Mbola tokony hatao ve ireo fanompoam-pivavahana teo an-tempoly t@ andron'ny zanak'israely( lalam-pisoronana) toy ny Paska, Ascession, Pantekônty, Fitoerana @ trano ratsan-kazo sns....,

1. Maranatha ( 07/06/2011 12:44)
Io no Lohahevitra . Ahoana ny hevitrareo ,fa aminay izay mbola manao ireny amin'ny fomba nanaovan'ny Jiosy azy dia tsy mino an'i Jesosy kristy satria ireny ilay voalaza ao @ kol 2:17 hoe aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an'I Kristy. Ary izay mbola manao ireny dia ilay lazain'i Paoly ao amin'ny Galatiana 3:1-5 hoe "Adala"
novalian'i Maranatha ny 27/06/2011 06:33
2. bor2lais ( 07/06/2011 12:54)
Dia mba azonao lazaina misimisy aminay ary ve izany "tena izy" (arahinareo) izany ? :-)
3. Miharena ( 07/06/2011 13:47)
Ireny fankalazana sy fahatsiarovana rehetra natao taloha ireny ka mitohy hatramin'izao dia mampitombo ny andro hihaonana hiantsoana an'Andriamanitra mitamba-be. Araka ny Tenin'ny Tompo hoe raha misy roa na telo ianareo no mivory amin'ny Anarako dia eo afovoany aho. Ka raha toa ka marobe ireo mivory dia mazava fa Mazava Lehibe indray mientana no omen'Andriamanitra azy amin'ny alalan'ny fivorian'ny zanaNY, izany hoe Kristy maromaro miaraka miray saina sy fo.
Ka ny fankalazana dia fianarana ho an'izay tsy mbola nahalala ary fanamafisana ho an'izay mahalala. Fiombonana no marimarina kokoa amin'ireny fankalazana ireny.
Ka asa hoe aiza no olana amin'i Maranatha?
4. soanja ( 08/06/2011 01:45)
Maranatha:

Io no Lohahevitra . Ahoana ny hevitrareo ,fa aminay izay mbola manao ireny amin'ny fomba nanaovan'ny Jiosy azy dia tsy mino an'i Jesosy kristy satria ireny ilay voalaza ao @ kol 2:17 hoe aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an'I Kristy. Ary izay mbola manao ireny dia ilay lazain'i Paoly ao amin'ny Galatiana 3:1-5 hoe "Adala"

Ka ny fihevitry ny hafa tsy fihevitrao sy ny maro hafa dia izay no mampanahirana sy mahasamihafa ny zavatra rehetra. Ao amin'ny baiboly misy milaza fa aza hanina ny kisoa, nefa dia mbola maro ny mihinana azy. Dia samy hilaza ny heviny eo. Iza no manana ny marina?

Ny finoana dia izay ao amponao tsy miloaka. Ilay entanin'ny fanahinao manokana ary ifandraisanao amin'ny maro. Ka na amin'ny fomba ahoana no fisehon'izany dia mety avokoa satria misandrahaka Andriamanitra ary izy no irery no mahalala izay ao ampotsika na misy fahamarinana na tsia. Ka ny hoe tokony sy tsy tokony dia aoka ho azy irery ihany no mandahatra izany.
5. Maranatha ( 08/06/2011 07:10)
Misaotra an'I Miharena sy bor2lais ary i Soanja .

Ny olana dia hoe raha mbola mankalaza Paska ohatra isika @ fomba fanao nomena ny zanak'Israely t@ izy nivoaka tany Egipta sy mbola fanao nampiasainy tao jerosalema dia tsy maintsy mila fanatitra hatao foana isan-taona isaky ny manao izany ary miakatra any Jerosalema. I Kristy nampianatra an-tsika fanompoam-pivavahana mikasika ny fanasan'ny Tompo izay nasolo ny Paska ho fahatsiarovana ny nahafatesany IKOR 11:24-26 "Ary raha nisaotra izy dia novakiany.... fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro @ kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandram-pihaviny" sy ny I KOR 5:7 " Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy nisy maha-misy masirasira anareo. FA VOAVONO I KRISTY PASKA HO ANTSIKA." Ny Paska izany dia @ fotoana rehetra izay handraisana ny fanasan'i Tompo na oviana na oviana. Izay isika vao atao hoe mino an'I kristy satria manaraka ny asa izay nataony.

Ny Pantekosta na ny Fety ny voaloham-bokatra 50 andro aorian'ny Paska. Vao tafakatra tany an-danitra i Kristy ka avy niseho t@ Ray dia nomena ny fanahy masina Vakio Asa 2:1-4 rehefa izany dia nitory teny i Petera ka izay nibebaka (nandray tsara ny teniny) dia natao Batisa; ary tokony ho telo arivo ny isan'ny olona nanampy ho isany t@ izany Asa 2:41; Ireo no voaloham-bokatra nentina t@ izany, ao @ APOK 14:4 ihany koa misy hoe " Ireo no tsy voaloto t@ vehivavy, fa virijiny izy, Ireo no manaraka ny zanak'ondry na aiza na aiza no alehany, ireo no navotana t@ olona ho voaloham-bokatra ho an'Atra sy ny Zanak'ondry" ; NY VOALOHAM-BOKATRA @ IZAO ANDRO IZAO IZANY DIA tsy toy ny teo aloha hoe miakatra any Jerosalema fa mitondra kosa ireo olona izay resinao lahatra ka tafala t@ izao tontolo izao niverina ho an ' Atra, rehefa any an-danitra ianao vao mitondra ireo.

