Problema maintenance

1. RBNIR ( 16/08/2011 11:39)
Faly miarahaba an-tsika rehetra,
Manana olana toy izaho aho amin'ny ordinateur fampiasako:
Mitaky défragmentation ilay machine, nefa rehefa manao ilay défragmentation aho dia milaza rapport ilay izy hoe misy fichier impossible à deplacer (fichier outlook.pst, ...) saika fichier ao amin'ny outlook 2007 avokoa.
Rehefa afindra toerana ireo fichier ireo dia vita ny défragmentation,
Matahotra anefa aho sao dia tsy ara-dalana ny zavatra vita ka izay no mba hilako hevitra avy amin-tsika namana.
Inona no tokony atao mba tsy hamindrafindrana ireo fichiers outlook ireo nefa mba ho vita hatramin'ny farany ilay défragmentation????

Manantena valin-teny avy amin-tsika namana,

Misaotra mialoha
novalian'i RBNIR ny 25/10/2011 04:30
2. RBNIR ( 16/08/2011 12:23)
Fanampim-panazavana, misy partition disque ato anaty ordinateurako dia voatery alefa any amin'ny partition D ireo fichier vao vita ny defragmentation,
Ny atahorako dia hoe vita tsara ihany v ilay defragmentation amin'izay "cas" izay sa tsia???
Raha tsia dia inona ny vahaolana mba tsy hamindrafindrana ireo fichiers ireo??

Misaotra mialoha namana isany,
3. nilex ( 16/08/2011 13:45)
Raha ny fahazahoako azy dia izao,amin'ny défragmentation dia tsy afindrany mihintsy izay fichier system rehetra ka ny cas misy anao dia mety ny momba ilay outlook mihintsy no protégé tsy afindrany dia tsy afaka ao ko ny ficher outlook nao rehetra.Asa aloha raha misy option ahafahana manala izay protection izay amin'ny défragmentation.Fa cas rare aloha izany anao izany e.
4. RBNIR ( 16/08/2011 15:38)
Misaotra anao namana nilex,
Dia ny mahavariana koa dia izao :
rehefa esorina hiala ao amin'i C: ireo fichier ireo dia hoy izy hoe tsy ilaina ny defragmentation, dia rehefa averina dia hoe vous devriez defragmenter le disque nefa tsy mety vita hatramin'ny farany mihitsy ilay defragmentation satria tsy voafindra mihitsy ireo fichier teneniny ireo.

Misaotra hatrany amin'ireo mety hitondra vahaolana namana isany
5. hery ( 30/08/2011 13:11)
Ary rehefa esorina ao amin'ny C ilay fichier dia avy eo ilay disque nasiana ny fichiers aloha no defragmenter-na?
6. RBNIR ( 30/08/2011 13:33)
hery:

Ary rehefa esorina ao amin'ny C ilay fichier dia avy eo ilay disque nasiana ny fichiers aloha no defragmenter-na?


Nazavain'ilay informaticien ato am-piasana hoe ny windows XP hono raha vao fichier + de 4Giga dia tsy votraitény tsara intsony. dia ny toroheviny, sauvegardena ireo fichiers volumineux ireo dia apetra any amin'ny disque dure de sauvegarde mihitsy aloha. Dia hitadiavana hevitra ny hampienana ny fichier rehetra ho latsaky ny 4 Giga dia hety foana amin'izay izy avy eo.
Andramako dia lazaiko eto ihany rehefa réussi.

Misaotra namaly Hery a!
7. RBNIR ( 30/08/2011 14:40)

hery:

Ary rehefa esorina ao amin'ny C ilay fichier dia avy eo ilay disque nasiana ny fichiers aloha no defragmenter-na?


Nandramako ihany ity torohevitr'i hery iry ambony iry:
nafindrako ao amin'ny partition D dia hoy izy hoe vous n'avez pas besoin de defragmenter (ilay D io). Nodéfragmenteko ihany anefa na izany aza.
Vita soamatsara ilay izy saingy ny rapport dia milaza hoe misy fichiers tsy voafindra e! Tsy zakany mihitsy ,
Hatao indray ny hevitr'ilay informaticien ato amin'ny fiasana ato dia hozaraina amin-tsika eto ihany ny vokany sao mba mahasoa ny rehetra.
8. RBNIR ( 25/10/2011 04:30)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Hita ihany ny solution : mampiasa outil : TuneUp Maintenance en 1 clic.
Clic 1 fotsiny dia vita daholo ny maintenance : Nettoyage registre ka hatramin'ny défragmetation disque dure.

Vita tsara koa ny défragmentation.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765