Mbola tokony hatao ve ireo fanompoam-pivavahana teo an-tempoly t@ andron'ny zanak'israely( lalam-pisoronana) toy ny Paska, Ascession, Pantekônty, Fitoerana @ trano ratsan-kazo sns....,

21. Miharena ( 14/06/2011 16:27)
Maranatha:

Dia hoy aho aminao hoe dia diso ve izany io Teniny io ao @ Apok 21:8 io e?

Jereo Zakaria voatanisa eo ambony dia hitanao ny atao hoe fanadiovana amin'ny afo. Izay natsangana ka tsy izy no dorana tsy hisy intsony. Josoa dia naloto lamba satria nanangana Satana harahina. Dia samy teo izay natsangany sy ny anjelin'Andriamanitra ary hoy Andriamanitra hoe hananatra anao anie Jehovah ry Satana. Fa Josoa nasainy nampiankanjoana akanjo tsara satria zanaNY fa tsy zanaky ny fahadisoana nataony na noforoniny.

Maranatha:

Fa izao an : Hoy ny tenin'Atra ao amin'ny Isaia 8:20" Ho @ lalàna sy ny tenin'ny vavolom-belona ihany fa raha tsy miteny arakaizany izy dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina" ka fanontaniana apetrako aminao hoe Miteny araka ny lalàna sy ny Didy folo ve ny olona nanoratra io bokinao io sa tsia fa raha tsy izany ohatry ny ho sarotra amiko ny hamaky io sao bedin'Atra eo aho koa.

Fanontaniana hafahafa ny anao Maranatha eo amin'ny ampahany faharoa fa ny eo amin'ny ampahany voalohany dia tiana hazavaina.
Misy mandentika ao anatinao fa ny Teny vavolombelona voalaza ao amin'ny Isaia io dia ny Didy folo. Tsy izany no dikan'io teny io fa I Jesoa Kristy no TENY Vavolombelona (Jereo ny bokin'i Jaona iray manontolo).
Manaraka izany, mpandalim-pinoana goavana izany nanoratra izany boky izany ary tsy nijanona tamin'ny famakiana ny Baiboly fotsiny fa nandeha nizaha izay fahamarinan'ny voalaza ao rehetra ka tamin'ny alalan'ny fikarohany an'i Jesoa mihitsy no nahazoany valiny avy AMINY.
Mampijoro be io boky io ary hahalalàna izay tena sitrapon'Andriamanitra tsy azo hozongozonina. Dia mba zaraina.

Mahereza e!
22. Maranatha ( 15/06/2011 06:56)

Miharena:

Misy mandentika ao anatinao fa ny Teny vavolombelona voalaza ao amin'ny Isaia io dia ny Didy folo. Tsy izany no dikan'io teny io fa I Jesoa Kristy no TENY Vavolombelona (Jereo ny bokin'i Jaona iray manontolo).

Ka iza moa no andetika ao antin'ny saiko ao afatsy ny baiboly ihany ry Miharena a!. Ka hoy aho aminao hoe Ny didy folo no tenin'ny vavolombelona araka ity teny ity Eksedosy 31:18 "....dia nomeny azy ny vatofisaka roa , izay nisy ny vavolombelona , dia ny vato fisaka voasoratry ny ratsatanan'Atra" dia ampio ny Eksedosy 32:15-16

Marihiko tsara aminao ry Miharena fa tsy irony karazan'olona mpanaradrenirano ireny aho na mpanaraka izay efa nohadihadian'ny olona fotsiny fa manaraka aho rehefa voaporofoko fa marina sy tokony ho harahina ary mifanaraka tsara @ tian'Atra ho lazaina ao anaty baiboly izay efa noahadihadin'ny olona, ka hita sy voaporofo fa olona niainga t@ "Base"izay nomen'Atra io olona io. Izay mantsy ilay voasoratra hoe aza mino ny fanahy rehetra fa izahao taratra aloha ny fanahy. Dia hoy aho aminao hoe sao mba tsara fakatahaka izany. Mahereza
23. Miharena ( 15/06/2011 11:46)
Maranatha:

