Inona no atao hoe filazantsara ?

1. 0uioui ( 31/05/2011 11:45)
- Kristy maty araka noho ny fahotantsika , natsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo, mipetraka eo ankavanan'Atra Ray Tsitoha ,ary mbola ho avy indray handray antsika izay miorina tsara ao Aminy ! ...
novalian'i Tefigasy ny 30/06/2011 12:05
2. rekinbelo ( 31/05/2011 12:13)
Fanambarana ny fiavian'i Jesosy kristy sy ny asa ataony fony izy teto an-tany ary ny zvt kendreny fitorian'i Jesosy kristy momba ny fanjakan'Atra ary ny tombotsoa entin'io Fanjakan'Atra ho antsika olombelona.
3. Miharena ( 31/05/2011 14:47)
Ny Filazan-tsara dia ny famohazana ny olona ho iray ao amin'ny RAY. Ny fampahatsiarovana azy fa IZY irery ihany no fiandohana sy fiafarana izay mitrotro antsika sy ao anatintsika voariNY.
4. Mpanazava ( 01/06/2011 09:32)
TOKONY hitory ny «vaovao tsaran’ilay fanjakana» ny Kristianina, ka hanazava amin’ny olona fa io Fanjakana io dia fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo araka ny fahamarinana. Misy fomba hafa ampiasana ny teny hoe «vaovao tsara» koa anefa ao amin’ny Baiboly. Hitantsika ao, ohatra, ny hoe ‘vaovao tsarmomba ny famonjena’, «vaovao tsaran’Andriamanitra», «vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.»â€”Salamo 96:2; Romanina 15:16; Marka 1:1.
Raha tsorina, dia anisan’ny vaovao tsara ny fahamarinana rehetra nolazain’i Jesosy sy nosoratan’ny mpianany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: «Koa mandehana ary, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.» (Matio 28:19, 20) Tsy ny hitory momba ilay Fanjakana fotsiny ary no asan’ny tena Kristianina, fa ny hanao mpianatra koa.
Momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny famonjena avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ilay vaovao tsara.
5. rekinbelo ( 01/06/2011 11:32)
Azoko tsara ny tianao ambara ry mpanaza ary tokony hanao io zvt lazain'ni Jesosy io avokoa ny olona rehetra izay tena kritianina.
Maro anefa no mieritrerirtra fa rehefa mivavak dia mety avokoa.tsy izay anefa no itsarana antsika fa ny zvt vitantsika momba ny sitrapon'Atra sy ny asan'ilay Fanjakana.
KOa mirary soa ho ani'reo maniry hanompo an'i Atra Velona mandrakizay sy mblo hanompo azy koa ao tontolo iray vaovao izay antenaintsika.
6. Miharena ( 01/06/2011 13:56)
Rekinbelo:

KOa mirary soa ho ani'reo maniry hanompo an'i Atra Velona mandrakizay sy mblo hanompo azy koa ao tontolo iray vaovao izay antenaintsika.

Mba azonao velabelarina ve ny fomba hahatogavan'ilay tontolo vaovao Rekinbelo?
7. rekinbelo ( 03/06/2011 11:12)
Ny andro fahafito dia mbl tsy tapitra raha mamaky tsara ny Genesisy ianao.Mbola tsy taneraka araka ny sitra-pon'Atra ny tany, tsy lasa paradisa araka ny niheverany azy. satria vao nanomboka ny andro faha-7 dia nanota i Adama sy Eva.Rehefa vita anefa ny Fanjakan'i Kristy 1000 taona dia tapitra ny andro faha-7 ka ho tonga araka ny irin'Atra azy ny tany ka ho lasa paradisa ny tany manontolo ary io ilay tontolo vaovao ambarako etsy ambony .
Izany hoe araka ny nanirian'Atra azy t@ voalohany ny tany @ izay fotoana izay.
8. Miharena ( 05/06/2011 17:02)
Ny tany angamba Rekinbleo tsy dia hoe ratsy fa ny olona no nanimba azy. Ny fanontaniako moa dia hoe ahoana no fomba hahatongavan'ilay tontolo vaovao nefa lasa fanisana andro no itondan'i Rekinbleo ny famaliana ilay fanontaniana fa tsy ny endrika hisehoan'ny atao hoe Paradisa sy ny tena hatao hoe Fanjakan'Andriamanitra izay heverina fa atao hoe filazantsara marina araka ny loha-hevitra.

Ny Filazantsara moa no resahana ka manome endrika kely ihany aho ny momba ny tontolo vaovao dia ny fifohazan'ny olona ao amin'ny Ray, izany hoe fahatsapana tanteraka fa avy amin'Andriamanitra daholo izy rehetra ka ho to ilay resak'Andriamanitra hoe : 'ho avy ny andro ka tsy hisy hiteny amin'ny rahalahiny intsony hoe tiava an'i Jehovah ianao fa hosoratako ao am-pony ny lalako."
9. Tefigasy ( 30/06/2011 12:05)
Raha valiana ao anaty fehezan-teny iray : "i Jesoa Kristy no atao hoe filazan-tsara". Ny fitoriana an'i Jesoa Kristy no atao hoe fitoriana ny filazan-tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4098