Ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry_ ahoana ny fahazoanao azy?

1. Miharena ( 24/09/2011 05:44)
Anisan'ny fenitra farany amin'ny finoana ny resaka fampakarana. Izay midika hoe fihaonana vaovao eo amin'Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao.
Mitarika ireto fanontaniana ireto izany:
- Inona no endriky ny fampakarana?
- Toa inona ny olona vonona amin'ny fampakarana?
- rahoviana no heverina fa hisy fampakarana ary azo heverina ve fa efa nisy olona niakatra?
novalian'i Miharena ny 04/10/2011 05:30
2. rijadolly ( 24/09/2011 06:08)
Efa niomana ve ianao?

MATIO 25 : 1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy.7 Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany.8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.13 Koa amin'izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
3. Miharena ( 24/09/2011 06:29)
Misaotra anao manome andininy mifandraika.

fa ny fanontaniana hoe efa niomana angamba ny mila halalinina kokoa.

Fiomanana ara-tsoika fitaiza moa no voalaza, ka inona marina io solika fitaiza io?
4. Maranatha ( 26/09/2011 06:07)

Miharena:

Fiomanana ara-tsoika fitaiza moa no voalaza, ka inona marina io solika fitaiza io?

Raha vao miresaka solika fitaiza anie dia tsy maintsy mihiditra resaka Tempoly e! satria ny nahatonga ny fanaovan-jiro fitoratsana nirehitra nanazava tao an-tempoly dia tsy inona tsy akory fa ny solika natao tao anatin'io fanaovan-jiro io.
Mila mamakafaka tsara izany ny atao ho fanaovan-jiro fito aloha vao mahalala ny solika mampirehitra azy . Hoy ny Zakaria 4:2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
zakaria 4: 6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro
Apok 4:5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
Ny solika dia tsy inona tsy akory fa ny fanahin'A/tra izay hampazava anao izay lazain'Atra.
Fitaiza : Betsaka ny olona no mety tsy hahatamana ny fanahimasin'Atra ao anatiny noho ny fanaony (ohatra mety misotro toaka , mijangajanga sns...Tsy ho tamana amin'izany mantsy ny fanahy masina) mety tsy mandinika soratra masina isan'andro izay sakafom-panahy koa ohatra ilay olona dia mazava be tsy voataiza ao mihintsy ny Fanahin'Atra
Dia mahereza ary manana ilay solika Fitaiza mba hahafahanao mihomana amin'ny fampakaram-badin'ny zanak'ondry (Fiavian'i Kristy)

Fa manaraka izany hiverenako ilay lohahevitra rehefa hanatrika fampakaram-bady ihany koa dia mila mihomana tsara eo amin'ny Fitafy no asiako resaka satria tsy maintsy manao akanjo voahomana tsara ny mpanatrika rehetra.
Toy izany ihany koa mandritra ny fampakaram-badin'i Kristy izany olona rehetra manatrika io dia tsy maintsy mitondra ny fitafiana voahomana ho amin'izany Matio 22:11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
Misy akanjo efa voahomana izany entina hanatrehana izany fampakaram-bady izany,
Fa inona io akanjo io??? Izay lazain'ny Apok7:13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
Ny fahamarinan'i Kristy io akanjo io izay hatafiny ny olony hanatrika ny fampakaram-bady. Toy ny natafiny an'i Josoa 3:4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
Mahereza ry namana isany hitafy ny akanjo fotsy lava mba hahafahana mihiditra ao amin'ny fampakaram-bady.
5. Miharena ( 26/09/2011 07:18)
Misaotra ani'Maranatha ny amin'ny fanazavana feno.
Eo amin'ny sehatra iainana indray no tiako hotsindriana kely ny amin'io resaka fitafiana io. Ny fitafy maloto dia noho ny fianantsika tao anaty haizin'ny tsy fahalalàna fa tempoly masin'Andriamanitra isika tsirairay avy ary ny fanahintsika no tena tempoly. Raha tsy mikarakara io fanahy io isika dia tsy manana solika mihitsy fa matimaty ary aloan'ny vavan'Andriamanitra.
Ny nofo dia manohitra ny fanahy ary tsy mifandraika amin'ny fitaizana ny nofo mihitsy ny fitaizana ny fanahy. Fanajana no azo atao amin'ny nofo fa ny fanahy no tena olona ary mampitovy amintsika amin'Andriamanitra ka raha io no lasa tsy iainana isanandro dia matory isika izay ary atahorana ny fifohazana avy eo raha tsy manana feno, dia ny fahatokisana AZY miasa ao anatintsika ankehitriny mandrakizay.
6. Maranatha ( 27/09/2011 09:45)
Tohizako sady somary manao mialoha mihaoriana kely.
Mialohan'ny hiankanjoana ny olona rehefa hamonjy lanonana (na fampakaram-bady) dia tsy maintsy misasa, na mandro mihintsy aza, manala ireo loto mba tsy hampaloto ny akanjo, na mba hanomezam-boninahitra ny mpanasa.