Ka iza moa no andetika ao antin'ny saiko ao afatsy ny baiboly ihany ry Miharena a!. Ka hoy aho aminao hoe Ny didy folo no tenin'ny vavolombelona araka ity teny ity Eksedosy 31:18 "....dia nomeny azy ny vatofisaka roa , izay nisy ny vavolombelona , dia ny vato fisaka voasoratry ny ratsatanan'Atra" dia ampio ny Eksedosy 32:15-16

Mbola miaina amin'ny andron'ny vato fisaka izany Maranatha raha ity resaka ity fa tsy miaina arak'i Kristy. Ahitsio aho raha diso fiteny an!

Rehefa mamaky ny bokin'i Isaia manko aho dia manipy ahy any amin'ny bokin'i Jaona mikasika ny momba an'i Kristy izay voalaza ao fa tsy miverina any amin'ny vato fisaka voasoratra intsony.

Fa mandray izay endrika Baiboly ihany isika dia indro ohatra ny momba ny vato iray:

Habakoka 2:19 Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy. Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

Ity ny fanoharana momba ny vato izay manambara an'i Kristy:

Zakaria 3:9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]

Jesoa hodidinin'ny fanahy fito hita ao amin'ny Apokalypsy io.

Koa tsy fanaraha-driandrano no tokony hatao tokoa Maranatha fa mijery tsara ny zava-boalaza dia manamarina izay voalazan'ny Baiboly.

Efa nizaha taratra ny fanahy manoratra ilay boky koa aho anie Maranatha dia mahita fa marina tsy azo lavina ny Teniny e!

Raha misy olona tsy manara-drian-drano dia izaho izay miteny izao. Ny ahy raha tsy marim-pototra tanteraka tsy maharesy lahatra ahy mihitsy.

Mahereza ianao amin'ny fahaiza-manavaka Maranatha.
24. Maranatha ( 16/06/2011 06:32)

Miharena:

Mbola miaina amin'ny andron'ny vato fisaka izany Maranatha raha ity resaka ity fa tsy miaina arak'i Kristy. Ahitsio aho raha diso fiteny an!
Rehefa mamaky ny bokin'i Isaia manko aho dia manipy ahy any amin'ny bokin'i Jaona mikasika ny momba an'i Kristy izay voalaza ao fa tsy miverina any amin'ny vato fisaka voasoratra intsony.

Misaotra Miharena azoko tsara ny tianao tenenina. Fa tsy ilay vato ara-bakiteny io fa izay voasoratra teo amboniny. Raha nandalina ny momba ny fitoerana masina ao @ Hebreo toko faha 9 ny zanak'Atra dia nahita sy nahatsapa ireo zavatra tokony ho hita ao @ tempoly . Isika anefa no tempolin'Atra velona @ izao fotoana izao ary tokony mbola ho hita ao anatin-tsika ihany koa izany ireo zavatra rehetra fahita ao @ fitoerana masina ireo. Miharena a mbola tao ireo vatofisaka nisy ny soratanany, izay mbola tokony nho hita eo amintsika ihany koa.

Miharena:

Rehefa mamaky ny bokin'i Isaia manko aho dia manipy ahy any amin'ny bokin'i Jaona mikasika ny momba an'i Kristy izay voalaza ao fa tsy miverina any amin'ny vato fisaka voasoratra intsony.

Tsy niteny Izy hoe vato fisaka fa ny lalana (Tsy haiko ianao raha efa nandinika fa misy karazany telo ny lalana taloha Ka ity resahin'i Isaia sy iJaona ity dia ny lalam-pisoronana mikasika ny manodidina ny tempoly

Miharena:

Fa mandray izay endrika Baiboly ihany isika dia indro ohatra ny momba ny vato iray:

Habakoka 2:19 Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy. Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

Ity lazainao ity indray dia mikasika an'ireo mpanompo sampy manao Atra Vato aman-kazo.

