FANTATSIKA TSARA VE ANDRIAMANITRA ?

21. rijadolly ( 10/10/2011 10:18)
Ary dia niolakolaka indray i Miharena raha hamaly ilay fanontaniako. averoko indray fa tsy nanotany an' boudista sy ny silamo aho fa ianao Kristianina no anotaniako hoe:

JAONA 14: 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. dia somary mangalatra ilay valitenin'se faharoa io aho ka hilazahoe : Lany andro ve izany teny izany sa diso sa lainga? aza aolana ny hevitry se fa tonga dia ahitsio hoatrizao hamakliako azy izao hoe: Tsy diso, tsy lainga, tsy lany andro. saika adinoko fandraisako ny hevitry se izany io hoe lany andro io, fa tsy tadidiko intsony hoe se sa olon-kafa no nilaza izay any ambny lavidavitra any. Raha amin'se aza inona no tokony ahasolo io dia rovititsika ao anaty Baiboly io teny io amin'izay tsy hampiasaina intsony fa fiheveran-diso araka ilay tenin'se.
22. Miharena ( 10/10/2011 10:50)
Tsy miolakolaka ny valinteniko RIjadolly fa mamaly anao amin'ny ankapobeny aho. Ary raha io tenin"i Krsity io dia marina tsy azo lavina.

Fa ny momba ny asaNY teo amin'ireo olona izay heverintsika kristiana ankehitriny hoe tsy ho voavonjy no efa nohadihadiako ary antony iray ilazako izay mba fantatro.

Izy no manao ny asa fa izaho mampilaza fotsiny ihany hoe jereo ny hafatra maro miresaka ny momba AZY ankehitriny fa aza dia variana mionona amin'ny Baiboly fotsiny ihany.

Ireo no fitaizana ahafantarantsika an'Andriamanitra bebe kokoa ankehitriny.
23. rijadolly ( 10/10/2011 15:46)
JAONA 14: 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Hoy Miharena:

Tsy miolakolaka ny valinteniko RIjadolly fa mamaly anao amin'ny ankapobeny aho. Ary raha io tenin"i Krsity io dia marina tsy azo lavina.

Miray hevitra tanteraka isika sy ise amin'izay. Ary dia isaorako an'ise manokana izay fa tena mahafaly ahy tokoa. Misy zavatra iray tsy voavaly mazava anefa, ary dia ho soloiko somary tsy dia masiaka loatra dia ny hoe: Mbola manan-kery ve io teny io amin'izao fotoana izao? raha tsia, dia esoritsika ao anaty Baiboly io teny lazaitsika sy eketsika rehetra fa marina io, ary dia ovaina ahoana? Dia iza avy indray no hanaiky an'izay avy eo, isika rehetra ihany ve sa ilay nanova?
Miharena:

Fa ny momba ny asaNY teo amin'ireo olona izay heverintsika kristiana ankehitriny hoe tsy ho voavonjy no efa nohadihadiako ary antony iray ilazako izay mba fantatro.

Dia izay ilay nolazaiko foana fa manova ny marina ho marina ve se, sa manova ny marina ho disoana. Efa io ambony io anie Miharena ny teniNy e! Mazava tsara tsy miholakolana na hoe sarin-teny na fanoharana araka ilay tsy dia tian'se. Raha izany no mbola misy olana dia IZY mihitsy izany no tsy hinoan-teny na tsy i Jesoa no Kristy.
Miharena:

Izy no manao ny asa fa izaho mampilaza fotsiny ihany hoe jereo ny hafatra maro miresaka ny momba AZY ankehitriny fa aza dia variana mionona amin'ny Baiboly fotsiny ihany.

