Mila an'i DADA ny zanany !

1. rebiryx ( 24/09/2011 05:22)
Raha mbola io Raikely (rajoely) io no miseho ho dadany eto dia ho very izahay Malagasy. Vonjeo fa lasan'io mpangala-jaza MANARAPENITRA io ny vahoaka 20 tapitrisa !!! Mila an'i DADA tia anay izahay, hanarina ny firenena. Tena leo be zahay e satria toa esoina amin'ireny lazaina hoe varimora, tsy fanta-piiaviana ireny !!! Mba ataovy any ry mpiray tanindrazana ny fomba rehetra azo atao hiverenan'i DADA am-pahasalamana eto amin'ny taniny an ! Mifanomeza tanana hanavotra ny firenena. Mahereza !
novalian'i siga_soa ny 28/09/2011 13:00
2. Miharena ( 24/09/2011 05:55)
Efa hatao izay hahamety ny fiverenany eto raha ny vaovao satria matihanina no hiantoka ny fiverenany tsy hisy hanombinana hono!
Fa ny resaka hifanatrehana eto no mila mazava rehefa tonga izy. Tokony ho efa manana ny fijoroany izy hiresaka amin'ny tompon'andraikitra miandry azy amin'ny fanazavana ireo hetsika izay nataony.

Tsy afaka amin'izany koa ireo mpitondra ankehitriny satria manomboka atsikafon"i Zafy ny zava-drehetra izao.

Asa aloha fa tsy mahita zavatra milamina mihitsy aloha aho amin'izao fotoana izao sy amin'ny ho avy antomotr'ezaka satria mihainohaino daholo izao ny rehetra ary mifampiandry.

Asa ny fijerinareo azy?
3. rebiryx ( 24/09/2011 06:07)
Marina io ! Toa ny vola atobaky ny renimalala anie no manjaka e, hany ka lasa mivadika atidoha daholo ireo mitonona ho mpanao politika ! Tsy misy raha milamina eto fa ohatra ny omaly ihany ny anio. Mahantra ny tany, rava ny soatoavina maha-Malagasy. Mila fanarenana !!!
Miharena:

Efa hatao izay hahamety ny fiverenany eto raha ny vaovao satria matihanina no hiantoka ny fiverenany tsy hisy hanombinana hono!
Fa ny resaka hifanatrehana eto no mila mazava rehefa tonga izy. Tokony ho efa manana ny fijoroany izy hiresaka amin'ny tompon'andraikitra miandry azy amin'ny fanazavana ireo hetsika izay nataony.

Tsy afaka amin'izany koa ireo mpitondra ankehitriny satria manomboka atsikafon"i Zafy ny zava-drehetra izao.

Asa aloha fa tsy mahita zavatra milamina mihitsy aloha aho amin'izao fotoana izao sy amin'ny ho avy antomotr'ezaka satria mihainohaino daholo izao ny rehetra ary mifampiandry.

Asa ny fijerinareo azy?
4. Miharena ( 24/09/2011 06:57)
Ka ilay fanarenana raha tsy efa matotra tsara ny tsirairay tsy afaka manana izany fanantenana izany. Tsy ny resa-be intsony no tokony hatao fa ny asa sy ny fifohazan'ny tsirairay handray an-tanana ny ho aviny. Tsy mianikina amin'ny fodian'i Dada na ny frehana politika ny fampidirana indraim-bava ao anaty kibontsika fa miankina amin'ny fahaizantsika mamokatra ihany ao anatin'ny fanajana ny tontolo manodidina antsika (ara-tsosialy sy ara-javaboary). Ireo aloha dia resaka ara-nofo ihany fa ny fiovam-po mihitsy no mila mipetraka dia tsy misy intsony ny fifanenjehana ary hilamina ny tany amin'izay. Isika olombelona ihany no mi-dramatiser ny situation-tsika.

Ny vahoaka dia tsy mivaky loha intsony amin'ny situation politika fa dia miasa dia mivavaka dia milamina dia izay e!
5. mirananirina ( 28/09/2011 11:56)
Asa aloha raha hoe i dadanareo no ilain'ny firenena :) fa ity Rajoelina ity ko anie ka ny nataony ny teo aloha ihany no averiny eto:fanimbana ny nataon ny teo aloha!!fampidirana ny vahiny hanjanaka ny Malagasy sns!!!!
6. kidoropamba ( 28/09/2011 12:46)
Aoka kosa tsy ampitovy gisa amina Gana e. Ra8, izy dia efa voky. 8 Taona no nandrobahana fananana, ary io porofo mitohoka amin'ny tenda io vola laniany efa telo taona izao kanefa lery tsy mikandra akory. Vola avy aiza ireo raha tsy ireny vola efa nangalariny tao anaty 8 taona.

Ny boay kely, Rajoelina kosa, dia mbola vao 3 taona izy no mba mampihinana anay. ary amin'izany dia tabatabaina izy ka sarotra be ny manelina sakafo iray sotro raha misy manabataba ihany.
Ka avelao re tompoko izahay mba hiasa a. Ary ny asa rehetra dia tsy maintsy misy karama fa tsy misy maimaim-poana izany mihitsy. Tsy démokratika raha izany.

Vokatry ny fahantrana nataon-dra8 tao anatin'ny 8 taona no mahatonga anay mamba noana tahaka izao. Hanjaranay indray izao no mikaly ka tampeno ny sofina fa mihenjana ny kiaka avy any afrika atsimo izany. Tena tomanin'ny very seza ny any ka dia mahavaky ampongan-tsofina.

-----
Sonia:
Kidoropamba de Montchretien
zanak'i Rakotobeditra
Zafiafin'ny Ranavolana
CT (Tsimbazaza)
7. siga_soa ( 28/09/2011 13:00)

kidoropamba:

Dia aza gaga ianao ry Kidoropamba ary aza mitomany koa raha tratra ohatr'ireo teo alohanao. Ny anareo anaie izany tsy fampandrosoana mihitsy no ao an-doha e! tena alahelon-kanina, ary malahelo havana manana. Ary iza moa no mahita raha izay mihitsy no tena nimatimatesanareo teo ka nahatonga izao krizy mafy dia mafy izao. Ovay ny toetra e! dia maka lesona fa aza manaratsy saina. Averiko foana fa ny atao anie no miverina e! Ary ny harena azo @ tsy rariny dia foana vetivety @ tsy misy dikany na ho ela na ho haingana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.281