Tafavoaka velona amin'ny andro farany.

1. Mpanazava ( 27/05/2011 08:38)
"Maro no olona mino fa hifarana tsy ho ela ity tontolo ity. Mety ho tafavoaka velona amin'izany isika, ka hiaina amin'ny tany Paradisa?

"Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah." Zefania 2:2,3

novalian'i Miharena ny 05/06/2011 17:32
2. Miharena ( 27/05/2011 11:45)
Ilay andro fahatezeran'i Jehovah angamba no tokony hazavaina tsara Mpanazava eto.

Izany hoe izy io dia ny fahafoanan'ny zavatra tsy natsangaNY raha amiko fa asa hoe ahoana no hamaritan'i Mpanazava izany faharavana hihatra izany?
3. reve ( 29/05/2011 16:14)
Tsara be le hoe mitadiava an'i IEHOVAH fa izao vakio tsara aloha ity: SALAMO 147/19,20 ity de fantatrareo hoe amin' IZA IHANY no miresaka sy mamaly IZY (domaine de definition) ? raha mila valiny de omeko araka izay voalaza ao anaty Baiboly IHANY!
4. rijadolly ( 29/05/2011 18:03)
SALAMO 147 : 19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy
Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.20 Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy;
Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia

Reve:

raha mila valiny de omeko araka izay voalaza ao anaty Baiboly IHANY!

Mila valiny ô!
5. Mpanazava ( 31/05/2011 05:59)
Tena ratsy ny fiainana tamin’ny andron’i Noa. Nasehon’i Noa tamin’ny zavatra nataony
anefa fa vonona izy rehefa hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra ka hanatanteraka ny fampanantenany. Alao sary an-tsaina ny zava-tsarotra natrehiny. Nikomy ny anjely sasany ka nitafy nofo ary nanambady vehivavy tsara tarehy tety an-tany. Niteraka «olo-mahery» natanjaka noho ny olombelona izy ireo.(Gen. 6:4) Nihetraketraka tamin’ny hafa ireny olona goavam-be ireny, ary nanakorontana tany amin’izay rehetra nalehany, ka nanjaka ny herisetra. Betsaka ny faharatsiana, vokatr’izany. Lasa ratsy be koa ny fitondran-tenan’ny olona sy ny toe-tsainy. Namoaka didy ary i Jehovah, Tompo Fara Tampony, hoe handringana ny ratsy fanahy izy, amin’ny fotoangana ny ratsy fanahy izy, amin’ny fotoana voatondrony.—Vakio ny Genesisy 6:3, 5,11, 12.
Nilaza i Jesosy fa ho toy ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa ny hitranga amin’ny
androntsika.
(Mat. 24:37) Mbola manakorontana ety an-tany, ohatra, ny fanahy ratsy.
(Apok. 12:7-9, 12) Marina fa tsy afaka mitafy nofo toy ny tamin’ny andron’i Noa ny demonia ankehitriny. Mbola miezaka foana anefa izy ireo hifehy ny olona rehetra, na ny tanora na ny antitra. Faly ireny fanahy tsy hita maso ireny, rehefa mahita ny zava-dratsy ataon’ireo olona voafitany.—Efes. 6:11, 12.

Efa nanondro andro iray anefa i Jehovah, andro lehibe sady mahatahotra io ho an'i olona tsy mankato sy miandany aminy, fa andro firavoravoana sy famonjena kosa ho an'ny vahoakany. "Satria izy (Jehovah) efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany honenana, eny hitsarany azy araka ny marina amin'ny alalan'ilay lehilahy voatendriny (Jesosy Kristy). Ary efa nomeny (Jehovah) antoka ny amin'izany ny olona rehetra tamin'ny nananganany azy io tamin'ny maty" (Asa 17:31)

I Noa sy olona vitsivitsy izao anisan'ny tafavoaka velona tamin'ny andron'i Jehovah fahiny, nahita ny nandringanana ny ratsy fanahy. Maminany ny baiboly fa betsaka koa ireo tafavoaka velona amin'ny andron'i Jehovah tsy ho ela, ka ho anisan'izany ve izaho, ianao?
6. Miharena ( 31/05/2011 14:58)

Mpanazava:

Noa sy olona vitsivitsy izao anisan'ny tafavoaka velona tamin'ny andron'i Jehovah fahiny, nahita ny nandringanana ny ratsy fanahy. Maminany ny baiboly fa betsaka koa ireo tafavoaka velona amin'ny andron'i Jehovah tsy ho ela, ka ho anisan'izany ve izaho, ianao?

