Miala tao amin'ny fiangonana tao hianao

1. niryna ( 20/07/2011 16:46)
Mahavariana ahy ity resaka ity ka mba mila fanampiana anareo ny havana satria maromaro ireo olona samy manana ny fiangonany no nianatra mpiandry dia rehefa niroboka dia lasa hoe tsy mahazo raisina mpandray hianao fa miala tao amin'io fiangonana io ka mitadiava fiangonana mitovy ny anay.Mba tsy ahasorena ny anaran'ny fiangonana dia aleo tsy ho lazaiko anareo ny anarana saingy mino tanteraka aho fa fantatr'izy ireo ny tian'ilay olona ho lazaina.
Ity no fanontaniany ka mba mila vonjy aminareo aho:
Fa hono hoy aho e,fa misy fiangonana angaha tsy mahazo mianatra mpiandry ? ary raha mizara ny fitiavan'i kristy ireo fiangonana ireo maninona no lavina ka roahina tsy hiangona ao amin'ilay fiangonany intsony fa ny andry zareo no asiana andehanana?
Dia ahoana anefa ireo silamo,bodista sy ny fiangonana hafa navelany nianatra ary nolazainy hoe tsy mandaha anareo izahay fa ampianarinay fotsiny hianareo dia miverena any amin'izay niavianareo.
Ahoana tokoa ry ireto izany? sa misy Jesosy kristy tsy avy any Nazareta ? Na misy famonjena avy any amin'atra hafa?
novalian'i niryna ny 05/09/2011 00:23
2. tefigasy ( 21/07/2011 13:28)
Tokana ihany ny reference dia ny Baiboly. Izay ambarany no tokony arahina. Averiko foana ity fa tsy ny fiangonana mihitsy no mahatafiditra anao any an-danitra na tsia. Jesosy no lalana tokana fa tsy ny kato akory na ny FJKM na zavatra hafa. Za zao FJKM fa tsy @ maha FJKM ahy no hahazoako billet ho any an-danitra fa @ maha olona efa nateraka vaovao indray tao @ ilay fiainana kristianina.

Ka hoy aho aminao hoe raha ny fombafomba sy ze rehetra tenenin'ireto milaza azy ho mpitarika fivavahana ireto no hitsingoloanao de ho very sy ho diso lalana ianao fa ahitsiho ny masonao mba ny baiboly ihany no hojereny ka ho tondrozotra mazava hanarahanao ny fiainana kristianina.

3. Prime ( 28/07/2011 11:37)
Faly miarahaba anao Niryna sy ny namana rehetra,

Fanontaniana fohy ho an'i Niryna mialoha ny ilazako ny hevitro : "fiomanana ho mpiandry sa ho mpandray?" fa samihafa be mantsy ireo...

Handeha raisiko ho fiomanana ho mpandray ny fanasan'ny Tompo no tianao lazaina...

Ara-tsoratra masina dia tsy manavaka na iza na iza, na antokom-pinoana, na firehana, na firazanana ny firosoana ho mpandray ny fanasan'ny Tompo raha ny fjkm ohatra, io no misy ahy dia io no azoko ambara...

Fa raha ara-potom-pinoana ao amin'ny fjkm, ny atao hoe fiangonana dia ny mpandray ny fanasan'ny Tompo... izany hoe, ny fandraisana olona iray ho mpiray latabatra amin'i Kristy dia fanambarana ampahibemaso, ren-tany, ren-danitra fa hiray tena sy rà amin'i Kristy sy amin'ny fiangonana (fjkm) ilay olona... izany hoe raha atao mivantana kokoa ny ilazana azy (ankoatra ny maha-sakramenta masina ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo) dia fidiran'ilay olona ho isan'ny fiangonana fjkm... dia midika ihany koa hoe, fialan'ilay olona amin'ny fiangonana izay nisy azy, na iza io na iza, na taiza io na taiza... tsy manamarina tsy akory na mandiso finoana izany fa fotom-pinoana iorenan'ny fiangonana amin'ny maha-fiangonana azy.

Fa raha fiomanana ho mpiandry indray no lazainao, dia hafa ny iorenany, firosoanao ho mpiandry dia firosoanao ho amin'ny asa masina sy ny hosotra masina araka izay niantsoan'i Kristy sy nifidianany anao manokana hiandry ny ondriny... tsy manavaka ihany koa ny firosoanao, ary rehefa tokanana hianao dia miverina any amin'ny fiangonana niavianao na iza io na iza, na taiza io na taiza... ary irahan'Andriamanitra mihitsy aza hianao amin'izay hamonjy ny very sy hiandry ny ondriny amin'ny toerana sy ny fiangonana na ny tontolo izay niainganao...
4. niryna ( 29/07/2011 05:18)
tefigasy:

Tokana ihany ny reference dia ny Baiboly. Izay ambarany no tokony arahina.

misaotra anao.izay koa no fahafantarako azy ary izay ihany koa no nolazaiko ilay namana.

