FANTATSIKA TSARA VE ANDRIAMANITRA ?

1. Miharena ( 29/09/2011 16:13)
Mametraka io fanotaniana io ho antsika aho satria matetika tsy mitovy ny fomba fandraisana an'Andriamanitra.

Ny an'ny sasany dia antsoina any an-danitra any IZY ary mety tena ny maro no manao io fomba fiheverna io.

Ny an'ny hafa dia mahafantatra izy fa izao rehetra izao dia ahitany an'Andriamanitra avokoa.

Ka iza amin'ireo no ahitantsika ny manakaiky ny marina na ny tena marina ?

Afaka maka ohatra ara-Baiboly isika fa mifanitsy amin'ny loha-hevitra.
novalian'i rijadolly ny 11/10/2011 11:32
2. rijadolly ( 29/09/2011 17:59)
Na aiza na aiza no iantsonao an'Andriamanitra dia eo foana Izy.
3. rijadolly ( 29/09/2011 18:14)
JEREMIA 33: 3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao
Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

SALAMO 50: 15 Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana,
dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.

ZAKARIA 13: 9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
MATIO 18: 20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
4. Hagg ( 30/09/2011 05:28)
Miarahaba antsika, mahaliana tokoa io dy hevitra io.
Raha mijery ny finoana samy hafa dia samy manana izay lazainy ho misy ny Andriamanitra. Mitady hifangaro koa i Andriamanitra sy ny asany, Andriamanitra sy Jesosy...na dia iray ihany aza. I Jesosy no niteny an'io hoe "na firy na firy...dia eo afovoany aho", fa i Jesosy koa rehefa maty dia "lasa niakatra nakeo ankavanan'Andriamanitra". Andriamanitra rehefa miasa dia maniraka ny anjeliny na maniraka an'i Jesosy. Misy milaza koa fa ao ampo no misy azy satria "Andriamanitra dia fitiavana". Raha namorona an'izao tontolo izao Andriamanitra dia i Jesosy (teny) no nampiasainy. Fa nisy fotoana andriamanitra "nidina" ka niseho tamindry Josefa na ry Mosesy tamin'ny endrika afo. Fa tsy teo foana izy fa lasa rehefa avy vita izay nataony.....mba famakafakana koa ny ahy fa mbola tsy tena voavaly angamba hoe aiza marina izy. Raha mijery ny vaovao ara-tsientifika dia hita fa mbola manamboatra an'izao tontolo izao koa izy satria dia tsy mitsahatra ny mivoatra sy mihetsika ny ao ambony tsy taka-maso ao: misy planeta/galaxy miforona, maty..sns. Sa ahoana hoy ianao?
5. Tefigasy ( 30/09/2011 05:33)
lohahevitra anisan'ny tsara ity lohahevitra ity. Na samy olona mitonona ny tenany ho kristianina ary mantsy dia toa samy hafa tokoa ny fandraisany an'ilay Andriamanitra:
Iza moa Andriamanitra, Aiza izy no mitoetra, inona no ataony ankehitriny ?

Raha ireo fanontaniana ireo no voavalin'ny kristianina araka izay voalaza tsara ao anaty baiboly, dia mety ho tanteraka ihany angamba ny hoe fiangonana tokana maneran-tany fa tsy misy intsony ny hoe kato, protest, ....
6. Miharena ( 30/09/2011 07:31)
Misaotra anareo namakafaka.

Fa raha ireo fitanisana nataon'i Rijadolly ireo ohatra dia mamaritra AZY ho tsy manam-petra fa manerana ny rehetra IZY.

Isika olombelona miaina amin'ny erana telo zotra (3 dimensions) no isan'ny mihevitra fa misy toerany IZY nefa raha ny ara-panahy dia tsy manam-petra ny toerany.

Hoy i Kristy izay hoe ny vorona aza manana ny akaniny fa ny zanak'olona tsy manana izay handrian'ny lohany akory.

Fa eo amin'ny hoe fiangonana tokana dia angamba tsy dia nisy fiangonana tsy nahatsapa an'Andriamanitra mandrakizay manerana io fa ny fombafombam-pivavahana sy famakafakana ny fihetsiky ny fanahy no maha-samihafa ny fiangonana.