Ny fanompoam-pivavahana t@ testamenta taloha t@ tempoly mbola teto an-tany no nanaovana ireny fa rehefa hoy i Jesosy hoe VITA teo ambony hazo fijaliana dia Triatra nizara roa ny efitra lamba tao @ tempoly dia nifarana teo ny fanompoam-pivavahana manodidina ireny Amin'ny endriny vaovao indray satria hoy izy hoe hebreo 7:12 " Raha ovaina ny fisoronana dia tsy maintsy ovaina koa ny lalana "

Ny tempoly izao efa any an-danitra ary i Jesosy no Mpisoronabe

Ny ascenssion: Raha ny baiboly no dinihina dia tsy hita soritra ao mihintsy ny fankalazana io fety io.

Ny fiakaran'i Marie moa dia eee tsisy e,

Ny sampan-kazo na ny Fitoerana trano ratsan-kazo, tsy nanao intsony ny Apostoly.

1 Nov Fetin'ny olona masina efa maty, Notefitefena avokoa ireny.

Ny Krismasy moa dia eee, Tsy niteny mihintsy i Kristy hoe hankalazao ny andro nahaterahako sady vao maika loza tsy 25 Dec izany i Kristy no teraka. raha ny marina dia matetika ireo mpanota toan-dry Heroda no hita soritra ao anaty baiboly fa nankalaza izany fahaterahana izany.

6. bor2lais ( 08/06/2011 07:53)
Misaotra an'i maranatha nilaza misimisy ny fahazoany ny fiainan'ny sasany ny finoany.

Fanamarihana vitsy no tiako omena :
- fomba fiasa ao aminareo ve ity mikritika lava ny ataon'ny sasany ity ?
- raha milaza ianao fa tsy ao anaty Baiboly ny resaka fankalazana izao sy izao, moa ve ao koa ny mandrara izany ?
- endrika ankolaka fanjonoana am-bovo izao ataonareo izao : any aminareo ihany no tena izy fa ny an'ny sasany tsy mety ho izy mihitsy !!
maranatha:

Ny Paska izany dia @ fotoana rehetra izay handraisana ny fanasan'i Tompo na oviana na oviana. Izay isika vao atao hoe mino an'I kristy satria manaraka ny asa izay nataony.

Mba gravy ihany izany fampianaranareo izany a ! :-)
7. Miharena ( 08/06/2011 08:00)
Tsy mitsara moa Andriamanitra araka ny lohahevitra sasany nosokafako teto fa matoa misy sy mitranga ny fankalazana araka ny vaninandrony avy, na diso izany na marina, dia efa natao hisy teto ambany masoandro. Tsy ny fomba fanao no misy tsininy fa ny fo manantanteraka azy.
Marina fa misy tokoa ireo voalazan'i Maranatha ireo ary ny tena Fototra aza dia ao am-po ny fanjakan'Andriamanitra araka ny maha-tempolin'Andriamanitra antsika tsirairay avy. Ary io no hiderana Azy mandrakariva satria izay no manome ny Teny nataon'i Kristy hoe mivavaha ka aza mitsahatra. Ny iposahan'ny Mazava ao anaty no tanjona na fitaizana inona na fitaizana inona raha mikasika fivavahana (tsy ny Kristiana ihany fa na Boudhiste io na Hindoue na Silamo sns...) satria ny tanjon'ireo dia IRAY dia mikasika ny IRAY Mpamorona avokoa.
Ka izay milaza fa manana ny fomba fivavaka marina dia mandainga raha tsy manaiky fa Andriamanitra dia tsy manavaka. Ka tsy hoe Andriamanitr'i Israely akory fa Andriamanitrizao rehetra izao. Efa voalaza ao amin'ny Genesisy moa izy io ary tsotra ny mandray izany ary mampiadana ny eny amin'ny rehetrarehetra eny.

Araka ny famakiana boky maro momba ny fisehoan'i Kristy amin'ny olona no ahafahana maka fototra izay tena tiaNy ambara fa raha ohatra ka Baiboly tsy misy Mpanazava dia mazava fa mahavery izay mamaky izany raha tsy hoe angaha izy ka manana fo madio tsy misy tsininy ka hahatakatra avy hatrany izay lazaina.

Ireto ohatra vitsivitsy izay nitranga tamin'ny taona 1890-1900 hatramin'ny taona 1985 azonao vakiana tsara:

- Ho an'ny Malagasy dia i Dada Raisoalambo, i Nenilava, i Neny Ravelonjanahary no azonao tsindriana amin'ny Google dia efa mahazo ianao;
- ho an'ny Amerikana izay ef aela tokoa no nikaroka momba an'i Krisity dia ao amin'ny site terre nouvelle; livres à télécharger ka raha manao alphabétique ianao dia tadiavo ao ny bokin'i B.Thomas Spalding mitondra ny lohateny hoe: La Vie des Maitres dia ho hitanao ao ny asa nataon'i Kristy sy ny hafaNY ho an'ny olombelona tsy ankanavaka.

Raha mamaky ireo ianao dia tsy hiolonolona mihitsy raha toa ka mino marina fa Krsity no Tomponao.
8. Maranatha ( 08/06/2011 11:26)
Tsy sanatria hoe mikiritika ny fiainan'ny hafa, na hoe manjono am-bovo sy milaza fa ny aty aminay no izy fa ny an'ny sasany tsy izy mihintsy araka ny voalazan'i Bor2lais fa diniho tsara ity teny ity I TES 2:10-12 " ary ny famitahana momba ny tsy fahamarinana @ izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no hampananteran'n'Atra fiasan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga . mba ho helohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina". Tsy tiako ho very ianao ry Bor2lais (tsy ianao ihany fa izay rehetra mamaky ity serasera ity ) dia izany no hilazako ny marina aminareo, sady raha tena hivavaka @ Atra izay voasoratra ao @ baiboly anie dia tsy maintsy manaraka izay lazainy e!