Tsisy valaka amin'izany ihany koa rehefa hamonjy ny fampakaram-bady ny zanak'olona fa saingy eto kosa dia ny aram-panahy no diovina na sasana. Esorina ireo loto rehetra Mark 7:20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
Tsy maintsy mibebeka ( mitsotra ka mahafoy ny fahotana )manala ireo loto ireo izany vao azo diovina (hatao Batisa). Rehefa voadio vao afaka ho tafiana ilay akanjo (fahamarinan'i Kristy).
Rehefa mitafy ilay akanjo ka mizaha ny voa-asa (nasaina) ny Mpampakatra vao mahazo mijanona miara-mifaly amin'ireo tompon'ny fanasana.

Namana, koa raha manantena hianao hanatrika ny fampakaram-bady ny zanak'ondry dia hoy ny II Kor 7: 1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

Mahereza namana, miala @ fahalotoana, mba ho tafiana ilay fitafiana vao, ka afaka hanatrika ny fampakaram-bady ny zanak'olona.


7. Miharena ( 27/09/2011 16:23)
Eo indrindra ilay izy hoe efa vonona tokoa ve ary rahoviana izany fahavononana izany? nahatonga ny fanontaniana hoe efa nisy ve no niakatra?

Raha mandinika ny tantaran'i Nenilava sy ireo Mpifoha isika dia efa mitoetra eo am-paradisa ireo olona ireo. Amintsika ankehitriny, inona no tena azo raisina ho fahamarinana azo antoka fa manana ny fiainana isika ary efa azo ambara fa efa nampakarina ary miaina izany ankehitriny?

Raha ny valiny avy aty amiko dia rehefa manana an'Andriamanitra ao anaty dia efa anisan'ny voampakatra ary afaka hitana izany fitafiana izany avy hatrany ka hizara ny manodidina ny fahazavan'ny tena.
8. rijadolly ( 30/09/2011 04:25)
Isaorana bediabe i Maranatha niezka nanome fanazavana, tena misaotra fa misy lesona betsaka voaray.

Miharena:

efa nisy ve no niakatra?

Efa nisy no niakatra anisan'izany ilay Jiolahyiray teo anilaNY izay nanaiky AZY.

Amintsika ankehitriny, inona no tena azo raisina ho fahamarinana azo antoka fa manana ny fiainana isika ary efa azo ambara fa efa nampakarina ary miaina izany ankehitriny?

Ny fandraisana AZY hitoetra ao anaty ka iainana ny Finoana AZY sy ny fanarahana ny TEniNY noho ny finoana izany fa Marina.
Miharena:

Raha ny valiny avy aty amiko dia rehefa manana an'Andriamanitra ao anaty dia efa anisan'ny voampakatra ary afaka hitana izany fitafiana izany avy hatrany ka hizara ny manodidina ny fahazavan'ny tena.

Iraisako hevitra tanteraka, fanampiny kely dia ny hoe aza adino ilay mitory AZY sy ny FilazantsaraNY.
9. Miharena ( 30/09/2011 14:19)
Rijadolly:

Citation
Amintsika ankehitriny, inona no tena azo raisina ho fahamarinana azo antoka fa manana ny fiainana isika ary efa azo ambara fa efa nampakarina ary miaina izany ankehitriny?

Ny fandraisana AZY hitoetra ao anaty ka iainana ny Finoana AZY sy ny fanarahana ny TEniNY noho ny finoana izany fa Marina.


Marina amin'ny ampahany ny fanambaran'i Rijadolly eto. Ampahany satria tsy ny teny ihany no mahadika ny fiainana ao amin'Andriamanitra fa ny foto-pisiana mihitsy. Ary ny teny dia azo lalaovina fa ny fisiana kosa tsy azontsika ravana sy ahodinkodina arak'izay fandraisantsika azy. Izay no hany mba zaraina ho an'ny rehetra mba hisian'ny fahitsiam-piheverana satria hitantsika fa tena betsaka loatra ny mamilivily ny teny arak'izay mba takany avy mampiteraka ireo fombafomba fisainana isan-karazany ireo.

Ireo tsy fahatanterahana ireo moa dia midika fa zanak'i Satana avokoa ny olona rehetra satria nampilomanosany tao anatin'ny foto-pisainana mitan-droa hatrany nefa tsy mahay miaina tsara ao anatin'izany honahonam-piheverana izany ka diso sy potraka lalandava.
10. didi10 ( 03/10/2011 08:12)
Ny Fiangonana no vadin'i Kristy,
Noho izany ny fakambaram-badin'i Kristy dia ny fampidirany ao amin'ny fanjakany izay olona na antokon'olona ekeny fa tena Fiangonana marina. Nanaja sy nihano ny teniny dia ny Baiboly Masina izany, ary efa niomana ny amin'ny fihaviany amin'ny fibebahana sy fialàna tamin'ny ota sy ny asan'ny satana.
11. Miharena ( 03/10/2011 10:11)
Miverina amin'ny resaka antokon'olona indray moa Didi10 nefa raha ny marina dia tokony tsy ho ao an-tsain'ny Kristiana ny manavaka ny olombelona tsy ho anisan'ny zanak'Andriamanitra. Matoa Kristy sy ny RAY miresaka amin'ny olombelona dia ny olombelona rehetra no aiatefan'ny resaNY fa tsy antokon'olona velively.
12. didi10 ( 03/10/2011 11:19)

