ANY IVELANY

21. rijadolly ( 16/06/2011 03:35)

Dia mitovy amin'izay ny filazana ny momba ny devoly, tsy mihetsika ny devoly raha tsy heverina ho marina tanteraka ny fahefany.

Io izao ilay nolazaiko amin' loha hevitra hafa hoe nalaina tany amin' boky hafa dia entina hanoherana izay voalazan'Kristy Jesoa. Ny tena loza mantsy Miharena dia izao, hidona amin' rindrina na tsy ho havotra intsony, izay vao manamarina ny mpitazana fa lasa n'devoly ilay olona. satria tsy nahatsapa fa devoly no mitarika ny tenany ilay voa. Izany hoe mila mailo hatrany fa miherona tahaka liona ny devoly mitady izay harapany.
22. Miharena ( 16/06/2011 05:20)
Tsy dia misy idiran'ny resaka mifanohitra amin'ny resak'i Kristy ny fahitako io fehezan-teny io Rijadolly.

Mila fantarina ny fototra nahatonga ny olona hino ny devoly dia izay ihany. Ary i Krsity nianatra ny fomba fisainan'ny olombelona aloha vao niteny ireo teny voambaraNY amin'ny olona ireo hanafahana azy ary indrindra hampianatra azy ny fitondran-tena maha-zanaky ny RAY.

Rehefa mahalala io dia na tsy mailo aza ianao fa mijoro amin'ny fahazavan'Andriamanitra ao anatinao ary mizara fitiavana sy manala ny fahatahorana izay devoly noforonin'ny taranaka maro nifandimby dia efa afaka tsy ho eo aminao intsony ny devoly. Rehefa tanterakao ilay teny hoe valio soa ny ratsy dia handositra anao io fahadisoana io, na ao anatinao izany na amin'ny manodidina anao. Aza omena fahefana ilay liona miherona noforonin'ny olon-drehetra tao anaty fahadisoam-piheverana.

Izay no mba hitazonako ny rambony eto foana mba hahitsy mandrakariva ny fijerin'ny olona fa tsy hiparitaka amin'ny famahana olana any amin'ny tsy tokony hamahana azy.
23. rijadolly ( 21/06/2011 15:07)
Misy ny fanoherana ny hevitry Jesoa Kristy ao Miarena ary ny tena manohina ahy dia ny, fanamelohana AZY ho Mpandainga, saika tsy ho tanisaiko ireto nefa dia alefako noho ny Fitiavana an' se mba tsy hanohitra izay voalazaNY, Araka ny hevitry se mantsy dia hoe tsy misy izany devoly izany, fa novolena ho hisy fotsiny ao antsaintsika olombelona, izay manamarina ihany koa fa nambolen'Jsoa Kristy tao antsainy ireto voalazany ireto.

Amin' se ny fikarohan'se no diso sa ireto nolazain'Zanak'Andriamanitra ireto?

1) MARKA 9 : 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy.20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.24 Ary niaraka tamin'izay dia niantsony rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako.25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.


2) MATIO 13 : 24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?29 Fa hoy izy: tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.

3) MATIO 25 : 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

4) JAONA 6 : 70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?

5) JAONA 8 : 42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo.44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

6) LIOKA 7 : 21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.

7) MATIO 5: 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.

8) MATIO 18 : 9 Ary raha ny masonao no manafintohinana anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.

9) MATIO 23 : 15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.

10) MATIO 10 : 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.

....
24. Miharena ( 23/06/2011 18:35)
Averina ihany eto hoe ny helo dia tsy misy fa fahadisoam-piheverana no mampiteraka izany ary efa nolovain'ny taranaka fara mandimby izany talohan'ny nahatongavan'i Kristy ho nofo teto an-tany.

Ka raha voambara ao anaty Baiboly amin'ny fanoharrana izany dia mazava fa ho fananarana no nitanisana azy marobe ao.

Ny ara-nofo sy ny hevi-diso no mety may na foana fa tsy ny fanahy endrik'Andriamanitra velively.

