FANTARO NY MARINA ARY ATAOVY SATRIA HOY NY SORATRA MASINA HOE

21. didi10 ( 06/10/2011 08:06)
NBNIR
Aza manao ny tenin' Andriamanitra ho tsinontsinona ianao ka sahy hilaza fa: "Namana,
Andro iray ihany no andro nangatahan'Andriamanitra hitsaharana sy ho hamasinina ao anaty Baiboly (ilay andro fahafito nitsaharany fahizay), alohan'io andro io no nasainy niomana ny olona."

Vakio tsara aloha ny fahamarinana lazain'ny Baiboly vao sahy milaza ianao fa mpanao ny asan'ny fahamarinana.
Lev 23, 4-8
Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy: 5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. 6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.
22. RBNIR ( 06/10/2011 08:36)
Faly miarahaba namana isany,
Tsy maninona fa eken-tsika ny HS eto e!
Namana Miharena, voalaza fa :
« satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. » (Romana 10:9)
Tsotra dia tsotra ange izany e! Ny olona rehetra mahay an'izany daholo.

Kanefa maninona ary i Jesosy Tompo no mbola niteny an'ity manaraka ity indray koa?
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).
Raha vakiana tokoa mantsy ny Matio.7:22-23 dia tsy iza ange ny olona afaka hahavita an'ireo zavatra izay voatanisa ireo fa ireo olona voalaza ao amin'ny Rom.10:9 ihany e! Nefa hahazo teny maharary B hoe MIALA AMIKO IANAREO. F’angah moa tsy efa hoe voavonjy??
Zava-miafina tokoa ny famonjena namana an!
Iza ary no hahazo miditra any raha izany? « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27).

Otran’iza izany olona masina afaka hiditra izany?
« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12).
Voalaza araka io teny io fa ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
Tsy ampy araka izany ilay finoana an’I Jesosy fa mila mitandrina ny didin’Andriamanitra (ny sitrapony) ihany koa.

Samy ho tahin'ny Tompo namana



23. didi10 ( 06/10/2011 09:04)
RBNIR:


Tsy ampy araka izany ilay finoana an’I Jesosy fa mila mitandrina ny didin’Andriamanitra (ny sitrapony) ihany koa.



Aza asiana fononteny ilay didin'Andriamanitra hoe ny sitra-pony, tsy misy "équivalence" io fa efa voasoratra hoe ireto avy ny Didy ka tokony harahina "à la lettre".
24. RBNIR ( 06/10/2011 09:10)
didi10:

NBNIR
Aza manao ny tenin' Andriamanitra ho tsinontsinona ianao ka sahy hilaza fa: "Namana,
Andro iray ihany no andro nangatahan'Andriamanitra hitsaharana sy ho hamasinina ao anaty Baiboly (ilay andro fahafito nitsaharany fahizay), alohan'io andro io no nasainy niomana ny olona."

Vakio tsara aloha ny fahamarinana lazain'ny Baiboly vao sahy milaza ianao fa mpanao ny asan'ny fahamarinana.
Lev 23, 4-8
Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy: 5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. 6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.

:-) misaotra namana didi10.
Amiko namana dia tsy misy hidiran'ny fahafantarana na maty zoma Jesosy na maty alarobia ny famonjena. Fitandremana ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy no fepetra hidirana any amin'ny Fianinana mandrak'izay. Satria ny olona manao izany no atao hoe "masina" hoy ny Soratra Masina

Samy ho tahin'ny Tompo namana

25. didi10 ( 06/10/2011 09:37)

RBNIR:


Amiko namana dia tsy misy hidiran'ny fahafantarana na maty zoma Jesosy na maty alarobia ny famonjena. Fitandremana ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy no fepetra hidirana any amin'ny Fianinana mandrak'izay. Satria ny olona manao izany no atao hoe "masina" hoy ny Soratra Masina



Misaotra anao, fa tsapako fa tafita ny aminao ny hafatra momba ny fahafatesana alarobia nitsangana Sabotsy.

Fa izao!
Mihevitra ve ianao fa Jesosy Krsity iray ihany no resahintsika eto fa ny anao maty Zoma fa ny ahy maty alarobia? mazava angamba fa olona 2 samihafa ireto resahana ireto. Tsy misy marina 2 samihafa fa iray ihany ny marina, ny ankoatry ny marina dia DISO.

Eny e! marina ny anao satria tsy maty alarobia tokoa ny andriamanitrao fa maty zoma ary nitsangana Alahady, marina ny anao satria andriamanitra hafa, dia efa fantatrao tsara angamba ny sazin'ny mpandika ny didy, indrindra fa ny didy faharoa.

Eks 20, 4-6
"Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. "

26. RBNIR ( 06/10/2011 09:40)

didi10:

Misaotra anao, fa tsapako fa tafita ny aminao ny hafatra momba ny fahafatesana alarobia nitsangana Sabotsy.

Namana, izaho tsy niteny hoe marina fa maty alarobia Jesosy an, fa hoy aho hoe tsy misy hidiran'ny famonjena ny fahafantarana izany.

