HAFATRA MANOKANA HO ANTSIKA KRISTIANINA

1. RBNIR ( 13/07/2011 14:04)
Faly miarahaba namana isany,
Hafatra manokana ho an-tsika kristianina tokoa izy ity,
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).
Iza marina moa no hanao Azy hoe Tompoko afatsy isika kristianina irery ihany???
Toy izao ny tohin'io teny io :
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)
Tena mampieritreritra tokoa ry namana fa diniho tsara ange e!.
Inona no atao hoe mpaminany?
Inty misy mpaminany anankiray :
Jeremia 1 - Malagasy Bible (MG1865)
Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany
1 Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina, 2 izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany, 3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy. 4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.

Inty indray koa nisy mpaminany anankiray hafa :
Isaia 6 - Malagasy Bible (MG1865)
Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany
1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko. 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara. 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. 9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
Ny hitovizan'izy roa ireo : "samy nandre ny feon'Andriamanitra" na koa hoe noresahin'Andriamanitra mivantana. Izay indrindra no tiako hampieritreretana an-tsika namana isany satria nahoana tokoa moa no olona "nandre ny feon'Andriamanitra" no lazain'i Jesosy Tompo hoe tsy fantatro akory ianareo hatr'izay hatr'izay????(betsaka ny otran'izany amin'izao fotoana izao ry namana an! tena betsaka tokoa ary tena marina fa mandre tokoa izy ireo fa tsy hoe mandainga akory).
Moa tsy tokony olona otran'izany ary v no tena fantatry ny Tompo????
Toy izany koa ireto antoko manaraka ireto :
ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?
Tsy zavatra tena efa tsara v ireto ataon’ireto antoko manaraka ireto (fahasoavana anie ireo zarainy amin’ny olona ireo e!) : mamoaka demonia, manao asa lehibe (mety manangana amin’ny maty mihitsy, na koa manatsangana ny malemy, mampahiratra ny jamba sns…) nefa hoy I Jesosy Tompo hoe «TSY FANTATRO AKORY IANAREO». Betsaka koa no efa manao toy izany amin’izao fotoana izao an, ary tsy lainga fa tena zava-marina mihitsy no mitranga ry namana isany. Tsy lainga ireny satria tena voaporofo.
Ry namana malala isany, diniho tsara ireo tenenin’ny Tompon-tsika ireo fa tena miankina lehibe dia lehibe amin’ireo ny famonjena an-tsika. Aoka tsy hamita-tena isika fa fantaro fa izay manao ny sitrapon’ny Rain’I Jesosy any An-danitra ihany no hovonjeny . Ary araka ilay teneniny ao amin’ilay mat.7:23 dia ireo izay tsy mpanao meloka ihany koa no hovonjena.
Diniho ny tenan-tsika, tena mahatsapa marina v isika fa efa manao ny sitrapon’Andriamanitra sady efa tsy mpanao meloka??? Tsy ampy ireo fanaovana asa tsara sy faminaniana isan-karazany raha araka ny notenenin’ny Tompo ry namana isany. Aza mamita-tena isika fa samia mandinika tsara ny tenany avy.
Ary raha mahatsapa ianao fa tena mila famonjena amin’izao fotoana hamakianao an’ity lahatsoratra ity izao dia hoy aho aminao hoe:
Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra takiany amin-tsika dia ataovy izay hahalalanao ny fomba hahatanterahanao izany.
Atoroko anao ny lalana nahafantarako azy namana : fandaharana Vitao ny Asan’ny Fahamarinana isa-maraina amin’ny 5ora ka hatramin’ny 6ora ao amin’ny televiziona jery namana.
Hoy ny tenin’ny Tompo hoe « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7).

Tsy maintsy ataon-tsika araka izany ny marina namana isany mba hahatonga an-tsika ho marina eo anatrehan’Andriamanitra. Ka mba hahatonga an-tsika ho marina tahaka Azy ihany koa. Izay irery ihany no antoka hahavoavonjy an-tsika.

Samy ho tahin’ny Tompo daholo indray anie isika.
novalian'i RBNIR ny 27/07/2011 11:16
2. Miharena ( 17/07/2011 17:13)
Miarahaba anareo rehetra indray ary misaotra an'i RBNIR nanokatra ity lohahevitra ity.
Tena iainana ankehitriny tokoa ireo voambaranao ireo, ary izaho izao mihitsy ny iharany ankehitriny.
3. RBNIR ( 18/07/2011 05:39)
Miharena:

Miarahaba anareo rehetra indray ary misaotra an'i RBNIR nanokatra ity lohahevitra ity.
Tena iainana ankehitriny tokoa ireo voambaranao ireo, ary izaho izao mihitsy ny iharany ankehitriny.

Tena faly dia faly tokoa miarahaba namana Miharena,
Tena ela tokoa izany namana an, mahafinaritra be ny mandre anao indray namana a!, raha iainanao ireo namana dia tsotra ihany no torohevitra omeko anao AZA ADINO MIHITSY ITY HAFATRA ITY : ALOHAN'IRENY REHETRA IRENY DIA ATAOVY AZONAO ANTOKA TSARA FA VITANAO ALOHA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA. IZAY IHANY.
Jereo ilay fandaharana fa hanoro anao ny marina rehetra ilay izy sy ny lalana tokony hizoranao,
Samy ho tahin'ny JESOSY Namana,
4. diamondra27 ( 27/07/2011 08:16)
RBNIR: mba te-haheno izany fandaharana izahay aty ampita ka afaka omenao ve ny lien?
5. RBNIR ( 27/07/2011 08:40)
diamondra27:

RBNIR: mba te-haheno izany fandaharana izahay aty ampita ka afaka omenao ve ny lien?

Tena faly b mihitsy aho diamondra27 maharay ity hafatrao ity,
Tena tiako dia tiako tokoa ny hizara azy ity amin-tsika rehetra nefa inona re no hevitra e?
Raha nisy blaogy izao tato dia tsara b sa mba mety misy afaka ny hanampy amin'ny fanaovana blaogy re e???
Aleo apetraka eo an-tanan'ny Tompo e,

Samy ho tahin'i Jesosy indray,

6. diamondra27 ( 27/07/2011 11:11)
RBNIR: azo atao tokoa ny manokatra blaogy ato @ serasera na any an-kafa ka!

raha eto @ serasera no ilainao dia jereo any @ fandraisana dia misy hoe: blaogy.comna blaogy.org dia misoràta anarana e! za aloha tsy manana ato an!

http://serasera.org/
7. RBNIR ( 27/07/2011 11:16)

diamondra27:

RBNIR: azo atao tokoa ny manokatra blaogy ato @ serasera na any an-kafa ka!

raha eto @ serasera no ilainao dia jereo any @ fandraisana dia misy hoe: blaogy.comna blaogy.org dia misoràta anarana e! za aloha tsy manana ato an!

http://serasera.org/

Marina tokoa aloha izany e,
Aleho dinihina tsara ary e,

Samy ho tahin'ny Tompo indray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2641