Aza mety ho fitahina fa hoy ny APOK 3:15-16 "...aleo mangatsiaka na ho mafana fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia efa haloan'ny vavako ianao" henjana be anie izany hoe haloan'ny vavan'Atra izany ry Bor2lais sy ry namana isany e! satria izay efa oloa tsy azo ampidirina am-bava intsony (ny Amboa ihany sisa no afaka manao izany)

Hoy ny Jaona 15:2 :" Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esorina fany sampany rehetra izay mamoa kosa dia hamboarina mba hamoa bebekokoa" hoy i jesosy, ka matoa tonga aminao izao teny izao dia tian'Atra hianao mba hamboarina hamoha bebekokoa.

Ho an'i Miharena: Vakio ny asa 10:34 Milaza hoe" Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan'olona Atra fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany" sy ny Romana 9:6 "Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Atra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy @ israely no Israely" Rom 9:8"Izany hoe tsy zanaky ny nofo no zanak'Atra ; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka". Raha izay dia @ izao fotoana izao izany dia izay manao ny MARINA ( NY MARINA= Tenin'Atra hoy ny Jaona 17:17)ka manaiky tarihin'ny fanahiny no zanak'Atra.
Miharena a! Misy fombam-pivavahana izay tsy ankasitrahan'Atra intsony. Na dia misy ety ambany masoandro aza.eny fa na dia atao @ fo madio aza. Izany Boudhiste izany anie manompo sampy e! Mivavaka @ sarivongana, Ny Silamo tsy mino an'iKristy tsy Atra any an-danitra no mihaino sy mamaly ny vavak'ireny fa ilay anankiray. Diniho tsara!

Izay fa mahereza
9. bor2lais ( 08/06/2011 13:36)
maranatha:

Tsy tiako ho very ianao ry Bor2lais (tsy ianao ihany fa izay rehetra mamaky ity serasera ity ) dia izany no hilazako ny marina aminareo

1. Aminao moa inona no atao hoe "marina" ?
2. Aza manahy ianao raha ny amiko fa efa manana Ilay marina inoako aho !
3. Io teninao io no antsoiko hoe "manjono am-bovo" raha tsy takatrao ny tiako lazaina : i Bor2lais ange efa ao am-bovo e ! Maninona raha mandeha "manjono" any an-kafa ?
:-)
10. Miharena ( 08/06/2011 14:15)
Maranatha:

Ho an'i Miharena: Vakio ny asa 10:34 Milaza hoe" Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan'olona Atra fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany" sy ny Romana 9:6 "Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Atra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy @ israely no Israely" Rom 9:8"Izany hoe tsy zanaky ny nofo no zanak'Atra ; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka". Raha izay dia @ izao fotoana izao izany dia izay manao ny MARINA ( NY MARINA= Tenin'Atra hoy ny Jaona 17:17)ka manaiky tarihin'ny fanahiny no zanak'Atra.
Miharena a! Misy fombam-pivavahana izay tsy ankasitrahan'Atra intsony. Na dia misy ety ambany masoandro aza.eny fa na dia atao @ fo madio aza. Izany Boudhiste izany anie manompo sampy e! Mivavaka @ sarivongana, Ny Silamo tsy mino an'iKristy tsy Atra any an-danitra no mihaino sy mamaly ny vavak'ireny fa ilay anankiray. Diniho tsara!

Izay fa mahereza

Misaotra an'i Maranatha nanome ireo teny mazava be eo ambony ireo fa ny eto ambany no hitako misy zavatra tokony hahitsy kely.
Maro tokoa ireo fomba nitarika ny fanaovana an'Andriamanitra ho toy ny Mpanjaka any ambony lavitra any an-danitra any teo amin'ny fombam-pivavahana. Tsy io anefa no hamafisin'i Kristy fa ny ho zanak'Andriamanitra ny olona rehetra, izany hoe ny mampifoha AZY ao anaty midika hoe Tempolin'Andriamanitra ny tsirairay. Ny famaritana ataon'ny Silamo sy ny Boudhiste dia manome izany Fahafenoan'ANdriamanitra izany koa fa isika mila mamaky tsara ireo zava-boalaza ao anatin'ny fandalinam-pinoana vao afaka miteny hoe tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny azy. Tsy mahazo manava-tena hoy aho isika satria IRAY no nipoirana na ny Galaxy izany na olombelona rehetra, na ny anjely, eny na i Lucifer aza. Tsy afa-misaraka izany ireo rehetra ireo eo amin'ny tantaran'ny famoronana.
Anjarantsika no mijery izay marina ary manavaka ny hoe zava-notefena maika tsy maharitra amin'ireo fomba fisainan'ny olona. Ohatra iray momba ny fanompoan-tsampy, rehefa atao zava-davitra hahazoana fitahiana ny ivavahana dia efa sampy izay. Ohatra: lazaina fa lavitra i Bouddha, na i Kristy, na Andriamanitra mihitsy aza dia atao sary ary avy eo ilay sary no zary lasa ivavahan'ny olona satria tsy misy zavatra hitany manambara ireo afa-tsy izay azon'ny olona nahita Azy voalohany nalaina sary ka naseho ny taranaka fara mandimby. Raha ny marina anefa dia ny soratra no mitoetra kokoa, ka izay mahasoratra ny marina no manome endrika mazava an'Andriamanitra sy ny Mpiara-miasa Aminy rehetra.

Izay iraka ka lasa tompoina no nolavin'i Kristy ny toetran'ny olona manao izany. Rehefa miantso sy mikatsaka an'Andriamanitra ao amèpony kosa anefa ny olona dia arak'i Kristy izany ka tsy azo atao loatra ny mitsara avy hatrany ny foma fivavahan'ny olona tsirairay satria izany no fitaovana ahafahany mifantoka ao am-pony ka maha-tempolin'Andriamanitra azy. Ilay fahadiovam-po itoeran'Andriamanitra Mazava no maha-Kristy. Izay io resaka nataon'i Petera io milaza ny tsy fizahan-tavan'olona eo amin'Andriamanitra. Isika olombelona no mizaha tavan'olona fa Andriamanitra mitoetra anaty no mahita ny ao am-po.
11. Maranatha ( 09/06/2011 05:48)
Bor2lais : 1-Aminao inona no atao hoe marina? mitovy @ fanontaniana napetrak'i Pilato ao @ Jaona 18:38 ilay fanontanianao.
Valiny: Jaona 17:17 "Manamasina azy @ fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana." Ny tenin'Atra izany no atao hoe fahamarinana. 100 isan-100 io.

