Fantaro ireo Evanjely hafa nosoratan'ireo Apostoly, Thomas, Phillipe, Pierre, Jacques, Marie...

1. didi10 ( 07/10/2011 09:18)
http://www.naghammadi.org/traductions/traductions.aspx

Tany amin'ny taon-jato voalohany no nanoratana ireto boky ireto fa tamin'ny 1945 no nahita azy tany Nag Hammadi tany Ejipta.
Hatramin'izao aloha dia mbola tsy nekan'ny Fiangonana Kristianina ny "athenticité" ny fa anjarantsika tsirairay no mamaky sy mandinika azy.
novalian'i Miharena ny 11/10/2011 14:21
2. Tefigasy ( 07/10/2011 11:25)
Manoloana ireny boky maro isan-karazany mbola asain'ny olona ho fakafakaina sy halalinina ireny dia lasa ihany ny saina mieritreritra hoe: angaha moa mbola tsy ampy azy ireo ihany ny baiboly no mbola mitady izao boky hafa tiany hanampy azy izy ireo?

Amin'ny maha kristianina reformé ny tenako aloha dia tokana ihany ny ahy, tsy sanatria borné aho akory raha hiteny fa ny baiboly ihany ary tsy misy afa-tsy ny baiboly no boky hifandraisako amin'Andriamanitro. Livre inspiré io amiko ka raha mino ianao dia io vakiana, tsy mino ianao , dia jereo daholo ny boky rehetra miresaka fivavahana, handanio andro fa tsy maninona.
3. didi10 ( 07/10/2011 12:32)
Misaotra an'i Tefigasy.

Hainao ve ny manavaka ny "MAHAFANTATRA" SY "MINO" ?

Raha mahafantatra tsy voatery hino.
Andriamanitra dia mamporisika ny olona hahafantatra ny zavatra rehetra!!
Raha tena mafy orina ny finoanao dia tsy tokony hampihozongozona izany ny hetahetam-pahafantarana "Soif de connaissance".

4. Tefigasy ( 07/10/2011 12:49)
Koa inona moa no tsy fantatrao ao anaty baiboly raha ny momba an'i Jesoa kristy no resahina. Matoa tsy nosoratana na tsy voasoratra ao dia misy antony ao.
Hainao ve aloha ary hoe inona no fototra nangalana ireo boky ao amin'ny baiboly ireo ? Maninona no ireo no nalaina tao nefa tamin'izany fotoana izany dia efa betsaka ny boky hitan'ny teolojianina ? Miankina amin'izay ho valin'izay no mety hahitanao hoe mbola mila boky hafa ve aho sa tsy mila tsony fa ny baiboly de ampy ary baiboly ihany fa tsy tokony ho mila autre livre.
5. Miharena ( 07/10/2011 16:11)
Mandalina tokoa Didi10 raha mitrandraka ireo boky ireo ary mety mitovy amiko ihany izy. Atsy ambadika anefa izy dia manitrikitrika fa tsy Kristiana aho rehefa tsy mino ny helo.

Rehefa mivoatra tsara ny fandalinana dia ho tody amin'io resaka noresahako io ihany i Didi10 sy ny olona mandinika rehetra.

Ka raha eo ihany isika dia azonao atao koa ny manokatra ny horizon-nao mamaky ny hafatra ao amin'ny site terre nouvelle ohatra, na autres dimensions dia ho hitanao ao ireo personages rehetra ao anaty Baiboly hiresaka aminao (ohatra, jesoa, Maria, Jaona sy ny anjely maro...).
6. rijadolly ( 07/10/2011 16:19)

Mandalina tokoa Didi10 raha mitrandraka ireo boky ireo ary mety mitovy amiko ihany izy. Atsy ambadika anefa izy dia manitrikitrika fa tsy Kristiana aho rehefa tsy mino ny helo.Rehefa mivoatra tsara ny fandalinana dia ho tody amin'io resaka noresahako io ihany i Didi10 sy ny olona mandinika rehetra.

Tena marina mihitsy io tenin'ny Miharena io. Ary dia mbola hamafisin'ny Tefigasy hoe "Koa inona moa no tsy fantatrao ao anaty baiboly raha ny momba an'i Jesoa kristy no resahina." Dia io lazain' Miharena io ilay tsy hita ao anaty Baiboly. Tandremo! Ihany Didifolo fa any dia.....an!
7. Miharena ( 08/10/2011 06:09)
Rijadolly:

Tandremo! Ihany Didifolo fa any dia.....an!