Tsy resy lahatra moa ny namana fa raha izaho no anontaniana dia manavaka tsara ny nofo sy ny fanahy aho alohan'ny hanekeko hoe mitombina sa tsy mitombina izay fomba fanehoan'-kevitra izay nadika tao anaty Baiboly.
25. rijadolly ( 23/06/2011 19:01)

Averina ihany eto hoe ny helo dia tsy misy fa fahadisoam-piheverana no mampiteraka izany ary efa nolovain'ny taranaka fara mandimby izany talohan'ny nahatongavan'i Kristy ho nofo teto an-tany.

Io ilay manameloka an' Jesoa Kristy no sady notsindrin' se fa nandova ny fiheveran' zanak'olombelona indray IZY.
Avereno vakiana Miharena ireo tenin' Jesoa Kristy nitanisaiko ireo, lAINGA SA TENA MARINA IREO?
26. rijadolly ( 23/06/2011 19:05)

Tsy resy lahatra moa ny namana fa raha izaho no anontaniana dia manavaka tsara ny nofo sy ny fanahy aho alohan'ny hanekeko hoe mitombina sa tsy mitombina izay fomba fanehoan'-kevitra izay nadika tao anaty Baiboly.

Tsy nisy mihitsy kosa Miharena na iray aza ny Namana teto ka niteny hoe :Mitovy ny fanahy sy ny nofo, Mbola misy manampy aza hoe hafa koa ny Fanahy Masina, dia mbola hafa koa ilay Fofonaina.
27. Miharena ( 24/06/2011 02:31)
Rijadolly:

Io ilay manameloka an' Jesoa Kristy no sady notsindrin' se fa nandova ny fiheveran' zanak'olombelona indray IZY.
Avereno vakiana Miharena ireo tenin' Jesoa Kristy nitanisaiko ireo, lAINGA SA TENA MARINA IREO?


Tsy lainga izay voatanisa fa ny famaritana azy no tsy itovizantsika. Izay marika efa neken'ny olona ho marina no notsiahivin'i Kristy, ary ampahafantariNY tsara ny fomba fialàna amin'izany. Ao ivohoko ianao Satana hoy IZY. Izany hoe toy izany koa no tokony hataontsika: ariana izay fiheveran-diso dia manatrika ny MAZAVA ka mandeha amin'ny Fiadanam-po. Tsy ho entina intsony izay marika nolovana tamin'i Losifera ka noraisintsika ho fahamarinana tanteraka rehefa samy namorona izay maha-mpanota antsika avy isika.

Izay ilay fibebahana. Dingana manary izay diso sy mamatotra rehetra ka mitody amin'ny fandraisana ny tena lovan'ny tena. Tantaran'ny zanaka adala no azo tsiahivina amin'izany, ka ilay fiadanana ao amin'ny RAY dia efa ao am-po ka entina mandrakariva.
28. rijadolly ( 24/06/2011 03:55)

Izay marika efa neken'ny olona ho marina no notsiahivin'i Kristy

Izany hoe Mpampantsiahy izay voalazan'olona ve IZY? sa Mpitondra Iraka avy any Ambony?

ary ampahafantariNY tsara ny fomba fialàna amin'izany. Ao ivohoko ianao Satana hoy IZY

Izay ilay anisany teknika iray nohentiny ho antsika hanoherana io satana io. Izany hoe misy io matoa nomeNY hanoherana an' io isika. Ary tsy azoNY atao ve ny mitsotra na miteny fanoharana milaza ny tsy fisian' satana? Nahoana no mampitandrina tsy ho hazony indray izy ary miady an' io mihitsy?
29. Miharena ( 24/06/2011 05:10)
Raha miezaka manatratra izay firesak'i Kristy aty aorian'ny nitsanganaNY tamin'ny maty ianao dia hahazo ny valin'io fanontanianao io soa aman-tsara. Izay no notadiaviko fa tsy nandavaka mandrakariva tao anaty Baiboly hatrany akory. Ary ny fampianarana rehetra taorian'ny niakaran'i Kristy dia hita taratra ao amin'ny Apostoly sy ireo olona marobe tsy hita isa izay nisehoaNY. Mandrak'ankehitriny izany fa tsy hoe tamin'izany ihany.

