Raha ny tenin'ny Tompo

1. RBNIR ( 23/05/2011 11:01)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).

Tokony andinin-tena lalina isika sao dia tsy arak'io ny fiainan-tsika, Moa v tena ny fanjakany sy ny fahamarinany marina no katsahin-tsika aloha?
Anjaran-tsika no misaintsaina sy mandinika fa io no Tenin'ny Tompo.

Samy ho tahin'ny Tompo.

novalian'i Miharena ny 25/05/2011 15:42
2. Rasoaly ( 23/05/2011 11:45)
Misaotra anao mampita ny hafatra,ny fiadanan'ny Tompo anie ho aminao.

3. rekinbelo ( 24/05/2011 12:07)
inona aloha le hoe fanjakany? de inona ny fahamarinana mikasika le Fanjakana?
raha tsy fantatra aloha ireo dia toy ny misambo-drivotra fotsiny isika rehetra.
4. RBNIR ( 24/05/2011 14:49)
« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9)
« sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)
Mazava b ireo namana, mazava b ireo, anjaranao ny mandinika ny tenanao raha mbola ao amin'ireo ianao na tsia.
Ry namana isany matahora an'Andriamanitra. Ataovy ny sitrapony, jereo ilay fandaharana ao amin'ny télé jery fa hanampy anao amin'ny fitadiavana ny marina rehetra.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
5. bor2lais ( 25/05/2011 08:12)

RBNIR:

Sûr ve namana RBNIR fa mahatandrina ireo teny ireo ?
- azonao tsara ve ny antsoina hoe : mijangajanga (tsy voatery ny mpakeny "Tsaralalàna" ihany ange e !)
Toraka izany "manompo sampy", sns
Amiko ry namana Tokana ihany no nahatandrina ny didy a dia Ilay inoako, ary izay no ialofako Aminy : mba hananako fiadanam-po ! :-)
6. RBNIR ( 25/05/2011 08:33)
bor2lais:

[/quote]

Raha mba nanaraka ilay fandaharana izao ianao tamin'ity herin'andro ity dia azonao tsara ny hoe fanekena taloha sy ny hoe fanekena vaovao dia mba azonao tsara ilay fomba ahafahana manantanteraka ny sitrapon'Andriamanitra saingy ny mampalahelo eto dia toa tsy nijery akory ianao.
Fanontaniana kely fotsiny no mba apetrako amin'i bor2lais. filamboatsiary v ny an'i Jesosy Tompo raha miteny hoe aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny mahatanteraka ny rainareo izay any andanitra. Zavatra tsy azo tanterahina v dia angatahina amin'ny olona ny hanaovana azy???

Samy ho tahin'ny Tompo namana.
7. Miharena ( 25/05/2011 09:01)
Ity fanontaniana nolazain'i Rekinbelo ity angamba aloha no tokony hovalian'i RBNIR fa lasa tanisa ny momba ny toetra tsy tokony hanana hidirana amin'ilay Fanjakana indray no mibahana. Sa ahoana namana RBNIR? Ny misambo-drivotra manko dia ny tsy manana izay hifaharana akory eo amin'ny atao hoe Fanjakan'Andriamanitra fa lasa tanisa ivelan'ny Fanjakana indray no toa lasa tohin'ny dinika.

Rekinbelo:

inona aloha le hoe fanjakany? de inona ny fahamarinana mikasika le Fanjakana?
raha tsy fantatra aloha ireo dia toy ny misambo-drivotra fotsiny isika rehetra.
8. RBNIR ( 25/05/2011 09:09)
Miharena:

Ity fanontaniana nolazain'i Rekinbelo ity angamba aloha no tokony hovalian'i RBNIR fa lasa tanisa ny momba ny toetra tsy tokony hanana hidirana amin'ilay Fanjakana indray no mibahana. Sa ahoana namana RBNIR? Ny misambo-drivotra manko dia ny tsy manana izay hifaharana akory eo amin'ny atao hoe Fanjakan'Andriamanitra fa lasa tanisa ivelan'ny Fanjakana indray no toa lasa tohin'ny dinika.

Faly miarahaba namana,
Hita koa ianao fa tsy mba nijery ilay fandaharana mihitsy, nefa raha nanaraka tsara ianao dia efa voavaly ny fanontanianao.
Misy zavatra tsy ho voazava eto mihitsy namana, satria tsy ho feno ny fanazavako ka ho raraka an-tany fotsiny ihany,

Manasa an-tsika re hijery ny fandaharana e,

Samy ho tahin'ny Tompo,
9. bor2lais ( 25/05/2011 11:40)
RBNIR:

Raha mba nanaraka ilay fandaharana izao ianao tamin'ity herin'andro ity dia azonao tsara ny hoe fanekena taloha sy ny hoe fanekena vaovao dia mba azonao tsara ilay fomba ahafahana manantanteraka ny sitrapon'Andriamanitra saingy ny mampalahelo eto dia toa tsy nijery akory ianao.

Tsy hita moa namana fa tsy mahatakatra ilay télé e ! ;-)
Na izany na tsy izany anefa ny fahazoana ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao angamba tsy voatery mila télé ô ! :-)
RBNIR:

Fanontaniana kely fotsiny no mba apetrako amin'i bor2lais. filamboatsiary v ny an'i Jesosy Tompo raha miteny hoe aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny mahatanteraka ny rainareo izay any andanitra. Zavatra tsy azo tanterahina v dia angatahina amin'ny olona ny hanaovana azy???

Io lazaiko ambony io ange ny fanatanterahako azy e : mialoka AMINY !
10. RBNIR ( 25/05/2011 12:33)
bor2lais:

Na izany na tsy izany anefa ny fahazoana ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao angamba tsy voatery mila télé ô ! :-)

Tena manasa anao aho namana mba hijery,
tsy nametraka iry fanontaniana iry ianao raha tena fantatrao marina ny mikasika ilay fanekena vaovao,

Samy ho tahin'ny Tompo e!
11. Miharena ( 25/05/2011 15:42)
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Hita koa ianao fa tsy mba nijery ilay fandaharana mihitsy, nefa raha nanaraka tsara ianao dia efa voavaly ny fanontanianao.
Misy zavatra tsy ho voazava eto mihitsy namana, satria tsy ho feno ny fanazavako ka ho raraka an-tany fotsiny ihany

Marina RBNIR fa tsy afaka mijery ilay fandaharana izahay fa mba azonao zaraina ihany ve ilay Fanjakana zaraina ao? Raha ny tokony ho izy dia tokony hahay hamaritra tsara ilay Fanjakana ianao na dia amin'ny teny fohifohy aza izay azo tazonina tsara tsy hampihozongozona ny finoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3385