Mba tiako hodinidinihina kely ireto fanontaniana ireto izay mahalasa saina noho io fomba fijerin'i Mpanazava ary ataoko fa fijerin'ny kristiana maro be momba ny atao hoe famonjena.

1- Tokony ho hazakazaka ve sa fifaninanana no endrika hahatratrarana ny Fiainana sa efa ananantsika izany raha mbola tsy teraka akory aza isika?

2- Ny fametrahana conditions ve mahafaoka ny Fitiavana tsy misy fetra (Amour inconditionnel) ananan'ny Mpamorona izao rehetra izao?

3- ilay fitaka ve azo faritana tsara hoe avy amin'inona marina?
7. Mpanazava ( 01/06/2011 09:06)

1- Tokony ho hazakazaka ve sa fifaninanana no endrika hahatratrarana ny Fiainana sa efa ananantsika izany raha mbola tsy teraka akory aza isika?

Noforon'Andriamanitra (Jehovah) hiaina mandrakizay tokoa ny Olombelona. Nafointsika anefa izany tamin'ny alalan'i Adama (olona na aina nanana Rà lavorary) rehefa nanota izy. Tsy nisy sorona nahatohitra an'io fahotan'i Adama io raha tsy ny ain'i Jesosy kristy (Zanak'Andriamanitra) tamin'izy tonga nofo (olona na aina nanana Rà nalatsaka Lavorary). Neken'i Jehovah ny soron'ny Jesosy ka afaka ny hiaina mandrakizay indray ireo izay maneho finoana an'io sorona io. Tsy maintsy misy zavatra atao ary. Hoy ny baiboly mamaly ny fanontanianao:
"Koa satria misy vavolombelona marobe toy ny rahona manondidina antsika, dia aoka isika hanaisotra an'ireo izay manavesatra antsika sy ny ota izay mamatopatotra antsika, ary aoka isika HIHAZAKAZAKA amim-paharetana amin'ilay HAZAKAZAKA eo anoloantsika" Hebreo 12:1
F'gah tsy niresaka mialoha i Jesosy fa misy lalana 2 (Tery sy Malalaka)? Matio 7:13,14


2- Ny fametrahana conditions ve mahafaoka ny Fitiavana tsy misy fetra (Amour inconditionnel) ananan'ny Mpamorona izao rehetra izao?

Miresaka fitsarana marina ny baiboly etsy ambony. Mariho ange ilay ho avy mahafinaritra tsy ho ela eh ary mety hahita izany ianao: "«Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.»â€”SALAMO 37:10, 11.
Izao ary no tokony hanontanianao an'i Jesosy izay nametraka ity condition ity :"Koa mba hahazahoan'izy fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala [b]anao ilay hany tena Andriamanitra[/b](?) SYJesosy Kristy ilay nirahinao (Nirahan'ilay tena Andriamanitra)" (Jaona 17:3) vavaka nataon'i Jesosy io . Fantaro tsara ary aloha ilay tena Andriamanitra dia avy eo fantarina tsara koa i Jesosy. Firy re ny olona mety hahafantatra izany eh? Tsy izany ve no ilana ny fitorina alohan'ny farany?


3- ilay fitaka ve azo faritana tsara hoe avy amin'inona marina?

Misy fitaka avy amin'ny faniriantsika, Betsaka koa ny fitaka avy amin'ilay ratsy? Iza amin'ireo no tianao faritana?
8. Maranatha ( 01/06/2011 12:21)
Hoe tafavoaka velona amin'ny andro farany, Tsia tsy amin'ny andro farany ihany fa mialoha ny hialanao eto an-tany dia tsy maintsy mpandresy ianao vao tafavoaka velona amin'ny fiavian'ny Kristy, izay ianao vao afaka hatsangana @ maty sy hitsena an'i Kristy rehefa tonga izy Ites 4:15-17 Isika izay velona ka mbola mitoetra mandrapiavin'ny Tompo dia tsy hialoha lalana ireo izay efa nodimandry tsy akory (ireo nodimandry fa nandresy no tiany ho tenenina eto). Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra @ fiantsoana sy ny feon'ny arkanjely ary ny tropetran'A\tra ka izay maty ao @ kristy no hitsangana aloha, ary rehefa afaka izany dia izay velona ka mbola mitoetrano hakarina miaraka aminy...."

Raha te ho tafavoaka velona izany dia tsy maintsy mandresy e! mandresy ny inona anefa? Betsaka ny ady tsy maintsy atao fa eto dia ny ady ara-panahy no resahina efesiana 6:12 "fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy @ mpanjakan'izao fahamaizinana izao , dia @ fanahy ratsy eny @ rivotra" ; izay no mahatonga an'A\tra hanome ireo fitaovam-piadiana entina miaro tena izay voasoratra ao @ Efesiana 6:11-18

Izay dia midika fa tsy moramora akory ny mitondra ny anarana hoe Kristiana, fa tsy maitsy mpandresy vao tafavoaka velona @ andro farany .

