Aza manota intsony fa misy ny helo

1. rahery08 ( 30/06/2011 06:33)
miarahaba ny namana rehetra!

Voaraiko ity dia zaraiko eto, dia samy mandini-tena eo isika

AZA MANOTA FA MISY NY HELO
FA NY KANKANA TSY HO FATY ARY NY AFONY TSY HO VONOINA (Isaia 66 24 b)

Tanora Malagasy iray nentin’ny Tompo nitsidika ny lanitra sy ny helo tamin’ny 04 Décembre 2010

Faly manonona ny fiadanan'ny Jesosy Tompo aminao mpamaky. Sitrak’ Andriamanitra indrindra no andraisanao ity boky ity, satria maro ny zavatra fantatrao amin'ny alalan'ity boky ity, ka ny antony anoratana ity boky ity dia ny mba hampafantarako anao ny làlana roa tsy maintsy halehanao raha miala eto an-tany ianao, ary mba hanampy anao hamantatra ny momba anao sy ny fiainam-panahinao bebe kokoa.
Fabiolah no anarako"intersesseur" no asako, na mpitondra am-bavaka an'ireo izay manana olana. Fomba fanaoko ny mivavaka eo an-tongotry ny Tompo, ary maharitra ora maro izany. Noho ny fandaniako fotoana maro hitadiavako ny Tompo amin'ny alalan'ny vavaka izay ataoko isan'andro, dia lasa manana fifanerasera akaiky amin'ny Tompo aho, ary mahafantatra Azy mihoatra ny fahafantarako ny olona rehetra. Ka mifampizara ny ao amponay izahay, ka izany indrindra no mamela anay hifanokatra ny fonay ka hifankahalalanay hatramin'izay lalina indrindra.
Ny mahafinaritra ahy anefa dia izao: fantatry ny Tompo avokoa ny ao anatin’ny foko, tsy miafina Aminy ny fisainako sy ny fieritreretako, ary miharihary eo anatrehany avokoa ny faniriako sy ny alehako rehetra. Ary ny tena mahasambatra ahy indrindra anefa dia ny manana fifaliana miaraka Aminy sy mitoetra amin'ny fanatrehany isan'andro. Amin'ny maha "intersesseur" ahy moa dia matetika aho ny mivavaka irery, ankoatran'ny fiaraha-mivavaka ao ampiangonana.
Nefa indray andro aho dia niaraka nivavaka tamin'ireo namako, efatra mianadahy izahay, rehefa nandohalika nivavaka izahay izay naharitra ora maromaro izany, ary tamin'izany indrindra anefa no nahitako anjely roa teo anilako, niteny tamiko sady nitsiky tamiko ka nilaza hoe : Andao anaraka anay fa ho any an-danitra isika, fa misy raharaha ilan'ny Tompo anao.
Rehefa nentin'ny ireo anjely aho dia nampahafantariny ahy ny lanitra sy ny helo, sy izay rehetra ao anatiny, ka ny amin’izany indrindra no hontantaraiko aminao anio, izay mandray sy mamaky ity boky ity, fa misy hafatra lehibe hampitaiko aminao, sady mahasoa anao no hiankinan'ny hoavinao lehibe tokoa.

Voalohany indrindra aloha dia hontantaraiko anao eto izay fahitana hitako ny momba ny lanitra sy izay ao aminy.
Rehefa nilaza io teny io tamiko ny anjely dia nisaraka tamin'ny vatako ny Fanahiko dia lasa izahay niakatra tany amin'ny habakabaka, ka namakivaky ny lanitra, ho any amin’ny Tompo: rehefa niherika aho dia toa teboka kely mainty no nahitako ny tany. Marihina fa tsy misy helatra ireto anjely nitondra ahy fa mandeha amin'ny rivotra izahay, nisy anjely iray antsoina ho Natanaël, nilaza tamin’ireo anjely nitondra ahy hoe : Ento any amin'ny Tompo izy.
Rehefa nandeha izahay dia niditra tamin' ny vavahady iray tena mamiratra toy ny masoandro amin'ny heriny, ka tsy zakan'ny maso ho jerena, ary tsy tazana avy aty ivelany ny ao anatiny, rehefa tafiditra tamin'io vavahady io aho dia niova ny fïtafiko, ny fijeriko, hafa ny zavatra hitako, mazava be sady mahafïnaritra ahy, faly aho fa tsy mbola toy izany teo amin'ny fiainako, hitako tao avokoa ireo olom-boavonjy maro, tsara tarehy, mitovy daholo ny fïtafian'izy ireo, fotsy sady lavabe, ny satro-boninahitra kosa dia tsy mitovy satria misy ny sasany tena feno kintana mamiratra maro mihintsy sady lehibe, nefa ny sasany, kely sady zara raha nisy kintana telo, na izany aza anefa ireo olona maro be ireo dia feno tsiky sady tsara tarehy indrindra no madio, feno ny voninahitr'Andriamanitra ohatran'ny olona tsy nitoetra teto an-tany ny fahitako an'izy ireo, satria hafa mihintsy ny fomba fiainany.
Marihina fa tsy misy tany any na fasika, fa volamena tena mamiratra ny any, mitovy amin'ny fitaratra . Marina fa volamena avokoa ny toerana rehetra any, dia izay rehetra alehanao, ary ny trano koa dia vita amin'ny vatosoa maro loko isan-karazany, fa saingy misy ny kely dia ny lehibe, tsy misy masoandro na volana any, fa fahazavana sy famirapiratana tsy hay jerena no eo ambony, tena hafa mihintsy ny any an-danitra, betsaka be ny olona ao fa ny zaza sy ny lehilahy no tena maro, fa ny vehivavy kosa dia vitsy ihany, raha mbola nandeha iny izahay dia niditra tamin ny trano iray izay tena tsara, tsy nataon-tanana ny fahitako azy, rehefa niditra izaho sy ilay anjely, dia nisy feo nilaza taminay hoe manatona aty, dia nisy hery nanintona ahy ho eo anatrehan’ ilay olona, ka lavo niankohoka aho, potraka tsy nahajery Azy aho, dia hoy Izy: "mitraka" dia nitraka aho, ka nahita lehilahy nitoetra tamin'ny seza fotsy lehibe, lava ranjanana, manao lamba fotsy madio manjopika sady misy sikina volamena eo amin'ny tratrany, ary tahaka ny masoandro mamiratra amin'ny heriny ny tarehiny, ary tahaka ny lela afo mirehitra ny masony, ary ny tanany sy ny tongony kosa dia toy ny lokom-barahina manganohano madio; ary ny feony dia toy ny feon’ olona maro be, mampatahotra ny mahita azy, tsy vitan'izany fa misy avana maro loko manodidina Azy, misy anjely marobe ao aoriany izay mitazona trompetra volamena sy volafotsy. Rehefa nahita izany aho dia nangovitra ka nivaloarika ny tenako rehetra, ary tsy nisy hery intsony tato anatiko, fa nalemy dia nalemy aho, nefa dia nandre ny teniny ihany koa aho nilaza tamiko hoe : Aoka ny masonao ahita izay hampahitako anao, ary aoka ny sofinao handre tsara izay lazaiko, ary ny sainao hitadidy izay hitanao sy renao rehetra, Izaho no Jesosy Kristy izay hivavahavareo.