Miharena:

Ity ny fanoharana momba ny vato izay manambara an'i Kristy:

Zakaria 3:9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]

Jesoa hodidinin'ny fanahy fito hita ao amin'ny Apokalypsy io.

Tsy diso io hevitrao farany io fa mipetraka tsara. Mbola hadinonao aza ilay hoe ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no tonga fehizoro sns...

Raha tena marina ny filazanao fa mitovy amiko tsy mpanara-drenirano ianao dia rehefa voaporofo @ toko sy andininy maromaro mifanohana kosa dia tokony ho ekena raha tsy hoe angaha mahatsapa ianao fa misy toko sy andininy maromaro mahatohitra azy ,@ izay dia mila mihiditra lalindalina kokoa amin'ny fandinihina ilay lohahevitra mba hahitana izay marina sy tian'ny tompo ho lazaina isika.

Mahereza ianao.
25. Maranatha ( 17/06/2011 10:26)
Tsy tokony hatao intsony ireo fomba fanompoam-pivavahana fanao tamin'ny andron'ny fitoerana masina teto an-tany. Ireo fety fiakaran'ny Jiosy any Jerosalema. Fa efa novain'ny Kristy @ endrina vaovao satria raha miova ny fisoronana (efa any an-danitra no manao asa fisoronana iKristy) dia miova ny lalana (lalam-pisoronana). Alokin'ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia Kristy kol 2:17 . Natao ho mpitaiza antsika ho @ Kristy mba hanamarinana antsika @ finoana Gal 3:24.
Ny Paska nosoloin'ny Kristy Fandraisana fanasan'ny Tompo
Ny Pantekosta na voaloham-bokatra efa vitan' ny mpianatra tamin'ny nilatsahan'ny fanahy masina ka nahazahoan'izy ireo olona 3000 ho voaloham-bokatra.
Ny andro fanavotana efa lasa Fitsarana famotopotorana.
Ny fanaterana zanak'ondry (na voromaillala) ho famelan-keloka efa nosoloin'i Kristy ny ra-ntenany mihintsy.
Osilahy famono isan-taona mandritra ny andro fanavotana efa nosoloi'ny Kristy ny rany ihany koa.
Ny mpisoronabe efa i Kristy
SNS... Koa aza mety ho fitahana ary ka mbola manao ireny fanompoam-pivavahana ireny intsony fa toy ny tsy mino an'I Kristy raha mbola manantanteraka ireny satria toy ny manao hoe mbola tsy tonga i Kristy ka tsy mbola misy zavatra miova ny @ fanompoam-pivavahana
Aloka ihany ireny. MAHEREZA ARY O!

26. bor2lais ( 17/06/2011 13:48)
maranatha:

Ny Paska nosoloin'ny Kristy Fandraisana fanasan'ny Tompo
Ny Pantekosta na voaloham-bokatra efa vitan' ny mpianatra tamin'ny nilatsahan'ny fanahy masina ka nahazahoan'izy ireo olona 3000 ho voaloham-bokatra.
Ny andro fanavotana efa lasa Fitsarana famotopotorana.
Ny fanaterana zanak'ondry (na voromaillala) ho famelan-keloka efa nosoloin'i Kristy ny ra-ntenany mihintsy.
Osilahy famono isan-taona mandritra ny andro fanavotana efa nosoloi'ny Kristy ny rany ihany koa.
Ny mpisoronabe efa i Kristy
SNS...

Raha nijanona hatreo ny resakao dia nahafinaritra satria endrika fizarana no nataonao !
Saingy nampianao an'ity :
maranatha:

Koa aza mety ho fitahana ary ka mbola manao ireny fanompoam-pivavahana ireny intsony fa toy ny tsy mino an'I Kristy raha mbola manantanteraka ireny satria toy ny manao hoe mbola tsy tonga i Kristy ka tsy mbola misy zavatra miova ny @ fanompoam-pivavahana

Dia hoy aho hoe "izany indray angaha no malaza any" ? :-)
27. Miharena ( 17/06/2011 14:52)
Misy zavatra roa mifanipaka tokoa aloha ny resahan'i Maranatha rehefa mamaky azy aho satria izy milaza fa arahina ny didy folo sy ireo endrika fanompoana teo an-tempoly atsy ambadika, eto indray izy milaza fa tsy misy tokony hanaovana ireo fankalazana maro izay nolovaina tamin'ny Jiosy sy Kristiana maro ireo.
Ka ilay Didy folo sy ny tabernakely ve izany tsy anisan'ireo fomba fivavahana?