Mahavaka ihany ny fiheverana ny mahavery ny olona mandalina Rijadolly an! Rehefa mahita fahamarinana amin'ny famakiana boky ankoatry ny Baiboly ve dia very?

Ahoana izany ny momba ireo olona marobe izay nanoratra fitsipika eo amin'ny fiangonana izay tsy hita ao anaty Baiboly velively? Ny fisoronana na fitariham-pivavahana atao ankehitriny isam-piangonana angaha azonao antoka 100% fa manaraka tsara izay voalaza ao anaty Baiboly?

Mila mivelatra ny fandalinam-pinoana Rijadolly fa tsy tokony hoferana ary raha milaza ireo fahamarinana ambara maro aho dia tsy midika akory izany hoe tsy mifandraika amin'ny Baiboly ireo resaka resahan'ny boky na site maro samihafa ireo.
8. rijadolly ( 08/10/2011 08:24)
:-)

Mahafinaritra Miharena a!

Mazava tsara kosa angamba ny teniko e! Mitandrema hoy aho. Ary manaiky tanteraka aho amin'ilay hoe " Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara. " Efa nisafidy ahalala ny tsara sy ny ratsy ny tsirairay, Ary efa nomena safidy ihany koa hino an' izay tenin' ny Mpampianatra hinoany fa misy fahamarinana tsy azo hozongozonin'ny Manampahaizana na iza izy na iza, na amin'ny fotoana rahoviana na rahoviana. Samy nomena fahefana hi-test izany rehetra izany ihany koa mba ahafantatra ny avy any amin'Andriamanitra marina.

* Raha ohatra ka handalina aho mba hanoherako ny Marina izay lazain'ny Kristy Jesoa, izay eo ihany, izay mety ahazoako famelana ihany, fa raha indraindrindra izay nambaran'ny Fanahy Masina dia lozako izany.

* Fa raha ohatra kosa aho ka handalina na hi-test ny tena fahamarinan'ny Tenin' Kristy, sy ny teninin' Fanahy Masina, dia anisany ireo asa lehibe efa miandry ny Mpino Kristianina izany.

Raha iry * voalohany dia tsoriko ary tsy isalasalana ny ilazako fa tsy mankasitraka ny Baiboly ny olona mpandalina fa ny baiboliny amin'ny maha mpandalina azy no arantiny. Dino tsara izay lazaiko izay ary tsy mangataka valiny aho hoe marina na diso fa dinio ny tenantsika tsirairay.
9. Miharena ( 08/10/2011 16:49)
Eo amin'ilay hoe Baiboly tsy ankasitrahana dia soratra ihany no ao fa ny toetra tiana ampitaina ao no mahatonga ny faharesen-dahatra sy mamptombo fahatsapana mazava.

Ka tsy natao ankasitrahana ny Baiboly fa Andriamanitra ihany no ankasitrahana. Koa raha miteny amin'izao fotoana izao IZY fa tsy voasoratra ao anaty Baiboly ny hevitra vaovao na fitoriana vaovao ataoNY dia tsy manan-kery intsony ny hevitra sasany ao anaty Baiboly.

Hoy i Kristy izay hoe : tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Koa rehefa hita kosa fa efa tonta ny foto-pisainana sasany hita taratra tao anaty Baiboly ary efa misy ireo vaovao taty aoriana avy amin'ireo mpitory ao anaty Baiboly ihany fa saingy taty aoriana elabe vao nametraka hafatra vaovao indray dia tokony ho efa hafa ny fomba fijery.

Tsara ihany ny mametraka io rafi-pandrefesana ny fivoarana araka ny vanim-potoana io fa tsy hifikitra amin'ny taloha foana.
10. rijadolly ( 08/10/2011 20:53)
Miharena:

Izay vao tena mazava fa niseho ny endriky Miharena. Tany ny fototry ny ady hevitra hatrizay, dia tampina izany ny daomitsika manomboka eto ry Miharena fa dia mirary soa ho an' se hanantanteraka sy hanoratra ilay baibolinao vaovao vokatry ny fandinihanao avy amin'ny alalan' fahaizano arak'io voalazako eo am-bony io. Mba nahay naminany ihany aho zany nilaza hoe:
Rijadolly:

Raha iry * voalohany dia tsoriko ary tsy isalasalana ny ilazako fa tsy mankasitraka ny Baiboly ny olona mpandalina fa ny baiboliny amin'ny maha mpandalina azy no arantiny. Dino tsara izay lazaiko izay ary tsy mangataka valiny aho hoe marina na diso fa dinio ny tenantsika tsirairay.

