Fiaramanidina eo Ivato

1. niryna ( 19/07/2011 15:20)
Asa lahy fa lasa atao resaka foana ny hoe noho ny fahasarotan'ny fiainana dia lasa mangalatra ,mivarotena,mamono olona ,tia kely sy misoloky.Maro tsy voatanisa;anareo no manohy azy.

Raha manana asa ny olona iray dia mety mitady zavatra hafa mba ahafahana mampidi-bola anjorony,raha misy ny atao sy raha mbola manana aina anao izany na voa ny tsy fidiny ka voatery manao vadin'asa.Zava-misy hiaraha mahalala koa izany.
Ny olana anefa dia ilay fitiavan-tena: may ny te hanana vetivety eo,te hitovy amin'ny hafa,mialona ny hafa ka tsy mihonona izay nomena azy.Mampalahelo fa na miasa izao aza ny olona dia valizy foana no raisiny rehefa tonga any amin'ny tany izay misy azy ny olona.Tsy miampita fa tonga dia any an-toerana kanefa indrisy hoy aho.
Mahasoa azy ve izany? mitondra azy hanankarena ve izany,tsy manenjika azy ve ny eritreriny fa soloky sy halatra no ataony amin'ny fiainana,tsy hisy fiafarana ve izany?
Tandremo ary ny mitondra zavatra sarobidy na hiditra na hivoaka ao Ivato hianao.Raha fantatrao fa alain'ny mpiasa ao ny entanao dia tsara ho anao ny mitondra azy an-tanana fa aza alefa manokana any anaty valizy.

Tsy hitondra ho aiza ny fialonana,ny fitiavantena,ny fangalana tahaka ny hafa, ny fitiakely fa raha te hitady sy te hanana fahasambarana madio sy fifaliana isika dia aza mitsiriritra ny zavatry ny namana na ny hafa : na vady na ny fananany na ny mpanompony na inona na inona izany. Ny kamo be tenda dia tsy tokony ihinan-kanina.
Raha zavatra tsy nisasarana kanefa anaovana dia ho faly ve ny fo anao an'iny,na amidy dia hitondra ho aiza ilay vola kely azo tamin'ny makarakara?
niryna
novalian'i niryna ny 31/07/2011 20:22
2. mirananirina ( 20/07/2011 14:01)
slt niryna.vao tapa bolana zay nisy iratampo amiko lasa any Mada.de very ny valise 1...nande corsaire.de niteny ny any fa tsy taty no very fa ny tany Paris no tsy nandefa,de niantso ahy taty moa ireo hoe anontanio any Orly!mazava be fa nilaza ny taty fa lasa daholo ny entana...donc,ireo mpiasa ao Ivato no nangalatra ny entana..ny loza de ny valizy iray manontolo no lasa ary 25kg,mafy marina ny fiainana ve..zao manjary ny corsair miantoka ny very tsss
3. 3188 ( 24/07/2011 23:54)
hey there!!na tsy mafy aza ny fiainana,fa ry zareo mihintsy no tia mandraindray.
zay lay tanana efa zatra mitsotra e!
4. diamondra27 ( 29/07/2011 11:24)
dia tsy hitondra valise intsony izany mankany dago izao ve?
ka na corsair aza nge no manolo ny very hafa ihany ilay entana tao e! diso fanantenana ilay fianakaviana mba nanatena hahazo voandalana...

mangalaha assuance ihany raha izany ka!
bon voyage ihany ho an'izay hamangy ny fianakaviana e!
5. niryna ( 31/07/2011 20:02)
mirananirina:

slt niryna.vao tapa bolana zay nisy iratampo amiko lasa any Mada.de very ny valise 1...nande corsaire.de niteny ny any fa tsy taty no very fa ny tany Paris no tsy nandefa,de niantso ahy taty moa ireo hoe anontanio any Orly!mazava be fa nilaza ny taty fa lasa daholo ny entana...donc,ireo mpiasa ao Ivato no nangalatra ny entana..ny loza de ny valizy iray manontolo no lasa ary 25kg,mafy marina ny fiainana ve..zao manjary ny corsair miantoka ny very tsss
ao CDG na Orly koa nisy nangalatra ka!,very daholo ny zavatra nataoko teo amin'ny sisin'ny valizy ary nopotehindry zareo ny fermeture/Tsy nety nandray ny police teo amin'ny aeroport fa nalefany tany amin'ny police tany ivelany izahay.Tsss! reraka be amin'izany aho fa rehefa ireny no mahafatifaty azy dia avelao ho azy.
Nandalo tao Mauris indray re izahay ity ka e,e.Efa nisokatra ny valizy ka voatery nantsoina izahay fa tsy maintsy fatorana amin'ilay plastic be ireny hono .E! E!
Izay toerana aleha maneno sahona avokoa.
Ny Ivato indray moa dia hoe misy manaramaso fa omeo vola kely ao ivelany ao izahay.
Dia tena variana amin'ity fitiavantena ity aho ry zareo
6. niryna ( 31/07/2011 20:03)

3188:

hey there!!na tsy mafy aza ny fiainana,fa ry zareo mihintsy no tia mandraindray.
zay lay tanana efa zatra mitsotra e!

misy fahamarinana tokoa izany,misy olona manana anie efa zatra sy tia mangalangalatra izy dia maka e,rehefa tratra vao gaga ny olona hoe olona manana toa ireny ve dia mangalatra.Aretina angamba ka
7. niryna ( 31/07/2011 20:22)
diamondra27:

dia tsy hitondra valise intsony izany mankany dago izao ve?

izay mihitsy angamba amin'ny manaraka ka.Izay akanjo fantatrao fa anaovana sy lafo vidy no hoento an-tanana dia any hividianana ny olona fa mora sy tsara koa izy any.Saingy indrisy ,tsara kokoa raha ny mitondra raha afaka,saingy maro koa moa ny fianakaviana ka dia tsy afaka ny anome fahafampo ny olona ny tena.


ka na corsair aza nge no manolo ny very hafa ihany ilay entana tao e! diso fanantenana ilay fianakaviana mba nanatena hahazo voandalana...

e! izay tokoa ilay izy ,sady na zavatra kely aza ilay izy dia tsy foin'ny olona.saingy ankehitriny efa lafobe ny mitondra entana dia aleo vola no omena azy amin'ny manaraka raha misy ny azo atao.


mangalaha assuance ihany raha izany ka!
ilaina tokoa ny maka assurance saingy ny olana dia asainy hoentina daholo ny recus nividianana ny zavatra very,ny tena tsy nanampo hoe hisy angalatra ny zavatra dia e.e

bon voyage ihany ho an'izay hamangy ny fianakaviana e!

e, vangio ihany ny tanindrazana raha mbola afaka e,mila mitandrina fa na ny fianakaviana izao aza dia efa mila tsy azo antoka intsony fa lasa faingafainga tanana,tsy fantatra hoe iza na iza ary tsy afaka ny hitsaratsara olona ny tena fa mafy ny fiainana.Raha mbola misy ny azontsika atao dia mizara izay kely mba azo omena fa mahia kely daholo ny fianakaviana any,teren'ny fiainana.
Raha mba afaka manome vola kely na dia atao sakafo kely ho an'ny ankizy fotsiny ihany aza dia efa manampy tokoa .
Tsy misy nofo azo fihinina fa taolana mitsangana fontsiny sisa no sanatria azo lazaina azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2187