hoy Jeso : Mahatsara anareo ny fialako...NAHOANA ?
1. vonynive
(
09/06/2011 06:36)
Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.
JAONA 16 7 - 7
Tenin'i Jeso io mialohan'ny hiakarany ho any an-danitra raha nampiomana ny fon'ny mpianatra Izy.
Nahoana moa no nilaza Izy fa mahatsara antsika ny fiàlany ?
-Satria raha mbola niriaria maharitra niaraka t@ mpianatra Izy dia ho lasa niankina mandrakariva taminy ireo mpianany ka tsy ho lasa mpiasa mpandray andraikitra.
-Satria raha nitoetra teo Jerosalema fotsiny Jeso no niasa dia tsy ho niparitaka ho tonga any @ faritra ankoatra an'i Jerosalema ny filazantsara.
Tsarovy fa tian'ny Tompo Jeso ho lasa olon-dehibe mpandray andraikitra (responsable) mantsy isika fa tsy ho zaza (sous mise) foana.Ny zaza dia mpiankin-doha fa ny olon-dehibe kosa dia mahalala mandray engagement.
Izany koa ny fikasan'I Jeso amintsika : ny mpianatra ho tonga mpiasa
ny zaza ho tonga olon-dehibe
ny mpiankina ho tonga mandray andraikitra.
Ka hoy aho hoe raha isika mpianatry ny Tompo tokoa moa no lasa samy mpiasa mandray izay andraikitra tandrify azy avy ka miely eny ivelan'ny fiangonana mba hanao ny hafa ho mpianatra sy hampahery azy ireny fa tsy mivorivory ao am-piangonana mba hahazo fampaherezana hatrany, moa tsy lasa lavitra va ny firenentsika ?
Koa @ izao fotoana fankalazana ny andro pantekosta izao dia herezo ny asa, mandraisa andraikitra fa tsy mamela antsika ho irery Jeso satria efa nomeny antsika ny Fanahy Masina ho Hery entintsika miasa.

novalian'i Miharena ny 15/06/2011 04:24
2. Miharena
(
09/06/2011 06:55)
Marina tokoa Vonynive ny voalazanao.
Rehefa mahatsapa tokoa fa zanak'Andriamanitra fa tsy manao AZY Kristy hotompoina na zary sampy hifikirana dia tanteraka io Teny io. Izany hoe tsy hatao sampy indray Andriamanitra sy Kristy fa miaina ao anaty mihitsy ary manome ny hery rehetra enti-miasa amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ka manana fahafenoana miaraka AMINY isika dia mazava fa mahavita izay nambarany hoe: "Fa hanao asa lehibe noho izay nataoKO ianareo".
Mahereza mikolokolo AZY ao anaty àry dia hahavita mihoatra noho izay efa nataoNY isika.
Hameno ny fo amam-panahintsika anie IZY ka tsy isika intsony no velona fa Kristy marobe tsy hita isa no hameno ny tany.

3. rijadolly
(
10/06/2011 16:40)
Rehefa mahatsapa tokoa fa zanak'Andriamanitra fa tsy manao AZY Kristy hotompoina na zary sampy hifikirana dia tanteraka io Teny io. Izany hoe tsy hatao sampy indray Andriamanitra sy Kristy
Hafahafa be amiko ilay hevitry se eto. Ilay sampy angamba no tsy azoko , satria, raha ny fahalalako azy dia zavatra ho topoina fa tsy Andriamanitra Nahary izao tontolo izao sy Jesoa Kristy no atao hoe sampy.
Noho izany tsy azo atao hoe sampy mihitsy Andriamanitra Ilay nahary izao tontolo izao sy Jesoa Kristy na dia hanompo AZY aza isika, nefa dia sahy milaza aho fa tsy maintsy manompo AZY rehefa ao anaty FanjakaNY, ary dia hifikiro mafy IZY, aza avela fa ataovy ao anatinao mandrakariva ny FANAHINY.
4. Miharena
(
10/06/2011 17:57)
Tsarovy Rijadolly fa i Kristy dia tsy niteronterona teo ambony seza fiandrianana fa niara-niriaria tamin'ny olombelona. Toy izany koa Andriamanitra niresaka tamin'i Mosesy fa tsy nijanona lavitra. Nitarika ny olona IZY fa tsy manana seza hipetrahana.
Noho izany, sampy raha toa ka atao hotompoina hiondrehana isanandro IZY.
IZY no miasa sy mitrotro fa tsy hapetraka eo ambony seza dia tompoina. Io resaka fanompoana io dia fiainan'ny olombelona noho ny fisian'ny tsy fitoviana noho ny vanim-potoana ka ireo izay nihevitra fa zokiny dia tompoin'ny zandriny ary izay noheverina fa mpanjaka dia tompoin'ny vahoaka. Dia teraka teto ny fanjakazakana ka nikorontana avokoa rehefa nisy tsy nahatanty ny hanompo.
Araka ny teninao amin'ny fametrahana AZY ao am-po dia mazava fa izay mihitsy no asaNY. IZY no LEHIBE afaka hanatanteraka ny fahafahan'ny voariNY rehetra tsy an-kanavaka ho iray ao AMINY. Isika olombelona no voary mitovy amin'ny endriNY. Tsy misy IZY raha tsy misy isika endriNY. Tsy miseho ny Voninahiny raha tsy isika no mazava mameno AZY izay miverina amintsika ihany avy eo satria IZY miasa tsy mitsahatra.
Izay anie no antony hanaovana ny tsodrano hoe : Hampamirapratra ny Tavany aminao anie Jehovah, sy ny hoe hanandratra ny Tavany aminao anie Andriamanitra e! Izay no asaNY ary manome tsy ankiato izany IZY mba hamiratra toa AZY ny voariny ary hitombo hazavana hatrany.
Dia raisina arak'izay hatrany IZY dia miaina tsara ara-dalàna ao anatintsika tsirairay avy fa tsy misy intsony ny fisarahana. Tsy misy intsony ny antoko sy ny atao hoe andevo fa mitovy avokoa ao anaty fahasoavana isika mianakavy.

