tongotra marary

1. nilex ( 08/06/2011 05:34)
Miarahaba antsika rehetra ny tenako,saika mba hanontany kely aho ho an'izay mahalala fa izao no olana.Iray volana teo izay dia somary misy marary ao amin'ny lohakiko gauche ao rehefa miforitra na madohalika,rehefa mandeha tsy maninona mihintsy.Reraka be ny tongotro indray andro izay no niantombohany dia tsy mbola afaka hatramin'izao,ka ny tiako hanontaniana dia izao,zavatra mandalo ve io sa sao dia efa fiantombohan'ny goutte na tsy fantatro.Ianareo izay efa voa izao no afaka mahalala izay,fa raha izy dia afaka manome toro hevitra ve ianareo mba hitsaboana azy,sa koa hoe tsy misy hevitra intsony ireny fa dia iaretana eny e.Misaotra antsika namana mialoha.
2. soanja ( 13/06/2011 06:17)

nilex:

Mamonjy dokotera ihany no tena azahoana valiny tsara satria sarotra ny maminavina zavatra tsy hita. Matetika raha ny hahitako ny fanazavanao dia Arthritis no mahazo anao.
3. nilex ( 16/06/2011 08:02)
Misaotra anao namaly ny fanontaniako,tsy fantatro aloha satria aho tsy mbola nanantona dokotera fa asa raha mba azonao hazavaina kely ny momba izany arthritis izany raha tsy dia manahirana anao.Inona no mahatonga anao hiteny izany?misaotra indrindra.
4. diamondra27 ( 16/06/2011 18:21)
mila manao radio dia hita hoe: inona marina le izy
sao dia gonarthrose no mahazo anao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4932