Miharena:

Miverina amin'ny resaka antokon'olona indray moa Didi10 nefa raha ny marina dia tokony tsy ho ao an-tsain'ny Kristiana ny manavaka ny olombelona tsy ho anisan'ny zanak'Andriamanitra. Matoa Kristy sy ny RAY miresaka amin'ny olombelona dia ny olombelona rehetra no aiatefan'ny resaNY fa tsy antokon'olona velively.


Tsy ianao ihany moa ry Miharena no nanoratra ity loha-hevitra ity?
Moa mino ve ianao fa izay nomena invitation de ho tafiditra ao amin'ny fanasana avokoa?
Manazava aho

Samy nomen'i Jesosy invitation isika olom-belona tsy ankanavaka (Ny Baiboly izany)
Misy condition nefa ny hidirana am zany fanasana izany:
- Tenue Correcte: Fahadiovana, Fibebahana,...
- Mianatra sy manaraka ny Teniny sy ny didiny avy eo atao Batisa...

Aiza ho aiza ary ianao amin'izany.



13. Miharena ( 03/10/2011 13:44)
Eo indrindra didi10 ny resaka. Invitation omena ny olon-drehetra io fa tsy hoe antokon'olona akory.

Mety hamaly avy hatrany ianao hoe misy ny tsy mamaly io invitation io. Inona no antony? Tsy mahavaky ilay Baiboly lazaina fa condition'ilay invitation izy ohatra, nefa ampy ve izay hanalàna azy tsy ho zanak'Andriamanitra na ny marimarina kokoa tsy ho voarin'Andriamanitra nataoNy araka ny Endriny ?
Ny fanontaniana manaraka dia hoe, tsy ao anatin"ny drafitra maty paika ve ny fiverenan'ny olona tsy an-kanavaka ao AMINY dia ilay fampakarana izany ?
14. didi10 ( 03/10/2011 14:01)
Adidy voalohany ho antsika KRISTIANA "mahafantatra" ny baiboly sy ny vaovao Mahafaly ny famporisihina ny olona hamaky sy handalina azy ireny!

"Ataovy mpianatro ny firenena rehetra" hoy ny Tompo,
Raha betsaka amin'ny Kristiana sadasada no tonga any amin'ny fahaverezana dia manana andraikitra amin'izany izaho sy ianao milaza fa tena KRISTIANA.

Azoko antsaina eto ny endriky ny fiangonana andehananao fa "Eglise de Charme" izany hoe, mitory fotsiny fa Tsara Andriamanitra, mpamindra fo izy ary mety hanova ny fiainanao sns..., tsy ampy izany fa mila ampahafantarina ny olona ny sitra-pony sy ny lalàny ary izay mety ho vokany raha tsy manaraka izany izy.
15. rijadolly ( 03/10/2011 15:43)
Tonga dia rakatry Didi10 ny zavatra vohizina eto foana, ary manova ny lohahevitra makany amin'io zavatra vohizin' Mihartena io ny hiafaran' ady hevitra matetika eto. Arao tsara fa izay foana ny adihevitray sy Miharena, ary handreseko lahatra azy fa ny Baiboly mihitsy no farany izay lainga raha io hevitry Miharena io no arahin' mpino Kristianina. Ary dia manambany ny Fanahy niasa tao anatin'ireo Maitre maro ao anaty Baiboly sy ny tenin' Andriamanitra ary ny tenin' Jesoa kristy.
16. Miharena ( 04/10/2011 05:30)
Tsy eglise de charme no misy ahy fa rehefa mandalina ny Baiboly sy ny fivavahana ary ny rehefa tena lasa lavitra io fandalinana io dia manana tsoa-kevitra IRAY ihany ny olombelona no tokony ho izy dia ny maha-IRAY ao amin'ny RAY. Iray izao rehetra izao, io no fahamarinana tsy azo hozongozonina ary io no asan'NY RAY sy i Kristy ho an'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka.
Ny fitondran-kevitra rehetra teraka avy amin'izany dia manome ireo zavatra rehetra nolazaiko hatreto ary ho amin'ny ho avy satria izany no hitako fa tokony hozaraina faingana ahafahan'ny olona mahatsapa AZY ao anaty ka ahafahany manazava ny hafa ihany koa.

Ilay fivoizana ny fiverenan'i Krsity mihitsy no hitako mandringa rehefa miverina ara-tantara loatra ny olona fa tsy mandroso amim-pahasahiana manambara izay vontoatin'ny hafatry ny Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4086