Rehefa nilaza izany tamiko Izy dia nisy hery namakivaky ny vatako rehetra hatrany amin'ny taolako ka niteny ihany izy nanao hoe ; "hitako ny fahorian'ny oloko, izay mikatsaka ahy andro aman'alina, nefa diso lalana sy mijaly izy ireo, ka izany indrindra no antony nangalako anao ho eto anatrehako mba anambarako ny fahotan'ny firenena izay misy anao, dia firenena mpanota ary feno fanompoan-tsampy ka vokatr’ ireo no mahatonga fikorontanana sy mosary ary loza maro miseho sy ny mbola hiseho. Ao ihany koa ireo mivavaka nefa tsy mahalala ny fahamarinana, ireo fïangonana maro izay mitsangana nefa tsy mitory ny tena fahamarinana ary tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra akory, hanangana fiangonana tena lehibe ao amin'ny firenenao Aho, izay atao hoe tena fifohazam-panahy Marina, ary haniraka olona Aho ary hanendry ireo mpiara-miasa aminy izay hitory ny fahamasinana sy ny fahamarinan'ny tenin’Andriamanitra, izy ireo no hamory sy hanangona ny olona rehetra, ary hampahafantatra ny tena fahamarinana, satria hatramin'izay dia famindram-po sy fahasoavana no niainan'ireo Kristianina maro, fa ny tena herin'Andriamanitra miasa dia tsy misy hatramin'izao, fa variana amin'ny manenjika isan'olona fotsiny ny mpiandry, ary maro no latsaka ao anatin’ny fankahalana, mifanaratsy sy mifanenjika, ary vokatr'izany dia ny toetran’ny mpiandry ihany (pasitera) no toetran’ny olona entina ary efa maro ireo mpiandry voavidim-bola, ka hatramin'izao dia tsy mbola misy olona ankasitrahana. Rehefa miteny ny Tompo dia misy lela afo mivoaka avy ao amin'ny vavany. Nilaza tamiko koa izy hoe : Maro ireo milaza ny tenany ho Kristianina nefa dia mamitaka ny tenany izy ireo satria tsy manana fifaneraserana manokana amin'Andriamanitra, manao ny tenany ho Tompo, tsy mandeha amin’ny fahamarinana, tsy manana fahamasinana, tsy manana fanetren-tena sy fahadiovam-po ary fahitsiana.
Nilaza taminy aho nanao hoe: inona Jesosy ô no tokony ataonay mba hovonjena izahay? dia namaly ahy izy hoe : manaova ny sitrapon'Andriamanitra miezaha hampitombo ny fahamasinana. Hebreo l2 14b
" izay tsy manam-pahamasinana tsy ahita ny Tompo" Mandehana amin'ny fahamarinana, manana fahadiovam-po Matio 5:8 "Sambatra izay madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra. Fantaro ny tokony hataonao sy ny fiangonana hivavahavao, diniho ny mpitarika anao (pasiteranao). Aza mikambana amin'ny ratsy, miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao, diniho ny tenin'Andriamanitra ka tandremo izay lazainy, fantaro ny didy ka miorena tsara, aza miova fa ny fahamarinana dia ny tenin'Andriamanitra ary ny tenin'Andriamanitra dia Jesosy Kristy, ka raha misy olona tsy miorina aminy na tsy mankato ny tenin'Andriamanitra sy ny fahamarinana, dia Izaho Jesosy mihintsy no laviny."
Nilaza ilay anjely teo anilako fa afaka manontany aho, izaho mbola mieritreritra iny dia izy efa nahalala ny heritreritro ka namaly hoe : betsaka ireo mpiandry sy Evangelistra na ireo mpitory ny tenin'Andriamanitra mitondra ny olona ho any amin'ny helo, vokatry ny familiana ny tenin 'Andriamanitra, noho ny tsy fitoriana ny tena fahamarinana, noho izany dia maro ny fanahin 'ny olona very. Ireny fanahy very ireny anefa dia mbola hanontaniako ny mpiandraikitra rehetra isan-tsapana alohan 'ny hamindrako an 'izy ireny avy aty amin 'ny helo ho any amin'ny farihy mirehitra afo, nieritreritra aho saika hilaza taminy hoe : manana namana be dia be aho manao ny asan'ny Tompo manahoana ny amin'izy ireny? dia hoy izy namaly ahy hoe : Ireny olona maro fantatrao sady hitan'ny masonao ireny dia manokatra ny varavaran 'ny helo ka manery olona hiditra ao, vokalry ny tsy fitiavana an 'Andriamanitra, hoy ny teny hoe: jaona 14:15 "raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko". Ireo namanao izay manao ny asan'ny Tompo ireo, dia mitondra olona ho any amin'ny helo koa, vokatry ny fanaovana batisa olona tsy marina ara-panambadiana, fa mbola tokatrano tsotra tsy vita soratra na mpangalatra vadin 'olona nefa dia atao batisa tsy misy fampianarana na fanaraha-maso ka lavin 'izy ireo ny teny hoe : Efesianina 5:5 ufa fantatro marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’I Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta na ny olona mierina (mpanompo sampy izany) " Nilaza tamiko koa izy fa tokony hifankatia ny Kristianina rehetra ary tokony hifanome voninahitra. Nilaza momba ny helo tamiko koa izy sy ny fiainan’ny olona marobe lasa any amin'ny helo ka nanao hoe: tsy natao ho an'ny olombelona ny helo tany ampiandohana, fa toerana voahomana ho an 'ny devoly sy ny anjeliny, koa satria nisafidy hanaraka ny devoly ny olona raha tokony hanaraka ny tenin 'Andriamanitra, dia hitovy fiafara amin 'ny devoly koa. Tena toerana feno fijaliana sy fahoriana tokoa ny helo ary ho tsapan’ny mpanota mandrakizay izany, tena hitomany sy hikotro-nify izy . Fantatry ny devoly io fiafarana mahatsiravina hanjo azy io, dia faly mamitaka olona hanaraka azy ho ao izy. Tsy Jentilisa ihany no ho tonga any amin 'ny helo fa ny Kristianina ihany koa, rehefa tsy matoky ny fifandraisany amin’ny Tompo ny olona dia hatsipy amin 'ny helo ihany koa. Tsy ny fanomezanao vola ho an'ny fiangonana, na pasitera, akory no mety maha - voavonjy. Misy aza ireo olona nitory ny tenin'Andriamanitra sy nanorina fiangonana tsara tarehy ho an'ny olon 'Andriamanitra, kanefa ireo olona ireo dia nanao asa meloka sy feno fankahalana, ka manohitra ny lalàna masina sy madio takin’ny TOMPO amin'ny fiangonana, ka tehirizina ho amin'ny fijaliana sy ny afo ny olona tsy marina ary haharitra mandrakizay izany any amin’ny farihy afo noho ny tsy fanaovan 'izy ireo ny sitrapon’ny Tompo . MATIO 25/41 hoe: "ary dia nilaza indray amin’izay eo ankaviany izy hoe : mialà amiko ianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny". Rehefa tsy niteny intsony izy dia nisy anjely nilazany hoe : ento izy ho any amin'ny helo ka hampahafantaro azy ny zavatra rehetra any. Raha vao tapitra izany teniny izany dia hitako mialoha teo fa nisy anjely nitondra ahy nivoaka dia niaraka izahay, dia nilaza izy fa Mickael no anarany, lehiben’ny mipitari-tafikan'nv lanitra izy, izy no niady tamin’ny satana ka nanjera azy tety ambonin'ny tany noho ny herin'ny ràn i Jesosy Kristy sy ny teny filazana Azy, nanazava ny momba ny losifera sy ny asany ary ny fiafarany tamiko izy, lehilahy lava ranjanana sady tsara tarehy izy, ary vaventy avo noho ny anjely rehetra, nasehony ahy ny lapa fiderana an'Andriamanitra izay vita tamin’ny vato sarobidy maro karazana, sady manana loko samy hafa, hitako tao ireo olom-boavonjy maro ka miara-miankohoka izy rehetra ary miara-mitraka, miaraka manandra-tanana, ny fihetsika miaraka avokoa. Ny feon-kira dia tsy misy mitendry fa mivoaka avy eo amin'ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Marihina fa tsy misy olona antitra aty fa tanora avokoa ka na dia antitra aza tany ambonin’ny tany dia miova tanora rehefa tonga aty, ka mitovy daholo ny olona rehetra. Avy eo izahay dia nahita trano lehibe anankiray izay ahitana seza maro be tsy nataon-tanàna ary tsara sady tsy fahita loatra. Ny nahagaga dia amanalina maro ireo seza ireo, nisy anjely marobe koa tao, ny asan'ireo anjely ireo araka nolazain’i Mickael tamiko dia mandamina an’ireo seza ireo isan'andro, hoy izy tamiko : anontanio ireo anjely ireo sy ny asa izay ataony: dia nanontany aho hoe : sezan'iza daholo ireto ? dia hoy ilay anjely iray tamiko hoe : ny seza marobe izay hitanao dia hoan’ ireo Kristianina marina, izay mbola mitoetra ambonin'ny tany, fa saingy izao, arakaraka ny fahamarinany sy fahamasinany ary ny fahadiovan’ny fony sady firehetan'ny fony amin'ny fitiavany an'Andriamanitra no hananany seza eo aloha. Fa raha misy Kristianina marina ka miala amin'ny fîtiavana voalohany dia miala eo aloha ny sezany ka mifindra eo aoriana, fa ny seza izay hitanao miangona kosa, dia sezan'ireo Kristianina mangatsiaka amin'ny asa fanompoana tsisy fitiavana an'Andriamanitra sy ireo andalam-piverenan-dalana. Dia mbola niteny ihany izy hoe ; ny lalana hizoranao raha te hiditra sy handova ny lanitra ianao dia tehirizo amin'ny fahamasinana ny tenanao, satria didy io fa tsy safidy, dia mandehana amin'ny fahamarinana, manana fahadiovam-po sy fanetren-tena ary fîtiavana sy fahalemem-panahy, fifaliana, ny farany dia mandehana mahitsy eo anatrehan'ny Tompo amin'ny lafiny rehetra, dia sady tonga aty ianao no mahazo seza eo aloha. Rehefa niala teo izahay dia nahita satro-boninahitra tao amin'ny trano teo akaiky teo ihany, tena namiratra tokoa ireo sady maro karazana, fa tsara mihoatra noho ny tena volamena aza, fa saingy misy kely dia misy lehibe, misy kintana maro mandravaka azy ireo arakaraka ny olona nitorianao ny fahamarinana ka nibebaka niala tamin'ny ratsy fanaony ka nandray an'ny Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany manokana, dia ny isan'ny fanahin’ olona notaominao no isan ny kintana eo amin'ny satro-boninahitrao. Marihina fa ny olona tompon'ireo seza sy satro-boninahitra ireo dia tena Kristianina marina fa saingy mitoetra ambonin'ny tany fa amin'ny fotoana hialany aty dia omen’I Jesosy azy ireo, ka satrohany ny lohany. Rehefa niala teo izahay dia nahita ohatra ny dobon-drano (piscine) izay feno rà izay mitomany sady miantsoantso, dia nanontany ny anjely aho. Dia hoy izy hoe izany feo renao izany dia feon'ireo ràn’olona mitomany dia ràn'ireo kristianina marina izay nisy namono tany ambonin'ny tany, fa ny fanahiny efa aty, fa ny ràny mbola hanontaniana an'ireo izay nandatsaka azy, Raha misy Ray aman-dreny ka mikapoka ny zanany ka latsaka ny ràn’ilay zaza na dia kely monja aza, dia mbola hanontaniana ny ray aman-dreniny izany. Fa satria izay mandatsaka rà dia mandatsaka aina.