Samy ho tahin'ny Tompo e
27. JAONARILALA ( 13/10/2011 09:08)
Raha ny nahafatesan'ny Tompo dia ny Zoma fa tsy Alarobia! Nadty ny valo taona aho no voafitaka tami'ny fampianaran'olona (tao amin'ny fiangonana iray) Ny Baiboly manontolo no milaza io !
RBNIR:

didi10:

Azafady ry Ise fa maty zoma no tiako tenenina fa tsy nitsangana a!

Eny ary e! mety tsy ho hain'ise no hanazava ity fa mba hanontanio an'i Pasteur nareo hoe:

Mar 16 : 1 - 2
[-16-] Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.

Sabata inona ilay afaka? Sabata (Sabotsy ve)?
Raha Zoma ary Jesosy no maty de tokony niteny ry Baiboly hoe ny Andro voalohany izy no nividy zava-manitra de avy eo tonga dia nakany amin'ny fasana.

Mazava tsara eto fa andro samihafa no nivianany zava-manitra sy nandehanany tany amin"ny fasana.

Alarobia (Paska nahafatesan'i Jesosy = 14 Nissan)
Alakamisy ( 15 Nissan = Sabata isan-taona)
Zoma (Andro tsotra nividianan'i Maria zava-manitra)
Sabotsy (Sabata = feno ny 3 andro sy 3 alina = nitsangana Jesosy)
Alahady (Nahitana fa efa nitsangana izy)

Namana,
Andro iray ihany no andro nangatahan'Andriamanitra hitsaharana sy ho hamasinina ao anaty Baiboly (ilay andro fahafito nitsaharany fahizay), alohan'io andro io no nasainy niomana ny olona.

Samy ho tahin'ny Tompo namana.
28. Miharena ( 13/10/2011 11:05)
Tena lasa nivoana be tokoa ny lohahevitra ity resaka tato ity RBNIR.

Fa te-hiverina aminn'y lohahevitrao aho hoe asa inona no tianao hampitaina amin'ny lohahevitra ary inona marina moa ny tena fiainana voatory taminao tao amin'io fandaharana maminao loatra io? Mba zarao azafady ahafahana migoka azy eto.

Miteny izany aho satria mahita fa misy fiadian-kevitra ilay lohahevitra eo amin'ny fahazoan'ny olona ny fomba famakiana Baiboly niteraka ny resaka maty Alarobia sy Zoma sy ny andro fanamasinana natokan'Andriamanitra.

Ny fahalalàna andro tokoa va mahavonjy?

Amiko alohadia mahatsapa aho hoe variana mandinika tantara na hodikodin-javatra ihany ny Kristiana fa tsy ny vontoatim-pinoana no imasoana dia ny mampiaina an'Andriamanitra ao anaty hitondra ny fiainana ho antsika mandrakariva.
29. JAONARILALA ( 13/10/2011 14:39)
Iza no vavolombelona nahiresaka sy niaina tamin'izany ka afaka hanadiso an'i Kristy sy Kleopasy ary Lioka ao amin'ny Lioka 24 / 21 : "ary tsy izany ihany fa anio (andro voalohany amin'ny herinandro na ALAHADY no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany. Manisa miverina isika compte à rebours fa tsy mila Sabata izao sy izao...........Mazava be io fa aza mety voafitaka. Efa fantatro hatramin'ny taona 1995 io fampianarana nolazainao io!!

Mirary soa indrindra
JAONARILALA:

Raha ny nahafatesan'ny Tompo dia ny Zoma fa tsy Alarobia! Nadty ny valo taona aho no voafitaka tami'ny fampianaran'olona (tao amin'ny fiangonana iray) Ny Baiboly manontolo no milaza io !
RBNIR:

didi10:

Azafady ry Ise fa maty zoma no tiako tenenina fa tsy nitsangana a!

Eny ary e! mety tsy ho hain'ise no hanazava ity fa mba hanontanio an'i Pasteur nareo hoe:

Mar 16 : 1 - 2
[-16-] Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.

Sabata inona ilay afaka? Sabata (Sabotsy ve)?
Raha Zoma ary Jesosy no maty de tokony niteny ry Baiboly hoe ny Andro voalohany izy no nividy zava-manitra de avy eo tonga dia nakany amin'ny fasana.

Mazava tsara eto fa andro samihafa no nivianany zava-manitra sy nandehanany tany amin"ny fasana.

Alarobia (Paska nahafatesan'i Jesosy = 14 Nissan)
Alakamisy ( 15 Nissan = Sabata isan-taona)
Zoma (Andro tsotra nividianan'i Maria zava-manitra)
Sabotsy (Sabata = feno ny 3 andro sy 3 alina = nitsangana Jesosy)
Alahady (Nahitana fa efa nitsangana izy)

Namana,
Andro iray ihany no andro nangatahan'Andriamanitra hitsaharana sy ho hamasinina ao anaty Baiboly (ilay andro fahafito nitsaharany fahizay), alohan'io andro io no nasainy niomana ny olona.

Samy ho tahin'ny Tompo namana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3362