TABASEKY

1. mbola185 ( 17/07/2011 06:09)
Salama daholo tompoko.

Io Tabaseky io dia karazan'aretina mpahazo ny olona any @ faritry betsimisaraka iny, aretin-koditra izy io, sady mangidihidy no marary indray2. Misy hitovizana @ micose ve iz io sa de 1 ihany izy ireo. Iz io mantsy hon dia azo avy @ karazana rano maloto sns.. na miara-monina akaiky tena akaiky @ ol efa misy, mety mifindra @ RS koa hono sns

Sao de mba misy mahalala ny fanafody miady an'io nareo ry reto fa tena mijaly ny tenanay. Tena ao anelakela-pe mitsy ry lerony no mirongatra.

Mankasitraka

novalian'i mmmhh ny 29/07/2011 06:12
2. arialy ( 18/07/2011 12:00)
resaka champignon izany ??? andramo lamba kely, rovitra draps sns, votosy permanganate, tsy haiko na mbola misy io na tsia, dia apetraho eo amin'ilay toerana marary, permanganate dilué am rano mafana an, apetraho ela be na 1h mihitsy aza eo amlay marary (2 à3 fois/j) dia ho itanao ny fiovany, aza misalasala koa manantona toby pahasalamana momba ny areti-koditra fa tsy mahamenatra ny aretina, ny boka aza mitsabo tena anie é.
nahalala olona voan'ny zavatra toy izany aho taloha, tsy tany betsimisaraka fa tany an-tsimo dia toy io ny traitement nataony, afaka au bout de 15js.
mahereza é
3. Mbola185 ( 18/07/2011 19:31)
Misaotra betsaka Arialy.

tonga dia ho andramako avy atrany ny tantara androany dia androany.
4. arialy ( 22/07/2011 07:46)
izao tafaresaka tamlay olona fantatro voan'io aretina io aho, hay ilay izy izany mifindra be na voisin aza no voa dia mety ho voa koa ianao, ny azy tam ny fela-tongony, dia lasa nivonto be otry ny lazain'olona rao-dia ireny, fa betsaka ny fitrangany, ny any amin'ny taovam-pananahana dia azo avy amin'ny firaisana amin'ny olona misy azy amin'iny faritra iny ihany, tandremo fa tsy mahamomba hono io raha tsy voatsabo tsara(tsy haiko azavaina). Hoan'ny vehivavy io lazaiko io satria mety hianaka hatrany anaty, ny lehilahy tsy haiko.
manantona ireny tombipahasalamana mikarakara aretin-koditra ireny koa, toy ny Loteriana izay mampiasa fanafody norvégien izay tena efficace am resaka aretin-koditra.
efficace io permanganate io fa rehefa vita ilay séance de bain (lamba vonto rpermanganate) dia tokony misy crème ahosotra koa hamono tanteraka ny bibikley, misy fanafody iany koa afaka hanina, mila misotro rano be...tsaboy tsara fa misy an-taonany maro ireny vao sitrana tanteraka
dia mahereza foana é
5. arialy ( 22/07/2011 07:46)

6. diamondra27 ( 25/07/2011 17:07)
arialy: permanganaty ve moa akia ilay gouttes rano violet iny

mamely dia mamely tokoa io tabaseky io , any am hatokasy dos any koa no fisehony, toa lehilahy aloha no voa betsaka azy e!
7. mmmhh ( 29/07/2011 06:12)
karazana mycose ny tabaseky,

ravina, 4 épingle tena maha-afaka an'io vetivety; rah mahita ianao,
sinon, miconazole ampiasaina, dia aza variana hoe tsy hita intsony le izy fa na dia efa tsy misy aza dia osory foana, fa ndraindray mety mbola misy mbola tsy maty tsara le mycose fa tsy hita ivelany fotsiny, dia vao ajanonao ny fanafody dia mirongatra mahazo aina ndray,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3141