriko azy : mazava ho azy fa tsy voatery hitovy amin'ny fijerin'ny hafa a ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0168