Ao Am-po ve ny Fanjakan'Andriamanitra?

1. Mpanazava ( 13/05/2011 12:48)
«Ao am-pon’ny olona mankato ny Fanjakan’Andriamanitra», hoy ny Papa Benoît Faha-16
tao amin’ny bokiny hoe Jesoa avy any Nazareta (anglisy). Misy tokoa mihevitra fa ny
Fanjakan’Andriamanitra dia fiovana mitranga ao anatin’ny olona, rehefa manaiky sy mino
an’i Jesosy Kristy izy. Marina ve izany? Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

novalian'i rijadolly ny 01/06/2011 19:24
2. bor2lais ( 13/05/2011 13:04)
Miarahaba an'i Mpanazava tonga soa eto indray !
Mpanazava:

«Ao am-pon’ny olona mankato ny Fanjakan’Andriamanitra», hoy ny Papa Benoît Faha-16
tao amin’ny bokiny hoe Jesoa avy any Nazareta (anglisy). Misy tokoa mihevitra fa ny
Fanjakan’Andriamanitra dia fiovana mitranga ao anatin’ny olona, rehefa manaiky sy mino
an’i Jesosy Kristy izy. Marina ve izany? Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Raha ny fijeriko azy dia izao :
- ny fo no toerana na lapan'ny Fitiavana
- Andriamanitra dia Fitiavana
Ny fanontanian'i Mpanazava izany raha ny fahazoako azy dia hoe : lapa ve = fanjakana ?
Amiko manokana aloha efa tsy dia ratsy raha mitoetra ao Izy e ! :-)
3. Mpanazava ( 13/05/2011 13:37)
Misaotra sy miarahaba an'i bor2lais ary koa ny namana mifanoratra rehetra. Elaela marina izay an! saingy tsy manadino akory e! Betsaka amin'ireo namana ato koa ny nifanoratra foana, misy nifankahita tamiko mihitsy koa aza. Misaotra amin'ny hevitra.
4. Miharena ( 14/05/2011 08:47)
Miarahaba an'i Mpanazava,
Ekena 100% io fanamarihana nataon'i Benoit faha-16 io.
Raha toa ka io hatrany no novoizina fa tsy nandray fampianarana manalavitra an'Andriamanitra ivelan'ny fon'olombelona dia efa lasa lavitra ny Kristiana ary niaina amim-piadanana.

Io no fifohazana voalohany, dia ny fahalalàna fa manjaka ao am-po Kristy.

5. rijadolly ( 16/05/2011 16:07)
HS kely: ohatry ny lasa kely loatra ilay takelaka dia somary kamokamo mamaky ny soratra kely ny maso, sa ny ahy ihany no manao izany??? inona ny vaholana raha ny ahy ihany???? Misaotra mialoha
6. rijadolly ( 16/05/2011 17:09)
Izaho dia miteny matetika eto hoe : " Ny ao anaty ihany no mikaonty " izany hoe ny ao am-po fa tsy izay jerena ety ivelany fotsiny ihany.
LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.
Tsy misy Mpanjaka ka tsy manana lapa hipetrahany. Raha mbola nofo isika dia manjaka ao anatitsika ny Mpanjaka raha manaiky sy mampandroso AZY isika. Ary dia mora ny manaraka ny lalàn'Izany fanjakana izany noho ny fankatoavana Azy. Manana Mpisolovava isika raha tojo fanamelohana noho ny Anarany, dia Ilay efa ao anatitsika ho an' izay nandray Azy.
Ny fahazoako io teny io izany dia araka ilay hoe manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra, izany hoe: raha mbola ety an-tany isika dia tokony ho tsapatsika ao anatitsika ny Fanjakan'Andriamanitra, mba, hitohizan'izany any an-Danitra.
Ny fanotanian' Mpanazafa hoe: Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra? dia manaporofo izany voalazako izany koa fa misy fanjakan'Andriamanitra ny ao am-po izay mitovy ilay Fanjakana any an-danitra.
7. Mpanazava ( 17/05/2011 05:49)
TENA zava-dehibe tamin’i Jesosy ilay Fanjakana. Niaiky ny Papa Benoît fa izy io no «fotokevitry ny fitorian’i Jesosy.» Nandeha nanerana an’ilay faritra izy, saika nandritra ny fotoana fohy nanaovany ny fanompoany, mba ‘hitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.’(Matio 4:23) Nampianatra sy nanao fahagagana i Jesosy, ka nasehony tamin’ireny fa tsy hoe rehefa manaiky sy mankato an’Andriamanitra ny olona iray, dia izay ilay Fanjakana. Tena fitondram-panjakana izy io,ary hitsara sy hitondra fitahiana mandrakizay.