Mahereza ary amin'ny ady ara-panahy raha te hitsena an'iKristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Sady ny fanahy ratsy (Losifera, Satana ,Devoly, sns..)tsy hamela antsika haka ny toerany any an-danitra raha mbola mitovy amin'ny azy ny toetra-tsika. Mila manana fahadiovana isika miala eto na ny nofo na ny fanahy. Mahereza daholo
9. Miharena ( 01/06/2011 13:54)

F'gah tsy niresaka mialoha i Jesosy fa misy lalana 2 (Tery sy Malalaka)? Matio 7:13,14

Ilaina velabelarina angamba aloha ity resaka tery sy malalaka ity Mpanazava. Ahoana no fahazoanao azy?

Ankoatr'izay, ny faneken'ny rehetra hoe mpanota avokoa noho Adama ve manan-kery amin'ny olona mandrakariva sa efa tapaka io tamin'ny nahatongavan'i Kristy? Maninona io no mbola manan-kery be eo amin'ny mpino ankehitriny? Tsy jereny ve ny momba an'i Kristy ka lasa miondri-dava izy fa mpanota?

Ny valin'ny fanontaniana farany dia efa lazain'i Maranatha eo ambony io.

ary ny momba ny hoe tafavoaka velona araka ny loha-hevitra, angaha moa isika raha teraka eto an-tany dia ho faty aloha no nanaovana antsika fa tsy velona no ilaina ny hahatafavoahana velona?
10. rekinbelo ( 03/06/2011 11:20)
Ny nahatongavan'ny Kristy anie tsy hoe hamafa ny fahotana eo no eo e!Fa ahafantsika manana fazahoan-dalàna mivavaka @ Jehovah Ray indray ho antsika olombelona rehetra e.
Ary isika olombelona tsy afaka miteny hoe afaka @ ota izany fa fa Atra sy Krsity ihany no afaka manambara izany.
11. reve ( 05/06/2011 17:13)

rijadolly:

SALAMO 147 : 19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy
Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.20 Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy;
Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia

Reve:

raha mila valiny de omeko araka izay voalaza ao anaty Baiboly IHANY!

Mila valiny ô!


salama e! mila manana toe-tsaina mandinika sy mandalina tsara aloha isika e! ary ho lava ity tantara ity ka mila faharetana. voalohana aloha dia izao mila fakafakaina tsara daholo ny teny voasoratra ao antin'io baiboly io fa tsy notenitenenina foana na nosoratsoratana foana ary asory ao antsaina ny toetsaina manao bloky "peroquet" ka mamerina fotsiny izay voalaza tany ampiangonana tany sokafy tsara ny saina fa io baiboly io raha analysena tsara de zao no hita ao vao manomboka ao @ genesisy ka hatrany @ Apokalipsy io dia tsy miresaka afatsy ny zanak'ISRAEL ary Andriamanitra RAY na ZANAKA na ny FANAHY KADOSH dia hoa an'ny Z.I no nanatanterahany zavatra rehetra ao! zay aloha fa tohizako am manaraka e!
12. Miharena ( 05/06/2011 17:32)
Rekinbelo:

Ny nahatongavan'ny Kristy anie tsy hoe hamafa ny fahotana eo no eo e!Fa ahafantsika manana fazahoan-dalàna mivavaka @ Jehovah Ray indray ho antsika olombelona rehetra e.
Ary isika olombelona tsy afaka miteny hoe afaka @ ota izany fa fa Atra sy Krsity ihany no afaka manambara izany.

Raha tsy afaka miteny isika hoe afaka amin'ny ota dia tsy araka ny nanaovan'Andriamanitra antsika hanana safidy malalaka izany isika. Isika no manaiky fa mpanota dia safidintsika izany ary raha misafidy isika hoe afaka amin'ny ota dia malalaka tsara isika maneho izany. Izay fahafahana izay ilay fanomezana nomen'Andriamanitra antsika izay efa ao AMINY koa araka ny niheveraNY ny nanaovana ny olona ho endriNY. Raha mahay tsara izay SitrapoNY isika dia io no mila fantarina voalohany, avy eo mila mijery hoe aiza no nisian'ny fahadisoam-pijery sy fahadisoam-piheverana. Avy eo vao mandray izay marina maharitra mandrakizay fa tsy mamartra izay heverina ho marina na sarintsarin'ny fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0658