2-Aza manahy ianao ny amiko fa efa manana ny marina inoako aho.
Valiko hoe: Ianareo izay manao azy ho efa mijoro tsara tandremo sao lavo.

3- Manjono am-bovo izany hoe efa ao an-trano izany ianao ve? Izay indrindra no nampidirako ilay voasoratra ao @ Jaona 15:2b " .. fa ny sampany izay efa mamoa kosa dia amboarina hamoa bebe kokoa".

[Miharena]Ny famaritana ataon'ny Silamo sy ny Boudhiste dia manome izany Fahafenoan'ANdriamanitra izany koa fa isika mila mamaky tsara ireo zava-boalaza ao anatin'ny fandalinam-pinoana vao afaka miteny hoe tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny azy. Tsy mahazo manava-tena hoy aho isika satria IRAY no nipoirana na ny Galaxy izany na olombelona rehetra, na ny anjely, eny na i Lucifer aza. Tsy afa-misaraka izany ireo rehetra ireo eo amin'ny tantaran'ny famoronana.

Ekeko anie ilay tenin'i Miharena fa jereo tsara ity teny ity Jaona 9:31"Fantatsika fa Atra tsy mihaino ny mpanota fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny." azo antoka anie izany fa mety tsy mihaino ny vavaka ataon-dry Boudaiste Izy e, sy izay tsy manao ny marina. Mahereza e!
12. Miharena ( 09/06/2011 06:15)
Maranatha:

Ekeko anie ilay tenin'i Miharena fa jereo tsara ity teny ity Jaona 9:31"Fantatsika fa Atra tsy mihaino ny mpanota fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny." azo antoka anie izany fa mety tsy mihaino ny vavaka ataon-dry Boudaiste Izy e, sy izay tsy manao ny marina. Mahereza e!

Ekenao ny teniko hoy ianao nefa avy eo ianao mandray teny ao amin'ny Baiboly handavanao azy.
Nefa na izany aza, aoka aloha hazavaina kely io teny lazain'ny Baiboly io. Ny mandà an'Andriamanitra dia tsy misy satria IZY no LOHARANO nipoiran'ny rehetra. Na hilan-ko vy na hiola-ko vato dia ao anatin'ny erana nampboarin'Andriamanitra ka noho izany dia tsy misy na dia iray aza afaka manava-tena ao anatin"izany. Ka raha hoy ianao hoe Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota, mila fantarina aloha ilay hoe ota. Fahadisoana ny ota ary tsy tafiditra eo anatrehan'ny fisainan'Andriamaitra mihitsy ary tsy mandaitra Aminy velively ka izany no nanaovana hoe tsy mihaino ny mpanota IZY. Hoy Izy, "Ny zanako sy ny asan'ny tanako aoka ho adidiko ihany". Efa navelaNY ny heloka na fahadisoana raha vao mifoha ny olona ary io fifohazana io dia ho avy na ho ela na ho aingana ho an'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka fa tsy hoe Boudhiste ny olona na silamo dia tsy henion'Andriamanitra.
Diso famaritana AZY ianao raha vao miresaka fa tsy manatanteraka ny TENY voatsipika eo ambony io IZY. Azy ny asa fa tsy anao velively ka hilaza ianao hoe rehefa tsy mitonontena ho kristiana dia tsy izy an!
Mila mitandrina isika fandrao dia mandoto indray ny tena FOTO-Pampianaran'i Kristy dia ny FITIAVANA ny olon-drehetra, eny na dia ny fahavalo aza.

Ka asa hoe kilasianao ho isan'ny inona moa ireo olombelona manana foto-pinoana heverinao tsy mitovy aminao ary inona no tena hitanao fa mampiavaka anao ka tsy hifangaroanao amin'ny hafa?
13. bor2lais ( 09/06/2011 07:45)
maranatha:

Bor2lais : 1-Aminao inona no atao hoe marina? mitovy @ fanontaniana napetrak'i Pilato ao @ Jaona 18:38 ilay fanontanianao.
Valiny: Jaona 17:17 "Manamasina azy @ fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana." Ny tenin'Atra izany no atao hoe fahamarinana. 100 isan-100 io.

Tsy misy mandà io tsimpona lazainao io saingy eo amin'ny fandraisana na fampiharana azy no samy manana ny azy isika.
Iza moa io Teny io ? Ary Iza kay no niteny fa "làlana sy fahamarinana ary fiainana" ?
maranatha:

2-Aza manahy ianao ny amiko fa efa manana ny marina inoako aho.
Valiko hoe: Ianareo izay manao azy ho efa mijoro tsara tandremo sao lavo.

Eto izao dia natelinao (tsy fantatro raha fanahy iniana na tsia) "Ilay" tamin'ny zavatra nosoratako. Raha tsy izany dia ho azonao angamba hoe Iza "Ilay" inoako.
Mikasika ilay fahalavoana indray dia tahaka ny zaza miana-mandeha io : ny tsy manana Tànana hanarina no tokony atahotra ! :-)
maranatha:

3- Manjono am-bovo izany hoe efa ao an-trano izany ianao ve? Izay indrindra no nampidirako ilay voasoratra ao @ Jaona 15:2b " .. fa ny sampany izay efa mamoa kosa dia amboarina hamoa bebe kokoa".

