didim-poitra mila omanina ara-tsaina ve ny ankizilahy hatao ?

1. vonynive ( 20/06/2011 08:52)
Miarahaba antsika rehetra
ahoana ny hevitsika mila omanina ara-tsaina ve ny zazalahy hatao didim-poitra
novalian'i vonynive ny 22/06/2011 08:03
2. Ratoa ( 21/06/2011 19:44)
eny, ilaina lazaina amin'ny zaza izay atao azy. Tsy milaza izany fa ho lazaina azy daholo ny antsipirihiny. Ny ambangovangony ihany no azavaina azy ny antony anaovana izany koa lazaina aminy(fahadiovana sy fahasalamana). Raha mbola kely izy dia tsy ho azony daholo; Atao anesthésie ve izy? Azavao aminy fa raha tsy alaza azy, mahatsiaro ho voafitaka izy dia ho tezitra aminareo ray sy reny izay andry roa lehibe iankinany.
Ny zandriko iray tsy nanazavana inoninona dia tonga izy dia nanompa ilay dokotera (ompanjaza c'était plutôt mignon que grossier). Dia hoy izy tamiko nony maraina "I Dada amin'zay mijery fotsiny dia i dadatoa sy dadafara mamihina ahy mafy tsy hietsiketsika.
Nony tonga ny zandriny ka tojo io indray dia nazavaina azy tsara ny fandehany rehetra hoe asiana anesthésie dia tsy mamary fa rehefa afaka ny anesthésie dia harary dia mihinana fanafody tsy mamparary. Tsy nisy probl mihitsy ary nilalao tsara izy dia nikonetaka ihany ndraindray rehefa lany y herin'nfanafody.
3. vonynive ( 22/06/2011 08:03)
misaotra anao ratoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1513