Raha jerena dia toy ny vorona samy afaka namorona ny tranony avy ny fiangonana isan-karazany ka samy naka ireo karazana sombin-kazo azo hanamboarana izany dia ireo fepetra isanisany samy manana ny azy. Ireo anefa dia tsy haharitra mandrakizay satria hevitra natsangana avokoa.
7. Tefigasy ( 30/09/2011 07:41)
Misy hatsikana kely tadidiko izay de mba zaraiko aminareo eto mikasika io lohahevitra io: nisy hira nohiraina izay tany ampiangonana hoe :
"ahy jesoa hatraty ka hatrary"

de hoy ilay olona teny ivelany fa tsy tao ampiangonana hoe : "raha azy jesoa hatrary ka hatraty, dia aiza zany sisa no mba anay ?"
8. Miharena ( 30/09/2011 14:22)
Sangisangy zary tenany ihany io lazain'i Tefigasy io. Satria na tamin'ny andron'ny Fariseo sy ny SAdoseo aza dia io fmba fisainana io no nentiny niaina hoe izy ihany no manana an'Andriamanitra fa ny Samaritana tsy izy.

Tsy tokony ho tafalatsaka ao anatin"izany ny Kristiana ankehitriny fa tokony ho mahay mijoro amin'ny fahamarinana voiziny dia ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka na inona fombany na inona toetrany.
9. rijadolly ( 03/10/2011 03:24)
manaiky aho fa misy fanahy hafa sy andriamanitra hafa miray petsapetsa amin'olona mpanao meloka, marina mihitsy ity tenin'miharena ity, ary dia mampirisika ny olona hanao fomba hafa ohatra hoe miakohoka amin' zavatra.

Miharena:

tokony ho mahay mijoro amin'ny fahamarinana voiziny ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka na inona fombany na inona toetrany.

10. rijadolly ( 03/10/2011 04:19)
Ary ahoana kosa hoy ny tenin'Andriamanitra

ZAKARIA 13: 9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.

Tsy teniny ve io? diso izany io voalazany io?
11. Miharena ( 03/10/2011 13:37)
Tenin'i Jehovah io resahanao io Rijadolly ary marina izany ary tsy milaza aminao mihitsy aho hoe diso io filazany io.

Ny fizahan-toetra dia sedra izay ataon'ny fanahy iray tonga nofo. Eo no manomboka ny fitadiavana ny fahamarinana ahafahan'ny olona iray ho tafavoaka amin'ny sehatra manaraka dia ny fianana ara-panahy rehefa dila ny nofo.

12. RBNIR ( 03/10/2011 14:34)
Miharena:

FANTATSIKA TSARA VE ANDRIAMANITRA?

« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3)
Alohan'ny hamalianao ity teny ity dia tohizo tsara aloha ny famakiana ny tohin'io teny io 1 Jao.2:4-5.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
13. rijadolly ( 03/10/2011 17:10)
ZAKARIA 13: 9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
Miharena:

Tenin'i Jehovah io resahanao io Rijadolly ary marina izany ary tsy milaza aminao mihitsy aho hoe diso io filazany io.

Miharena:

tokony ho mahay mijoro amin'ny fahamarinana voiziny ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka na inona fombany na inona toetrany.

Koa raha marina izay lazainy nahoana indray isika no mandiso izany ka hanao hoe zanak'Andriamanitra daholo na dia ireo mivavaka amin' andriamanitra tsy miteny tsy mihetsika no sady moana sy marenina, hatramin'izay andriamanitra vitan'ny tanany aza. Ary toriana sy lazaina ho marina fa samy ho voavonjy avokoa. Ary dia havilana tanteraka ny zavatra rehetra hatramin'tenin'Kristy. Tandremo fa tsy midika akory izany hoe tsy tiaNY ireo olona ireo an! Noho ny fitiavaNY no nandrefasaNY Mpanisy zezika mba hialanenina alohany hikapana izay tsy mamoa.
Hoy Miharena:

Ny fizahan-toetra dia sedra izay ataon'ny fanahy iray tonga nofo.

Azon'se hazavaina ve io azafady, satria tsy azoko tsara, dia ilay hoe fanahy koa, inona io fanahy io.
14. Miharena ( 04/10/2011 05:22)
Rijadolly:

Mandray izay voalaza voalohany aho fa tsy mandiso izay nolazaina taty afara. Ny voalohany dia hoe nataoNY toy ny endriny ny olon-drehetra ary izay ihany no tanako hatramin'ny farany tsy hahameloka ahy amin'ilay resaka fandoto iray tandroka vokatry ny fisainana mitan-droa manaiky fa misy ny helo sy ny fahaverezan'ny AIN'Andriamanitra efa nomeNY hatrizay ka ho mandraizay.