Velona IZY ary miasa tsy manam-pitsaharana manazava ary izaho moa dia mizara ihany satria nahazo lesona tsara avy AMINY araka ilay teny hoe : fantaro ny zava-drehetra ary tano mafy izay TSARA.
30. rijadolly ( 24/06/2011 14:43)

Velona IZY ary miasa tsy manam-pitsaharana manazava ary izaho moa dia mizara ihany satria nahazo lesona tsara avy AMINY araka ilay teny hoe : fantaro ny zava-drehetra ary tano mafy izay TSARA.

Boky taiza no nahazoanao ireo fampianarana lazainao fa tsara ireo? Narianao izany ve ny Baiboly dia nosoloinao fahalalana taty aoriana?
31. Miharena ( 24/06/2011 15:05)
Raha mandinika anie isika raha mizara eto aho Rijadolly dia tsy manary Baiboly mihitsy fa manazava izay tokony ho hitsiny araka ny fahendrena voambara ao. Tsy manary izany fa mandalina avoavo kokoa ka afaka mandray tsara izay vontoatin'ny voambara ao.
Ary ny boky fandalinana dia efa betsaka no mamokatra izany. Ao ireo mijoro vavolombelona nanatri-maso ary nizara ny tena FIAINANA ary isika Malagasy dia tsy diso anjara tamin'izany noho ireo fifohazan-dehibe efa nisy nanomboka tamin'ny taona 1800 nidiran'ny TENY FIAINANA teto.
Ny fahalalàna no tokony hisolo ny finoana satria nomena izany fahefana izany isika ary io dia tsy anavahana fotoana na tany aloha na taty aoriana fa IRAY no marina dia ny FIAINANA MANDRAKIZAY raha fanahy no heverina. SAtria ny MANDRAKIZAY tsy misy fiandohana ary tsy misy fiafarana. Ny nofo no manam-piterahana sy fahalevonana fa ny FANAHY=AIN'Andriamanitra dia mandrakizay tsy vao haingana fa hatramin'ny maha-IZY AZY tsy manam-pahataperana.

Hoy ny Ntaolo izay hoe; aza ny tenako no ariana fa ny teniko. Ny hevitra sy ny eritreritra no mety diso, toy ny hoe maty ny fanahy. Fa ny fanahy izay tsy mety maty tsy ho voakasik'izany eritreritra diso izany velively.
Io no fanjakan'ANdriamanitra ilazaNY hoe : Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra (Fanahin'Andriamanitra) sy ny fahamarinaNY dia hanampy anao ny zava-drehetra.
32. rijadolly ( 24/06/2011 15:17)

Raha mandinika anie isika raha mizara eto aho Rijadolly dia tsy manary Baiboly mihitsy fa manazava izay tokony ho hitsiny araka ny fahendrena voambara ao. Tsy manary izany fa mandalina avoavo kokoa ka afaka mandray tsara izay vontoatin'ny voambara ao.


LIOKA 12 : 5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora AZY

Ahoana ary izany ny fahazoanao an'io? fafana ao anaty Baiboly ve satria mandiso ny fandalinanao? sa aholana mba hanaraka ilay fikaroan'se? sa noforonin' Mpanoratra io ?
Raha tsy izany, aiza ny lesona azo izay natorin'ilay Kristy ho antsika amin'io? satria IZY no nilaza an'io fa tsy fiheveran'zanak'olombelona izany a!
33. Miharena ( 24/06/2011 15:37)
Teny mampitahotra tokoa io teny io ho an'ny tsy mahalala Rijadolly. Fa mba hazavao an-tsakany sy an-davany aloha araka ny fahamarinana azonao dia mba miezaka manazava ny ahy aho avy eo?