Nahita rano niangona betsaka aho dia nanontany satria io rano io dia madio fa izy mihetsiketsika, dia hoy ilay anjely tamiko hoe : io rano io dia ranomason'ny Kristianina marina izay mitomany noho ny fanenjehana sy fampahorian'ny olona azy tany ambonin'ny tany noho ny fanarahana an’i Jesosy Kristy sy fitiavana an'Andriamanitra ary fandehanana amin'ny fahamarinana. Raha misy Kristianina marina ka mitomany vokatry ny fampijaliana sy fanenjehan'olona azy, dia miangona aty ny ranomasony miandry ny fitsarana an'ireo olona izay nanafitohana azy.
Nahita zazavavy kely iray aho dia navelan'ny anjely niresaka taminy aho. Izao no resaka nataony tamiko.
Samirah no anarako, 8 taona aho izao, fantatro ianao fa olona mandalo aty, satria ny fitafianao no hahalalako izany. Fa hoy aho taminy hoe : manao ahoana ny fitafiako no hahalalanao izany , dia namaly izy hoe : masina ny lanitra sady feno voninahitra, ka ny mpanota sy ny tsy manam-pahamasinana tsy ho tafiditra aty, fa ny olom-boavonjy no tonga aty ka mitoetra aty, dia olona tsy misy pentina.
Kanefa avy niteny io tamiko izy dia lasa, dia hoy ilay anjely tamiko, mahafantatra anao daholo ireo olona rehetra ireo fa mandalo ianao aty. Nisy vehivavy iray navelan'ilay anjely niresaka tamiko, hoy izy : Izaho no vehivavy mahantra indrindra aty an-danitra satria betsaka ny olona manadratra ahy ka manao ahy ho Andriamanitra. Raha ny marina dia hivavahan'olona ity vehivavy ity. Niala teo izaho sy ilay anjely dia hoy izy tamiko, jereo ery ambany, dia nojereko dia gaga aho nahita olona nitsangana ao anaty rano, olona tena maro dia maro, ny sasany eo amin'ny kitrokely, ny sasany hatreo amin'ny lohalika, valahana, ary hatreo amin'ny tratra ary vitsy kely ny tena milomano amin'io rano io, ireo izay eo amin'ny kitrokely dia mivezivezy, indraindray miakatra amin'ny tany maina, indraindray midina ao anaty rano. Teo akaiky teo dia misy olona marobe mihidy ao anaty fefy lehibe mitaraina mitady lalana hivoahana avy ao fa tsy afaka, fa mihodikodina mitady lalana ivoahana. Nilaza tamiko ilay anjely momba an'ireo olona ireo, hoy izy tamiko: ny rano dia ny
tenin'Andriamanitra, ireo olona ireo dia Kristianina, ny olona misy rano hatreo amin'ny kitrokely dia olona mivoaka miditra amin'ny tenin'Andriarnanitra, ka izay tiany ihany no hankatoaviny, ireo amin'ny lohalika kosa dia manomboka mangetaheta ny fahamarinana sy Mankato ny tenin’Andriamanitra . Matio 5:6 "Sambatra izay noana sy mangetahata ny fahamarinana fa izy no ho vokisana". Ny olona eo amin 'ny valahamy kosa dia olona tena manao sy mahatanteraka ny sitrapon 'Andriamanitra, ary nahafoy ny zavalra rehetra noho ny tenin'ny Tompo, ireo hitanao amin'ny tratrany dia olona tena miaina tanteraka amin'ny fiainan'ireo Apostoly ireo, mitory ny filazan-tsara, sady mitaona olona ho amin ‘i Jesosy, ka manao batisa azy ireo amin'ny tena batisa marina amin'ny fahamarinana, izy ireo no havelan'ny Tompo hanao fahagagana sy famantarana lehibe maro satria mino sady matoky ary mahatanteraka ny fahamarinana sy fahamasinana ka tena hanjakan’ny herin’ny Fanahy Masina lehibe tokoa, fa ireo olona milomano ireo kosa dia olona mionoka noho ny tenin’Andriamanitra ka nahatonga an’izy ireo nanombo ny nofony sy faniriana ary ny fïlany teo ambony hazo fijaliana, ka niditra amin'ny fahamasinana lalina, ka mahatanteraka ny fahamarinana, ireo olona ireo dia olona anisan’ny sambatra indrindra any an-danitra, fa toy izany ihany koa ny fiainan’ny Paoly Apostoly tamin ny fahavelomany tambonin ny tany fa nanana fahamasinana tapitrohatra izy. Ireo olona mionoka ireo dia manana famantarana manokana raha tonga any andanitra ary olona tena miavaka ary omena valim-pitia tena lahibe indrindra ary anarana mandrakizay izay tsy azo esorina aminy, hitoetra ao anaty manda volamena ireo, izay tsara lavitra noho ny an'olona rehetra. Isaia 56: 4" Fa izaho no lazain'I Jehovah ny amin'i ionoka izay mitandrina ny sabatako; sy mifidy izay sitrako; Ary mitana ny fanekeko. Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao amin'ny mandako izy, izay tsara Iavitra noho ny an'ny zanaka lahy sy ny zanaka vavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy»