5. rijadolly
(
10/06/2011 18:48)
Tsy tezitra aho Miharena miteny izao a!
Tsy sampy velively ny Andriamanitra Inoako sy Jesoa Kristy, ary vonona hanompo AZY hatramin'farany aho. Eny handohalika eo hanatrehaNY aho. Ary ny andriamanitra akaotr'AZY dia sampy satria andriamnitra tsy izy.Tsy hanompo zavatra aho, tsy hanompo olona aho, satria sampy ireny.

6. Miharena
(
11/06/2011 06:35)
Tsy fahatezerana ny maneho hevitra fa matoa moa ianao miteny hoe tsy tezitra dia mazava fa tsy te-hanafintohina ny fomba famelabelarako eo ambony fotsiny ihany. Izany hoe tsy maharesy lahatra anao ny fanazavako.
Ny fanazavana ataoko dia ilay mandeha amin'ny dingana manaraka ka mamela ilay dingana teo aloha. Fanompoana no natao teo aloha ary fiombonan'antoka kosa ny dingana diavina rehefa miaraka amin'i Kristy. Mitondra ny AIN'NY RAY izany anie ka miara-miombona amin'i Kristy e!
Izany no antony hanaovana ny fiaraha-mandray ny fanasaNY. DIngana efa natao izany ka hilazaNY hoe mitsangàna, andao hiara-dia handresy izao tontolo izao amin'ny Fitiavana sy ny Fahamarinana. Manao ilay resaka hoe Un pour tous, tous pour Un. Izay ilay firaisana.
Ny sampy dia izay zava-poronina tompoina. Ka raha isika tsy mahalala AZY fa manompo dia manompo sampy izay satria lasa voapetraka tokoa amin'ny zava-manjavozavo IZY. Lasa famoronan'ny saina fotsiny IZY. DIa io no lazain'ny vazaha hoe "croyance". Io no sampy. Ny an'ny Malagasy dia hoe mino izany hoe misotro no tena heviny na mampiditra ao anaty. Izany hoe zavatra ivelany ampidirina izany. Ka raha manjavozavo fa tsy fantatra tanteraka dia mbola tafiditra amin'ny sampy satria zary miandry zava-tsy misy.
Ny handohalihana dia izay ivelan'ny tena. Fa ny fanompoana dia izay mampiasa AZY amin'ny fahatsoram-po sy ny fahafenoana hitomboan'ny HAZAVANY hanenika ny rehetra. Tsy hijanona hiankohoka eo anatrehany fa handeha hahaleotena. Izay no antony nahatonga AZY hiala teo anatrehan'ny mpianany satria izany no mahasoa. Raha tsy izay dia mbola nilaozan'ny mpianatra nankany Aminy foana fa tsy nanana fahaleovan-tena hizara hazavana mihitsy.
Ka raha hoy Rijadolly hoe handohalika eo anatrehaNY. Fisaorana sy fiderana izay noho ny nanomezaNY ny VoninahiNY antsika. Fa ny mijanona eo tsy mety. Izay no nilazan'i Kristy hoe tsy izay miantso Ahy hoe Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny Sitrapon'NY RAY. Manatanteraka fa tsy mandohalik.

7. rijadolly
(
11/06/2011 09:33)
Ny sampy dia izay zava-poronina tompoina. Ka raha isika tsy mahalala AZY fa manompo dia manompo sampy izay satria lasa voapetraka tokoa amin'ny zava-manjavozavo IZY
izay ny antony asahiako milaza fa tsy sampy ilay Inoantsika satria fantatsika tsara izay inoantsika dia Ilay Nahary izao tontolo izao. tsy matory na rendremana, mihaino,...
8. Soanja
(
14/06/2011 17:18)
Misy tenin'i Ntaolo Malagasy izay hoe " ny havan-tiana tsy iaraha-monina"
Marina tokoa anie io fiteny io satria raha teo amin'ny Jody i Kristy dia maro no naniry azy ho faty.
Fantatr'Andriamanitra ny mandaitra amintsika olombelona. Mila fisintahana nefa mila koa fanantenana isika fa tsy hanary antsika Izy. Io no zavadehibe. n'inona n'inona zava-mitranga dia Izy eo akaikintsika lalandava ary manoro lalandava fa isika no mila manokatra ilay masom-panahy vao fantatra ny antony!

9. rijadolly
(
14/06/2011 18:43)
n'inona n'inona zava-mitranga dia Izy eo akaikintsika lalandava ary manoro lalandava fa isika no mila manokatra ilay masom-panahy vao fantatra ny antony!
Iraisako hevitra tokoa io Soanja, Fa ilay lalana ahatongavana an'io no ahaoana ny hevitr'se "isika no mila manokatra"
10. Miharena
(
15/06/2011 04:24)
Ilay masom-panahy dia efa ananantsika ary mazava izy fa nakatontsika fotsiny. Izay anananao ihany no azonao ampiasaina fa tsy hahita izay tsy anananao ianao.