Eto izao dia ovanao ny voasoratra : "amboariNY" no izy fa tsy "amboarina", sa maka ny toeraNY ianao ? :-)
14. Maranatha ( 09/06/2011 11:29)
[Mijharena] "Ka raha hoy ianao hoe Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota, mila fantarina aloha ilay hoe ota. Fahadisoana ny ota ary tsy tafiditra eo anatrehan'ny fisainan'Andriamaitra mihitsy ary tsy mandaitra Aminy velively ka izany no nanaovana hoe tsy mihaino ny mpanota IZY".

Fahadisoana ny ota hoy ianao fa raha ny IJaona 3:4 dia milaza hoe " Izay rehetra manota no mandika ny lalàna, fa ny ota no fandikana ny lalàna" Midika izany fa ny mpanota dia tsy iza fa ireo mpandika ny lalàna. Ka mahatonga ahy hilaza indray hoe Tsy mihaino ny mpandika lalàna Atra.

"Efa navelaNY ny heloka na fahadisoana raha vao mifoha ny olona ary io fifohazana io dia ho avy na ho ela na ho aingana ho an'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka fa tsy hoe Boudhiste ny olona na silamo dia tsy henion'Andriamanitra.
Mamela heloka izy raha mibebaka (miala @ ratsy fanao)ilay olona izany hoe miverina mitady azy ezekiela 18:21-23 "Fa raha ny ratsy fanahy miala @ fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahintsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy ho tsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana nataony. Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany @ alehany mba ho velona izy"

"Diso famaritana AZY ianao raha vao miresaka fa tsy manatanteraka ny TENY voatsipika eo ambony io IZY. Azy ny asa fa tsy anao velively ka hilaza ianao hoe rehefa tsy mitonontena ho kristiana dia tsy izy an!" hoy ianao ."
Miharena tsy mbola novakianao va ilay Tenin'ny Tompo ao @ Jaona 14:6manao hoe " Izaho no lalana sy fahamarinana ary Fiainana Tsy misy mankany @ Ray afa- tsy @ alalako " Tsisy hevitra mihintsy izany raha tsy miray Amin'i Kristy.

"Ka asa hoe kilasianao ho isan'ny inona moa ireo olombelona manana foto-pinoana heverinao tsy mitovy aminao "
Hoy ny tenin'ny Tompo ao @ Matio 7:14"Fa ety ny ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany @ Fiainana, ka vintsy ny mahita azy" Tsy hoe izay rehetra manana fotom-pinoana akory dia ho eken'Atra avokoa fa izay manaiky ny fampianaran'iKristy zato isan-jato. Ny ankamaroan'ny fototra ijoroan'ny fiangonana Tsirairay samy misy marina avokoa fa tsy ny fahamarinana Zatoisan-jato. Izay no mahatonga ilay fitenenana hoe aleo tsy mivavaka toy izay mivavabavaka (Apok 3:16 "Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao"). Mila tonga dia mpivavaka be na aleo tonga dia tsy mivavaka mihintsy .

"Inona no tena hitanao fa mampiavaka anao ka tsy hifangaroanao amin'ny hafa? "
Valiny :Apok 14:12 "Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny Didin'Atra sy ny Finoana an'i Jesosy" Ara-baki-teny sy mampiatra izany zato isan-jato.Mahereza !

Bor2lais:
"Tsy misy mandà io tsimpona lazainao io saingy eo amin'ny fandraisana na fampiharana azy no samy manana ny azy isika.
Iza moa io Teny io ? Ary Iza kay no niteny fa "làlana sy fahamarinana ary fiainana" ?"
Valiny mazava ho azy fa i Jesosy (jaona1:1 sy ny jaona 14:6) ka raha mino azy isika mila harahina ny diany II Jaona 2:6 "Izay milaza fa mandeha eo aminy izy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa."

Eto izao dia ovanao ny voasoratra : "amboariNY" no izy fa tsy "amboarina", sa maka ny toeraNY ianao ?
Misaotra @ fanitsiana, tsisy baiboly mivelatra moa fa dia tsianjery fotsiny ka mety hiisy diso kely ihany indraindray. Sanatria tsy hoe maka ny toerany fa fahadisoana fotsiny (Sady manao Blasfemie anie izany maka ny Toerany izany ry Bo2lais e! Ianao a! mamandrika!)

Mahereza e!
15. Miharena ( 09/06/2011 12:39)
Maranatha:

[Mijharena] "Ka raha hoy ianao hoe Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota, mila fantarina aloha ilay hoe ota. Fahadisoana ny ota ary tsy tafiditra eo anatrehan'ny fisainan'Andriamaitra mihitsy ary tsy mandaitra Aminy velively ka izany no nanaovana hoe tsy mihaino ny mpanota IZY".

Fahadisoana ny ota hoy ianao fa raha ny IJaona 3:4 dia milaza hoe " Izay rehetra manota no mandika ny lalàna, fa ny ota no fandikana ny lalàna" Midika izany fa ny mpanota dia tsy iza fa ireo mpandika ny lalàna. Ka mahatonga ahy hilaza indray hoe Tsy mihaino ny mpandika lalàna Atra.

"Efa navelaNY ny heloka na fahadisoana raha vao mifoha ny olona ary io fifohazana io dia ho avy na ho ela na ho aingana ho an'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka fa tsy hoe Boudhiste ny olona na silamo dia tsy henion'Andriamanitra.
Mamela heloka izy raha mibebaka (miala @ ratsy fanao)ilay olona izany hoe miverina mitady azy ezekiela 18:21-23 "Fa raha ny ratsy fanahy miala @ fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahintsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy ho tsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana nataony. Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany @ alehany mba ho velona izy"

"Diso famaritana AZY ianao raha vao miresaka fa tsy manatanteraka ny TENY voatsipika eo ambony io IZY. Azy ny asa fa tsy anao velively ka hilaza ianao hoe rehefa tsy mitonontena ho kristiana dia tsy izy an!" hoy ianao ."
Miharena tsy mbola novakianao va ilay Tenin'ny Tompo ao @ Jaona 14:6manao hoe " Izaho no lalana sy fahamarinana ary Fiainana Tsy misy mankany @ Ray afa- tsy @ alalako " Tsisy hevitra mihintsy izany raha tsy miray Amin'i Kristy.