Nahita koa aho olona marobe tao anaty fefy ireo dia mitaraina te hivoaka nefa tsy afaka fa mihodikodina mitady lalana hivoahana fa tsy afaka Oh 13 :15 b "Sarotra ny lalan'ny mpivadika". Ireo olona ireo dia niverin-dalana, efa nanompo an’i Jesosy sady efa nandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany nefa niverina tamin’ ny faharatsiana sy fahotana ary ny fiainan'izao-tontolo izao indray ka te-hiala nefa tsy afaka intsony. Hebreo 6 : 4-6 Ny sasany indray mifatotra ny tanany sy ny tongony, ireo indray dia olona mivavaka nefa mbola voafatotry ny fahazaran-dratsy ka sady tsy voavonjy no sady tsy miverin-dalàna nefa tsy mety miova ihany koa, ka lany fotoana fotsiny ka mila fiezahana mafy.
Nanontany azy aho momba ny antony nahatonga ny olona mivavaka fa tsy mahafantatra ny ataony.
Nilaza tamiko izy hoe: matoa ireo olona ireo toy izao dia vokatry ny tsy fahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. Nilaza ny momba ny asan’ Andriamanitra tamiko izy hoy izy: Misy karazany 2 ny asan’Andriamanitra tokony hataon’ny Kristianina rehetra.
1) Manao sy manatanteraka ny sitrapon 'Andriamanitra.
2) Asa fanompoana rehetra sy fitoriana Filazantsara omba-mpamantarana sy fahagagana.
Matetika anefa ny mahamaika ny Kristianinn dia ny asa faharoa (2) nefa raha ny marina aloha dia tokony ilay Asa voalohany (1) no atao, izay vao manao ny asa faharoa. Izany no tsy mahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, ary dia lavina izy amin'ny farany. Matio 25: 41 manao hoe :" Ary dia hilaza Indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe : Mialà amiko ianareo, izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandraikizay, izay voavotra ho an 'ny devoly sy ny anjeliny ". Nahita trano lehibe iray izahay, trano boribory vita amin'ny vatosoa maro loko sady mitovy amin'ny trano fitaratra nefa vita amin’ ny vato ka mangarangarana sady madio no mamirapiratra ery ny endriny, io no tranon’ireo loholona 24 hitsara ny firenena rehetra, izy ireo dia mitoetra amin'ny seza fiandrianany tsirairay avy, ka misy vato fïsaka roa lehibe, izay misy ny didy folo ary misy karazana zavatra manan’aina isan-karazany eo anoloan’izy ireo, raha misy olona tsaraina dia mitsangana eo anoloan'izy rehetra, nilaza ilay anjely fa raha misy olona tsaraina dia mijoro eo anatrehan'izy ireo ka ny anjely eo ankilany avanana ary satana eo amin'ny avia ka raha Kristianina marina izy, dia Jesosy Kristy no mpisolo vava mifona ho azy eo anatrehan'ny Ray . Fa raha Kristianina tsy marina izy dia afatotra dia atsipy miaraka amin'ny fatorana any amin'ny helo, fa any no misy fitomaniana sy fikotroha-nify. Matetika hoy ilay anjely dia batisa no mahatonga ny olan'ny Kristianina, satria nanao batisa nefa olona tsy miova fo, tsy niala tamin’ny fahazaran-dratsiny, indrindra fa ny fijangajangana, eo anivon’ny tokatrano izany no maha-betsaka ny olona lasa any amin'ny helo.
Ny tena sakafon’ny olona any an-danitra dia ny hira fiderana . Misy karazan-trano maro samy hafa any f a hoy ilay anjely tamiko , io trano io dia trano tsy nataon-tanana, sady samy manana ny sokajiny, arakaraka ny ara-panahin'ilay olona koa ny hangeza na hakely ny trano misy azy.Ireo trano ireo dia milahatra ka ao no vita amin'ny vato Kristal fotsy mangirana sady madio no mahafïnaritra, ao koa ireo vita amin'ny vatosoa sarobidy mangamanga, maintso, mena, mavo, tena tsara, ireo anefa hoy ilay anjely dia tranon'olom-boavonjy, misy amin'izy ireo koa tranon’olona mbola any ambonin’ny an-tany, fa miandry azy tonga aty, hoy ihany izy : matahora an'Andriamanitra, fa ny any amin'ny mangina tsy misy olona mahita no tokony ahitana anareo fa Kristianina, hoy izy farany : Ampahafantariko anao fa raha misy olona tonga aty an-danitra dia Jesosy sy ireo anjely marobe no mitsena azy, satria misy anjely irahin’ny Tompo maka azy any ambonin'ny tany ho entina aty an-danitra ka milahatra daholo izahay anjely rehetra , Jesosy eo aloha, fa ireo olom-boavonjy kosa any aoriana sady midera an'Andriamanitra. Rehefa tonga dia raisin'ny Jesosy Tompo ka fihininy mafy eo an-tratrany, sady safosafoiny ka ilazany hoe : "midira amin'ny fifalian'ny Tomponao", manontolo andron’iny dia fifaliana lehibe ao an-danitra. Matetika anefa dia izao no zavatra mitranga; mbola ery ilay olona entin ny anjely, ka raha vao mahita ny tavan'ny Tompo dia mitomany mafy sady milaza hoe: "Jesosy Tompo malalako a! hitako ihany ianao ! sady miantoraka no mitomany mafy, fa saingy ranomasom-pifaliana, raha mahita izany ny Tompo dia faly ka mamihina mafy ka fafany ny ranomasony rehetra, dia satrohany satro-boninahitra volamena, ary omeny seza hipetrahana dia eo izy sy ny Tompo miresaka, fa ny olom-boavonjy sy ny anjely mitohy midera an'ny Tompo ary ny fety mandroso ihany.
Andaho isika ho any amin'ny helo fa aseho anao ihany koa ny any, fa raha misy olona 1000 (arivo) maty manerana izao tontolo izao ao anaty iray minitra dia olona 10 no tonga any an-danitra fa ny ankoatra izay dia aty amin'ny helo avokoa.Tonga tamin'ny helo izahay sy ilay anjely, fa ny zavatra tena mahagaga dia mifankahita ny olona any an-danitra sy aty amin'ny helo fa saingy misy antsana eo afovoany ny lanitra ambony ary ny helo ambany, hita avy eo amin'ny helo avokoa ireo izay atao rehetra ao an-danitra ao. Nilaza ilay anjely tamiko hoe : tsy tiako loatra ny mandeha aty fa malahelo aho, sady aty koa toerana maloto sady ratsy fofona, ny olona ato koa be taraina, mijaly, ny vehivavy no tena betsaka tonga aty vokatry ny lolom-po sy fosafosa namana ary fanaratsiana olona, ity helo ity dia lavaka maizina sady maloto no maimbo. Maro ireo karazan'olona aty anatin'ity helo afo ity fa ny mpanota no betsaka, olona tsy nibebaka ka tsy niala taminy ratsy fanaony, ireny no mameno ity helo afo ity, marihina fa 2 (roa) karazana ny helo :
> Helo afo
> Afo be.
Ao daholo ireo no miandry an’ny Tompo, miandry ny fiavian'ny Tompo hitsara ny olona rehetra, ary amin'izay dia misy alefa any amin'ny Farihy mirehitra afo sy afo solifara mandrakizay ; ka izany no fahafatesana faharoa.
HELO AFO . Ny Helo afo dia toerana maizina sady maimbo sady toeram-pijaliana tena feno fahoriana, ny mpanota sy, olona tsy mivavaka daholo no hitako ato. Ho tanisaiko aminao daholo ary ny zavatra rehetra hitako ato. Voalohany tena feno dia feno ity toerana ity, na lehilahy na vehivavy, dia ato daholo mitsangana mijoro mahitsy ny olona tsirairay avy sady milahatra satria tery. Nefa mbola misy foana olona aman'arivony tonga isa-minitra, nefa dia tezitra mafy izy ireo, satria raha vao mihetsika ny iray dia miady mifanozona daholo izy rehetra vokatry ny fahateren’ny toerana, indrindra fa raha sendra misy olona mamono mahafaty an'izy ireo tambonin’ny tany ka nahatonga an'ireo aty amin'ny helo, ka sendra tonga aty koa ilay olona namono, ka mifankahita ireo, dia miady foana isan'andro ka milaza hoe : Raha tsy novonoinao aho dia tsy tonga aty, fa mety mbola velona a o dia afaka nibebeka sady nanompo an 'Andriamanitra, fa noho izaho novonoinao dia tonga aty aho izao, tsy olona iray anefa no voan'izany fa olona betsaka. Ireo mpisotro toaka dia misotro ranon'afo foana ny ataony ao, efa goaka ny tendany fa tsy azo atao ny mitsahatra fa tsy maintsy misotro foana na tiany na tsy tiany. Ny mpifoka sigara dia mifoka sigara afo na dia efa bory ny molotra, fa tsy maintsy mifoka foana fa terena mihintsy hifoka an'io, izany no atao mandrakizay. Ny mihinam-paraky dia mihinana vovok'afo, tsy maintsy mihinana na mandrapaka vovok'afo foana mandrakizay. Ny mpiloka, ireo dia miloka karatr'afo foana mandrakizay. Ny mpandihy dia mandihy ao anaty afo, ka tsy mahazo mijanona tsy mandihy na dia iray minitra mandrakizay. Ny mpihira dia mihira, ny mikrô eo an-tanana dia mivadika bibilava ka mihinana azy mandrakizay.Ny mpinjangajanga, ireo indray dia matory eo ambony farafara afo, ka misy menarana maventy feno tsilo afo, dia io no minjangajanga amin'io mpijangajanga io, ka mivoaka sy miditra amin'ny tenany io mandrakizay, dia io no mampahory azy, menarana lava-be io. Ny mpanompo sampy dia kapoan'ny devoly amin'ny hazo feno fantsika, ary avelany avy eo, ary rehefa feno tomboka dia asainy hohanin’ ny kankana ka mifandrombaka mihintsy ny kankana miditra ao amin'ny loadoaka rehetra amin'ny tenan'ilay olona ary teren’ny devoly tsy maintsy mihantona amin'ny pôtô afo, ka ny loha atao eo ambany, ny tongotra ambony. Ny mpanao baolina dia milalao baolina afo foana, atao mandrakizay. Ny mpanao sport na mpanao fanatanjahan-tena dia izay ataony aty ihany no ataony, sady manandevo azy rehefa tonga any, Ny olona tia vola ,vetaveta, miteny ratsy, raha tsy olona mivavaka ianao dia fantaro fa raha vao hiala eto ianao dia ho an'ny amin'ny helo afo mandrakizay, fa izay rehetra nataonao eto an-tany ihany no ataonao rehefa tonga any aminy helo afo any ianao. Marihina fa ao anatin’ny ity helo afo ity dia miredareda be ny afo eo amin'ny 20 metatra eo ho eo ny haavon' ny lelafo izay mandoro sy mampijaly azy. Tena mijaly sy mikotro nify ny olona rehetra ao. Ny helo afo dia farihy na fotaka mainty sady maimbo no maloto, hatreo amin'ny valahan'olona ny halaliny, fotaka mainty, ary misy kankana madinika mameno ny helo hatreo amin'ny tenda na vozon'ny olona, lazaiko aminao fa ny kankana dia mampijaly an'ireo olona ireo ao, miditra ny vava dia mivoaka amin'ny orona ary miditra ny orona dia mivoaka ny vava, ary miditra ao anaty maso dia mivoaka ny sofina, goaka mihintsy ny maso sy orona ary ny vava anaovan'ireo kankana ireo azy. Manao kavina ny olona any amin'ny helo afo any fa saingy ny firavaka rehetra ataonao ety ambonin'ny tany dia mivadika kankana vaventy feno tsilo. Misy an'ity vehivavy iray ity, izay tena mitaraina mafy satria ny mahafinaritra azy tety ambonin'ny tany dia ny miravaka, ka izao mampijaly azy ny kavina, miova kankana misy tsilo maranitra ka mifantsika eo amin'ny sofina ka manageja sady mampijaly nefa tsy afaka esorina intsony . Eo amin'ny tanany dia misy peratra sy gormety, ireo anefa dia miova kankana misy tsilo ihany koa ka mifantsika hatrany amin'ny lalina indrindra eo amin'ny tenany, ary ny rojo koa dia toy izany ihany, miova ho kankana misy tsilo ka mifantsika eo amin'ny tratrany izay tsy miala mihintsy fa mampahory azy mandrakizay. Ary ity vehivavy ity dia mirehitr'afo ny volony, ary rehefa lanin’ny ny afo izany dia misy menarana milelaka ny lohany, ireny menarana manaikitra ireny, ka sady mandoro ny afo, ny tena may, mampahory ny fofona maimbo sy fotaka, ary mampijaly ny kankana, dia mbola manaikitra koa ny menarana. Ho an'ireo tia mandoko volo na manao tovana na manao haingo marobe eo amin'ny volony dia rehefa may ny volo dia misy menarana mampahory ny lohany, ary misy olitra maloto madinika marobe indray mitoetra eo ambonin'ny loha, ka tsy miala eo mihintsy mandrakizay. Salamo 9 :17" Hiverina any amin'ny fiainan-tsy hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra." Isaia 66 : 24 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy. " Ny mpihiran’izao tontolo izao dia mihantona amin'ny tsatok'azo (Poteau) vain’afo, ka ny lohany ambany fa ny tongony ambony, fa marikoriko mihintsy ny mahita azy, satria mangotraka mihintsy io tenany io noho ny hamain’ ny "Poteau" vain'afo ity, mitovy amin'io koa ny mpamosavy sy ny manompo sampy. Marihina fa maro ny mpihira malagasy hitako tao, tena mijaly tsy afaka miteny fa feno kankana ny vava, ny maso, ny sofina , ny orona, ny loha feno olitra , ny afo mahamay, fotaka maimbo, ny menarana manaikitra, ny olona rehetra ao dia mitabataba tsy hifandrenesana , ny devoly maneso , mikapoka . Misy vehivavy iray sendra niantso vonjeo ka nojereko hay izy ity nokapohin'ny devoly tamin'ny hazo misy fantsika marobe, sady maranitra dia hoy ny devoly tamiko, ity vehivavy ity dia manao ody ratsy, mamosavy sady manao ody fitia amin'ny lehilahy 31 taona, ity tsy mahalala nibebaka niala tamin'ny faharatsiana, ka ankehitriny izy dia mandray ny valin' asany izay nataony, izao no valin' ny asa nataonao ka tanteso sady zakao tsara, miaraka amin'izay dia kapohiny, ary mifandrobaka ny kankana mitsofoka amin’ny tenan'ilay vehivavy feno goaka mba hampahory azy.
NY AFO BE. Ny afo be indray dia toerana misy kristianina maro izay efa mivavaka fa lavo. Ny afo be dia feno afo mirehitra sady feno kankana misy olitra ary menarana, fofona maimbo, vao miditra izahay dia nahita vehivavy iray izay ifandrombahan'ny devoly maro be, dia nojereko izy fa hay izy ity, nigoahana ny masony satria namaky baiboly ihany fa tsy nandray, noborina ny sofîna satria efa firy izay ny tenin'Andrimanitra henony fa tsy nankatoaviny tamin'ny fiainany, boriana sady goahana amin'ny hazo maranitra ny vavany satria mivavaka ihany fa nihatsaravelatsihy, tsoahana ny hohony, mbola miampy kapoka mafy . Raha misy Kristianina tonga any amin’ ny afo be dia mitsangana ireo biby sy matoatoa rehetra mandatsalatsa azy, ary entina eny amin'ny toerana iray aloha, ampahafantarin’ireo devoly azy eo avokoa ny vavaka sy asan'Andriamanitra izay nataony teto an-tany, anisan’izany ny fanoloran-tena tamin'Andriamanitra, ary averin'ny devoly aminao daholo ny asan'Andriamanitra nataonao sy ny tenin’ Andriamanitra izay notorianao hatramin'izay, ampahatsiaroviny anao ny daty nanaovanao batisa. Ny voady izay nataonao teo anatreha’Andriamanitra. Nisy vehivavy iray izay nahafantatra ahy, niantso ahy izy ka izao no nambarany ahy : Marceline no anarako , Kristianina nivavaka tamin' ny fiangonana fïfohazana iray aho, 8 taona izay no nanompoako an'Andriamanitra, ary mpiandraikitra tena lehibe aho, ary tanan-kavanan'ny Pasiteranay, izao daholo no andraikitro tamin'izany:, mikarakara fanatitra sy mitazona volam-piangonana , mpitarika intersesseur, sy vehivavy lehibe, mifady hanina isaky ny talata, mikarakara taratasim-piangonana, mamafa fiangonana sy tokontany isa-maraina amin'ny 5 ora . Satria niavonavona aho sady naloto fo no masiaka, dia izao hitanao tonga aty izao, fa hoy ny Tompo tamiko hoe : nandritra ny 8 taona nivavahanao ry Marceline dia tsy mbola nahita ny tavako ianao na dia tao anatin ' ny iray minitra monja aza noho ny fiavonavonanao sy lotom-po-nao satria mihevitra inao fa manao asa betsaka dia mandova ny lanitra, nefa ianao maloto fo. Dia nofatorana aho dia natsipy aty, dia izao hitanao tonga aty izao, efa marobe izahay izao tonga aty daholo. Tandremo ny miavona sy maloto fo ary manetre-tena
Taitra sady nangovitra aho, raha nilazany an'izany satria fantatro io vehivavy io, ary mpivavaka tsara no nahitako an'io, fa pasitera mihintsy no niantsoan' ny olona an'io, sady diakona mpikarakara ny rehetra, nandini-tena lalina aho dia hoy ilay anjely tamiko hoe: tsy mbola novakianao va ny tenin'nyTompo ao amin'ny Matio 7: 21 "tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko Tompoko no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'ny raiko izay any an-danitra. " Ary ny hoe koa Matio 5:8 " sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Andriamanitra " ka ny olona maloto fo dia tsy ahita ny Tompo, ka marina ny nahatongavany aty noho ny helony, dia mbola nanafatra ahy Marceline hoe : tandremo ny manameloka olona marina, ary aza mirehareha, indrindra fa ny fïavonavonana sy lotom-po, ary fahamasinana, fa hitanao ny mahazo ahy izao, dia izao lasa aty izao, tsy ny fanaovanao ny asan’ny Tompo ao ampiangonana akory na kely na be na maro na vitsy no mety maha-voavonjy anao fa ny fanaovanao ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra. Farany ny hafatro dia izao : Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra, fa ny atao rehetra dia entin'Andriamanitra ho eo amin'ny fitsarana, mbamin'ny zava-miafina rehetra na soa na ratsy. Efa goaka ny masony, bory ny vavany, ary mainty be izy, ary tsy misy sofina intsony, fa izy niantso ahy no nahalalako azy. Fa ny olona goaka maso aty dia mbola mahita. Marihina fa betsaka ireo Kristianina tonga aty, satria mivavaka nefa mbola misakelika ota ihany. Mijaly sy mitaraina ny olona ato sady latsain'i devoly sady kapohiny. Ny olona rehetra ato anatin'ity afo be ity dia Kristianina daholo, sady efa samy manao ny asan'ny Tompo, nefa tsy nanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia very aty toy izao, betsaka ny pasitera tonga ato amin'ny afo be ity, henoy ny filazan’ ity pasitera iray tafaresaka tamiko.
Gilbert no anarako, pasitera aho sady mpandroaka devoly, nitory ny fahamarinan’ ny tenin’ny Tompo aho sady mandoha ny ampahafolon-karena, nandeha tamin 'ny fahamarinana izahay mivady, ary efa nanao tranon'Andriamanitra tsara tarehy, nahafoy vola sy harena, ary tokotany, trano, rahalahy sy anabavy, nefa tonga aty ihany vokatry ny lotom-po amin'ny mpiara-miasa amiko ao anatin'ny fiangonana, satria, izy tena tsy tiako, nefa miara-miasa amiko. Àry vokatry ny fanaovana tsinontsinona ny kamboty sy mpitondra tena ary tia mitsara ny fiangonanan 'ny hafa, ary manaratsy pasitera namana, indrindra fa ny fitiavam-bola.
Maro ny tanora very ato vokatry ny tsy fananana fahamasinana, Deornomia 22:5 " aoka ny vehivavy tsy anao fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hanao fitafiam-behivavy, fa fahavetavetana eo imason'ny Jehovah izay rehetra manao izany".
Nilaza izy fa voafitaka izy ireo satria tsy mba nitoriana an'io teny io ka tsy nahafantatra ka izany no nahatonga an'izy ireo niaina tamin'ny fijejojejoana Ohabolana 31:30"Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an'ny Jehovah no hoderaina"

