VOVOKA
1. YDIFAS
(
22/09/2011 03:48)
Finaritra indrindra, tompoko. Tononina amintsika rehetra ny fiadanan'i Kristy.
Ny tanjontsika rehefa mamafa trano dia mamafa sy mandroaka ny vovoka ka manary azy any amin'ny fanariam-pako. Toa midika izany fa tsy ilaina ny vovoka.
Araka ny baiboly dia avy amin'ny vovon-tany no namoronana ny olombelona: "...fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao." Genesisy 3/19.
Raha alalinina izany teny izany dia tonga amin'ny hoe: olombelona = "nofo" = vovoka = loto (fahalotoana).
Hoy indrindra Kristy: " Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn'ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo" Galatiana 5/16-17
Ahoana moa izany hoe mandeha araka ny nofo izany?
Voalohany indrindra, fantatsika fa ny sitrapon'Andriamanitra dia ny Teniny (baiboly).
Ny hoe araka ny nofo dia izay rehetra ataon'ny olombelona ka tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Izany hoe, ny toetran'olombelona tsy mifanaraka amin'ny teniny na izay ataon'ny olona mifanohitra amin'izay ambaran'Andriamanitra: "Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toa izany izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra" Galatiana 5/ 19-21
Saino kely anie ity, ry havana malala: "Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao." Genesisy 3/14
Ny sarin'ny menarana dia ny devoly (na satana). Noho izany, sakafon'ny devoly izay mitoetra amin'ny nofo. Izany hoe, izay mitoetra eo amin'ny fahotàna dia anjakan'ny devoly.
Fantaro fa tsy misangy ny devoly araka ny tenin'i Jesosy: "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana..." Jaona 10/10
Tsy tambo isaina ny andinin-tsoratra masina manambara fa fahafatesana no tanjon'ny devoly ho an'ny olombelona:
"Fa fahafatesana no tambin'ny ota..." Romana 6/23; " Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbàna avy amin'ny nofo..." Galatiana 6/8; "Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana..." Romana 6/6 ... 2 Timoty 1/7.
Nisy hetsika nataon'ny olombelona voalohany (Adama sy Eva) nefa no mahatonga ny devoly hanana làlana ("accès) teo amin'ny fiainany: izany no nahatonga ny fahafatesana. Toa izany hatrany mandrak'ankehitriny: raha manome fitoerana ho an'ny devoly ny olona dia anjakany sy anaovany izay tiany: "Aza manome fitoerana o an'ny devoly" Efesiana 4/27
Mazava ho azy izany fa ny mandeha araka ny Fanahy dia ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra (sitrapony), manaraka izay rehetra ambarany (n'inon'inona io).
Manoro hevitra antsika i Kristy ankehitriny hiala amin'ny vovoka, hiala amin'ny faharatsiana sy ny fahotàna.
Diniho, ry havana malala, inona no mbola mangeja antsika?
Mety hilaza isika fa efa nandray an'i Jesosy, fa efa mpandray ny fanasan'i Tompo, fa mpiandraikitra ao am-piangonana, fa mpitondra fivavahana mihitsy aza... Moa ve tanteraka amintsika ny hoe: "Izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazofijaliana" Galatiana 5/24 sy ny hoe: "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo." 2 Korintiana 5/17.
Tsy ampy ny andraikitra sy ny anarana ("titre") entintsika ary tsy atahoran'ny devoly izany. Mila miala amin'izay rehetra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra isika. Izany hoe, miala eo amin'ny vovoka (loto) ka miditra amin'ny fanadiovana dia ny toetra araka ny Fanahy izany.
Ohatra (ialana tsiny indrindra): ahoana ny fahitanao ny olona efa nanolo-tena ho an'Andriamanitra nefa mbola misotro toaka na mifoka sigara (tsy izany ihany fa izay voatanisa etsy ambony ho fihevitry ny nofo koa ka mifanohitra amin'ny tenin'Andriamanitra)? Moa ve tsy fahalotoana eo imason'i Jehovah izany? Rehefa miteny Izy fa: "Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany". 1 Korintiana 3/16.