"Ka asa hoe kilasianao ho isan'ny inona moa ireo olombelona manana foto-pinoana heverinao tsy mitovy aminao "
Hoy ny tenin'ny Tompo ao @ Matio 7:14"Fa ety ny ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany @ Fiainana, ka vintsy ny mahita azy" Tsy hoe izay rehetra manana fotom-pinoana akory dia ho eken'Atra avokoa fa izay manaiky ny fampianaran'iKristy zato isan-jato. Ny ankamaroan'ny fototra ijoroan'ny fiangonana Tsirairay samy misy marina avokoa fa tsy ny fahamarinana Zatoisan-jato. Izay no mahatonga ilay fitenenana hoe aleo tsy mivavaka toy izay mivavabavaka (Apok 3:16 "Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao"). Mila tonga dia mpivavaka be na aleo tonga dia tsy mivavaka mihintsy .

Ilay resaka voatsipika mihitsy no tiako hofaritanao tsara Maranatha. Amiko io dia midika fa ny matimaty no tsy mety eo amin'ny fitondran-tena. Tsy voalaza hoe ny matimaty sy ny mangatsiaka fa ny matimat ihany. Ny mangatsiaka izany dia isan'ny ekena satria nahay nijoro hatramin'ny farany ary ny mafana moa dia tsara ihany koa satria mijoro. Raha toa ka tena hita hoe manavak'olona i Kristy ao amin'ny Baiboly dia misy fomba fandikan-teny tsy voampita tsara ao.

Ny hoe tsisy hevitra mihitsy raha tsy miray amin'i Kristy dia ekeko tokoa fa ny endrika no mety tsy mitovy satria ianao mety hiteny hoe manaiky ny teniNY no izy, izaho kosa manao hoe Andriamanitra miaina ao anaty no maha-Kristy ary io no fampianaraNY teto ka tokony harahina. Manan-jo ho mpandova na hanao toy ny zanak'adala aza. Izay voariNY dia karakaraiNY arak'izany na iza na iza.
Ka manontany ihany aho hoe ireo heverina ho very ve tsy voariNY? Inona no maha-be famindram-po Azy? Ary ny Teniny ve tsy hipaka ao am-pon'ny olona na ho ela na ho aingana?
16. Maranatha ( 10/06/2011 06:30)

[quote=Miharena]
[quote=Maranatha]
[Mijharena]
Ilay resaka voatsipika mihitsy no tiako hofaritanao tsara Maranatha. Amiko io dia midika fa ny matimaty no tsy mety eo amin'ny fitondran-tena. Tsy voalaza hoe ny matimaty sy ny mangatsiaka fa ny matimat ihany. Ny mangatsiaka izany dia isan'ny ekena satria nahay nijoro hatramin'ny farany ary ny mafana moa dia tsara ihany koa satria mijoro. Raha toa ka tena hita hoe manavak'olona i Kristy ao amin'ny Baiboly dia misy fomba fandikan-teny tsy voampita tsara ao.

Tsy hoe ekena ny mangatsiaka satria nahay nijoro tsara ho mangatsiaka fa ireny olona ireny izany mora mibebaka raha vao itoriana ny fahamarinana e! miresaka ianao mikasika an-dry dada Rainisoalambo tsy mpanompo sampy be moa izy iny talohan' ny naharesy lahatra azy dia toy izany ireny, ilay zanaka adala efa nanao ny sitrampony rehetra tany anie iny fa niverina dia voaray indray e!.
Ny hoe manavaka olona ve I kristy. "Tsy izay manao amiko hoe tompoko tompoko no hiiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'ny raiko izay any an-danitra" Hoy i Jesosy . Voaavaka anie izany izay tsy manao ny sitram-pon'Atra e! Avahana tahaka ny manavaka ny ondry @ osy, ny ondry eo an-kavanana ary ny osy eo an-kavia

"Ny hoe tsisy hevitra mihitsy raha tsy miray amin'i Kristy dia ekeko tokoa fa ny endrika no mety tsy mitovy satria ianao mety hiteny hoe manaiky ny teniNY no izy, izaho kosa manao hoe Andriamanitra miaina ao anaty no maha-Kristy ary io no fampianaraNY teto ka tokony harahina. Manan-jo ho mpandova na hanao toy ny zanak'adala aza. Izay voariNY dia karakaraiNY arak'izany na iza na iza.
Ka manontany ihany aho hoe ireo heverina ho very ve tsy voariNY? Inona no maha-be famindram-po Azy? Ary ny Teniny ve tsy hipaka ao am-pon'ny olona na ho ela na ho aingana?"

Raha nanaiky izany Atra dia mety tsy natsipy any @ helo ry losifera sy ireo anjely izay nomba azy , Satria fantatsika fa misy fetra ny famindram-pon'Atra Rom 2:4-6 " Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny faharim-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Atra dia mitaona anao hibebaka? Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketan'ny fahatezerana ho anao @ andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Atra izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy."
Mino aho fa tadidinao tsara ny tantaran'ny safodrano t@ andron'ny Noa sy Sodoma sy Gomoro t@ andron'ny Lota, rehefa tapitra ny famindram-po na voahariny aza dia tsy maintsy haringany rehefa tsy mibebaka, izay mibebaka ihany no velominy. Mahereza e!
17. Miharena ( 10/06/2011 08:11)

Tsy voavalinao ny fanontaniana fa ny famerenan-teny ao anaty Baiboly no asesinao Maranatha.
Ny fanontaniana dia hoe : Ka manontany ihany aho hoe ireo heverina ho very ve tsy voariNY? Inona no maha-be famindram-po Azy? Ary ny Teniny ve tsy hipaka ao am-pon'ny olona na ho ela na ho aingana?"