Izy ireo dia nampianarina fa tsy misy ny helo sy ny afo be, ka izany no nahatonga an'izy ireo nanota tany amin'ny mangingina tsy nisy mpahita, fa nisy nampianatra hoe: ny OLONA rehetra maty dia mivezivezy ny fanahiny mandra-piavin'ny Jesosy amin'ny rahon'ny lanitra, ka voafitaka izy ireo dia nanota Lioka 8:17 "Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy hofantatra sady aseho. »
Misy olona mandray fanamelohana bebe kokoa noho ny hafa, ary famaizana mafimafy kokoa. Ho mora ny fitsarana hahazo ny olona tsotra rehetra, na ny Jentilisa tsy nahalala mihintsy ny lalan’Andriamanitra indray mandeha na ny fahasoavan’Andriamanitra, kanefa nanota Hebreo 10:26, Mario 11:24 (( Fa lazaiko aminareo marina fa ho moramora kokoa ny amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny aminao ". Raha ny marina dia ny Kristianina izay niverin-dalana no tena mijaly mafy mihoatra noho ny rehetra, satria nanalabaraka an'I Jesosy sy nanombo azy indray tamin'ny hazo fijaliany. Marihina fa maro ireo olona ato anatin'ity toeram-pijaliana ity, Mpiandry sy diakona, ary loholona sy pasitera no tena betsaka ato anatin'ity toeram-pijaliana ity. Misy zavatra maro ato fa tsy voalaza aminao daholo, Henoy izay lazain’ny pasitera roa lahy tamiko tany amin'ny afo be . Pasitera tamin'ny fiangonana iray aho, fa roa lahy izahay niara-maty, vokatriny lozam-pifamoivoizana, ka tonga aty izahay noho ny fireharehana sy ny fitiavam-bola, ny anakiray dia nanafatra hoe : mialà amin'ny fombafombam-pivavahana ka matahora an'ny Tompo fa Izy dia mpitsara marina. Misy mpihira Malagasy ato, mpihira fiderana, fa tsy mandeha amin'ny fahamarinana sy fahamasinana, nefa mahay midera an'I Jesosy eo anatrehan’ny olona ka mamitaka ny olona sasany, ka manala-baraka ny voninahitr'Andriamanitra. Ka izy ireny no tena mafy ny sazy miandry azy aty amin'ny afo be aty, satria misy (poteau) vainafo mitsangana eo afovoan'ny afo dia mihantona amin'io daholo ny mpihira rehetra, ka mangotraka mihintsy ny vatantenan'ity mpihira ity, sady tonga mainty izy, ny afo anefa aty ambany aty miredareda mandoro, ny menarana miditra mivoaka avy amin'ny vava, mandeha amin'ny orona, ary miditra amin'ny maso, mivoaka ny sofina. Izany no miandry ny mpihira fiderana izay tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra, fa mihirahira foana. Rehefa izay dia nentin'ny anjely niala tao amin'ny toerana izay misy ny afobe aho fa tapitra ny fotoana. Maro tokoa ny zavatra hitako tao, fa saingy niezahana nofintinina.
Hoy ilay anjely tamiko: Natokana ho an’ ny devoly sy ny anjeliny ny helo, kanefa raha misafidy ny hanota ianao, ka hanompo ny devoly, dia mitovy fiafara aminy. Raha miala eto an-tany ny ratsy fanahy na ny Jentilisa dia ho any amin'ny helo. Salamo 9: 17 «Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra" Ireo karazan'olona mivavaka nefa tsy mahatoky ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia any amin'ny helo ihany koa satria variana amin'ny fanomezam-bola ny fiangonana sy pasitera, tsara izany fa tsy maha-vonjy. Ao koa ireo Kristianina manao ny asan'Andriamanitra, nitory filazantsara, ary nanorina fiangonana tsara tarehy ho an'ny olon'Andriamanitra, kanefa nambaran’ny Jesosy fa taranaky menarana izy, satria nanao asa tamin'ny fahamelohana, sady feno fankahalana manohitra ny lalàna. Lalàna masina sy marina ary madio no takin'Andriamanitra amin'ny fiangonana. Tehirizin'ny Tompo ho amin'ny fijaliana amin'ny andro fitsarana ny olona tsy marina, ary maharitra mandrakizay izany.
II Pétera 2 : 9, Matio 25 : 41 Izany indrindra no mahatonga ny olona any amin'ny helo, mitaraina mafy nefa tsy fantany fa ny nataony no mampijaly azy. Ary maro ny pasitera tonga any noho ny fitiavam-bola sy ny familiana ny tenin’ Andriamanitra, sy tsy fitoriana ny marina, ary tsy manana fahamasinana ka manda ny sitrapon'ny Ray, fa tsy tahaka izany kosa ireo Kristianina marina, izay nanao ny sitrapon'ny Ray, ka nandeha tamin’ny fahamarinana sy nijoro tamin’ ny fahamasinana ka rehefa mandao an'ity tany ity izy, dia ho any amin'ny Jesosy ka tsy hitomany na halaelo intsony.
Farany: araky ny tenin’ ny anjely hoe: ny Malagasy dia tia fihavanana sy tanindrazana, saingy mihatsara-velatsihy amin'Andriamanitra, satria maro ireo Kristianina milaza ny tenany ho mpivavaka nefa tia mimonimonina sady maloto fo, be fialonana, tia mifosa namana, tia mifanenjika, tia vola sady manaratsy ny fiangonan'ny hafa. Izany rehetra izany dia toetran'ny Kristianina Malagasy avokoa. Izany rehetra izany anefa no misy dia vokatry ny tsy fitorian'ny pasitera ny tena fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra, ka sady mamily ny tenin'Andriamanitra izy, hany ka voafitaka ireo Kristianina mpanara-dia azy, satria mitoky amin'ny pasitera sy ny anaram-piangonana, ary mijoro amin'ny asan'Andriamanitra fa tsy mijoro amin'ny tenin’ Andriamanitra marina dia Jesosy izany. Ka izany no mahabetsaka ny Kristianina lasa any amin'ny helo.
Hafatra farany: ny mpanota dia mbola afaka miala amin'ny ratsy fanaony raha mbola eto an-tany, ka raha vonona ianao dia sokafy ny fonao, manetre tena, mandohalia eo ampototry ny hazo fijaliana, mibebaha, mifonà, antsoy Jesosy.
Raha Kristianina ianao ka tianao ny ho any an-danitra dia aza mijoro amin'ny pasitera na ny fiangonana fa mijoroa amin'ny tenin'Andriamanitra dia Jesosy Kristy izany. Vakio ny baiboly, Mamela ny helok'ireo olona anananao alahelo, manaova ny sitrapon'Andriamanitra .Tahian'ny Jesosy ianao.
novalian'i niryna ny 05/07/2011 01:39
2. RBNIR ( 30/06/2011 07:00)
Faly miarahaba namana,
Tena marina izany, misy ny helo Jesosy Tompo mihitsy no nanamafy ny fisiany (vakio lio.16:19-31)
Matahora an'Andriamanitra ry namana isany, Mibebaha, Omeo voninahitra ilay Avo indrindra. Hajao ny Teniny rehetra.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