Averiko foana ity fa tsy ny fiangonana mihitsy no mahatafiditra anao any an-danitra na tsia.
mitovy sy manohana ny hevitrao koa aho.
Jesosy no lalana tokana fa tsy ny kato akory na ny FJKM na zavatra hafa.

mitovy fijery aminao koa aho.
Za zao FJKM fa tsy @ maha FJKM ahy no hahazoako billet ho any an-danitra fa @ maha olona efa nateraka vaovao indray tao @ ilay fiainana kristianina.
itako.
mba nahalasa eritreritra ahy ilay izy satria rehefa tonga any an-danitra tokoa ny olona dia tsy hisy toerana manokana na mitokana ny kato,ny FJKm.sns.Mino tanteraka aho fa tsy ho izay ilay izy.Rehefa mino Azy dia izay fa tsy hisy fanavahana e!

Ka hoy aho aminao hoe raha ny fombafomba sy ze rehetra tenenin'ireto milaza azy ho mpitarika fivavahana ireto no hitsingoloanao de ho very sy ho diso lalana ianao fa ahitsiho ny masonao mba ny baiboly ihany no hojereny ka ho tondrozotra mazava hanarahanao ny fiainana kristianina.
marina tanteraka,dia ahoana no hizarako izany azy?
Lasa ny fiangonana no banjinina ary mino tanteraka aho fa efa ela io saingy tsy misy manitsy na sahy miteny ny olona an!


5. niryna ( 29/07/2011 05:57)
Prime:

Faly miarahaba anao Niryna sy ny namana rehetra,

Dia faly miarahaba anao koa aho ,tonga soa indray e!


Fanontaniana fohy ho an'i Niryna mialoha ny ilazako ny hevitro : "fiomanana ho mpiandry sa ho mpandray?" fa samihafa be mantsy ireo...
mpiandry ka.angaha moa tsy tokony ho efa mpandray aloha vao miroso amin'izany sa tonga dia mandingana?
Ny tantara henoko dia hoe nisy fianarana mpiandry ka nahitana ireo silamo sy fiangonana hafa tao amin'ilay fiangonana ary dia hoy ny mpampianatra hoe ,mampianatra anareo aho fa ny tiako ataonareo dia ny miverina any amin'ny firenena na ny toerana misy anareo mizara ny tenin'Atra ary dia vita soa amantsara ny fianaran'izy ireo ary niverina any aminy terana nisy azy tokoa ireo olona ireo avy eo .

Handeha raisiko ho fiomanana ho mpandray ny fanasan'ny Tompo no tianao lazaina...

Ara-tsoratra masina dia tsy manavaka na iza na iza, na antokom-pinoana, na firehana, na firazanana ny firosoana ho mpandray ny fanasan'ny Tompo raha ny fjkm ohatra, io no misy ahy dia io no azoko ambara...

Fa raha ara-potom-pinoana ao amin'ny fjkm, ny atao hoe fiangonana dia ny mpandray ny fanasan'ny Tompo... izany hoe, ny fandraisana olona iray ho mpiray latabatra amin'i Kristy dia fanambarana ampahibemaso, ren-tany, ren-danitra fa hiray tena sy rà amin'i Kristy sy amin'ny fiangonana (fjkm) ilay olona... izany hoe raha atao mivantana kokoa ny ilazana azy (ankoatra ny maha-sakramenta masina ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo) dia fidiran'ilay olona ho isan'ny fiangonana fjkm... dia midika ihany koa hoe, fialan'ilay olona amin'ny fiangonana izay nisy azy, na iza io na iza, na taiza io na taiza... tsy manamarina tsy akory na mandiso finoana izany fa fotom-pinoana iorenan'ny fiangonana amin'ny maha-fiangonana azy.
mazava tsara.


Fa raha fiomanana ho mpiandry indray no lazainao, dia hafa ny iorenany, firosoanao ho mpiandry dia firosoanao ho amin'ny asa masina sy ny hosotra masina araka izay niantsoan'i Kristy sy nifidianany anao manokana hiandry ny ondriny...
mazava be koa aloha hatreo.Asa masina tokoa io ary tsy azo ataotao foanafa mila fiomanana be.Tsy ny rehetra koa anefa no voaantso e.Fa ny olana anie dia ity e,asiany mifindra fiangonana ilay olona,dia miala ao amin'ny fiangonany niangonany daholo ny mpianakavy rehefa.Izany ve tsy manahirana be sy lasa hampiady ny fianakaviana?
tsy manavaka ihany koa ny firosoanao, ary rehefa tokanana hianao dia miverina any amin'ny fiangonana niavianao na iza io na iza, na taiza io na taiza...
izay vao mazava be,tokony ho izay tokoa ny fipetraky ny tantara e