Fa eo ihany isika, matoa nisy ireo korontana dia tsy avy amin'Andriamanitra velively izany fa avy amin'ny tsy fahalalan'ny olombelona ka niteraka ireo hevitra lazainao fa nataon'i Losifera ireo. Ny momba an'i Losifera moa dia lazainao fa efa aringana any amin'ny helo izy nefa mbola tsy izany aloha izao no misy. Inona moa no tena asa nataon'i Losifera? Ao amin'ny Joba ianao dia hahita azy sy Andriamanitra miresaka. Nahoana no tsy nofoanana izy tamin'io fotoana io fa iandrasana efa be no ringana vao hiteny Andriamanitra hoe aringako ireto fa tsy manaraka Ahy?
Ekena fa misy tantara fa ny famerenana amin'ny laoniny ny zava-drehetra no anton-dian'i Kristy. Hampahafantatra ahy sy ianao fa zanak'Andriamanitra miara-mandova Aminy izaho sy ianao.
Ny toetran'Andriamanitra no tiaNY hanananao fa tsy ny toetra mitsaratsara foana. Ary rehefa mamaky Baiboly aza ianao dia manantena fa Andriamanitra mihitsy no mametraka ao anatinao ireo teny notanisainao ireo ka manome fitondran-tena iray ho anao. Nefa tokony handalina ihany isika hoe inona no tanjona ahafahana manala ny gejan'ny olona izay zary matahotra an'Andriamanitra noho ireo fitanisana ireo loza ka ilazana fa fahafatesana no miandry rehefa tsy mibebaka.
Mila faritana tsara ilay hoe mibebaka. Rehefa mifoha manana ny fahalalàna dia very ny herin'ny ota. Izany no nilazan'ni Kristy hoe : ary ny fahamarinana hanafaka anareo tsy ho andevo.

Ka sao dia ny fomba fijerintsika no diso ka hilaza fa ny vondrom-pivavahan'ny hafa dia tsy izy fa izay nitaizana antsika ihany no izy.

Ity misy resaka ao amin'i Zakaria ary ataoko fa hitanao ao amin'ny apokalypsy ny tohiny:

Zakaria 3: 1 Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.

2 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?

3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.

4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.

Satana ilay mpiampanga lehibe, ka sao dia lasa hanao ny asany isika krisitiana ka hilaza fa raha tsy Kristiana dia ho very.

Mila mamaky ilay boky voalaza etsy ambony aloha ianao (LA VIE DES MAITRES ao amin'ny site Terre nouvelle, livres à télécharger) vao milaza hoe inona no tena marina momba ny olombelona sy ny fahadisoana lehibe nateraky ny tsy fahalalàna ka nanjary nampisy ny hoe Satana tao anaty Baiboly tao, izay voalaza ao amin'i boky io fa ny olombelona ihany no nampisy ity farany noho ny fiviliany tamin'ny fahamarinana, dia ny tsy fahalalany ny maha-zanak'Andriamanitra azy sy ny maha-tempolin'Andriamanitra azy.
18. Maranatha ( 10/06/2011 11:14)

Miharena:

Averiko ireo olona novonoina t@ safodrano ve voariny sa tsia hoy ianao? Fa naringana aloha ireny noho ny faharatsiany, ny maha be famindram-po azy ? nandritra ny fotoana nanaovana ny sambo fiara dia tsy sasatra ny nitory t@ olon i Noa mba hibebahany sy hidirany ao @ sambo fiara fatsy nibebaka ny olona na niditra tao @ sambo fiara, tapitra ny famindram-po tsy maintsy tanterahana ny tenin'Atra nalefa ny safo-drano ringana ny voahariny satria hoy Izy nanenina aho t@ nanaovako ny olona Gen 6:6. i Noa valo mianaka marina ihany sisa no voavonjy.
Rehefa tsy hibebaka izany dia misy fetra ny zavatra rehetra e!Ny tenin'Atra tsy maintsy tanterahana.

Mikasika an'i Losifera tsy nanoratra aho hoe naringana fa natsipy any @ helo (sheola) izy, afaka mivoaka izy @ fotoana izay tiany hivoahana, ary afaka mandeha any @ izay tiany fa tsisy fitoerana ho azy intsony any an-danitra. afaka mankany an-danitra izy fa manao rapport sy miampanga ny olona masina @ Atra dia miverina na mandeha ety an-tany na mankany @ helo.

Tena tsy diso ny Baiboly milaza izany fa i Jesosy no lalana sy fahamarinana ary Fiainana tsy misy mankany @ Ray raha tsy @ alalany. Dia sahy mihizingizina aminao aho fa rehefa tsy mino an'I JESOSY KRISTY dia vakio ny Apok 21:8 " Fa ny OSA SY TSY MINO sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa" ka tsy haiko rehafa tafiditra ao na very na tsia.

Mikasika ny boky voalazanao : Tena tsy mba mamaky ireny aho fa ny baiboly no efa nomena antsika mba ho harahina miaraka @ fitarihan'ny fanahy masina @ fanazavana azy dia ampy ahy io.

Mahereza e! mba te hihaona aminao eny @ rahon'ny lanitra aho ry Miharena rehefa tonga ny fitsenana an'Kristy @ voninahitra arahinin'ireo anjeliny marobe. Amen!
19. Miharena ( 10/06/2011 13:46)
Maranatha:

Mikasika ny boky voalazanao : Tena tsy mba mamaky ireny aho fa ny baiboly no efa nomena antsika mba ho harahina miaraka @ fitarihan'ny fanahy masina @ fanazavana azy dia ampy ahy io.

Miombon-kevitra aminao amin'ny ampahany aho eto. Ny Fanahy Masina araka ny voalazanao no mila tsapa tsara tanteraka. FITIAVANA no FOTOTRA ka asa hoe aiza ho aiza ny atao hoe misy fetra eo amin'Andriamanitra?
Izaho aloha dia mazava fa mitana ary tsy avelako mihitsy io Fitiavan'Andriamanitra io raha tsy mahavita tanteraka ny asaNY satria avy AMINY avokoa izao rehetra izao.