3. rekinbelo ( 30/06/2011 14:04)
Fahafatesana no tambin'ny ota hoy Paoly. ka raha maty ve ny olona iray nanao ratsy dia mbola ampijaliana mandrakizay ihany?enao ve ohatra nanota teto antany nandritry ny 60 taona dia ny sazinao ve any @ afobe mandrakizay?
Ratsy loatra kosa raha izany no toetran'Atra ka.Na ny olombelona aza tsy manasazy ny zanany maditra toy izany, sa misy aminareo ohatra naditra dia nodorany dada t@ afo ohatra?
Inoako fa tsy misy Ray mahavanon-doza tahaka izany ngamba.
Dia toy izany koa Atra, tsy mampijaly antsika mandrakizay izany izy.
Tiako ho tsindrina fotsiny dia izao:
Shéol (Hébreux) - Hadès (grika) no ilazana azy ary adikantsika hoe helo, raha ny tena izy anefa dia fasana izy io ary mbola manana fanantenana hatsangana @ maty ny olona ao.
Gehena kosa ilay lazainy Jesosy fa misy ny kankana tsy maty sy afo ary solifara, izy io indray dia ny fandringanana mandrakizay tsy misy fitsanganana intsony.
raha fehezina izany dia hoe rehefa maty isika dia mbola manana chance ho velona indray fa ny fahafatesana faharoa na ny Gehena no tsy azahoana grace intsony fa any dia any mandrakizay
4. RBNIR ( 01/07/2011 05:16)

rekinbelo:

Fahafatesana no tambin'ny ota hoy Paoly. ka raha maty ve ny olona iray nanao ratsy dia mbola ampijaliana mandrakizay ihany?enao ve ohatra nanota teto antany nandritry ny 60 taona dia ny sazinao ve any @ afobe mandrakizay?

Faly miarahaba namana,
adinonao ilay karazana fahafatesana iray lazainy hoe « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
Adinonanao ilay hoe "fahafatesana faharoa namana,
Samy ho tahin'ny Tompo
5. rekinbelo ( 01/07/2011 07:08)
miarahaba anao namana!
Ny fahafatesana faharoa anie naman i nolazaiko ambony io dia ilay hoe Gehena.izay maty ao @ gehena dia tsy misy indra-fo intsony fa maty mandrakizay fa izay mbl ao sehol na hades dia mbl manana fiainana iray indray.raha tsy misy fibebahana eo dia any @ gehena indray izy no miandry.
mahereza ianao namana.
6. maranatha ( 01/07/2011 07:31)
rekinbelo:

Fahafatesana no tambin'ny ota hoy Paoly. ka raha maty ve ny olona iray nanao ratsy dia mbola ampijaliana mandrakizay ihany?enao ve ohatra nanota teto antany nandritry ny 60 taona dia ny sazinao ve any @ afobe mandrakizay?
Ratsy loatra kosa raha izany no toetran'Atra ka.Na ny olombelona aza tsy manasazy ny zanany maditra toy izany, sa misy aminareo ohatra naditra dia nodorany dada t@ afo ohatra?
Inoako fa tsy misy Ray mahavanon-doza tahaka izany ngamba.
Dia toy izany koa Atra, tsy mampijaly antsika mandrakizay izany izy.