Ety amboalohany aloha dia apetrako tsara fa miasa tokoa ny Fanahy Masina ho an' rehetra entina hampandrosoana ny Fanjakan'Andriamanitra.Hamaly amin'izay aho amin'ilay tenin'se io ambony io
Ko ny ao anaty Baiboly aza anie Miharena ity tsy zakatsika, maika fa mbola hampiana any amin'izay Fanahy Masina hafa tsy mbola fantatra na avy any amin'Andriamanitra na tsia, ka milaza izy hoe diso indray iny tondro zotra nentin' Jesoa iny fa izao no izy(io JAONA 14 :6 io ohatra), nefa Jesoa no Tompom-pahefana ambony indrindra. Dia hanaiky mora an'izany ve isika Kristianina? an an an, Miharena! Dinio ambany dinio ambony izay lazaiko anie e! Mety mitsiky se mamaky azy, fa tena vao maika mikorotana ambony ambany tsy araka ilay tanjon'se hoe handamina ny Mpino rehetra ny fandalinan'se satria lazain'olona fa fanahy mpandainga no niasa tao amin'se satria Jesoa no Tompom-pahefana, fa tsy ilay lazain'se hoe Fanahy Masina niasa tao amin'se izay nahazoan'se ilay hevitra.
24. Miharena ( 11/10/2011 04:29)

Mbola manan-kery ve io teny io amin'izao fotoana izao? raha tsia, dia esoritsika ao anaty Baiboly io teny lazaitsika sy eketsika rehetra fa marina io, ary dia ovaina ahoana? Dia iza avy indray no hanaiky an'izay avy eo, isika rehetra ihany ve sa ilay nanova?


Manan-kery mandrakizay ny teny namana fa misy ambaratongam-pahazoana azy eo amin'ny tsirairay izay mandroso ao amin'ny Tompo. Ny vanim-potoana namana dia tsy midika inona eo amin'ny Tompo fa ny fivoaran'ny olombelona tsirairay dia efa ao anaty drafitra maty paikan'Andriamanitra RAY. Tsy misy manova teny koa fa manazava ary manitsy ny fiheveran-diso eo am-pandraisana ny teny ary i Kristy no maneho izany amin'ny alalan'ny fifandraisaNy amin'ny olombelona mandrak'ankehitriny sy ho mandrakizay.

Hoy IZY izay hoe; izay lazain'ny Ray amiko no lazaiko aminareo. Ary io dia tonga teo amin'ny Apostoly koa rehefa nahazo ny Fanahy Masina izireo, izany hoe mamiratra ao aminy ny Fanahhin'ny Ray maha-Kristy azy. Toy izany koa ny olombelona rehetra, ho tonga ny andro hamiratan'ny Ray ao aminy ka afaka hilaza isika tsirairay hoe iray ihany isika sy ny Ray.

Eo amin'ny ilay resaka hoe avy amin'Andriamanitra na tsia, ny fitaizana antsika olombelona na ny marina ny fifampitaizan'olombelona no azo lazaina hoe hevitra tsy avy amin'Andriamanitra rehefa mivoana mankany amin'ny faharavàna. Rehefa miray hevitra amin'Andriamanitra dia miroso amin'ny fanavaozana ny saina ary mitombo araka an'Andriamanitra. Ny fitomboana eto dia tsy ny fanarahana izay voasoratra amiko fa fihainoana AZY miresaka amintsika amin'ny ankehitrinintsika.

Manana fijoroana lehibe ny miaraka AMINY rehefa mahay miaina ny ankehitriny MAZAVA hatrany. Ny Fanahy Masina dia ny FAHAZAVANA.

Ka aza dia mandray hevitra hoe manadiso hatrany izay voalaza i Miharena fa jereo ny lalam-panovozan-kery zaraina hampahazava ny rehetra ka tsy hitoetra ao anaty haizina noho ny rindim-by nataontsika tsirairay avy intsony isika namana a!
25. rijadolly ( 11/10/2011 11:32)
hoy miharena:

Manan-kery mandrakizay ny teny namana fa misy ambaratongam-pahazoana azy eo amin'ny tsirairay izay mandroso ao amin'ny Tompo.

hoe samy ho voavonjy ve na dia tsy avy amin' alalan' Kristy aza? Dia tsory fa diso sy tsy manankery ary io tenin' Jesosy io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0464