Ny fiafarana

1. Rasoaly ( 21/05/2011 01:37)
Ny fiafarana dia fialana @ty tany fandalovana ity,ary fiandrasana ny fitsaran'Andriamanitra.Satria efa voalaza ao @ ny baiboly manao hoe:"any amparany any dia mbola ho avy ny Tompo hitsara ny velona sy ny maty."
répondu par Miharena le 26/05/2011 12:45
2. milamm ( 22/05/2011 15:50)
ny fiafarany vatana zany no eto antany raha azoko tsara fa mankaiza dolidoly ireo fanahy mandrapahatongany fitsarana, mihainohaino eny @ sisiny v sa matory sa ahoana satria moa ny fanahy tsy mety maty. Endrika ahoana no azo amaritana ilay farany eto ? Raha ireo siantista mpankafy ny biolojia toy andry darwin zao no zohina de vita atreo ny tantara fa ny ambiny angano satria tsisy afaka niverina nilaza na 1 sekondra aza zay miseho ao ambadiky ny ridao, ry S.Hawkins oh. milaza fa toy ny solosaina ny atidoha refa maty de mikantona tanteraka fa tsy mifindra toerana vita ny tanatara
3. milamm ( 23/05/2011 10:12)
miala tsiny raha fanotaniana no lasa nialoha ny arahaba mirary soa Rasoaly
4. Rasoaly ( 23/05/2011 11:40)

Manahoana milamm,mirary soa ho anao koa,ny fiadanan'ny Tompo anie ho aminao.Aza matahotra fa hovaliako ny fanontanianao fa lava be lay fanazavana dia lay fotoanako no tsy ampy.
5. Rasoaly ( 23/05/2011 11:42)

Rasoaly:


Manahoana milamm,mirary soa ho anao koa,ny fiadanan'ny Tompo anie ho aminao.Aza matahotra fa hovaliako ny fanontanianao fa lava be lay fanazavana dia lay fotoanako no tsy ampy.
6. milamm ( 23/05/2011 21:08)
m'saotra meloha za kalo de tsy manana ambara na porofo mivaingana ny any ambadika any, fa misangojy momba an'io ny fisiana eto antany de miafara eto antany io zany le fiafarana eto mazava . Misy koa nefa ny farany zay fahataperany rehetra eto antany, avy eo dia ny fitsarana ary ny mandrazikay aorinanzany. Raha azo atao le valiteny aoka mba tsy andalanteny lavabe avy@ baiboly fa fanazavana mba ho azony rehetra na mino na tsia azo saintsainina(tsotra mba mety ho takatry ny tsy vontompinoana toa anay)
7. rekinbelo ( 24/05/2011 12:09)
tsy miala eto an-tany eto izany isika fa eto ihany no ho tsaraina: izay nanao ny tsara mahazo ny fitsanganana ho @ fiainana fa ireo nanota hitsangana @ fanamelohana.
Asa aiza moa aminao no misy ny fitsanganana @ maty?
8. Miharena ( 25/05/2011 09:07)
Fiovana no misy fa tsy fahataperana raha fanahy no resahana ary ny fanahy dia manana ny maha-tsy azo ferana azy. Isika manan-tsafidy no mamaritra ny toerana halehan'ny fanhintsika ao anatin'ny erana izay tsy manam-petra. Ny fitsanganan'ny maty no misy tsininy angamba ny filaza azy fa tokony hoe fodiamandry, izany hoe fodiana ao amin'ny fanahy niandohana rehefa tsy azo tanana intsony ny vatana mandalo.
9. milamm ( 25/05/2011 11:19)
m'saotra an'i Miharena mahalaza zv betsaka ireo na dia tsy misy mahalala aza aza isika mazava ny toerana alehany fanahy aorinany fahafatesany vatana mandrapiandry ny fitsarana
10. Miharena ( 25/05/2011 15:59)