Ireto no fanontaniana tiana havoitra ao anatin'izany fanazavana izany:

1) Mpanary any amn'ny Helo ve Andriamanitra sa mpizara AINA?
2) Iza no namorona ny helo? Iza no manana anjara asa hanao izany? Teny fikasan'ANdriamanitra ve izany? Hamarino ara-Baiboly
3) Inona no tanjon'i Kristy raha nanambara io teny io IZY? Inona no contexte nananaraNY ny olona tamin'io fotoana io? Inona no foto-pisainan'ny olona niresaka TAMINY? (Tsiahivina kely ireo niresaka TAMINY fa tsy misy afa-tsy Devoly sy Belzebota no notanisainy ka na ny fahefana ananan'i Kristy aza dia nataony hoe avy amin'ny Devoly no nahazoan'i Kristy azy).
4) Andriamanitra toy ny ahoana no noheverin"ny olona niresaka TAMINY?

34. rijadolly ( 24/06/2011 19:33)
valio aloha ny fanotaniako iray monja ary dia hazavaiko ireo fanontaniana rehetran'se ireo

Lainga sa marina io tenin'Jesoa Kristy io? izany hoe mino io tenin'io ve se?
35. Miharena ( 25/06/2011 04:31)
Ny fandraisana io teny io no tsy mitovy amintsika. Rijadolly mametraka fa soratra lehibe ilay hatahorana, izaho indray manao hoe ilay hafa mamono no tokony hatahorana. Atahory ny tsy finoana na koa hoe atahory izay manary anareo any amin'ny helo, any amin'ny haizina fa tsy avy amin'IZY miteny izany fanariana izany.

Ny helo dia misarika izay olona diso fiheverana amin'ny tena atao hoe AINA. Olona mihodinkodina mitady lalan-kivoahana fa voafatotry ny tsy fahalalàny na tsy fahampian'ny fahalalàny ny momba azy eo anatrehan'ny VOARY manontolo.

Izay no andosirana (hatahorana, hitandremana) ireo hevitra tsy mifandraika rehetra amin'ny FIKASANA FOTOTRA. Satria manamaizina ny MAZAVA efa ao aminao fony mbola notorontoronina tany an-kibo ianao.

Sedra no fisian'ireo rehetra ireo fa ny rehetra dia tonga am-pitodiana daholo. Izany no dikan'ny teny hoe : Izay voalohany dia ho farany ary ny farany no ho voalohany. Miditra miara-mizotra avokoa ny rehetra ary ny voalohany tsy hiady amin'ny farany hoe izahay no voalohany nahita io ary ny farany tsy hirehareha hoe, na dia tsy nahafantatra aza izahay taloha dia hitanareo fa tonga ihany! Ny voalohany ho faly satria marobe ireo farany nifoha noho ny asany efa ela naparitany, ny farany ho faly fa namantam-bonona. Dia samy ao amin'ny RAY toy ny zanaka adala sy ny efa teo hatrizay io.

Ka aza ny RAY no atahorana satria manana tanana mivelatra mandrakariva IZY mandray ny voariny manontolo.

Dia miandry ny valinteninao àry amin'ireo fanontaniako eo ambony.
36. rijadolly ( 25/06/2011 05:11)
Izany hoe tsy mino an'io izany se fa marina? sa Mino
37. Miharena ( 25/06/2011 05:55)
Marina ni TENINY raha toa ka nahay naka ny toeraNY ny olona mihaino AZY. Inona no notandremaNY sy tiaNY hotandreman'ny olona. Io no fanontaniana voalohany rehefa mamaky io TENY io.
Ny teny dia tsy inoana fa fakafakaina ho hita tsara ny fototra niaingany sy hahatongavany.
38. rijadolly ( 29/06/2011 03:06)
Izany hoe marina tapatapany ve io aminao?


Ny teny dia tsy inoana fa fakafakaina ho hita tsara ny fototra niaingany sy hahatongavany.

Satria ianao manam-pahaizana dia atao izay maha diso ny Teny marina izay tsy takatry ny sainao mba tsy hanambany ny fahaizanao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893