Mila miova ankehitriny ny fomba fitoriana AZY fa tsy tokony hampisalasala ny olombelona intsony fa IZY no Fototra ary raha mahalala izany dia tsy hangozohozo mandrakizay. Hevitra mifangaro ny sisa rehetra ary io no sedra apetraka amintsika hoe fantatsika ve fa IRAY ihany no Marina fa ny resaka hafa dia fangaroharon-kevitra avokoa?
15. Miharena ( 08/10/2011 07:31)
Hoy Miharena
Ny fizahan-toetra dia sedra izay ataon'ny fanahy iray tonga nofo.

Rijadolly:

Azon'se hazavaina ve io azafady, satria tsy azoko tsara, dia ilay hoe fanahy koa, inona io fanahy io.

Somary adino ity valim-panontaniana ity Rijadolly fa omena fahafaham-po ianao.

Ny fanahy dia mandrakizay satria io no lova itovizantsika amin'Andriamanitra. ny fahatongavan'io ho nofo dia noho ny incarnation satria ny fanahy dia mandrakizay ary avy amin'ny fivakisana ao amin'ny Loharanom-panahin'Andriamanitra. Rehefa tonga nofo dia misedra ny fianarana hiaina anaty nofo izay entin'ny saina ny fanahy. I Kristy dia anisan'ny nanetry tena ho tonga nofo hampahafantatra amin'ny olon-drehetra fa iray ao amin'ny RAY izy rehetra tsy an-kanavaka ary io no vontoatin"ny fitoriana rehetra.

Sedra ilay fahatongavana nofo eto ary fizahan-toetra no azo ilazana azy raha toa ka mandray ny fihevitry ny Kristiana izay voasoratra hoe : sedraina amin'ny afo izy ary toy ny fisedrana volamena no hampandalovana ny fanahy rehetra hitombo hamiratra hatrany.

Mandalo ny fiheveran-diso ilomanosan'ny olombelona rehetra izany ny fanahy iray tonga nofo eto ambonin'ny tany ary izany no mahatonga azy hitady ny fahamarinana raha vao teraka ary mitombo taona.

Anisan'ny fahadisoa-piheverana izay azo ambara ny fisian'ny helo mandrakizay ao anatin'ny drafitr'Andriamanitra izay toerana heverina fa hahavery sombin'Andriamanitra iray raha tsy manaraka izay lalàna na toro-hevitra voarafitra antaonany maro izay nekena ho fahamarinana.
Eto no mila mihevitra tsara isika satria raha ekentsika fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao dia tsy ho ao anatin'izany velively ny helo mandrakizay fa sedra ihany izany fa tsy haharitra. Ny helo dia vokatry ny rafitra manasazy izay neken'ny olombelona hitaizana azy.

Rehefa mazava ny fo sy ny saina ary mibanjina an'Andriamanitra ny fanahin'ny olona tsirairay dia afaka ny fahadisoam-pheverana momba ny helo mandrakizay.

Hoy i Kristy izay hoe fantaro ny marina mba ahafaka anareo tsy ho andevo. Ary koa ny hoe: mankanesa aty Amiko izay miasa fatratra sy mavesatr'entana fa Izaho hanome fitsaharana. Ilay entana vesarintsika anie ka ireo fahadisoam-piheverana miteraka tahotra sy ozona e! Mila miala amin'ireo isika ary ireo dia vokatry ny saina mandray azy ho fahamarinana fa tsy idiran'ny fanahy manana ny mandrakizay velively.

Izay aloha no vallinteny fa asa na mahafapo anao Rijadolly. Ataoko fa afaka mahazo izay voambara ireo mpandray anjara rehetra mamaky.
16. rijadolly ( 08/10/2011 21:04)
ZAKARIA 13: 9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
Rijadolly:

Koa raha marina izay lazainy nahoana indray isika no mandiso izany ka hanao hoe zanak'Andriamanitra daholo na dia ireo mivavaka amin' andriamanitra tsy miteny tsy mihetsika no sady moana sy marenina, hatramin'izay andriamanitra vitan'ny tanany aza. Ary toriana sy lazaina ho marina fa samy ho voavonjy avokoa. Ary dia havilana tanteraka ny zavatra rehetra hatramin'tenin'Kristy. Tandremo fa tsy midika akory izany hoe tsy tiaNY ireo olona ireo an! Noho ny fitiavaNY no nandrefasaNY Mpanisy zezika mba hialanenina alohany hikapana izay tsy mamoa.