Ary ho hamafisiko ihany koa fa Kristy Mpandainga sy Mpaminany Mpandainga ihany koa no handraisan'ireo Mpamorina baiboly vaovao ny Mpaminany ao anaty Baiboly satria ny azy no marina.

Aleo izay mbola tsy nahavita nandalina ny Baiboly handalina ny Baiboly eto aloha, fa rehefa vitanay sy tsapanay fa tanterakay daholo ny ao dia mitady niveau avoavo kokoa izahay. Araky ilay tenin'Ilay Mpampianatray hoe :
JAONA 16: 12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Sy ny hoe:
APOKALYPSY 22: 18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
Ary koa ny hoe:
APOKALYPSY 22: 19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
11. Miharena ( 09/10/2011 10:37)
Mbola manana zavatra amrobe horesahina amintsika Jesoa anie Rijadolly fa tsy voafetra tamin'ny Baiboly araka ny tanisa nataoanao io ihany e!

Dia izay hafatra marobe ifandrasaNY amin'ny olombelona mandrak'ankehitriny no henoiko sy arahiko fa tsy manana Baiboly vaovao hosoratana velively aho.

Izay reko s azoko no lazaiko eto amin'ny forum fa tsy manan-java-poronina aho akory.
12. rijadolly ( 10/10/2011 03:05)
hoy Miharena:

Mbola manana zavatra amrobe horesahina amintsika Jesoa anie Rijadolly fa tsy voafetra tamin'ny Baiboly araka ny tanisa nataoanao io ihany e!

Tsy diso fa marina, fa kosa tsy ampy an'ilay hoe: 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; dia nisy efa nambara tamin' Apostoly tamin' fizarana ny Fanahy Masina. Dia mbola tsy diso ihany se milaza hoe dia ahoana izany isika aty aoriana? dia hoy aho hoe nomena ny Fanahy Masina isika Hanambara ny FilazantsaraNy sy Jesoa Kristy fa tsy hanohitra na handiso ny teniNy, hany ka na ny filazana na ny fahenoana ny teniNY aza maha sorena satria mandiso ilay fandalinana natao efa ho roapolo taona mahery. Dia mbola maha sahy ilaza ve isika fa Fanahy Masina no miasa ao anatitsika amin'izany?
13. Miharena ( 10/10/2011 04:25)
Tsy fanoherana na fanadisoana ny Teniny no atao fa ny manazava ao anatin"ny fe-potoana izay voalaza araka ny fivoaran'ny fahalalàna izay tian'Andriamanitra ho azon'ny olombelona arak'io nolazain'i Krsity io hoe mbola tsy zakanareo izay holazaiko any aoriana fa aoka laoha ireo ihany no lazaina (2000 taona lasa). 2000 taona aty aoriana dia misy ny hafatra vaovao izay azo azaina fa zakan'ny olombelona amin'izay ary ahafahany mikambana amin'Andriamanitra Ray sy ho mpiara-miasa AMINY tanteraka ka hanary ireo hevi-diso rehetra maha-taizan'i Satana azy.
14. rijadolly ( 11/10/2011 03:30)
dia indramiko indray ary ilay ohatra miseho hantsikana ao ambany ao; Hoy Jesoa hoe ity ny tondro zotra atafavoahanareo amin'izao krizy mahazo anareo izao. Samy manaiky isika fa marina tokoa io Teniny io. Misy milaza tampoka avy eo hoe, Diso iny tenin' Jesosy iny fa ity no marina dia somary ahintsy kely lay izy, hihihihih! miaina ny Mpanohitra an' Andriamanitra amin'izany ary tonga ny korotana, ary dia vao maika misaritaka ny hevitra maro, Tena azon'se antoka ve fa FANAHY MASINA avy any amin'Jesoa Kristy io Fanahy io? Nefa mazava tsara ilay Tondro zotra netin' Jesoa Kristy voalohany ary dia samy manaiky isika fa tena marina tsy azo kianina; ary noho izay fanekentsika izay no midika fa azotsika tsara ilay izy.
15. Miharena ( 11/10/2011 03:56)
Ny tondro zotra dia marina fa voambara ao anaty Baiboly namana Rijadolly ary misy fahamarinana tsy azo lavina toy ny resak'Andriamanitra hoe ary Izaho ho Andriamaniny ary Izy ho oloko sy ny hoe : Ho iray ihany izy rehetra. Rehefa miteny ireo IZY dia mandrakizay ny fikasaNY ho an'ny olombelona rehetra voariNY.