Araka ny voalazanao eo ambony io aza i Losifera hoy ianao mbola afaka hivoaka eto ambonin'ny tany fa tsy voavono mihitsy. Ary ilay resaka afo maharitra mandrakizay no tena raharaha: raha Fitiavana sy be famindram-po ve hahefa izany e!
Kristy aza nofantsihana mbola nilaza hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony!

Ka raha IZY no MANJAKA ao am-po dia izay no hamelana ny heverintsika fa fahavalo satria raha ny marina tsy misy ny fahavalo fa fananganam-pahavalo no misy ary ny olombelona tsy mifoha no manana izany toetra izany ka ivavahana ny ahafahana hananatra azy.

Fa miverina kely amin'ilay Josoa naloto ankanjo aho hijerentsika hoe aiza ho aiza ny fitsaran'Andriamanitra. Ny olona dia raisiNY tokoa fa i Satana ve hahoany inona? IZY aza hananatra azy amin'ny alalan'ny fanaisorana tanteraka ny fitaka nahadiso fijery ny olombelona voariNY. Io no ahafantarana fa tsy misy conditions mihitsy IZY fa fitiavana mandrakizay no AZY.

Toa anao ihany io, raha maditra hatramin'ny fara-fofonainy ve ny zanakao, dia hafoinao? MEty ho eny ny valinteninao satria nofo ihany ianao fa raha fanahy manam-pitiavana kosa tsy hanary velively fa hanome lalan-kivoahana hatrany. Io ilay mandrakizay tsy vafetran'ny fotoana.

Ny amn'ny hoe raha hiverina amin'ny rahon'ny lanitra indray Kristy dia hoy aho hoe, ny Velona mandrakizay na anio aza izaho sy ianao no miantso AZY dia efa eo IZY ka asa hoe ahoana no halavirina IZY? tsy hitalahoana ny fiverenaNY fa antsoy IZY dia hamaly ahy sy ianao anio sy amin'ny fotoana rehetra mandrakizay. Ary ny fomba hataoNY amin'izany dia miteny ao anatintsika. raha tiantsik ho hita vatana moa IZY dia mazava fa hiseho tokoa na oviana na oviana.

Izaho mamaky ilay boky moa no manazava ireo aminao. Ary namaky tanteraka ny Baiboly koa aho no miteny aminao fa tsy hoe manary ny Baiboly. Manamafy izay voalazan'ny Baiboly aza ny voalaza ao anaty boky ary manitsy tanteraka raha sendra misy manafintohina ny olona ny ao anaty Baiboly na koa misy mahatonga ny olona tsy hahazo izay fifanipahan-kevitra voasoratra noho ny fandikan-teny misy tsininy.

Ny Fiadanan'i Kristy anie manjaka ao am-ponao ary ny Herin"Andriamanitra miasa ao am-ponao koa. Mahereza!
20. Maranatha ( 14/06/2011 10:51)

Miharena:

Araka ny voalazanao eo ambony io aza i Losifera hoy ianao mbola afaka hivoaka eto ambonin'ny tany fa tsy voavono mihitsy. Ary ilay resaka afo maharitra mandrakizay no tena raharaha: raha Fitiavana sy be famindram-po ve hahefa izany e!
Kristy aza nofantsihana mbola nilaza hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony!

Dia hoy aho aminao hoe dia diso ve izany io Teniny io ao @ Apok 21:8 io e?

Miharena:

Ka raha IZY no MANJAKA ao am-po dia izay no hamelana ny heverintsika fa fahavalo satria raha ny marina tsy misy ny fahavalo fa fananganam-pahavalo no misy ary ny olombelona tsy mifoha no manana izany toetra izany ka ivavahana ny ahafahana hananatra azy.

Ka mazava anie ny Teniny ao @ efesiana 6:12 jereo dia vakio fa tsy ny olona no fahavalon-tsika fa ny fanahy ratsy eny @ rivotra izay fahavalonay ihany koa.

Miharena:

Toa anao ihany io, raha maditra hatramin'ny fara-fofonainy ve ny zanakao, dia hafoinao? MEty ho eny ny valinteninao satria nofo ihany ianao fa raha fanahy manam-pitiavana kosa tsy hanary velively fa hanome lalan-kivoahana hatrany. Io ilay mandrakizay tsy vafetran'ny fotoana.

Fa tandremo sao diso fijery fa io no Drafim-panavotana farany (Ny nanomezana an'i Kristy) ho an'ny taranak'olom-belona. Tsisy lalan-kivoahana hafa intsony afatsy io: Izay no mahatonga an'I Kristy nilaza hoe miseseha hiditra ny varavarana ety ianareo ary ihany koa hoe Izaho no vavahady.

Miharena:

Izaho mamaky ilay boky moa no manazava ireo aminao. Ary namaky tanteraka ny Baiboly koa aho no miteny aminao fa tsy hoe manary ny Baiboly. Manamafy izay voalazan'ny Baiboly aza ny voalaza ao anaty boky ary manitsy tanteraka raha sendra misy manafintohina ny olona ny ao anaty Baiboly na koa misy mahatonga ny olona tsy hahazo izay fifanipahan-kevitra voasoratra noho ny fandikan-teny misy tsininy.

Fa izao an : Hoy ny tenin'Atra ao amin'ny Isaia 8:20" Ho @ lalàna sy ny tenin'ny vavolom-belona ihany fa raha tsy miteny arakaizany izy dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina" ka fanontaniana apetrako aminao hoe Miteny araka ny lalàna sy ny Didy folo ve ny olona nanoratra io bokinao io sa tsia fa raha tsy izany ohatry ny ho sarotra amiko ny hamaky io sao bedin'Atra eo aho koa. Mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.522