Nisy tantara roa toa izao; noroahina ireo olona efa nahavita fianarana,tsy notenenina akory hoe tsy ekena fa dia navela tonga tany kanefa dia tsy noraisina:rehefa nahavita roa taona,nasaina nody fotsiny? tsy nekena ny fianarany hoy ry zareo dia niveri-maina fotsiny.
Misy tsy fifankazahoana tao amin'ireo samy ambonimbony(tsy mifamela-,tsy mahazo mifandray amindranona hianareo,tsy mahazo miresaka amindranona hianareo. kanefa samy mpampianatra izao.ooops .Izay no tantara iray raha ny filazany.
Tantara mampalahelo ilay izy ary toa mahakivy kosa raha izany no izy fa manjary toa tsy voaantso indray ilay olona fa toa ry zareo no mandray izay tiany sy azokazony.

Teo koa ny fiangonana izay tsy azokazony satria mpitandrina hafa no nahazo ny toerana fa tsy ny an'ireo ambonimbony ka na mitovy izao aza ny fiangonana dia tsy nahazo noraisina ireo olona( satria tsy mifanaraka ny fiangonany hono) na dia efa voahofana ho mpiandry aza ny mpitondra ny fiangonana.
Santionany fotsiny ireo fa mino aho fa mety hisy hizara ihany koa eto

ary irahan'Andriamanitra mihitsy aza hianao amin'izay hamonjy ny very sy hiandry ny ondriny amin'ny toerana sy ny fiangonana na ny tontolo izay niainganao...
izay koa no mba tato anatin'ny saiko tato kanefa toa tsy izany no nahazo ireo olona fa nasaina miala tanteraka ka miditra ao amin'ny fiangonan'ireo manana mpampianatra mpiandry.
Fa angaha moa tsy mifantoka amin'ny fianarana Baiboly ny fianarana ho mpiandry?
Na misy maro aza ny taranja ohatra,asa tsy fantatro,moa tsy ao anatin'ny Baiboly no ho velabelarina?

Raha toa ka misy karazana taranja hianarana dia tsy tokony izay ve no hifatohana kosa aloha? sa ny tantaran'ny fiangonana mampianatra mpiandry no velabelarina ao?

Ny olona izay voaantso mpiandry any ambanivohitra dia tsy nahay namaky teny Dia mba ahoana indray izany ireny. Teny kely fotsiny no averimberina lava ho fitadidiany? Eny e,toa lasa mivilana be ilay izy ,lasa mitady kil ry zareo raha izany.

Ny hevitro kosa aloha: raha Atra no miantso dia tsy hisy olona na iray aza afaka hanakana ny antsoNy.
6. Prime ( 29/07/2011 08:50)

Teo koa ny fiangonana izay tsy azokazony satria mpitandrina hafa no nahazo ny toerana fa tsy ny an'ireo ambonimbony ka na mitovy izao aza ny fiangonana dia tsy nahazo noraisina ireo olona( satria tsy mifanaraka ny fiangonany hono) na dia efa voahofana ho mpiandry aza ny mpitondra ny fiangonana.
... Indrisy, dia ilay mpampianatra sy mpitandrina mihitsy no mila mifoha raha izany aloha...


Raha toa ka misy karazana taranja hianarana dia tsy tokony izay ve no hifatohana kosa aloha? sa ny tantaran'ny fiangonana mampianatra mpiandry no velabelarina ao?
tsy fantatro ny fiangonana resahanao fa samy manana ny fanofanany ny fiangonana... na ny fjkm sy loterana fotsiny aza dia tsy mitovy ny taranja ianarana sy ny fianarana... fa ny iraisana dia tokana : Jesosy Kristy avy any Nazareta manomana ny mpiandry ny ondriny...


Ny olona izay voaantso mpiandry any ambanivohitra dia tsy nahay namaky teny Dia mba ahoana indray izany ireny. Teny kely fotsiny no averimberina lava ho fitadidiany?
Ny mahagaga amin'ny fiasan'Andriamanitra dia amin'ny adalan'izao tontolo izao sy ny tsy ampy fahalalana no tena iorenan'ny fifohazam-panahy sy ny iantsoana ho mpaminany (jereo ny tantaran'ny fifohazana, Pst Rakotozandry, Mama Germaine na Nenilava, Pst Rainisoalambo, Mama Ravelonjanajary...)
7. niryna ( 01/08/2011 04:37)

