ahoana no nampisy antsika?
1. Mpanazava
(
30/05/2011 12:35)
Evolutionina (Mivoatra miandalana) ve sa noforonina.
novalian'i Miharena ny 08/06/2011 04:24
2. knoppix
(
30/05/2011 14:13)
Tsy misy mahay mamaly izany, satria raha misy milaza ny valiny dia misy fanontaniana indray avy eo hoe: "Ary talohan'izay?".
Ohatra: Raha milaza fa noforonin'Andriamanitra izao tontolo izao => Ary talohan'izay?
Raha niforona amin'ny alalàn'ny fivoharana (evolution) indray dia misy foana => Ary talohan'izay?
Tsy mana-pahataperana raha izay no ilazana azy (infini).
3. Miharena
(
30/05/2011 15:44)
Mirahaba an'i Knoppix sy Mpanazava,
Fanontaniana manitikitika tokoa ilay izy fa ny hany mba azontsika ankehitriny lazaina dia misy fotsiny isika aloha izao.
Ny resaka ataon'ny tatsinanana ao Azia ohatra dia milaza hoe: tamin'ny voalohany dia te-hahita ny Tenany Andriamanitra satria Izy tsy nisy endrika taloha, dia izay no nampipoirany Azy tamin'ny alalan'ny zava-boary marobe tsy hita pesimpesenina izay mivoatra ary hitantsika ankehitriny. Io resaka fivoarana io dia avy amin'ny sela na atoma iray ihany izay nivoatra ary nanome endrika isan-karazany araka ny fitanbatambarany sy firindrany avy.

5. rekinbelo
(
31/05/2011 12:16)
Mizara maromaro ny hevitra mikasika io Mpanazava.raha ho antsika mino ny Baiboly dia mazava ho azy fa Atra, fa raha ireo mino ny science kosa dia Evolution ary raha olona athé kosa dia lazaina fa nisy par erreur isika olombelona izay no mahatonga ny olana eto an-tany.raha boudiste ko noiresahanao dia hafa mihitsy ny conception momba nyfisian'ny olombelona.
Samy manana ny définition momba io ny fivavahan tsirairay, eny fa na ny tsy fivavahana aza dia toa izany ko.

6. Miharena
(
31/05/2011 15:17)
Samy famariparitana tsy manam-pototra daholo ireo voatanisan'i Rekinbelo ireo fa ny tena fototra aloha dia misy isika. Rehefa esorina daholo ny singa rehetra manome fotoana sy ny zavatra hita maso sy azo tsapaintanana dia miharihary ilay atao hoe Fisiana Fototra ka Andriamanitra Loharanon'izao rehetra izao io.
7. rijadolly
(
01/06/2011 19:34)
ahoana no nampisy antsika? Evolutionina (Mivoatra miandalana) ve sa noforonina.
Noforonin' ILAY Mpamorona
9. gasyjean
(
03/06/2011 20:32)
sarotra valiana!!
Adama sy Eva no olona voalohany,dia nana zanaka lahy roa Kaina sy Abela,dia maty anefa i Abela rehefa novonoin'i Kaina,(izany hoe olona telo sisa no nisy, roa lahy sy vavy iray)
dia avy eo tsy haiko intsony tohiny,ny nihaviantsika maro be izao.sa hoe niteraka vavy indray i Adama sy Eva avy eo, dia iny zanany vavy iny indray no nalain'ny i Kaina ho vady dia niteraka koa ireto ka nitohy tahaka izay daholo hatramin'ny nisian'ny vahoaka israelianina tam-boalohany
(satria mety hoe tamin'izany fotoana izany mbola tsy fady ny fifampivadiana eo amin'ny samy mpianakavy ).Eritreritra iny ny ahy reolonaee!!!

10. AndriambyII
(
07/06/2011 21:38)
gasyjean:

Tantara ihany izany hoe Adama sy Eva izany . Raha ny tena marina dia olombelona marobe no indray niforona t@ vanim-potoana nisian' ny mutation biologique taorian' ny periode du premiere glaciation niseho teto antany . Rehefa ringana ny ireo espece primitive dia niforona ireo derivée batraciens , Arakaraky ny maripàna sy ny toe-tany ary ny toetrandro , dia nitsimoka ny zavaboahary sy ny hazo ary ny biby nitovitovy t@ntsika olombelona ary ireo voromanidina sy ny sisa .
11. Miharena
(
08/06/2011 04:24)
Mbola tsy ampy ny an'i Andryabyll raha milaza ireo evolution ireo fa ny tokony ho fantatra momba ny famoronana dia izay nanome ny atoma aloha na koa aza izay nanome ny tsy fisiana manavaka ny fisiana. Raha toa ka mandinika izany dia mazava fa efa nisy hatrizay isika fa tsy araka ny fiheverana azy hoe tsy teo vao nisy avy eo. Ny zava-drehetra dia tsy misy very fa mivoatra ka noho izany isika dia efa teo hatrizay hatrizay fa niovaova endrika hatrany ary mbola hiova endrika hatrany mandrakizay.