Ny mamefy fikasan'Andriamanitra no ataon'ny mpanohitra Azy namana ka sao isika milaza Kristiana mitsimpona izay manakana fikasana no milaza fa momba AZY.
16. AUGERFA ( 11/10/2011 10:26)

Miharena:

Rijadolly:

Tandremo! Ihany Didifolo fa any dia.....an!

Mahavaka ihany ny fiheverana ny mahavery ny olona mandalina Rijadolly an! Rehefa mahita fahamarinana amin'ny famakiana boky ankoatry ny Baiboly ve dia very?

Ahoana izany ny momba ireo olona marobe izay nanoratra fitsipika eo amin'ny fiangonana izay tsy hita ao anaty Baiboly velively? Ny fisoronana na fitariham-pivavahana atao ankehitriny isam-piangonana angaha azonao antoka 100% fa manaraka tsara izay voalaza ao anaty Baiboly?

Mila mivelatra ny fandalinam-pinoana Rijadolly fa tsy tokony hoferana ary raha milaza ireo fahamarinana ambara maro aho dia tsy midika akory izany hoe tsy mifandraika amin'ny Baiboly ireo resaka resahan'ny boky na site maro samihafa ireo.

Tsara aloha amiko ny mahafantatra ny zavatra rehetra, tsy misy fanamelohana izany.
Ny fahalalako ny zavatra voasoratra ao amin'ireny boky ireny dia tsy mampihozongozona ny finoako. Efa nandray an'i KRISTY ho Tompo Mpamonjy aho ary efa noraisiko ny Fahamarinana ka voasoratra any an-danitra ny Anarako, ary matoky aho fa hiditra ao amin'ny fitoerana masina.
Ny teneniko kely, sao dia ho variana amin'ny fianarana nefa tsy hahazo lay fahamarinana fa loza anie ny tratran'ilay teny hoe "MIANATRA MANDRAKARIVA NEFA TSY MAHATRATRA NY FAHALALANA NY MARINA"
Ny marina ny tadiavina, dia ny hiaraka amin'Andriamanitra ary ho marina tahaka AZY, ho tonga Zanany, ZAY NATERAK'ANDRIAMANITRA DIA TSY MANOTA, SATRIA MIARO NY TENANY IZY KA TSY MAHAKASIKA AZY AKORY ILAY RATSY" 1Jaona 5:18
17. rijadolly ( 11/10/2011 11:23)

Hoy Miharena:

Ny tondro zotra dia marina fa voambara ao anaty Baiboly namana Rijadolly ary misy fahamarinana tsy azo lavina toy ny resak'Andriamanitra hoe ary Izaho ho Andriamaniny ary Izy ho oloko sy ny hoe : Ho iray ihany izy rehetra. Rehefa miteny ireo IZY dia mandrakizay ny fikasaNY ho an'ny olombelona rehetra voariNY.

Ny mamefy fikasan'Andriamanitra no ataon'ny mpanohitra Azy namana ka sao isika milaza Kristiana mitsimpona izay manakana fikasana no milaza fa momba AZY.

Aza mitsara se, fa ny ahabetsaka ny olona hiditra ny fanjakan'Andriamanitra no sitraky ny Kristianina izay fikasaNy rahateo.
18. Miharena ( 11/10/2011 14:21)
Tsy hoe mitsara aho Rijadolly fa milaza ny zavamisy ihany. Ary mitovy isika sy ianao amin'ny hoe ny ahatafidiran'ny olona maro ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra no imasoana ary sitrapoNY izany. Ny endrika fizaràna fotsiny angamba no tsy itovizantsika. Ny ahy ny fananana AZY ao anaty no zaraiko mba tsy hierikerehan'ny olona etsy sy eroa hitady AZY.

Ary raha mamaky ireo evanjely apocryphe ireo ianao dia hahita fa io tokana io ihany no sitrapon'i Kristy, dia ny hitovizantsika Aminy na ny hihoarantsika AZY aza arka ny Teniny hoe : ary hanao asa lehibe no IZY aza isika aty aoriana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3088