...aorinany fahafatesany vatana mandrapiandry ny fitsarana

Ity resaka ity angamba no tokony hojerena tsara Milamm satria raha ny tokony ho izy dia tsy misy ny fitsarana fa fandehanana amin'ny dingana manaraka no misy araka ny fivoarana azon'ny fanahin'ny tsirairay. Isika nomena ny fanahy ihany no mandeha amin'io dingana io satria isika no tempolin'Andriamanitra ka mila mahalala izay antom-pisiantsika ary hiara-hiasa Aminy eo amin'ny erana itoerantsika na ankehitriny na amin'ny ho avy rehetra. Izay no maha-Kristy velona antsika izay nolazain'i Paoly hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny.
Rehefa mahay mamela tanteraka ny fahazavan'i Kristy ao anatintsika hitondra ny fiainantsika isika dia mazava ka tsy hiandry izay fitsarana akory fa mandeha fotsiny ho eo amin'ny dingana izay mametraka antsika ho IRAY ao amin'ny Ray. Io dia dieny mbola nofo dia efa tokony ho fantatra satria efa nandrodana ny rindrina rehetra manakana antsika tsy hahalala izany fahendrena fototra izany isika dieny ao amin'ny nofo.
11. milamm ( 26/05/2011 00:43)
eny ary Miharena, asiana topimaso mihoatra ny fijery Kristiana njay zany ho an'ireo zay tsy mahalala na tsy te ahalala zany na koa manana ny safidiny tsy iankinany @ finoana samihafa( ireo tsy mino afatsy ny tenany sy reo hafa koa ). Ireny rehetra ireny ve tsy miray toerana tsony ny fanahiny aorinany fahafatesana sa ahoana, ny fanahy no olona ozy ny fitenindrazantsika ary nino izy ireo fa mifindra monina ny fanahy ny ankabeazantsika de toy zay, tsarovy koa anefa fa ao ireo karazampinoana hafa manana ny fijeriny momba an'io. 1 ihany no itovizany izy rehetra ireo samy tsy misy mahalala oe aiza no alehany fanahy marina aorinany fahafatesana ny finoana ihany no itondra ny rehetra @ fiandohana ny safidy marina de ants1/1, makasikatra e
12. rekinbelo ( 26/05/2011 05:25)
Raha ny fahalalako dia ny vatan'ny olona anie no atao hoe fanahy e, fa ilay fanahy miala iny anie ka ny aina.
Tsy misy fanahy mandehandeha any ankoatra any izany raha ny fandinihako azy.noforonina ata o inona eto an-tany ary isika?tsy aleo ve refa noforonina ho lasa fanahy ihany de tonga dia tany an-danitra no napetrak'Atra raha izany.
13. Miharena ( 26/05/2011 12:45)

Rekinbelo:

Raha ny fahalalako dia ny vatan'ny olona anie no atao hoe fanahy e, fa ilay fanahy miala iny anie ka ny aina.

Araka ny fahazoako ilay fanahy Rekinbelo dia tsy vatana io, na fara-faharatsiny tsy manana io vatana mavesatra fantantsika ankehitriny io ny fanahy. Ka afaka mandeha amin'izay azony aleha ny fanahy rehefa miala amin'ny vatana, na mbola manana vatana aza isika dia afaka miaina ara-panahy satria mahatsapa isika fa ny fanahy no olona fa tsy io vatana io akory.
Araka ny Tenin'i Kristy hoe : Eto amin'izao tontolo izao ianareo fa tsy naman'iao tontolo izao. Ny fanahy maha-olona no iantefan'io teny io fa tsy ny vatantsika akory satria mandalo ihany isika eto.
Ny amin'ny hoe nahoana no tsy tonga dia natao tany an-danitra daholo fa mbola nandalo teto an-tany dia tsara ny miresaka fahatongavana nofo. Izay mety avy amintsika fanahy ihany fa mety tsy tsaroantsika hoe nanao izany fenekena izany isika fony mbola tao amin'Andriamanitra ny fofonaintsika tsirairay. Misy zavatra tiana ambara fotsiny araka ny filazan'i Kristy ao amin'ny Jaona 17 hoe : ...fony mbola tsy hary izao rehetra izao dia efa tao Aminao Aho....
Efa voary nisy ela izany isika fa ny nofontsika dia mandalo fotsiny ihany ary lalana lalovana io hanandratana antsika amin'ny tsaratsara kokoa hatrany eo amin'ny famoronana ankapobeny.
I Kristy nanao ohatra aza anie ka tsy ampy efapolo taona akory dia efa nandao ny tany e! ary ohatra velona moa Izy matoa nirahina. Dia mandray izay ohatra tsotra izay fotsiny isika fa tsy miady hevitra lalina be dia efa mahatsiaro ho afaka tanteraka.
Misy zava-manarona io fomba fihevitra io tsindraindray ka manjary miroaroa ny sain'ny olona mandray ny Teny ao anaty Baiboly ao. Raha mandray toy ny zaza io foto-pisainana maha-Kristy io anefa dia tokony tonga dia tsy hisalasala mihitsy saingy misy moa ny sedra hizoran'ny olona mandra-pahantiny ka izany no mahatonga ny fampianarana isan-karazany hiverenana amin'io fanahy madio tsy misy tsiny io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0932