Mahaiza manavaka tsara, fa tsy sitrak'Atra ny hahafatesan'ny ratsy fanahy fa ny hialany @ alehany mbaho velona izy. midika hoe homena chance ianao eto ambonin'ny tany mba hibebahanao . Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay. midika fa miala @ ratsy vao ho voavonjy. hoy i Petera Mibebaha ianareo hamonoana ny fahotanareo.
Ao amin'ny fahafatesana faharoa dia tsy hoe mijaly mandrakizay ao fa mandrakizay paha-levona. f'ity toerana eto ity aloha dia tsoriko fa tsy tena mbola hananako fahalalana fa aleo samy mandinika tsara.
Ny fahalalana voaraiko momba ny maty dia hoe mijanona matory ao am-pasana aloha ny nofony ny fanahiny kosa na ny fofonainy miverina any @ mpanao azy. rehefa mandinika an'i fabiollah anefa aho mikasika ireo olona niseho t@ Jesosy dia mitovy tsisy valaka t@ hitan'ny Daniela sy Jaona ao @ apokalipsy. Dia tsy haiko na io ilay lazain'niJesosy ao @ Matio 24 hoe aza mety ho fitahina ianareo na tsia ka eto aloha aho izany dia mandinika tsara aloha hoe Jesosy marina ve no niseho sy nampiseho azy io zavatra tantarainy io sa tsia. Marihiko fa tsy izy irery no nitantara toy io fa nisy ihany hafa (Taper anie ny soratra hoe Revelation sur l'enfer" dia ho hitanareo ao koa ny sasany.
7. RBNIR ( 01/07/2011 07:41)

rekinbelo:

miarahaba anao namana!
Ny fahafatesana faharoa anie naman i nolazaiko ambony io dia ilay hoe Gehena.izay maty ao @ gehena dia tsy misy indra-fo intsony fa maty mandrakizay fa izay mbl ao sehol na hades dia mbl manana fiainana iray indray.raha tsy misy fibebahana eo dia any @ gehena indray izy no miandry.
mahereza ianao namana.

Faly miarahaba rekimbelo a,
Fa raha araka ireo teny ao anatin'ny apok.21:8 nosoratako iry ambony iry anie namana, ka ety an-tany fanaovana ireo asa ratsy voatanisa hoe mampiditra ny olona any amin'ilay fahafatesana faharoa ireo e? (fijangajangana, fanaovana ody ratsy, mpamono olona, vetaveta....) Sao dia mba diso hevitra isika ka hamita tena.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
8. rekinbelo ( 01/07/2011 08:16)
ka izao anie namana!
raha ny olona iray mpangalatra ohatra na mpijangajanga ka maty izy @ izao fotoana izao dia mbola manana chance itsangana @ maty fa raha ireo efa natsangana t@ maty no mbl manao ireo dia mihatra aminy ny fahafatesana faharoa.
Ny fahafatesana faharoa anie mbl tsy mihatra raha amin'izao fotoana izao e!aoriany fitsarana vao hisy io fahafatesana faharoa io fa tsy @ izao fiainana izao akory, Isika raha maty mbl fahafatesana voalohany no mahazo antsika fa refa vita ny fitsarana farany vao mety ihatra ny fahafatesana faharoa
9. RBNIR ( 01/07/2011 09:22)

rekinbelo:

ka izao anie namana!
raha ny olona iray mpangalatra ohatra na mpijangajanga ka maty izy @ izao fotoana izao dia mbola manana chance itsangana @ maty fa raha ireo efa natsangana t@ maty no mbl manao ireo dia mihatra aminy ny fahafatesana faharoa.
Ny fahafatesana faharoa anie mbl tsy mihatra raha amin'izao fotoana izao e!aoriany fitsarana vao hisy io fahafatesana faharoa io fa tsy @ izao fiainana izao akory, Isika raha maty mbl fahafatesana voalohany no mahazo antsika fa refa vita ny fitsarana farany vao mety ihatra ny fahafatesana faharoa

Izay aloha ny amin'iny fa ireto indray kosa zavatra raha ny fanazavan'i Jesosy Tompo avy dia mitranga raha vao maty (ilay amin'izao fiainan-tsika izao) ka vonona ny hiatrika ny nahazo ilay mpanankarena v namana sa???

« Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. » (Lioka 16:19)
« Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny; » (Lioka 16:20)
« ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy] » (Lioka 16:21)
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lioka 16:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)
« Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. » (Lioka 16:24)
« Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. » (Lioka 16:25)
« Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary ny ho afa-mita hankety aminay izay eny. » (Lioka 16:26)
« Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko » (Lioka 16:27)
« (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy. » (Lioka 16:28)
« Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. » (Lioka 16:29)
« Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. » (Lioka 16:30)
« Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza. » (Lioka 16:31)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
10. RBNIR ( 01/07/2011 10:23)
rekinbelo,
Nisy tanana 2 anie voalaza fa natao ho fananarana dia : « ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,- » (2 Petera 2:6)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7).

Izao kosa aloha na dia izany aza tsy mino mihitsy hoe loza B Andriamanitra e, porofo ny nanolorany ny zanany lahy tokana izay tiany indrindra. Ny fitiavan'Andriamanitra ary no tena fitiavana lehibe indrindra.
Sady izao koa e, ny zavatra takiany amin-tsika koa anie dia ny hanaovan-tsika ny tsara e! Matoa isika tsy manaiky hanantanteraka ny sitrapony dia midika mazava izay fa dia mankasitraka ny ratsy izany isika.
Koa inona moa ary izany no fahadisoan'Andriamanitra????
Samy ho tahin'ny Tompo indray e!



11. rekinbelo ( 01/07/2011 11:00)
Ahoana ny fahazahoanao io and io namana?Zvt iseho tsy ho ela eto antany koa anie io satria ny olombelona @ zao fotoana iainantsika izao dia mitovy @ sodoma sy gomora e!ho foana tsy hisy intsony ireny taranaka maditra ireny ary izay olona aringan'Atra dia tsy mahazo ny fitsanganana @ maty intsony.fa ireo maty naturel ohatra hoe antitra na narary de maty mbola manana chance itsangana @ maty.
fa ny tiako asongadina ange dia hoe Atra tsy ampijaly ny olombelona mpanota mandrakizay ao anaty afo izany e!tsy namorona helo mihitsy Izy ary tsy Hamorona akory.fa fahafatesana mbla antangana na fahafatesana mandrakizay no miandry antsika olombelona rehetra.
12. RBNIR ( 01/07/2011 11:21)

rekinbelo:

Ahoana ny fahazahoanao io and io namana?Zvt iseho tsy ho ela eto antany koa anie io satria ny olombelona @ zao fotoana iainantsika izao dia mitovy @ sodoma sy gomora e!ho foana tsy hisy intsony ireny taranaka maditra ireny ary izay olona aringan'Atra dia tsy mahazo ny fitsanganana @ maty intsony.fa ireo maty naturel ohatra hoe antitra na narary de maty mbola manana chance itsangana @ maty.
fa ny tiako asongadina ange dia hoe Atra tsy ampijaly ny olombelona mpanota mandrakizay ao anaty afo izany e!tsy namorona helo mihitsy Izy ary tsy Hamorona akory.fa fahafatesana mbla antangana na fahafatesana mandrakizay no miandry antsika olombelona rehetra.

Hiseho tsy ho ela tokoa ary izay indrindra anie no tena hanairana ny olona rehetra namana e! satria voalaza fa hoe "iaretany afo maharitra mandrak'izay". Tsy miangatra Andriamanitra fa rehefa olona dia olona, raha nanao an'i Sodoma sy Gomora Izy, inona no mahasakana azy tsy anao izany amiko sy amin'ny hafa koa???
Tena raha izaho manokana aloha namana dia aleko izay voasoratra ihany no hitokiana e, voalaza eto fa hoe "iaretany afo maharitra mandrak'izay" dia aleo izay no inoana fa tsy mandefa fisainana lavitra intsony (toy ny hoe izy v dia handoro an-tsika any amin'ny helo sns...).

samy ho tahin'ny tompo indray e
13. rekinbelo ( 01/07/2011 15:53)
tsy hoe mandefa fisainana @ izany anie isika namana fa matoa nasehony tao @ soratra dia zvt tsy maintsy ataony e!
Ka fotoana itadiavana azy mihitsy zao namana fa kely sisa ny fotoana: "Mitadiava an'i Jehovah dieny mbola tsy tonga ny ora"
14. rijadolly ( 01/07/2011 16:57)
Porofom-Pitiavana no ilazaNY ny zava-misy any an-Danitra. Vavan' tsy tia lainga no miteny fa misy izany helo izany. Betsara ireo tanisa nalefan' namana ireo manamporofo fa IZY mihitsy no miteny. Matokia ny teniniNY dia ho velona isika.

Raha ny fahazoako ilay fahafatesana indray dia marina mihitsy ny tenintsika fa misy ny fahafatesana faha-roa izay miseho aorian'ilay fahafatesan' nofo, dia ny fahaverezan'ny fanahy izany izay any amin' helo mandrakizay.