Koa ankehitriny, tapaho ny hevitra, ry havana malala, handeha araka ny tanjon'Andriamanitra dia ny hialantsika amin'ny fihevitry ny nofo (fahalotoana = vovoka) satria Izy efa nampanantena antsika hoe: "Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika" Salamo 113/7.
Ny hoe malahelo sy mahantra dia azo adika hoe tsy manam-piadanana, voageja, mijaly... Banga ny toerana tokony hisy ny fifaliana, tsy ao anatintsika Ilay mandrakizay.
Koa meteza handray ny Tànan'i Kristy mitsotra amintsika anio fa te hanangana antsika Izy. Te hanafaka antsika amin'ny fatorana eo amintsika Izy, te hanome fiainana tsy manam-pahataperana ho antsika Izy.
Olombelona ihany isika, mbola mitafy nofo ka mety ho solafaka ary tsy mbola tanteraka. Noho izany, aza kivy na miahotra ny hahatona an'Andriamanitra: "Koa izao no lazain’i Jehovah: Raha hiverina hianao, dia horaisiko indray, Ka dia hitsangana eo anatrehako hianao..." Jeremia 15/19
Efa nambarany ny tanjon'Andriamanitra dia ny handovantsika ilay fiainana mandrakizay, ny hahanantsika fiadanana sy fahasambarana fa ny andraikitra tokony ataontsika sisa no andrasany hanatanterahany izany sitrapony izany amintsika .
Ilaozy ny vovoka (fihevitry ny nofo), esory tsy ho eo amintsika ny fahalotoana, ndeha hifona noho ny fahotantsika isika fa rehefa manaiky sy manetry tena hanao izany amin'ny fahitsiana isika dia tsy maintsy hihaino antsika Andriamanitra.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra ary ho antsika rehetra ny fiadanany, indrindra rehefa tsy mitoetra amin'ny vovoka intsony isika.

novalian'i niryna ny 21/10/2011 16:27
3. niryna
(
21/10/2011 16:27)
YDIFAS:
Finaritra indrindra, tompoko. Tononina amintsika rehetra ny fiadanan'i Kristy.
Ny tanjontsika rehefa mamafa trano dia mamafa sy mandroaka ny vovoka ka manary azy any amin'ny fanariam-pako. Toa midika izany fa tsy ilaina ny vovoka.
Araka ny baiboly dia avy amin'ny vovon-tany no namoronana ny olombelona: "...fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao." Genesisy 3/19.
Raha alalinina izany teny izany dia tonga amin'ny hoe: olombelona = "nofo" = vovoka = loto (fahalotoana).
misaotra anao.
Fa ny vovoka teneniny eto anie dia ilay volavola-tany e
Ny vovoka iray dia ireo loto mihangona ka mila fafana ary izay koa ny loto izay misy ao anatintsika ka mila manadio ny tempolin'Atra isika sa tsy izany
dia misy teny ao amin'ny baiboly eo izay tohiny fa ny zavatra tian'ny fanahy atao tsy ataoko fa ny zavatra tian'ny nofoko atao no ataoko.Te hanaraka ny asan'ny fanahy masina isika isika kanefa te andeha araka ny nofo ihany koa dia lasa mitaribato vilam-bava indraindray satria tsy mahatohitra ny nofo sa ahoana tokoa ?
Hoy indrindra Kristy: " Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn'ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo" Galatiana 5/16-17
Ahoana moa izany hoe mandeha araka ny nofo izany?
mandeha anjamba araka ny ao anatin'ny saintsika fa tsy miantehitra na manankina ny fiainantsika amin'Atra isika.Satria ahoana,ny fanahy no malemy ka ny nofo no manao izay eritreretin'ny saintsika
Ary ny Teny dia manambara sy mampianatra antsika ary manaza antsika hoe: Matokia an'Atra amin'ny fonao rehetra.Aza miantehitra amin'ny herinao sy ny fahalalanao ,minoa Azy ary ankino aminy ny fiainanao rehetra fa Izy no hitarika ny dianao sy izay rehetra ataonao.
Izany hoe: na inona na inona zavatra ataontsika dia tsy maintsy manankina amin'Atra amin'izany isika,tsy vitan'ny zavatra ihany fa na aretina na asa aman-draharaha na ny fiainana andavan'andro na inona na inona e.Dia ho hitantsika tokoa izany vonon'ATra izany
Amena