Fa eo ihany isika, dia manomboka mahita aho fa efa te-handrava izay zavatra taloha fa hanavao amin'izay i Maranatha raha ilaozany koa ilay Didy folo izay nosokafany tatsy ambadika tatsy.

Ireto indray no mamaritra ny fomba vaovao hiresahana amin'Andriamanitra, ary tsy hoe taorian'i Kristy ihany fa efa ela.

Hebreo 8:10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

IPetera 3:4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.

IPetera 3:15 fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,

IIPetera 1:6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra.

Ity farany voatsipika ity no tanjon'ny fitoriana.

Saingy raha toa ka tsy nasiana fihaonana amin'ny mpiara-mivavaka na fifanakalozan-kevitra maro ary ao anatin'izany ireo fankalazana ny andro isan-karazany dia tsy misy fampianarana ho an'ny taranaka mifandimby teto. Ary tsy anisan'ny nanao fanehoan-kevitra momba ny finoana teto akory aza isika rehetra.

Izany tsy midika fa hifikitra amin'ny fombafomba fa rehefa tonga ny fotoana tsy hanaovana izany intsony dia tokony mba hanana fandavana izany isika mianakavy (Io ilay miala amin'ny sampy rehefa hita taratra fa manjary toa sampy = fahazarana no ivavahana fa tsy mampitombo).

Dia mahereza Maranatha !
(PS. efa mba namaky ilay boky ve ianao? Na dia tsipalotra fotsiny aza? Araka ny fahitako azy manko dia izay namaky ilay boky dia miala amin'ireo fombafomba fankalazana ireo fa mampitoetra an'Andriamanitra ao am-po).
28. Maranatha ( 20/06/2011 12:51)

Miharena:

Misy zavatra roa mifanipaka tokoa aloha ny resahan'i Maranatha rehefa mamaky azy aho satria izy milaza fa arahina ny didy folo sy ireo endrika fanompoana teo an-tempoly atsy ambadika, eto indray izy milaza fa tsy misy tokony hanaovana ireo fankalazana maro izay nolovaina tamin'ny Jiosy sy Kristiana maro ireo.
Ka ilay Didy folo sy ny tabernakely ve izany tsy anisan'ireo fomba fivavahana?
Fa eo ihany isika, dia manomboka mahita aho fa efa te-handrava izay zavatra taloha fa hanavao amin'izay i Maranatha raha ilaozany koa ilay Didy folo izay nosokafany tatsy ambadika tatsy.

