enceinte ou pas!!!

1. karinah ( 09/09/2011 13:19)
Miarahaba ny namana rehetra,

manana olana aho, mikasika ny règles-ko izay nisy fotoana 6 mbolana tsy tonga, marihako fa tsy behevohoka za tamin'izay fotoana izay satria tsy nisy olona niaraka tamiko, dia tonga indray izy avy eo 3mois dia tsy tonga indray, dia amin'izao fotoana izao misy olona miaraka amiko, izany oe efa tonga ara-dalana amin'izay ny règles-ko, anefa nisy fotoana indray izy 2mois tsy tonga, dia nihevitra za fa enceinte, anefa nanao test de grossesse dia négatif ny resultat. Ny naha-convaincue ahy hoe bevohoka aho tamin'io fotoana io dia te hatory lava, kamokamo, mandoha matetika, ary maloiloy matetika tsy mahahinan-kanina firy. Kinanjo rehefa nataoko ilay test dia negetif, dia tonga tokoa ny règles-ko avy eo. Amin'izao fotoana izao dia mbola miseho amiko ireo signes ireo fa tsy mandoha intsony aho fa te hatory lava sy maloiloy ary tsy mahahinan-kanina firy.
ny fanontaniana mipetraka dia: bevohoka ve aho? sa tsia? tsy mbola nanao test aho aloha taorian'ilay test voalohany izany hoe ity 1mois après nahatongavan'ny règles-ko farany ity, miandry azy ho tonga za izao anefa tsy mbola tonga, leo aho manao test de grossesse satria miroaroa ny saiko noho ireo signes mitranga ireo. Ka aleoko aloha miandry kely, satria milaza ny namako fa: misy olona bevohoka anefa tonga hatrany ny règles-ny, ka sao mba mety misy mahalala ny manjo ahy ianareo azafady?! bevohoka ve aho?! te ho any @ dokotera aho anefa mialohan'ny handehanako any dia mba manontany aminareo ihany aloha sao mba efa nisy nanana cas ohatry ny ahy ity.
Dia misaotra mialoha ho an'izay mamaly!
karinah
novalian'i arialy ny 23/10/2011 09:02
2. m.i.s.a ( 09/09/2011 15:12)
tsotra ny valiny e ! manantona gynéco manao prise de sang fa io tena tsy misy ahatahorana ny valiny hoe fosika.
tsy misy olona afaka hamaly anao eto hilaza anao hoe bevohoka ianao na tsia fa ny prise de sang no vaha-olana.
3. karinah ( 09/09/2011 19:59)
Misa: tsy fiable izany ireny test de grossesse any @ pharmacie ireny?! tsy maintsy hanantona dokotera ihany aho ny hiafarany ka mba mandram-pahatonga izay fotoana izay mantsy, sao manadala dokotera fotsiny anefa tsy misy inona inona akory, sady mba te hahafantatra koa aho raha misy manana cas ohatry ny ahy hoe tonga dia tsy tonga règles io, taloha za tsy mpanao an'izany fa vao nanomboka 2 taona lasa izay, dia raha ohatra ka misy manana cas ohatr'ahy dia inona no antony, za hoa hijery gynéco, fa ny rendez vous koa mbola amambolana vao voaray aho e! misaotra mialoha an'izay afaka mamaly.
4. daran ( 11/09/2011 17:23)

karinah:

Misa: tsy fiable izany ireny test de grossesse any @ pharmacie ireny?! tsy maintsy hanantona dokotera ihany aho ny hiafarany ka mba mandram-pahatonga izay fotoana izay mantsy, sao manadala dokotera fotsiny anefa tsy misy inona inona akory, sady mba te hahafantatra koa aho raha misy manana cas ohatry ny ahy hoe tonga dia tsy tonga règles io, taloha za tsy mpanao an'izany fa vao nanomboka 2 taona lasa izay, dia raha ohatra ka misy manana cas ohatr'ahy dia inona no antony, za hoa hijery gynéco, fa ny rendez vous koa mbola amambolana vao voaray aho e! misaotra mialoha an'izay afaka mamaly.


bjr karinah, fangah nisy zvt niova b teo am fiainanao no lasa nanjavona sy miovaova ny règle-nao? mety miasa saina b v, sa nisy maty sa nisy zvt lehibe niseho. Raha izany mantsy d manao déreglement ftsn enao, mankenesa iany any am dokotera na ela b aza vao mahazo rdv fa sao koa misy kyste na tsy fantatra e, mahereza
5. manampi67 ( 11/09/2011 19:13)
Bonjour Karinah,
Manantona Gynecologue : prise de sang + echographie etc....
cordialement
6. karinah ( 17/09/2011 13:31)
daran> bjr! marina aloha fa nisy zavatra niseho nihatra t@ fiainako ny nahafatesan'ny zanddriko dia nifanandrify tamin'izay fotoana izay koa ilay za tsy nisy règles intsony raha tsy 6mois après, ny taty aoriana koa aloha marina fa nanana probème hafa ihany koa za, fa za hijery dokotera ihany ka, fa mbola après 3mois vao misy place!
7. karinah ( 17/09/2011 13:34)

manampi67:

Bonjour Karinah,
Manantona Gynecologue : prise de sang + echographie etc....
cordialement

manampi> Bjr, oui, tsy maintsy hijery dokotera ihany za aloha mba hafantarako na bevohoka aho na tsia, c'est à dire anao ireo zavatra roa ireo, ary tsy maintsy hijery gynéco ihany koa kah, fa mbola ela ny RDV
8. arialy ( 23/10/2011 09:02)
ah la la sarotra be izany règle tsy regulière izany, tena manantona gynéco marina sao misy azony hanampiana anao mba aha regulière ny règle fa io no mapiasa loha koa.
za koa tamin'ny entre 17-22ans nanana olana ohatry ny izany, dia nomena hormones, somary nampitobo kilos ilay izy fa teo am ny 3mois dia niverina ara dalàna tsy misy olana intsony, taorian'ny niterahako ny zanako volohany, nanao fanabeazana aizana aho, najanoko efa ho 7mois izao fa nifanaiky izahay mivady fa itandrina, tsy nisy fiatraikany fa mandeha régulier ny règle, ny resaka vohoka koa ndraindray saina no mampiova zavatra an, courage dia aza matahotra miresaka tsara am gynéco , manantona koa planing familial sns reny fa afaka manome conseil.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3812