Miharena:

Mandray izay voalaza voalohany aho fa tsy mandiso izay nolazaina taty afara. Ny voalohany dia hoe nataoNY toy ny endriny ny olon-drehetra ary izay ihany no tanako hatramin'ny farany tsy hahameloka ahy amin'ilay resaka fandoto iray tandroka vokatry ny fisainana mitan-droa manaiky fa misy ny helo sy ny fahaverezan'ny AIN'Andriamanitra efa nomeNY hatrizay ka ho mandraizay.

Voalohany aloha dia tsy nahafa-po ahy ilay valitenin'se eto, satria hoy Jehovah "ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro." Dia nametraka aho fa aiza ho aiza amin'izay ary ireo tsy manana, tsy miantso an' Jehovah ho Andriamaniny? Sa tsy misy izany atokon' olona izany?

Raha io valitenin'se io sy apahany manaraka io dia somary ametra fanontaniana ho an' se aza aho: Raha miala amin'ny nofo ny fanahy, miverina mitambatra amin'ny fanahin'Andriamanitra indray ary ve ny fanahin' Mosesy, fanahin' Isaia, fanahin'i Losfera, Fanahin'demonia, fanahin' Dolly izay tsy nanaiky hatramin' farany hiala amin' otako...?

raha eny hoy i se, dia hoy aho hoe, loza koa izany fanahin'Andriamnaitra izany, ao aminy daholo izay toetra ratsy rehetra.

Nefa efa mazava ny tenin'se ao ambadika ao fa efa lany andro ny Baiboly fa tokony ovaina; dia mahereza i se hanavao ireo hevidiso nampitan'ireo Mpaminany maro izay Fanahy Masina Mpandainga no tao aminy, ary hanova ihany koa ireo teninin' Jesoa Kristy sandoka, satria ny vokatry ny fandalinan'ny mpandalina manampahaizana no tena marina sy tokony ahely amin'izao vanin' andro ratsy dia ratsy izao.Mbola misy anefa ny fotoana hiverenana, koa mitaona an'se aho izao anio sy izao ora izao ka hilaza hoe: kely sy bitika ny fahalalantsika fa mahaiza sy meteza ho tarihiNY.
TAPITRA.
17. Miharena ( 09/10/2011 10:50)
Rijadolly:

Raha io valitenin'se io sy apahany manaraka io dia somary ametra fanontaniana ho an' se aza aho: Raha miala amin'ny nofo ny fanahy, miverina mitambatra amin'ny fanahin'Andriamanitra indray ary ve ny fanahin' Mosesy, fanahin' Isaia, fanahin'i Losfera, Fanahin'demonia, fanahin' Dolly izay tsy nanaiky hatramin' farany hiala amin' otako...?

Ny fanahy anie rehefa nozaraina Rijadolly dia nomena mandrakizay ho anao fa tsy hoe miraikitra amin'Andriamanira e! Ny fahatsapana fa sombin'Andriamanitra isika dia efa mahafeno antsika ao AMINY. Fahafenoana mahaleotena maro be no misy fa tsy vongana iray.

Rijadolly:

Nefa efa mazava ny tenin'se ao ambadika ao fa efa lany andro ny Baiboly fa tokony ovaina

Mitady ho very amin'ny fanarahana ny adihevitra Rijadolly izany. Tsy milaza aho hoe lany andro ny Baiboly fa misy fomba fizaràna ny Tenin'Andriamanitra efa tokony hiova ankehitriny fa tsy hionona amin'ny ara-tantara ao anaty Baiboly fotsiny.
Finoana miasa sy mampitombo aim-panahy ary mifototra amin'ny fahatsapana tanteraka no ilaina fa tsy fitanisana tsianjery. Ary koa tsy omby izao tontolo izao hoy ny Apostoly raha ny zavatra noresahan'i Jesoa tamin'ny telo taona niresahaNY tamin'ny Apostoly fotsiny aza ka amin'izao fotoana izao dia mipoitra hatrany ny fanazavàna antsipirihany ny momba izay voalaza ao anaty Baiboly ary ireo boky marobe misy tsindrimandrin'Andriamanitra nosoratan'ny olona nahazo izany be dia be ankehitriny dia azo lazaina fa mitohy ny fitaizaNY miezaka mamaly ny zavatra mbola tsy takatry ny saina voalaza ao anaty Baiboly.
18. rijadolly ( 10/10/2011 02:54)
Miharena:

Ny fanahy anie rehefa nozaraina Rijadolly dia nomena mandrakizay ho anao fa tsy hoe miraikitra amin'Andriamanira e! Ny fahatsapana fa sombin'Andriamanitra isika dia efa mahafeno antsika ao AMINY. Fahafenoana mahaleotena maro be no misy fa tsy vongana iray.

Ok! izay indrindra ilay andrasako, dia mahaiza amin'izay isIka rehetra misafidy lalana ahatongavana eo ankaikiNY. IZY no efa niteny fa JAONA 14: 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. dia somary mangalatra ilay valitenin'se faharoa io aho ka hilazahoe : Lany andro ve izany teny izany sa diso sa lainga? aza aolana ny hevitry se fa tonga dia ahitsio hoatrizao hamakliako azy izao hoe: Tsy diso, tsy lainga, tsy lany andro.
19. rijadolly ( 10/10/2011 03:19)
saika adinoko fandraisako ny hevitry se izany io hoe lany andro io, fa tsy tadidiko intsony hoe se sa olon-kafa no nilaza izay any ambny lavidavitra any. Raha amin'se aza inona no tokony ahasolo io dia rovititsika ao anaty Baiboly io teny io amin'izay tsy hampiasaina intsony fa fiheveran-diso araka ilay tenin'se.
20. Miharena ( 10/10/2011 04:19)
Raha io resaka nolazain'i Jaona io no tianao hovaliako dia hoy aho hoe ny bokin'i Jaona no isan'ny manome fahamarinana Universel ny hafatra tian'i Kristy ampitaina ny olombelona. Ary olombelona tsy an-kanavaka io fa tsy hoe izay tafiditra tao amin'ny kristianisma ihany.

I Kristy koa dia tsy azontsika heverina hoe izay kristiana ihany no nisehoaNY fa na i Boudha aza dia mahafantatra AZY tsara. Ny Silamo moa dia manao Azy hoe Mpaminany Lehibe. Ny mpanao ody ratsy dia lasa Mpifoha ikoizana noho ny fifankahitana Aminy.

Ka eo no ilazako hoe IZY mandrakizay no miresaka mandrakizay ho antsika ary mampahafantatra fa zanak'Andriamanitra isika rehetra tsy an-kanavaka. Dia ny Krisitiana indray no mametra hatrany hoe raha tsy..... dia izao...

Ataon'ny boudhiste inona moa ny helo raha hitory aminy ianao? Tsy ao anatin'ny voambolan-dry zareo izany fa ny mazava sy ny maizina miara-miasa (loi du tao) no fototra iorenan'ny fitondran-tenany avy.
Ny mampahafantra azy ny MAZAVA LEHIBE sisa no resahanao aminy fa tsy mandentika ao anatiny ny hoe ho very ary anie ianao rehefa tsy manaiky an'i Kristy e!

Mifameno moa ny Testamenta vaovao sy ny evanjily nosoratan'i Boudha raha mba liana ny hamaky izany ianao.
Izao moa dia nametraka fa nisy fotoana nametrahan'ny olona olana vahana teo amin'ny fiainany ny fametrahana ny helo saingy tsy nofaritany tsara hoe inona no mahatonga azy io. Rehefa nandinikaaho dia ny fitambaran'ny fahadisoam-piheverna rehetra nampivarilavo naorina teto ambonin'ny tany no miteraka helo ary eo amin'ny plan astral no misy azy. Io plan astral io dia ho levona ary tsy misy hifandraisany amin'ny fanahy mandrakizay ananan'ny olombelona mihitsy satria mitovitovy amin'ny plan'ny nofo ihany izy io. Izany hoe toy ny nofo mihitsy no fandrenesana fijaliana. I Kristy anefa dia milaza mazava fa ny fanahy sy ny nofo dia mifanohitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0737