Fiteniko eto foana ny hoe famindram-po no nanomezaNy fotoana. Izany hoe afa-nenina tanteraka izy fa efa nahare ilay Filazantsara avokoa ny olon-drehetra. Inona ny anton'izany, tsy misy chance intsony ao aorian' fahafatesana voalohany fa miandry ny fitsarana sisa. Dia mety hiteny ianao hoe izay fitsarana izay anie ilay chance e. Efa voasoratra ao anaty lisitra tompoko izay afa-panadinana rehetra. Ny mamaky azy sisa no ataoNY, ary misy tombo-kase mihitsy izay tsy misy mendrika hanokatra azy afatsy ILAY ZANAK'ONDRY. Noho izany ety an-tany araka ny hevitry RBNIR ilay chance farany. "Mitadiava an'i Jehovah dieny mbola tsy tonga ny ora" Raha tsy misy ny ho very dia tsy nidina tety IZY.
15. rekinbelo ( 02/07/2011 06:26)
Raha maty ny olona iray dia afaka @ helony izy, noho izany dia tsy itsarana azy ny zvt vitany fony fahavelony teto an-tany, fa rehefa tonga ny fotoana ananganana ny maty dia aorian'iny no misy fitsarana.
Tadidio aloha fa fanoharana ilay resaka nataon'ny momba ny mpanakarena sy lazarosy, ka zvt tsy voatery hisy mihitsy, ary na Jesosy aza anie mahalala fa ny maty anie tsy miteny sy afaka manao zvt koa zvt mora takatry ny olombelona no nanaovany fanoharana, fa tsy te hilaza izy hoe misy helo ampijaliana antsika mandrakizay akory.
16. rijadolly ( 04/07/2011 01:56)
Dia mbola ho tanisaiko eto indray ve ny teniNY rehetra ry Rekinbelo? Dia mbola ho fanoharana ihany ve ny fandraisanao ny teniny hatramin'izao? vakio tsara ity voasoratra ity,dia aoka isika samy handini-tena.

MATIO 13 : 1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka, ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro , nivoaka ny mpamafy mba hamafy;4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy.5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.9 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe:
"Handre mandrakariva ihany hianareo, fatsy hahafantatra:
Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita;15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao.
Ary efa lalodalovana ny sofiny,
Ary efa nakimpiny ny masony,
Fandrao hahita ny masony,
Sy handre ny sofiny,
Ka hahalala ny fony,
Dia hibebaka izy,
Ka hahasitrana azy Aho" [Isa.6.9,10].


Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
17. niryna ( 05/07/2011 00:27)
Misaotra anao nizara

rahery08:

Hafatra farany: ny mpanota dia mbola afaka miala amin'ny ratsy fanaony raha mbola eto an-tany, ka raha vonona ianao dia sokafy ny fonao, manetre tena, mandohalia eo ampototry ny hazo fijaliana, mibebaha, mifonà, antsoy Jesosy.
ny tenin'Atra no entiko hanamarinana izany: "Avia hifandahitra amiko hoy ny Tompo fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala" Ho fotsy tsy hisy pentina toy ny taratasy fotsy tokoa izany fahotantsika izany rehefa mibebaka sy mangataka famelankeloka Aminy isika ary tsy ho tsaroany intsony koa hoy Izy.
rahery08:

Raha Kristianina ianao ka tianao ny ho any an-danitra dia aza mijoro amin'ny pasitera na ny fiangonana fa mijoroa amin'ny tenin'Andriamanitra dia Jesosy Kristy izany. Vakio ny baiboly, Mamela ny helok'ireo olona anananao alahelo, manaova ny sitrapon'Andriamanitra .Tahian'ny Jesosy ianao.

Ny fampianarana ny fibebahana sy ny fampifantarana ny namana fa ny famonjena dia avy amin'i kristy Irery ihany angamba no anisany ilaina zaraina amin'izao fotoana izao:tsy ny anaran'ny fiangonana no mahavonjy antsika fa ny famikirina ny finoana an'ilay kristy velona sy ny fahafantarana fa Mpamonjy sy Tompontsika Izy

Ny fahasoavana no namonjena antsika rehetra ary tsy avy amin'ny tenantsika izany na ny herintsika na ny fahaizantsika na ny fiangonantsika fa noho ny fitiavan'Atra antsika irery izany.

Ny olana misy dia toa fampitahorana ilay afobe sy fampilazana fa lasa any avokoa na pasitera na diakonina na mpiandry ,ny vehivavy no maro ( izany ve tsy lasa hafahafa be satria ny vehivavy no mameno ny fiangonana.Ny lehilahy zara raha mandeha ..dia toa mahatonga saina ilay izy satria na kavina sy rojo aza dia lazaina fa mivadika ho kakana !)

Eny e,samia mivavaka mba ny fanahy masina no hitarika antsika andeha amin'ny fahalalana ny tenin'Atra sy ny fahamarinana fa aoka mba tsy atahotra isika satria mbola omeny fotoana avokoa isika hibebahana Zahao toetra ny fanahy
18. niryna ( 05/07/2011 00:58)
rekinbelo:

Fahafatesana no tambin'ny ota hoy Paoly. ka raha maty ve ny olona iray nanao ratsy dia mbola ampijaliana mandrakizay ihany?enao ve ohatra nanota teto antany nandritry ny 60 taona dia ny sazinao ve any @ afobe mandrakizay?

ka izay no antony hizarana ny tenin'Atra lava eto ka.Mbola manana fotoana kely isika hibebahana ka aza mangataka andro.Efa nampahafantarina isika ka aza manamafy fo.
Misy anie efa eo ambavahoanan'ny fahafatesana izy no mibebaka dia mitovy ireo olona roa teo anelenelan'i kristy teo amin'ny hazo fijaliana e.Ny iray nahalala nibebaka,ny iray naneso Azy. Ka hoy ny Tompo hoe : Anio no hihaonanao any am-paradisa satria na efa ho faty aza izy mbola nangataka ny famelankeloka ihany.Izao velona izao ihany koa isika no afaka mangataka famelankeloka sy mibebaka fa aza minomino foana ny hoe aleo aloha hivavahana ny havanareo izay maty tampoka ka arotsay eto ny vola.Izay anie no ilaina hianarana sy hamakiana ny tenin'Atra e ,mba tsy hinohino izay nolazaina antsika fotsiny akory

Ratsy loatra kosa raha izany no toetran'Atra ka.Na ny olombelona aza tsy manasazy ny zanany maditra toy izany, sa misy aminareo ohatra naditra dia nodorany dada t@ afo ohatra?
Inoako fa tsy misy Ray mahavanon-doza tahaka izany ngamba.

ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo.Ny tiana ihany no hanarina.Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.
Fananarana avokoa izany ary fanitsiana zaza.Dia toa izany koa Atra : mampahafantatra antsika isan'andro izy ny hoe:mibebaha,mamela heloka ny hafa... ny vavaka nampianarin'ny Tompo izay ataontsika isan'andro izany dia mbola mampahafantatra sy mampahatsiahy antsika hatrany ka

Dia toy izany koa Atra, tsy mampijaly antsika mandrakizay izany izy.
dia diso indray izany ilay tenin'Atra milaza hoe : fa ny fahotanareo no mampisaraka anareo amin'Atra

raha fehezina izany dia hoe rehefa maty isika dia mbola manana chance ho velona indray fa ny fahafatesana faharoa na ny Gehena no tsy azahoana grace intsony fa any dia any mandrakizay
ny fahafatesana no tambin'ny ota hoy ny soratra masina,mpanota isika tsy misy na iray aza marina saingy raha mibebaka,mizara amin'Atra ny fahotantsika ka tsy hamerina an'iny intsony kosa na mety misy ota tonga indray aza ao amin'ny fiainantsika satria ilay Adama ela mbola matanjaka satria mahery izy noho isika mbola nofo sy ra ary mbola mivelona eto amin'ity tany dia anjarantsika no miverina mibebaka indray e fa tsy mbola tara reha mbola mahatsiaro tena sy mbola velona isika.

Izaho aloha ny anantena hoe mbola hisy chance ho ahy rehefa maty aho ka ny fianakaviako no asiako mivavaka ho ahy na ireo olona maty ka nantsangana ho olo-masina dia kivy tanteraka aho raha izay ilay famonjena sy hoe fiainana faharoa e.Asa anefa fa mila mianatra sy mamaky ny tenin'Atra aho mba tsy ho solafaka ka hinohino foana ny teny tsy nomena ahy.
Ny fanontaniana sy ny valiny zavatra rehetra amin'ny fiainana dia ao anatin'ny baiboly avokoa ka anjarantsika no manao devoir mamaky sy mandalina izany fa tsy mpihaino sy mpamaky fotsiny ihany .
Tena ho tsakotsakoana:
Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao!
Mino inona ? fa maninona no mino ary maninona no asiana mino? iza no hinoana?
ho vonjena hianao? vonjena amin'ny inona?

..raha andeha aho hoy ny tompo dia andeha anamboatra fitoarana ho anareo ka izay misy ahy no hisy anareo ihany koa.Iza ireo nareo ireo?
..ary raha andeha aho dia angataka ny raiko anome anareo ny fanahy masina: izy no mpananaratra anareo: izy no hiaraka aminareo mandrakizay.
misy fiainana mandrakizay izany an! ary misy fanahy masina miaraka amintsika izany an! Izy io no ampianatra antsika ny tenin'Atra rehetra ary izy io no mibitsika ato anatintsika mba andeha amin'ny fahamarinana sy hibebaka ary anao ny marina mandrakariva isika.Izy no hifona amintsika ary izy ihany koa no hanitsy antsika ka anome hery antsika mba hibebaka sy hiaiky ny fahotantsika ary angataka famelankeloka amin'ilay Ray nahary antsika hmm!
19. niryna ( 05/07/2011 01:39)

rekinbelo:

Raha maty ny olona iray dia afaka @ helony izy
ngaha ? dia inona intsony izany ny hibebahana raha izany ? toa tsy mila famonjena intsony koa izany raha araka io resakao io an ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0522