Andriamanitra sy ny resaka helo na afobe_ Inona no marina?
21. Miharena
(
23/06/2011 18:43)
Tsy mora ny maniky izay voambara aty aoriana rehefa nahitrikitrika mandrakariva tao an-tsain'ny olona namana ny famaritana diso ny atao hoe helo.
Dia mba tsy ho voafatotr'izany dia mila manaraka izay fomba fisainan'i Kristy isika.
Raha arahana tsara ity resaka manaraka ity izay voatanisa eo ambony dia hahita izay fahadisoam-piheverna ao anatin'ny olona isika.
Eto dia mila manana fomba fijery arak'i Kristy. Ireo sora-matavy no mandika izany toetra izany ary ny sora-voatsipika no tokony hananan'ny mpivavaka mba hitomboany fa tsy hitanisa izay helo izay ampahan-javatra diso amin'ny foto-pisainany ka manjary tsy mampahatanjaka ny finoany sy ny maha-zanak'Andriamanitra azy.

Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrĂ fo aminay, ka vonjeo izahay.23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.24 Ary niaraka tamin'izay dia niantsony rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako.
Eto dia mila manana fomba fijery arak'i Kristy. Ireo sora-matavy no mandika izany toetra izany ary ny sora-voatsipika no tokony hananan'ny mpivavaka mba hitomboany fa tsy hitanisa izay helo izay ampahan-javatra diso amin'ny foto-pisainany ka manjary tsy mampahatanjaka ny finoany sy ny maha-zanak'Andriamanitra azy.
22. rijadolly
(
23/06/2011 19:34)
Azon' se hazavaina ve ilay "MINO" eo amin'io Tanisa io, sao mantsy ny fandraisako aza no diso, Ny fandraisako azy eo mantsy izao dia hoe: Ilaina Finoana ny zavatra rehetra atao( FINOANA ARAHAN' ASA araka an'Andriamanitra) Izany anefa dia tsy misy hifandraisan'ilay fisian' helo sy ny fisian' devoly mihitsy.
23. Miharena
(
24/06/2011 02:20)
Ny MINO dia fiainana fahamarinana ao anaty mafy orina. Ho an'i Kristy dia fananana FITIAVANA tsy manam-petra satria notorontoronina tamin'ny Endrik'Andriamanitra ny voary rehetra.
Iza tokoa moa no noforonin'ny Ray raha tsy izay haiNY mamorna ihany? Ny EndriNY no haiNY mamorona dia Fitiavana sy Fiainana mandrakizay.
Fahatokisana izany sy fitanana izany hatramin'ny farany no maha-Kristy izay tian'ny Tompo ahatongavan'ny rahalahiny tsirairay avy fa tsy ho diso noho ny fisainana nandavo neken'ny besinimaro fa fahamarinana.
Raha toa tokoa anie namana ka noforonin'Andriamanitra ny helo, mbola afaka mametraka AZY ho Fitiavana mandrakizay ve isika?
Isika olombelona ihany no manimba ny famaritantsika voalohany momba AZY dia tsy ampy finoana intsony satria tampohana amin'ny zava-tsisy fotony ny FIAINANA be dia be nomena antsika. Io ilay Fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka.

24. rijadolly
(
24/06/2011 15:06)
Fahatokisana izany sy fitanana izany hatramin'ny farany no maha-Kristy izay tian'ny Tompo ahatongavan'ny rahalahiny tsirairay avy fa tsy ho diso noho ny fisainana nandavo neken'ny besinimaro fa fahamarinana.
Neken' be sy ny maro sa nambaran' Kristy? izay mbola misy manohitra ihany ary mamandrika ny tsy mahalala hiazohazo tsy hiala ny ratsy fanaony satria voatory fa samy ho voavonjy avokoa. Avy eo fandrihana amin' fahalala izay heverin'tena fa ho marina, izay mitarika any amin' fahaverezana mba tsy hanolotra sy handaha ny tenany ho diovina ho tsy misy petina eo anatrehan' Andriamanitra, mba ho hamarinina.
25. Miharena
(
24/06/2011 15:21)
Rijadolly:

Ny fahadisoam-pandray noraisina ho fahamarinana araka ny maha-nofo no ambara Rijadolly.
Ary araka ny fanambaranao moa dia marina tokoa fa manambara sy mitory aho hoe samy ho voavonjy avokoa ny olona rehetra satria endrik'Andriamanitra ary Kristy no manamafy izany tamin'ny namantsihaNY ny nofony teo ambony hazo fijaliana ka nitenenany hoe: Ray o! avelao ny henlony fa tsy fantany izay ataony. Araka ny Tenin'Andriamanitra hoe: na mena toy ny jaky aza ny fahotanao dia hodioviko ho fotsy toy ny oram-panala.
Rehefa ny MANDRAKIZAY no miteny izany dia itokisana Rijadolly ary tsy fafana amin'ny fiheverana fahafatesana ho an'ny olona mitovy amin'ny tena na tsy mitovy hevitra amin'ny tena aza izy.
Ka aiza no tsy marina amin'izany aminao? Ary inona no fahamarinana tianao ambara sy voizina satria efa foana ny zavatra taloha amiko ary indro tonga vaovao ireo?