Eo mihintsy no betsaka no tsy mahay manavaka. Dia tsy mahatakatra izay tian'Atra ho lazaina Hoy Jesosy ao @ Matio 5:18 "Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany dia tsy hiisy ho foana akory ny lalàna na dia tendro-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra"
Midika fa tsisy foana akory ny lalàna ( isan'izany ny LALAM-PISORONANA, ny lalàn'Atra izay ny Didy folo) fa rehefa lasa any an-danitra i Kristy ka nanomboka nanao ny asan'ny mpisorona , sy ny asan'ny mpisoronabe any an-danitra izay misy ny fitoerana masina ankehitriny dia miova ny lalam-pisoronana lasa ny lalan'ny Kristy no ampiasaina fa tsy ny lalana momba ny fanompoam-pivavahana ( ireo andro voatendry ho hamasinina) izay nomena an'I Mosesy (Vakio ny Eksodosy 34)dia izay fomba fanompoam-pivavahana nampianarin'ny Kristy no hatao (Oh: Nandritra ireo andro voatendry ireo dia tsy maintsy miakatra any jerosalema ny jiosy manatanterka ireo. ankehitiny dia hoy Izy na aiza na aiza no hiangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia eo afovoany Aho)
Ny tempolin'Atra izao efa izaho sy ianao; hoy ny Eksodosy 25:9 "araka izay asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia arak'izany no hanaovanao azy" Ireo fanaka ireo dia hitantsika ao @ hebreo toko 9. izay tsy maintsy tokony ho hita ao anatin-tsika ihany koa fa amin'ny endriny nanazavan'ny Kristy azy. Ohatra " ny mofo aseho dia i Kristy Jaona 6:35" Hoy Jesosy taminy Izaho no mofon'aina ........." Ny latabatra misy ny mofo aseho dia ny filazan-tsara. Ny fanaovan-jiro fito-ratsana izay fanazavana ny tempoly dia tsy iza fa iKristy Jao 8:12 "...Izaho no fahazavan'izao tontolo izao...". Ny lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra Apok 5:8 "ireo vavaka ataon'ny olona masina" Sns...
Ny vato fisakin'ny fanekena izay nisy ny tenin'ny vavolombelona dia mbola hita ao dia tsy maintsy hita ao anatitsika ihany koa tsy rava izany mihintsy io. Tokony hiisy Didy folo mandrakariva izany ao anatin'ny fon-tsika ao. dia manazava ho azy ireto teny notsongainao manaraka ireto

Miharena:

Hebreo 8:10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

IPetera 3:4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.

IPetera 3:15 fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,

IIPetera 1:6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra.

Miharena:

(PS. efa mba namaky ilay boky ve ianao? Na dia tsipalotra fotsiny aza? Araka ny fahitako azy manko dia izay namaky ilay boky dia miala amin'ireo fombafomba fankalazana ireo fa mampitoetra an'Andriamanitra ao am-po).

Tsy mbola namaky aho aloha, ny ato miadana ben y connexion dia ela be vao mahavita telechargement

Mahereza
29. Maranatha ( 22/06/2011 10:28)
Paska, Pantekônty, Intelo isan-kerin-taona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'Atra, Fitoerana @ trano rantsan-kazo, Fanavotana sns.... Ireo fanompom-pivavahana rehetra natao t@ tabernakely teto an-tany ( vakio Eksedosy 34) dia ilay lazain'ny kol 2:17 "Alokin'ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an'i Kristy" rehefa maty i Kristy ka nitsiatra nizara roa ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia nifarana teo ny fanompoam-pivavahana t@ tabernakely teto ambonin'ny tany. Any an-danitra indray no atao ny fanompoam-pivavahana @ tabernakely izay tsy nataon'olona, I Jesosy no mpisoronabe fa tsy olona intsony. Fanekena vaovao indray no hatao.

Raha mbola manao ireny isika dia toy ny olona tsy mino an'i Kristy. Ary ny fanatanterahana ireny andro ireny no nahatonga an'i Paoly niteny ny mafy ny olona tany Galatia Gal 3:1-5" Ry Galatiana adala, iza no manimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo t@ hazofijaliana..... moa avy @ asan'ny lalana va izany sa avy @ fitoriana ny finoana" hazavaiko , Ny lalana seremonialy rehetra manodidina ny fanompoam-pivavahana t@ andron'ny zanak'israely teto ambonin'ny tany (fanekena taloha)dia efa nifarana t@ fahafatesan'ny Kristy fa mivadika fomba hafa ny fanantanterahana azy (fanekena vaovao) raha miova ny fisoronana dia miova ny lalàna.( Hivereno hianarana ny lesona mikasika ny fitoerana masina dia azavain'ny Bokin'ny Hebreo izy rehefa avy eo)

Oh: Ny paska : Tsy manaraka iny paska nataon'ny zanak'israely iny intsony fa hoy izy ao @ I kor 5:7 "Esory ny masirasira ela...Fa voavono i Kristy Paska ho an-tsika" Hatreo dia hampiasaina ny fanompoam-pivavahana naorin'ny Kristy manao hoe Izao no ataovy ho fahatsiarovanareo ahy I kor 11:26 "fa na oviana na oviana ianareo no......dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandram-pihaviny"