Jereo ange ity e!
Efa hifarana ny fanompoan’i Jesosy tamin’izay. Nanatona azy ny renin’i Jakoba sy Jaona, anisan’ny mpianany, ka nilaza hoe: «Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.» (Matio 20:20, 21) Zavatra tena nisy ve no noresahina teo sa zavatra tao ampon’ny zanany fotsiny? Fantany fa i Jesosy no ho mpanjakan’ io Fanjakana io, ka tiany hiara-hitondra aminy ny zanany. Nampanantena an’ireo apostoliny 11 tsy nivadika mantsy i Jesosy fa hiara-manjaka aminy izy ireo, ary «hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana» sy «hitsara» hiaraka aminy. (Lioka 22:30)


LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.

Inona no tian'i Jesosy lazaina amin'io?

8. Miharena ( 17/05/2011 06:12)
Mpanazava:

Citation
LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.

Inona no tian'i Jesosy lazaina amin'io?


Raha io fanontanianao io Mpanazava dia tokony hahavaly azy sahady ny valinteny rehetra izay naposakao teo aloha. Ao am-po ny fanjakan'Andriamanitra satria izay no fomba fanehoaNY azy fa tsy zavatra ivelany tadiavina hiditra.
Ilay resaka manalavitra Azy no maha-diso ny fandraisana ny Teniny rehetra. Ka io dia miantomboka amin'ny famoronana mihitsy izay endrik'Andriamanitra no nanaovana antsika olombelona. Rehefa adino io dia lasa mitady Azy ivelany ny olona. Izy anefa ao anaty sady mamelona ny rehetra ka tsy tokony hierikerika etsy sy eroa rehefa hitady Azy fa hamelona Azy ao anaty. Izay no tena fifohazana.
Midika fahafahana izany satria rava ny fahadisoam-pijery rehetra izay mampianatra fisarangotana amin'ny hery ivelan'ny tena.
Ny lova voalohany dia ny maha-endrik'Andriamanitra antsika tsirairay avy ka tokony ho fantatra izany ary ny mari-pahalalàna izany dia io teny voalaza ao amin'ny Lioka io.
9. bor2lais ( 17/05/2011 08:24)

rijadolly:

HS kely: ohatry ny lasa kely loatra ilay takelaka dia somary kamokamo mamaky ny soratra kely ny maso, sa ny ahy ihany no manao izany??? inona ny vaholana raha ny ahy ihany???? Misaotra mialoha

H.S kely : Nanao "régime" angaha ny takelaka ? :-)
Tsy fantatro raha mitovy ny antsika fa jereo ihany ato sao misy mahasoa : Outils > Options ... dia tadiavo ao sao mba azo alehibiazana ny soratra !
Mba hevitra atolotra ihany ny ahy iny fa tsy fantatro na mety na tsia a ! ;-)
10. Mpanazava ( 17/05/2011 10:47)

Ilay resaka manalavitra Azy no maha-diso ny fandraisana ny Teniny rehetra


Raha mamaky ny Lioka 4:43 isika dia niteny i Jesosy hoe :" Fa hoy izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly (ny vaovao tsara) ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy."
Anisan'ny antony lehibe nahatongavan'i Jesosy ary ny filazana ny marina momba ny fanjakan'Andriamanitra, ka tsy aleo ve mba fantarina izay tena marina momba izy io ao amin'ny tenin'Andriamanitra!

NANONONA vavaka modely i Jesosy tao amin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra. Anisan’ny nasainy nangatahina ny hoe: «Ho tonga anie ny fanjakanao!» Olona an-tapitrisany no manao tsianjery sy mamerimberina an’io vavaka io. Milaza ny rakipahalalana iray fa io «no vavaka iombonan’ny Kristianina rehetra.» Maro amin’ireo olonamanao tsianjery azy io anefa no tsy mahalala hoe inona ilay Fanjakana, ary inona no hataon’izy io rehefa ho tonga, AO am-po ve no misy azy io?—Matio 6:9, 10.

Ny eken'ny rehetra aloha dia hoe Ireo ho mpitondra ny tany manontolo Fitondrana entin’ny mpanjaka ny hoe fanjakana.
I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahita fahitana i Daniela mpaminany hoe nomena fahefana tany an-danitra i Jesosy. Hoy izy: «Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah Andriamanitra] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy
ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.»â€”Daniela 7:13, 14.

Ao ampon'ny olona marina ve ny fanjakan'Andriamanitra sa tena fanjakana miorina any an-danitra?

11. Miharena ( 17/05/2011 14:01)
Mpanazava:

Ny eken'ny rehetra aloha dia hoe Ireo ho mpitondra ny tany manontolo Fitondrana entin’ny mpanjaka ny hoe fanjakana.
I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahita fahitana i Daniela mpaminany hoe nomena fahefana tany an-danitra i Jesosy. Hoy izy: «Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah Andriamanitra] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy
ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.»â€”Daniela 7:13, 14.

