Sarin'i Jesosy

1. daran ( 27/05/2011 17:09)
Betsaka zay sary masin'i Jesosy hitako izay. Fa maninona kay no ohatrany atao mampalaelo b foana ny sariny e? :-); tsis mitsiky mints fa ohatrany manao mampalaelo kely foana.
novalian'i hery ny 30/06/2011 14:51
2. hery ( 28/05/2011 05:34)
Misy ihany ka







3. hery ( 28/05/2011 05:38)






Jereo eto ny ambiny: http://goo.gl/spHDi
4. bor2lais ( 28/05/2011 10:30)
Izao izany ilay hoe : samy manana ny Jesosy-ny ! :-)
5. mpive ( 28/05/2011 17:16)
fa ny iombonan'izy rehetra dia samy endrika feno hafaliana izy rehetra
6. rijadolly ( 29/05/2011 03:54)

daran:

Betsaka zay sary masin'i Jesosy hitako izay. Fa maninona kay no ohatrany atao mampalaelo b foana ny sariny e? :-); tsis mitsiky mints fa ohatrany manao mampalaelo kely foana.

Hafa koa in fanamarihana iny
7. daran ( 29/05/2011 07:10)
misaotra am lé sary e, hahahaah. Ka za mantsy mpanao collection sary masina tam zany fotoana zany d ref tena nandinika ao d tsisy mitsiky mits ny sarin'i Jesosy sy Maria nananako. Reo sary reo kosa ngamba taty afara o?
Fanamarihana kely ftsn iny ka :-)
8. daran ( 29/05/2011 07:11)
fa zao koa e, toa lava volo foana koa izy? fa maninona kay?
9. reve ( 29/05/2011 16:03)
salama daholo e! ary ity misy fanontaniana kely; ary tena sur ve nareo fa hoatran'io izy ?
za sahy milaza fa tsy hoatran'io le zanak'Andriamanitra tonga nofo sady mamaly ilay namana eto ambony hoe TSY LAVA VOLO IZY ! Fanamarihana: ao anaty Baiboly ihany no anomezako ny valiny
10. rijadolly ( 29/05/2011 17:31)
Ny an' Reve kosa sao dia ankamatatra, raha izay dia alefaso ao amin' " antsikana sy lalao" fa betsaka mamaly ao.
11. 0uioui ( 31/05/2011 11:49)
Tsy de tena hoe otran'io izy angamba fa ny endrik'olona tamin'io firenena io sy fomba fitafiny sy ny vanimpotoanany sy izy tsy nomarihana tao amin'ny baiboly mihitsy hoe niavaka tamin'ny rehetra fa de nitovy samy lava volombava otran'ny tao ami'ny fireneny , lava volo nanao akanjo lava ....etc fa i jaona izao no nisy filazana kely taminy noho izy nanao akanjo hoditra !...
12. reve ( 05/06/2011 17:38)

rijadolly:

Ny an' Reve kosa sao dia ankamatatra, raha izay dia alefaso ao amin' " antsikana sy lalao" fa betsaka mamaly ao.


salama rijadolly! voalohany: sanatria ny ananihany anareo fa vakio ny Isaia 53 dia diniho tsara hoe iza no voalaza ao ! faharoa: mianara Histoire mianara teny vahiny ankoatran'ny teny frantsay ohatra teny sinoa , allemand, anglais, sns..... fa any no ahitana zavatra maro aza mionona fotsiny amin'izay lazain'ny any ampiangonana fa ANDRIAMANITRA dia tadiavina fa tsy omem-potsiny be ny Marina tsy ambaran'ny Frantsay amin-tsika raha io resaka fivavahana io no resahina
13. madagass ( 30/06/2011 11:27)
Salama jiaby atsika rehetra .Raha momba ny sariny Jesosy manokana dia aoka isika tsy ho voafitaka fa mazava tsara ny endriky Jesosy ao @ isaia53 io toy izao ny endriny :
2 Fa nisondrotra teo anatrehany izy, tahaka ny hazo madinika marefo,
tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin'ny tany karankaina;
tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika;
na bika namelona ny fitiavantsika.
3 Nesorina sy nilaozan'ny olona izy,
olona ory sady zatra ny fijaliana;
hoatra ny zavatra hisaronan'ny olona tava;
natao faneso sy tsy nahoantsika velively.
Na ny Apostoly aza dia nilaza ao @ korontiana faharoa 5:16
"16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala ny Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay azy ankehitriny."
Izany hoe tsy tokony @ nofo intsony no alalana an'i Jesosy ary Jesosy volaza ao @ isaia teo fa tsy bogosy sady tsy malama volo naharikoriko olona ny endriky Jesosy t@ izy teto ambonin'ny tany.
14. hery ( 30/06/2011 14:51)
Aza dia mandray an-tendrony ho'a.

Izaia tsy niteny ny toe-batana (physique) an'i Jesoa mihitsy.

Tsy misy mahalala hoe ohatra an'iza marina ny sarin'i Jesoa, na dia i Izaia mpaminany aza. Fa vinavina no atao, hoe misy tongotra sy tanana sy loha sy maso sy orona izy. Dia mitovitovy amin'ny olona niara-niaina taminy ny fitafiny sns.
Ny zavatra fantatra fotsiny dia hoe nalain'ny miaramila romana natao loka ny akanjony. Izany hoe nahaliana ny miaramila, ka mety nitovy taille tamin'ny miaramila romana izy. Izany hoe azo eritreretina hoe ranjanana ihany izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1757