Atsangana ny efa rava ela

1. Maranatha ( 27/06/2011 12:14)
Teny nalaina ao amin'ny Isaia 58:12 manao hoe " Ary ny taranakao no hanagana ny efa rava ela, ary ny nahorina hatramin'ny fahagola no hamboarinao; ary ianao atao hoe mpanamboatra ny rava mpamelon-dalàna honenana amin'ny tany"

Teny izay hiainan-tsika ho fotom-pinoana amin'izao vanin'andro farany izao.

Amin'ny hoe nahorina h@ fahagola azy dia tsy maintsy miainga ao @ izay voasoratra ao amin'ny Gen toko 1,2 isika dia mijery izay rehetra efa noravan'ny olona dia mamerina izany indray amin'ny toerany izay nametrahan' Atra azy.

Eny ary tsara ho fantatra aloha hoe inona avokoa ireo lalàna napetrak'A\tra tamin'ny voalohany rehefa namorona izao tontolo izao Izy :

1-Mikasika ny Andro iray : ny andro iray raha mamaky ny Gen 1:5 isika dia manao hoe" Ary A\tra nanao ny mazava hoe andro ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina , andro voalohany izay" :Raha io teny io fotsiny no velarina dia ny hariva izany no anombohan'ny andro (hariva maty masoandro) miafara hariva alohan'ny hahafatesan'ny masoandro, Lev 23:32 "...rehefa hariva ka hatramin'ny hampitso hariva no..."fa tsy amin'ny 12 alina (na misasaka alina). Tsy maintsy hahintsy izany aloha izay raha hanangana ny efa rava ela.

2- Mikasika hoe firy ny mpamorona: hoy ny Gen 1:26 Ary A\tra nanao hoe : Andeha ISIKA hanao olona tahaka ny endri-tsika, araka ny tarehin-tsika;...." ilay Isika lazaina izany eto aloha dia milaza roa na telo na maromaro fa raha ny Matio 3 :15-16 dia milaza fa i Jesosy zanak'A\tra atao Batisa , ny Fanahin'A\tra nihidina nankeo amboniny, Ary A\tra any an-danitra nilaza hoe Ity ny zanako malalako izay sitrako. dia midika fa telo no Atra :Atra Ray, Jesosy zanany ,ary ny Fanahy masina. Trinité.

3- Mikasika ny sakafo: Gen 1:29 "Ary Atra nanao hoe: Indro efa nomeko anareo ny anana manitsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manitsam-boa dia ho fihinana ho anareo ireny " raha hanangana ny efa rava ela aloha izany dia ireo no fihinana (miala @ ny nofom-biby rehetra na ny madio na ny maloto, tsy mihinana izay tsy hankasitrahan'Atra Toaka, paraky ,sigara, ireo manaitaitra rehetra sns....)

4-Ny andro fitsaharana : hoy Atra Gen 2:2-3 "Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Atra ny asa efa nataony ary dia nitsahatra t@ andro fahafito izy t@ asany rehetra izay efa nataony, Ary Atra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy ......" Raha izay dia ny andro fahafito izany no hitsaharana (fantatsika fa t@ andro voalohany t@ herinandro i Jesosy no nitsangana i ny andro alahady izany, noho izany ny andro fahafito izany dia ny Sabotsy sa tsy izany?)

5- Ny atao hoe olom-belona sy ny atao hoe olona maty Gen 2:7 " Ary vovon-tany no nanamboaran'Atra ny olona , ary nofofoiny fofonaina mahavelona ny vavorony dia tonga olom-belona izy"
Olombelona = Vovontany +fofonaina
Olona maty = olomelona -fofonaina = vovontany
Vovontany tsy mahafantatra na inona na inona, hoy ny Mpitoriteny 9:5-6 "Fa fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona....." hatreto aloha izany rehefa maty dia maty mandram-panangan'Atra azy indray, Raha misy tranga any hoe olona efa maty nefa miseho tamiko na ny toy izany dia iny ilay atao ho devoly hoy ny soratra masina II KOR 11:14"Ary tsy mahagaga izany fa satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava" mahay manova ny endriny tahaka ny anjelin'ny mazava izany izy maika fa isika olom-belona izay efa hitany sy nianarany ny feon-tsika. Ka aza mety ho fitahina raha te hanangana ny efa rava ela fa ny matoatoa sy ireny miseho amin-tsika ireny dia tsy iza fa satana.

6- Ny asa: Gen 2:15 "Ary Atra nitondra andralehilahy ka namponina azy tao @ saha hiasa sy hitandrina azy" Tsy maintsy miasa ny olona, II Tes 3:10 "...: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy" mazava be Aoka izay tsy miasa tsy hihinana

7-Ny ampahafolony :Gen 2:16-17 " Ny hazo rehetra eo @ saha azonao ihinana ihany fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinana @ andro izay hihinanao azy dia ho faty tokoa ianao" Tandindona ny amin'ny ampahafolony io,izay hamafisin'ny Malakia 3:8-11 " handroba an'Atra va ny olona no mandroba Ahy hianareo ? nefa hoy hianareo amin'inona no handrobanay anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra....." izay miteraka ozona ny fihinana azy.

