haody re ry malagasy

1. itaramasoandro ( 16/06/2011 16:33)
zary kianja malalaka filalaovan’ireo mpanao politika sisa ity tanindrazana ! sarambabe no miditra an-tsehatra samy te-andihy ny kianjabe hitondra ny baolina saingy mivotsitra avokoa izay hatomboka : mamba noana ny mpilalao.

na ny eto an-toerana na ny any ivelany, na ny mpanao politika malagasy na ny vahiny dia samy manitsaka daholo - tsy misy tohana na henatra - ny zon’ny vahoaka hijinja izay novokariny, handrato fahaizana manokatra ny sainy @ hevitra mahataka-davitra ary hiaina @ mpilaminana sy @-pahafahana.

hataon’ny ireo mpanao politika ho ahitra maina sy tanety hitsakitsahana ny tany novolen’ny tantsaha.
ampiasain’ny mpanao politika toa tohatra fikarana ny vary raiventy eo ampelatanan’ny vahoaka fa na tombony iray kapoaka aza tsy miverina anaty lovian’ny tsirairay, na fanafody ara-dalàna aza tsy mitsabo ireo izay namafy sy niondrika nikolokolo ireo voly sarobidy nahondrana.

ary satria lalina tsy misy fiafaràna ny paosipataloha sy ny lava-bari-amam-bolan’ireo mpanao politika ireo dia mivadika ho fiomehezana mandritra ny tafa sy dinik’izy ireo sisa ny fomba isan-karazany natsipiny etsy sy eroa hanodikodinana hatrany ny volan’ny vahoaka tsy hanantanterahana ny fifidianana ilain’ny firenena.

izay miteny fifidiana mantsy dia midiaka hoe sehatra voafefy ny làlana, fehezin’ny rafitra isan-tsokajiny saingy mivelatra @ fanaraha-maso sy ny mangarahara.
ary io no hatahoran’izy ireo ka aleony milalao tsisy fiafaràna alavitry ny fandraisana andraikitra …

haody re ry tantsaha, haody ry vondrona isan-tsokajin’asa, ry mpanao lalàna, ry fianakaviana, ry tanora manerana ny nosy, ry malagasy havana sy tapaka : hatrany @ taolam-balon’ny razambenao va re ny fetra hamelanao ny sokajin’ny mpanao politika hikiky sy hitsetsitra anao ?

itaramasoandro 8-)
novalian'i vonynive ny 14/07/2011 07:31
2. vonynive ( 22/06/2011 10:22)
miarahaba anao itaramasoandro
ka inona reo soso-kevitra hialantsika @ izany fitsetsefana izany fa iaraha-mahalala fa raha reo mpanao politika aloha no andrasana dia tsy azo antenaina e
3. bazylou ( 25/06/2011 18:05)
mila manao action fa tsy be vava sy mimenomenona tsony ry zareo a
4. vonynive ( 30/06/2011 08:44)

bazylou:

mila manao action fa tsy be vava sy mimenomenona tsony ry zareo a

5. vonynive ( 06/07/2011 09:32)

vonynive:

bazylou:

mila manao action fa tsy be vava sy mimenomenona tsony ry zareo a

fa inona aloha ry bazuylou azafady lay atao he "be vava "? ary inona koa lay atao hoe "action" ? raha tsy mahadiso ..
6. itaramasoandro ( 07/07/2011 00:13)
inona no tanjon'ny tsirairay?

ny fahasalaman'ny saina sy ny fanahy mahay mandanjalanja ny sakafo mitondra otrikaina tsy harofy, ka hamelatra ny saina ho @ fanabeazana hitondra @ fahafahana sy ny firaisan-kina mitaham-pihavanana sy fandriampahalemana ?

sa ny fikatsahana tsy misy farany - ary zary fanompoana - ny vola aman-karena ka anadinoana fa ny tany sy ny tontolo hiainana ankehitriny dia tokana iray tsy misy solony?

itaramasoandro 8-)
7. vonynive ( 07/07/2011 09:33)
miarahaba anao itaramasoandro
ny fahatsapana ny tsy rariny aloha dia efa zavadehibe iray fa misy ange dia tsy mahatsapa izany akory e
ny tsy fanekena koa dia goavana miampy ny fandraisana fanapahan-kevitra
ny fanentanana ny vahoaka ho @ ireo dingana ireo sy ny fanentanana ireo mpitsentsitra tsy hanao izany fitsetsefana izany koa dia tokony atao.
io sensibilisation ho an'ny rehetra io dia tsy ho mora kanefa ny fifampitantanantsika no hery iray hahatanteraka izany.
8. itaramasoandro ( 07/07/2011 15:39)
ho anao ary ry vonynive, tsetsatsesa tsy aritra ny ahy:

rehefa mifoha maraina iny ianao ka mandray ny hazavan'ny masoandro mitsiky aminao izay misintona anao hijery ny fitaratrao,

inona marina ny havalianao @ feon'ny fieritreretanao manontany hoe "inona avy ny asa hataoko anio mba hiverenako ampitso manoloana ahy, ny mpiara-belona amiko sy ny tontoloko tsy misy henatra fa ampanatrehan-tena sambatra aram-po sy fanahy?"

itaramasoandro 8-)

9. vonynive ( 08/07/2011 05:31)

itaramasoandro:

ny valiny angamba ... mitovy amin'ny anao ihany ...(?)
... Misaotra anao fa Hery lehibe ny mahita ny Malagasy toa anao mihevitra ny mpiray tanindrazana amintsika.
"Taramasoandro "ho an'ny taninao ianao
Ary "Vony nivelatra" ho an'ny fireneko aho.
dia ho vony tarafin'ny taramasoandro ity Madagasikarantsika ity !
10. itaramasoandro ( 11/07/2011 01:06)
ianao kosa ry vonynive be hatsikana fa noheveriko ho lohahevitra mety ampieritreritra ilay noentiko...
mba valio @ teny tsy miangatra ho'a':

inona no tanjon'ny tsirairay rehefa mifoha mba hiverenany ampitso indray tsy noenjehin'ny eritreriny?
na raha ny alina no mitondra filaminan-tsaina: mendrika ny ho tanfandry mandry tsy enjehin'ny eritreritra va re ny tsirairay satria nanantontosa ny mifanandrify @ rariny ?

itaramasoandro 8-)
11. itaramasoandro ( 13/07/2011 16:19)
fiainana mirindra sy milamina sa tolona @ vola @-karena?
12. vonynive ( 14/07/2011 07:29)

itaramasoandro:

fiainana mirindra sy milamina sa tolona @ vola @-karena?

raha tolona @ vola aman-karena noho ny fahantrana moa maninona fa raha tolona @ vola aman-karena satria tsy mety voky kosa... ka manao tsinontsinona ny fahamarinana mba hanana fiainana mirindra sy milamina miadam-be!
13. vonynive ( 14/07/2011 07:31)

itaramasoandro:

ianao kosa ry vonynive be hatsikana fa noheveriko ho lohahevitra mety ampieritreritra ilay noentiko...
mba valio @ teny tsy miangatra ho'a':

inona no tanjon'ny tsirairay rehefa mifoha mba hiverenany ampitso indray tsy noenjehin'ny eritreriny?
na raha ny alina no mitondra filaminan-tsaina: mendrika ny ho tanfandry mandry tsy enjehin'ny eritreritra va re ny tsirairay satria nanantontosa ny mifanandrify @ rariny ?

itaramasoandro 8-)

samy manana ny tanjony io ry itaramasoandro a, raha ny ahy ny tanjoko dia ny ho "vony" ka hizara hanitra ho an'ireo manodidina ahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7809