Ao Am-po ve ny Fanjakan'Andriamanitra?
21. Miharena
(
20/05/2011 16:34)
Miala tsiny amin'i Mpanazava eo amin'ny fanehoan-kevitra fa tia manasaraka zavatra hatrany Mpanazava ary raha miresaka Trinité isika dia zary voalaza hatrany hoe fampianaran'olombelona io fa tsy misy lojikany ara-Baiboly.
Ka ireto fanazavana ataon'i Mpanazava ireto dia mazava fa misy fahadisoam-pandraisana ihany satria milaza izy fa olona fahatelo amin'ny trinité ny Fanahy Masina. Tsy milaza olona ilay izy fa personne hoy ny filazan'ny teny frantsay azy. Io no miteraka personnalité. Io anefa dia miray amin'izay manana azy. Tsy iza fa Andriamanitra no manana azy ary rehefa manjaka ao am-po Andriamanitra dia lasa personnalité an'Andriamanitra ny olona sombin"ainy hanjakan'io Fanahy Masina, izay Izy ihany, io. Ny mampiavaka Azy sy ny olona dia IZY no LEHIBE fa ny olona dia ZanaNY ary mahazo AZY rehefa mifoha sy mazava tsara ny Fanahy Masina ao anatiny.
Tsy mitovy amin'io kosa ny an'Andriamanitra Mpamorona na i Jehovah. HERIN'ANDRIAMANITRA MIASA HANATANTERAHANY NY SITRAPONY ny Fanahiny na ny Fanahy Masina fa tsy OLONA FAHATELO amin'ny TRINITE akory. Rehefa manaiky hiasan'io Fanahin'Andriamanitra ao anatinao ianao dia lasa manana ny vokatry ny Fanahy: Fitiavana, fahalemem-panahy ... (Gal 5:22) Sa ahoana?
Ka ireto fanazavana ataon'i Mpanazava ireto dia mazava fa misy fahadisoam-pandraisana ihany satria milaza izy fa olona fahatelo amin'ny trinité ny Fanahy Masina. Tsy milaza olona ilay izy fa personne hoy ny filazan'ny teny frantsay azy. Io no miteraka personnalité. Io anefa dia miray amin'izay manana azy. Tsy iza fa Andriamanitra no manana azy ary rehefa manjaka ao am-po Andriamanitra dia lasa personnalité an'Andriamanitra ny olona sombin"ainy hanjakan'io Fanahy Masina, izay Izy ihany, io. Ny mampiavaka Azy sy ny olona dia IZY no LEHIBE fa ny olona dia ZanaNY ary mahazo AZY rehefa mifoha sy mazava tsara ny Fanahy Masina ao anatiny.
22. rijadolly
(
20/05/2011 16:56)
rijadolly:
Raha azoko tsara izany ve Mpanazava dia tsy misy hanjakan' Andriamanitra ny ao anatin'olona?
Mpanazava:
Raha azoko tsara koa izany ampitovinao ny Fanjakan'Andriamanitra sy Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra?
Voalohany aloha Mpanazava dia Andriamanitra dia Fanahy, ataoko fa tsy misy olona mandaha an'izay JAONA 4 : 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Faharoa: samy manaiky koa aloha isika fa manjaka ao anaty tsika Andriamanitra(Fanahy), raha manda an'io Mpanazava dia manda ilay voalohany ihany koa; na, tsy manaiky mihitsy fa manjaka ao anatitsika Andriamanitra na ny Fanahin'Andriamanitra.
Aiza ho aiza amin'ireo aloha no misy an' Mpanazava amin' izay voalazako izay? indrindra ilay faha roa
23. rijadolly
(
20/05/2011 17:34)
Mpanazava:
Sao dia mila mandinika tsipelina malagasy kely kosa ary i rijadolly hoe inona no dikan'ny "F" alohan'ny Teny anakiray toy ny Fitaratra, Fanjairana ..., [Fanjakana tsy mitovy amin'ny hoe Anjakana] Sa ahoana?
LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.
Aleo averiko eto ilay voalazako ao page voalohany ao ambadika ao
Rijadolly - 16/05/2011 19:09 :
Izaho dia miteny matetika eto hoe : " Ny ao anaty ihany no mikaonty " izany hoe ny ao am-po fa tsy izay jerena ety ivelany fotsiny ihany.
LIOKA 17 : 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.
Tsy misy Mpanjaka ka tsy manana lapa hipetrahany. Raha mbola nofo isika dia manjaka ao anatitsika ny Mpanjaka raha manaiky sy mampandroso AZY isika. Ary dia mora ny manaraka ny lalàn'Izany fanjakana izany noho ny fankatoavana Azy. Manana Mpisolovava isika raha tojo fanamelohana noho ny Anarany, dia Ilay efa ao anatitsika ho an' izay nandray Azy.
Ny fahazoako io teny io izany dia araka ilay hoe manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra, izany hoe: raha mbola ety an-tany isika dia tokony ho tsapatsika ao anatitsika ny Fanjakan'Andriamanitra, mba, hitohizan'izany any an-Danitra.
Ny fanotanian' Mpanazafa hoe: Ao am-po fotsiny ve ny Fanjakan’Andriamanitra? dia manaporofo izany voalazako izany koa fa misy fanjakan'Andriamanitra ny ao am-po izay mitovy ilay Fanjakana any an-danitra.
Ampiko fanazavana kely, Manaiko tokoa aho fa marika milaza anaran-javatra ny "f" eo aloha, fa ny fanampin'izay anefa dia anisan'ireo anarana tsy hita maso ny Fanjakana. Izany hoe tenenina fotsiny fa tsy azo tsapain-tanana, ohatra ny Fiarahamonina, Fitiavana, Fandeferana, Fahaizana, ...Fiarakodia, vazivazy manazava ny tiako tenenina io farany io an!