8-Ny fanambadiana: Gen 2:18-24 izay tsy maintsy tokana ihany Lehilahy iray manambady vehivavy iray( tsy maahazo mampirafy), tsy azo atao ny manambady biby, tsy azo atao ny vehivavy manambady vehivavy, tsy azo atao ny lehilahy manambady lehilahy, Rehefa manambady dia mandao ny Ray aman-dreny dia mikambana @ vadiny (manana ny maha izy azy na ny hevitra na ny safidy sns...).

Mila mampiatra ireo izany raha te hanangana ny efa rava ela miampy ny Apok 14:12 "Mitandrina ny Didin'Atra (Eksodosy 20:3-17) sy ny finoana an'I Jesosy (Rom 3:26 )". Izay vao atao hoe mpanangana ny efa rava ela sy mpamelon-dalana honenana @ tany.

Mahereza Daholo manangana ny efa rava ela
novalian'i niryna ny 06/07/2011 05:11
2. Miharena ( 27/06/2011 16:00)
Ahoana àry no hahatongavan'ny fanekena ireo teboka valo notanisainao ireo Maranatha?

Iza no tena manan-danja amin'ireo?
3. bor2lais ( 28/06/2011 08:41)
maranatha:

Mahereza Daholo manangana ny efa rava ela

Ataoko fa mbola tsy ampy be dia be ange ireo tanisainao ireo ry Maranatha raha izany a !
Dia mazotoa manangana ary ianareo e !

Tandremo fotsiny sao variana manalavi-dàlana miverina mankany Edena nefa ny olona efa roso mankany Jerosalema vaovao daholo ! :-)
4. Maranatha ( 28/06/2011 11:34)

Miharena:

Ahoana àry no hahatongavan'ny fanekena ireo teboka valo notanisainao ireo Maranatha?

Iza no tena manan-danja amin'ireo?


Tsy fanekena ireo fa "asa" ho tanterahan'ny tsirairay (finoana arahan'asa) izay tokony hatao amin'izao fotoana izao . Raha mahatsikaritra isika dia ny ankamaroan'ireo rafitra napetrak'Atra ireo dia efa tsisy manantanteraka intsony fa efa novain'ny olona tanteraka.

Mitovy avokoa ireo fa tsisy hoe iza no tena manan-danja hoy ny Matio 23:23 "...ireto tokony hataonareo ary tsy tokony ho navelanareo ireroana"

Mahereza!

Bor2lais:

Ataoko fa mbola tsy ampy be dia be ange ireo tanisainao ireo ry Maranatha raha izany a !
Dia mazotoa manangana ary ianareo e !

Tandremo fotsiny sao variana manalavi-dàlana miverina mankany Edena nefa ny olona efa roso mankany Jerosalema vaovao daholo !


Fiomanana ho amin'ny fidirana ao jerosalema vaovao ireo ry Bor2lais a! t@ andron'ny fahatanterahana ireo mbola tsy nisy ny fahotana no nampiharina, rehefa tonga ny tanteraka @ tany vaovao dia miverina hiainana indray ireo.
5. bor2lais ( 28/06/2011 12:11)
maranatha:

Fiomanana ho amin'ny fidirana ao jerosalema vaovao ireo ry Bor2lais a!

Hay ve ! Ary aza dia mitondra "forongo" be loatra ary fa sao dia mavesatra e !
maranatha:

t@ andron'ny fahatanterahana ireo mbola tsy nisy ny fahotana no nampiharina, rehefa tonga ny tanteraka @ tany vaovao dia miverina hiainana indray ireo.

Sûr an'izany kosa ve ianao ? Fa angaha moa ry Maranatha dia ho tahaka ny tany Edena ny any Jerosalema vaovao : izay ange ilay lazaiko hoe sao laozana manalavi-dàlana miverina any Edena ary nefa ny làlana ery aloha fa tsy any afara ! :-)
6. rekinbelo ( 28/06/2011 12:29)
lasa lavitra lotra enao maranatha, so dia very any enao.Jerosalema vaovao aza anie efa niforona efa ela e. ny ahafantaranao ny lalana
7. rekinbelo ( 28/06/2011 12:37)
Miverina mihitsy aloha ny tany vaovao fa tadidio aloha Manaratha fa i Jerosalema vaovao anie no itondra io tany vaovao io e. Ary ilaina ny fahalalana rehetra mba ahazoantsika manana passeport idirana ao @ izy io. Fa ireo zavatra tanisanao eo ambony ireo kosa anefa tsy critere idirana ao tany vaovao.
8. Maranatha ( 29/06/2011 08:42)

bor2lais:

Hay ve ! Ary aza dia mitondra "forongo" be loatra ary fa sao dia mavesatra e !