Ny Pantekosta : Efa tanteraka iny ny nandraisan'ny mpianatra ny fanahy masina ka nahazoana olona marobe nanampy ho isan'ny mpino ho voaloham-bokatra t@n' izany. Asa toko 2

Fiakaran'ny lehilahy rehetra any jerosalema: Efa hoy i Kristy na aiza na aiza no hiangonan'ny roa na telo @ anarako dia eo afovoany aho. Tsy hilaina intsony ny miakatra any Jerosalema, na mitodika manadrify an'i Jerosalema rehefa hivavaka (toy ny fanao taloha: jereo ny Bokin'ny Daniela).

Ny andro fanavotana: famelana ny heloky ny israely tanteraka, fanadiovana ny fitoerana masina indrindra t@ andro fahafolo @ volana faha-fito Izay efa lasa Fitsarana any an-danitra
nanomboka t@ fahataperan'ny 2300 andro ao @ Dan 8:14 (1844 ka h@ izay fotoana hialan'i Kristy ao @ efitra masina indrindra (tempoly) ka ilazany indray hoe VITA" Apok 16:17:" ary ny fahafito ...dia nisy feo mahery nivoaka teo @ tempoly, teo @ seza fiandrianana, nanao hoe: Vita) izay efa hiainan-tsika @ izao fotoana izao.

Sns....

Ireny ilay lazain'ny Gal 3:24-25 "Koa ny lalana dia mpitaiza an-tsika ho @ Kristy, mba ho hamarinina noho ny finoana isika, fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin'ny mpitaiza intsony isika" Ireo lalam-pisoronana rehetra no voakasik'izay.

Marihiko tsara anefa fa ny Sabata ( andro fahafito) tsy tafiditra ao anatin'io satria dia Didin'Atra tsy maintsy atao sy mbola hatao any an-danitra ( Isaia 66:22-23) ary hita fa mbola notohizan'ny apostoly taty aoriana rehefa lasa i Kristy

Mahereza daholo mandinika ny Tenin'Atra Hoy ny IITIM 2:7 "Diniho izay lazaiko fa omen' i Tompo fahazavan-tsaina ny @ zavatra rehetra ianao" .Mahereza
30. Miharena ( 24/06/2011 03:03)

Marihiko tsara anefa fa ny Sabata ( andro fahafito) tsy tafiditra ao anatin'io satria dia Didin'Atra tsy maintsy atao sy mbola hatao any an-danitra ( Isaia 66:22-23) ary hita fa mbola notohizan'ny apostoly taty aoriana rehefa lasa i Kristy

Tsy zary fankalazana andro indray ary ve eto fa tsy FINOANA an'i Kristy ao am-po?

Ao am-po be dia be no naverina tamin'ny tanisa eo ambony. Izay no fahatanterahana. Rehefa IZY avelanao hiasa ao anatinao tanteraka fa tsy saronanao izay fahadisoam-piheverana angoninao avy eny ivelany toy ny fankalazana andro sy fanadiovana toerana ivelan'ny tena.

Rehefa azo tsara izany dia tsy hihevitra hanadio toerana masina indrindra ivelany intsony isika fa ny FONTSIKA no TEMPOLY efa natolotra rehefa mibebaka manala izay ota nanarona ny ENDRIK'Andriamanitra nomena antsika tsirairay avy.
Tsotra dia tsotra ny zavatra ambara ary matoky aho fa azonao tsara. Mahereza.
31. Maranatha ( 24/06/2011 06:56)

Misaotra Miharena! azoko tsara ny tianao lazaina fa eo mihintsy ilay hilazana fa tery ny lalana ka vitsy no mahita azy
Eto aho vao mahatsapa fa tokony nampitako aloha ny fianarana momba ny lalana sy ny fahasoavana izay mifameno tanteraka , fa tsy maninona fa omeko santionany kely ianao e!