Ao ampon'ny olona marina ve ny fanjakan'Andriamanitra sa tena fanjakana miorina any an-danitra?


lay fitondrana maharitra mandrakizay no tiana hisarihana ny saina Mpanazava. Io dia tanteraka rehefa tanteraka ilay teny ao amin'ny Jeremia 31:33 "Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko".
Iray ihany ny lalàna dia ny Fitiavana. Io no iorenan'ny lalàna rehetra izay mahatonga antsika ho mpandova sy zanak'Andriamanitra. Io no maatonga an'i Kristy hanambara fa iray ao amin'ny Ray Izy sy isika. Io no mahatonga Azy hanambara fa rahalahy sy anabavy avokoa isika rehetra fa tsy hatao hoe mpianatra na mpanompo intsony. Izany hoe manana zo feno hiara-hiaina Aminy isika rehetra.
Ka raha tsy ao am-po no manjaka IZY dieny ety an-tany ny nofo dia ho sarotra ihany ny fahazoana izay ambarany amin'ireo teny voatanisa ireo. Indrindra moa fa ny famoronana voalohany milaza ny hoe natao araka ny endrik'Andriamanitra ny olona, izany hoe sombin'Ainy.
12. daran ( 17/05/2011 16:15)
HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. ATAO ANIE NY SITRAPONAO ETY AN TANY TAHAKA NY ANY ANDANITRA.... matio 6: 9-10

Misy fanjakana izay asain'i Jesosy angatahana izany mba ho avy

I Jesosy no mpanjaka. Ny fanjakana izay tapahin'i Jesosy no Fanjakan'A/tra

rehefa miteny isika hoe fanjakan'i Rakoto dia tonga dia mazava amintsika hoe Rakoto no mpanjaka ary manana ny fitondrany izy. Fa maninona rehefa milaza isika hoe Fanjakan'A/tra dia misy discussion b?
13. Mpanazava ( 18/05/2011 13:50)

Ka raha tsy ao am-po no manjaka IZY dieny ety an-tany ny nofo dia ho sarotra ihany ny fahazoana izay ambarany amin'ireo teny voatanisa ireo.


Hoy i Daniela nanoy ny teniny ny amin'ny zavatra ataon'ilay fanjakana: " «Any am-parany», hoy izy, «dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra [eto an-tany] ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.»â€”Daniela 2:28, 44.
Ao am-po ve no misy an'ireo sy ireo fiovana etin'ilay fanjakana ao amin'ny lohahevitra etsy ambony?
Tadidio fa misy olona miara-manjaka amin'ny Jesosy ao amin'ilay fanjakana. Nanome toky ny apostoliny tsy nivadika i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, fa hatsangana ho any an-danitra izy ireo sy ny olon-kafa, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana. (Lioka 22:28-30) Tsy seza ara-bakiteny no tiany hambara, satria nilaza izy fa any an-danitra no hisy an’ilay Fanjakana. Milaza ny Baiboly fa avy amin’ny «foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra» ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy. Ho «fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.»â€”Apokalypsy 5:9, 10. Ao am-po ve ny fanjakan'Andriamanitra?
14. rijadolly ( 18/05/2011 19:55)
Hoy Miharena tamin' voalohany:

Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra?
ary
dia niova hoe:

Ao am-po ve ny fanjakan'Andriamanitra?
Ilay fanotaniana voalohany ihany no valiako satria io voalohany io no marina, Tsy maintsy; azafady ilay teny hoe "tsy maintsy" izay manery fa izay no mahalaza azy; tsy maintsy manjaka ao am-potsika Ilay Mpanjaka, izay midika fa Fanjakana Velona ao anaty, raha mbola nofo isika. Raha te hiaraka hanjaka na hipetraka na hanompo mandrakariva ao amin' Fanjakan'Andriamanitra isika dia mila mizatra miaraka AMINY dia ny mbola ety an-tany. Io izay mbola namafisin' ny namana Daran io ambony io fa ilaina ny mampanjaka AZY ao am-po, izay midika sy manamarina ny lazaiNY ao amin'ny LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo. ; samy manaiky isika fa olona mitafy nofo no nilazaNY an'io teny io.
15. Mpanazava ( 19/05/2011 10:20)
Eo afovoan’izy ireo ilay Fanjakana Tsy efa nilaza ve i Jesosy hoe: «Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra»? Eny! Hita ao amin’ny Lioka 17:21 ireo teniny ireo.
Misy Baiboly mandika azy io hoe: «Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.» (Prot.)
Inona ary no tian’i Jesosy holazaina? Niresaka tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy atao hoe Fariseo, izay nanohitra azy, i Jesosy teo, raha jerena ny tenymanodidina. Zavatra hafa mihitsy no nantenain’izy ireo momba ny Mesia sy ny Fanjakany. Nanantena izy ireo hoe ho avy toy ny Mpanjaka be voninahitra, «teny amin’ny rahon’ny lanitra», ny Mesia, ka hanafaka ny Jiosy amin’ny Romanina ary hamerina ny fanjakan’Israely. (Daniela 7:13, 14) Nasehon’i Jesosy fa diso izy ireo, ka hoy izy: «Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.» Hoy koa izy avy eo: «Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.»â€”Lioka 17:20, 21.
Nampianatra i Jesosy, ary nanao fahagagana izay nanaporofo fa izy tokoa no ho Mpanjakan’ilay Fanjakana. Tsy nanana fo tsara sy tena finoana anefa ny Fariseo, ka vao mainka nanohitra azy. Tsy nino izay nolazain’i Jesosy sy nataony izy ireo. Nolazain’i Jesosy azy ireo ary fa ‘teo afovoan’izy ireo’ ilay Fanjakana, izany hoe teo amin’izy ireo ilayMpanjaka voatendry izay nisolo tena azy io. Teo anatrehan’izy ireo mantsy i Jesosy sy ny mpianany. Tsy niteny tamin’izy ireo akory izy hoe jereo ny ao anatinareo. Nilaza kosa izy hoe: «Eo aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra.»â€”Lioka 17:21, Dikan-teny Anglisy Maoderina.
 Ireo Fariseo niresaka tamin’i Jesosy no nolazainy hoe ‘ianareo.’Azo antoka ary fa tsy niresaka mahakasika ny fiovan’ireo Fariseo na ny toe-pon’izy ireo i Jesosy, tamin’izy niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
16. Mpanazava ( 19/05/2011 10:40)
[IMG]http://img853.imageshack.us/img853/8383/vavolombelona.jpg[/IMG]
17. rijadolly ( 19/05/2011 15:51)
Mbola mialatsiny an' Miharena sy Mpanazava indray aho eto fa dia nifangaro indray ianareo. Efa zatra an' Miharena angamba aho fa Mpanazava tsy dia hitahita firy, hihihihihi! Mankasitra e!
18. rijadolly ( 19/05/2011 16:03)
Raha azoko tsara izany ve Mpanazava dia tsy misy hanjakan' Andriamanitra ny ao anatin'olona?
19. daran ( 20/05/2011 11:50)
ref nandinika fandikanteny maromaro aho amin'io andinin-teny io dia izao no hitako

http://djep.hd.free.fr/LaReferenceBiblique/?Livre=42&Chap=17&Vers=21

"Car voici que le Royaume de Dieu est au milieu de vous." bible de Jérusalem, bible louis segond 1910; bible darby; bible de l'Epée, bible des peuples... Vitsivitsy no nilaza hoe au dedans de vous (4/14 traductions)

Niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesosy, ho ao anatin'izy ireo ve ny fanjakan'A/tra? izy ireo anefa nandà an'i Jesosy. I Jesosy lay mpanjakan'ny fanjakan'A/tra anefa no teo anivon'izy ireo.

Mazava ho azy koa anefa fa normale tsara raha miaina mifanaraka @ fitsipik'A/tra isika. Ao am-pontsika ny lalan'A/tra ary iainantsika dieny zao zany.
20. Mpanazava ( 20/05/2011 12:20)

rijadolly
Raha azoko tsara izany ve Mpanazava dia tsy misy hanjakan' Andriamanitra ny ao anatin'olona?



Raha azoko tsara koa izany ampitovinao ny Fanjakan'Andriamanitra sy Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra?
Efa nazavaiko kely teo aloha ny mandrafitra ny fanjakan'Andriamanitra raha ny baiboly no jerena amin'ny fo tsy mitanila. Tsy mitovy amin'io kosa ny an'Andriamanitra Mpamorona na i Jehovah. HERIN'ANDRIAMANITRA MIASA HANATANTERAHANY NY SITRAPONY ny Fanahiny na ny Fanahy Masina fa tsy OLONA FAHATELO amin'ny TRINITE akory. Rehefa manaiky hiasan'io Fanahin'Andriamanitra ao anatinao ianao dia lasa manana ny vokatry ny Fanahy: Fitiavana, fahalemem-panahy ... (Gal 5:22) Sa ahoana?
Sao dia mila mandinika tsipelina malagasy kely kosa ary i rijadolly hoe inona no dikan'ny "F" alohan'ny Teny anakiray toy ny Fitaratra, Fanjairana ..., [Fanjakana tsy mitovy amin'ny hoe Anjakana] Sa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0512