Teo koa ny fiangonana izay tsy azokazony satria mpitandrina hafa no nahazo ny toerana fa tsy ny an'ireo ambonimbony ka na mitovy izao aza ny fiangonana dia tsy nahazo noraisina ireo olona( satria tsy mifanaraka ny fiangonany hono) na dia efa voahofana ho mpiandry aza ny mpitondra ny fiangonana.
...
Prime:
Indrisy, dia ilay mpampianatra sy mpitandrina mihitsy no mila mifoha raha izany aloha...


miobonkevitra tanteraka aminao aho.
Lasa ny anaran'ny fiangonany fotsiny sisa ilay izy ary mino aho fa raha mbola velona teo ireo nitarika ny fampianarana dia tsy ho toa izao mihitsy no mitranga,lasa nivadika ho fitadiavana vola sy laza fotsiny sisa ilay izy ,mampalahelo tokoa an.
tsy fantatro ny fiangonana resahanao fa samy manana ny fanofanany ny fiangonana... na ny fjkm sy loterana fotsiny aza dia tsy mitovy ny taranja ianarana sy ny fianarana... fa ny iraisana dia tokana : Jesosy Kristy avy any Nazareta manomana ny mpiandry ny ondriny
izay mihitsy ary izay no tokony ho izy fa tsy manosika ny olona hihemotra sy hiverindalana noho ny fitiavam-bola sy laza ary fitiavantena(mameno ny any am-paosiny)

Ny olona izay voaantso mpiandry any ambanivohitra dia tsy nahay namaky teny Dia mba ahoana indray izany ireny. Teny kely fotsiny no averimberina lava ho fitadidiany?
Ny mahagaga amin'ny fiasan'Andriamanitra dia amin'ny adalan'izao tontolo izao sy ny tsy ampy fahalalana no tena iorenan'ny fifohazam-panahy sy ny iantsoana ho mpaminany (jereo ny tantaran'ny fifohazana, Pst Rakotozandry, Mama Germaine na Nenilava, Pst Rainisoalambo, Mama Ravelonjanajary...)
ka izay ilay izy ka,ny adalan'izao tontolo izao no nofidin'Atra saingy lasa fitadiavana sy fanangonana ny ondry ho ao anatin'ny valandry zareo no ataony ankehitriny.Angaha tsy mampalahelo tanteraka ilay izy.Dia mivavaka ho andry zareo mba ny fanahy masina no hitsidika ny fon'izy ireo avy ary ireo izay nolaviny tsy ho kivy fa Atra no miantso fa tsy olona tokana sanatria anie izany [b] Moa va hisy handrobaka ny fitiavan'Atra antsika?
8. bor2lais ( 01/08/2011 13:19)
prime:

Ny mahagaga amin'ny fiasan'Andriamanitra dia amin'ny adalan'izao tontolo izao sy ny tsy ampy fahalalana no tena iorenan'ny fifohazam-panahy sy ny iantsoana ho mpaminany (jereo ny tantaran'ny fifohazana, Pst Rakotozandry, Mama Germaine na Nenilava, Pst Rainisoalambo, Mama Ravelonjanajary...)

Ny mampalahelo anefa ry prime dia misy ny maka ny toeraNY ka manararaotra mampiasa io voalazanao io izay mety mahatonga ny "dérives" (voalazan'i niryna etsy ambony) ! :-)
9. Bouclette ( 02/09/2011 18:09)
lay miofana ho mpiandry né misy critère fa tsy n'importe qui hoe te anao dia lasa izao, sady stricte, fa maninona koa nefa ny olona no te hiala @fjkm na ny ekar na ny tsy aiko e, manorinorina fiangonana eny dia aveo gaga rehefa tsy eken'ny sasany. ra amiko aloha dia normal raha manao zany zareo, marina fa Andriamanitra tsy mifidy antokom-pivavahana fa misy koa né lé norme arahina e
10. Bouclette ( 02/09/2011 18:21)
Tsy ny fiangonana no maha tafiditra any an-danitra fa mba hialana amin'ilay "mpaminany" sandoka sns koa lay izy e, jereo reto fiangonana tsy manao afa tsy ny mitady vola @fivavahana, ny Baiboly koa aza miresaka ny momba ny secte koa, zay né lay izy e
11. niryna ( 05/09/2011 00:23)

Bouclette:

lay miofana ho mpiandry né misy critère fa tsy n'importe qui hoe te anao dia lasa izao, sady stricte, fa maninona koa nefa ny olona no te hiala @fjkm na ny ekar na ny tsy aiko e, manorinorina fiangonana eny dia aveo gaga rehefa tsy eken'ny sasany. ra amiko aloha dia normal raha manao zany zareo, marina fa Andriamanitra tsy mifidy antokom-pivavahana fa misy koa né lé norme arahina e
misaotra anao nizara ary manaiky izany koa aho saingy ny mampalahelo dia ry zalahy anie miady seza ao e satria mandroaka vola amin'ny sobika mihitsy ka dia samy mitady toerana avokoa ooops
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0693