Rom 3:20 "satria tsy misy nofo hohamarinina @ asan'ny lalana eo anatrehany; fa ny lalana no ahazahoana ny fahalala marina ny amin'ny ota"
Ijaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna"

Hatreto aloha dia hoe raha mandika ny lalàna izany isika dia mpanota

Gal 2:17 "Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika nefa ny tenan-tsika ho hita fa mpanota, moa mpanompon'ny ota va Kristy? sanatria izany!

Raha mitady ho hamarinina @ fahasoavan'ikristy isika nefa ho hita fa mpandika lalàna moa mpanompon'ny mpandika lalana va i Kristy ? SANATRIA IZANY

Ny Didy folo no resahiny amin'ireo lalàna ireo. Izay no mahatonga antsika tsy maintsy sy tokony hitandrina izany. sady hoy koa Izy raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny Didiko, porofom-pitiavana an'Atra koa ny mitandrina ireo Didiny ireo.
Tsarovy tsara fa ny olona ihany no novolavolain'ny tanany t@ zavaboahary rehetra fa ny sisa noteneniny fotsiny dia nisy sy io Didy folony io izay ny ratsatanan'Atra mihintsy no nanao azy .

Miharena a! midira @ vavahady ety e, tsy maninona na tery aza ny lalana. fa Ilay fiainana mandrakizay rahatrizay eritreretina. Tsy mora tokoa anie ny Mitondra ny anaran'i Kristy. Ka hiteny hoe izahay Kristiana. Mahereza e!

32. Miharena ( 24/06/2011 14:49)
Maranatha:

Miharena a! midira @ vavahady ety e, tsy maninona na tery aza ny lalana. fa Ilay fiainana mandrakizay rahatrizay eritreretina. Tsy mora tokoa anie ny Mitondra ny anaran'i Kristy. Ka hiteny hoe izahay Kristiana. Mahereza e!

Marina ny filazanao raha manao hoe vitsy no mahita ilay lalana mankao amin'ny vavahady ety.
Inona no antony? Mazava fa rehefa be dia be ny hevi-diso mandifotra ny olona dia tsy ho hitany mihitsy ny lalana fa tototr'izao hevitra mifamahofaho rehetra izao. Anisan'izany ny adihevitra miseho momba ny lalàna sy ny famonjena ka adino tanteraka ny FOTOTRA nipoirana.
Raha mandray io FOTOTRA nipoirana io dia tsy hiady hevitra momba ny ota mandifotra fa miezaka manapariaka fa MAZAVA no fiandohan'izao rehetra izao. Ary hita mibaribary izany MAZAVA izany ka tsy azo rebirebena amin'ny sarontsarona intsony ka migodana mandeha amim-pifaliana aza ny olona. Ety ny lalana satria ao am-PO ka bitika dia bitika no fijery azy. Saingy hoy ny Tompo hoe, natoky tamin'ny kely ianao koa indro ataoko ho mpanapaka ny be.

Fahatsorana no tadiavina amintsika dia afaka isika fa rehefa tratry ny masirasiran'ny Fariseo (=hevitra mifamahofaho) dia mangidy hoa azy eo.
33. Maranatha ( 27/06/2011 06:33)

Miharena a Hoy ny Ohab 14:12 "Misy làlana ataon'ny olona ho mahintsy. kanjo mivarina any @ fahafatesana no hiafarany." Misy olona tena tsotra be fa tsy mahafantatra ny marina dia mitovy @ tsy nahatanteraka ihany. Izany anie no hanirahan'i Kristy antsika hoe torio @ olon-drehetra ny filazantsaran'ity fanjakana ity e! ho vavolombelona izay vao ho tonga ny farany.

Tsy mifamahofaho izany io fa mila mianatra kely fotsiny ianao dia mandeha ho azy io. Tsy fahampiam-pâhalalana no mahatongailay izy mifamahofaho sy ihany koa tsy nampianarin'ireo fiangonan-dehibe ny mpivavaka ao aminy intsony. Hoy ny HOSEA 4:6 "Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana..."

Mahereza ry Miharena a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3807