Bor2lais hadinonao kosa angamba ny voasoratra ao @ Apok 14:13 "...fa ny asany manaraka azy" Ohatra raisina fotsiny ny mikasika ny sakafo tsisy mihinana biby intsony anie any e!
bor2lais:

Sûr an'izany kosa ve ianao ? Fa angaha moa ry Maranatha dia ho tahaka ny tany Edena ny any Jerosalema vaovao : izay ange ilay lazaiko hoe sao laozana manalavi-dàlana miverina any Edena ary nefa ny làlana ery aloha fa tsy any afara ! :-)

Ny Jerosalema vaovao anie ry Bor2lais renivohitry ny fanjakan'Atra e!jerosalema no ahitana ilay hoe lalam-beny dia ny volamena ireo ao amin'ny Apok toko 22 ireo e! fa ianao mety tsy ho ao Jerosalema no apetraka , fa hoy izy hoe ny marina no handova ny tany, asa mety ho eto Mcar ihany ianao no apetraka raha isan'ireo handova ny tany.

Izay Bor2lais eny aminy fitsenana an'i Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra mihaona.

9. bor2lais ( 29/06/2011 08:55)
maranatha:

Ohatra raisina fotsiny ny mikasika ny sakafo tsisy mihinana biby intsony anie any e!

Hajaina ny hevitrao ry Maranatha o !
P.S Ary ahoana ny momba ny akanjo ry Maranatha ? :-)
10. rekinbelo ( 29/06/2011 14:35)
Jerosalema vaovao mihitsy no fanjakan'Atra ka.io no anapaka itondra ny tany, fa le hoe ihinana biby sa tsia mbl tsy fantatsika izany aloha atreto hoe eny sa tsia fa any isika maita izy e sa ahoana?alohany idirana ao anefa de tsaraina isika rehetra aminy zvt vitantsika teto antany.
Asa tokoa moa izao ry bor2lais ny akanjo fa mety iverina otrany i Adama sy Eva ve tsika @ zay sa aoana?
11. Maranatha ( 30/06/2011 05:21)

rekinbelo:

Asa tokoa moa izao ry bor2lais ny akanjo fa mety iverina otrany i Adama sy Eva ve tsika @ zay sa aoana?

Bor2lais:

Hajaina ny hevitrao ry Maranatha o !
P.S Ary ahoana ny momba ny akanjo ry Maranatha ?

Mazava be! Mitafy ny fahamarinan'i Kristy, ilay akanjo fotsy lava (Mitafy ny voninahitr'Atra).
Aza adino fa nitafy ny voninahitr'Atra i Adama sy Eva talohan'ny nahalavo azy. rahefa nanota izy ireo dia niala taminy ny voninahitr'Atra dia nahiratra ny masony dia nahatsapa fa nitanjaka izy.
12. rijadolly ( 01/07/2011 16:02)
:-)
13. niryna ( 05/07/2011 02:14)
Maranatha:



Aza adino fa nitafy ny voninahitr'Atra i Adama sy Eva talohan'ny nahalavo azy. rahefa nanota izy ireo dia niala taminy ny voninahitr'Atra dia nahiratra ny masony dia nahatsapa fa nitanjaka izy.
taiza indray re izany akanjo lavabe nanaovan'i Adama sy Eva izany e!
[b] Genesisy 3
1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?

2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;

3 fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.

4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;

5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.

6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.

7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.


8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.

9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao?

10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
14. Maranatha ( 05/07/2011 05:43)

niryna:

taiza indray re izany akanjo lavabe nanaovan'i Adama sy Eva izany e!


Mazava be! ohatry ny tsy naharaka fivoriana kely indray ianao (fa mbola taiza?..) Miresaka ny fahatanterahana izahay izay tsy maintsy miverina toy ny t@ mbola tsy nanota, tafiditra tao anatin'izany ny hoe tsy tokony hihinana biby intsony, dia nanontany ny namana sasany hoe : dia inona no ankanjo hanaovana rehefa any @ Jerosalema vaovao hanao toa an'iAdama sy eva ve? dia teo no nivoahan'io fanazavana io hoe akanjo lava fotsy no hanaovana any izay tsy inona fa ilay fahamarinan'i Kristy izay voninahitr'Atra. Adama sy eva fony izy mbola tsy nanota dia nitafy ny voninahitr'Atra fa vao nanota izy dia niala taminy io voninahitr'Atra io, dia nahatsapa fa nitanjaka. Dia toy izay ilay izy . Dia mino aho fa mazava aminao. Dia mahereza indray ianao!
15. niryna ( 06/07/2011 05:11)
Hay ve? noheveriko fa hoe nanao akanjo fotsy lavabe Adama sy Eva ha,ha .Misaotra anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5407