Hiverina amin'ilay Fanjakana isika, izay no nahatonga ahy niteny eo amin'io voalohany io hoe : "Tsy misy Mpanjaka ka tsy manana lapa hipetrahany" fa tsy hoe Fanjakana hipetrahany. Raha lapa izany dia misy ary azo tsapain-tanana, dia isika Fiangonana (olona raha mbola eto an-tany, ao am-po) izany, Iza àry nefa no Mpanjaka ao? tsy iza fa Ilay Manam-pahefana, velona ao anatinao izany ny Fanjakan'ilay Mpanjakanao, fa raha hoy ianao hoe tsy Mpanjaka io, tsy misy Fanajakan' ilay Mpanjaka izany fa maty ao anatinao.
24. rijadolly
(
20/05/2011 17:45)
Mazava amin'izay izany ny tian'Jesoa tenenina eto hoe: "Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery!" izany hoe, tsy itsy ambonin'tendrombohitra masina iry, na hoe atsy amin'itsy Fiangonana itsy, na ato Jerosalema ihany. Fa hoy IZY : "Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo." tsy ao antin' ny maty an!
25. Mpanazava
(
23/05/2011 05:50)
Hoi i Daran:
Niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesosy [izay nanohitra azy sy nanamoavo azy ao @Lioka 17:21] , ho ao anatin'izy ireo ve ny fanjakan'A/tra? izy ireo anefa nandà an'i Jesosy. I Jesosy lay mpanjakan'ny fanjakan'A/tra anefa no teo anivon'izy ireo.
26. daran
(
25/05/2011 12:58)
rijadolly:
Mazava amin'izay izany ny tian'Jesoa tenenina eto hoe: "Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery!" izany hoe, tsy itsy ambonin'tendrombohitra masina iry, na hoe atsy amin'itsy Fiangonana itsy, na ato Jerosalema ihany. Fa hoy IZY : "Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo." tsy ao antin' ny maty an!
ahoana tokoa ny hevitrareo mahakasika an'lé fikarohana nataoko e?
27. rekinbelo
(
25/05/2011 14:04)
Ny définition ny fanjakana aloha jerena de avieo manatsoaka hevitra e:
fanjakana: misy mpanjaka, misy olona miara-mitondra aminy ao, ary misy vahoaka entina ao
misy monarchie izany ao anatiny ao,ka possible ho tafiditra ao ampo tsika ve ireo?
fanjakan'Andriamanitra dia tena fanajakana misy ary manana vahoaka tapahiny
ny Mpanjaka ao dia iJesosy Kristy sy ireo miaraka manja aminy
farany ny vahoaka entin'io fanjakana io dia isika olombelona mahatoky sy mino an'i Jesosy Kristy.
RAha diso ngamba ny définition ny atao hoe fanjakan dia mazava ho azy fa tsy niresaka fanjakana mihitsy i Jesosy fony tety an-tany fa zvt hafa no nolazainy sy mety ho takatry ny saintsika kokoa raha toa ka ao ampo ihany ny fanjakan'Atra.
Na any @ test taloha aza ianao dia efa mahita ny resaka fanjakan'Atra koa mazava ho azy izany fa Tena fitondram-panjakana misy izy io fa tsy hoe ao ampo fotsiny akory.

28. bor2lais
(
25/05/2011 14:42)
rekinbelo:
Ny définition ny fanjakana aloha jerena de avieo manatsoaka hevitra e:
fanjakana: misy mpanjaka, misy olona miara-mitondra aminy ao, ary misy vahoaka entina ao
misy monarchie izany ao anatiny ao, ka possible ho tafiditra ao ampo tsika ve ireo?
Zany ka olona "terre à terre" a ! :-)
Atao ahoana tokoa ny am-piditra seza ao am-po ve ? :-)
rekinbelo:
fanjakan'Andriamanitra dia tena fanajakana misy ary manana vahoaka tapahiny
ny Mpanjaka ao dia iJesosy Kristy sy ireo miaraka manja aminy
farany ny vahoaka entin'io fanjakana io dia isika olombelona mahatoky sy mino an'i Jesosy Kristy.
Dia iza avy ary no miaraka "manjaka" aminy ao ? Dia inona avy ny anjaran-toerany ? :-)
[/quote]
29. rijadolly
(
25/05/2011 20:16)
Rekinbelo>>>> Efa nazava anie ny tiako tenenina fa tsy Anarana azo tsapaitanana izany hoe FANJAKANA izany e! boribory ve izany sa lavalava ami' se?
30. rekinbelo
(
26/05/2011 08:32)
ka inona ary ilay fanajkana tianao tenenina e? TSisy dimension mantsy izany fa rafitra misy ka asa ahoana ny fandraisanao azy io.
31. rijadolly
(
26/05/2011 17:38)
Nisy tantara notatarain' Rija Rasolondraibe izay, raha nitehaka an' azy ny Mpijery. Raha vao niakatra ho any Jerosalema Jesoa dia nitaingina ampondra. raikitra ny hoby ny olona, nasiana lamba ny lalan' ilay ampondra. ny sampan-drofia etsy andaniny, tsy nisy fankalazana tahaka izany. ho an'iza nefa izany rehetra izany ? ho an' ilay ampondra ve? izaho ilay ampondra hoy Rija Rasolondraibe... za koa ilay ampondra.
Zavatra roa no azo tsohaina avy amin'izay. Ny mifanaraka ny loha hevitsika no lazaiko, na ny marimarina kokoa dia ny fandraisan' ny Fanjakan' Andriamanitra.
Ao anatinareo hoy Jesoa: na inona na inona anjara asanao ao anatin' Fanjakan' Andriamanitra dia zero aloha ny ataovy ao an-tsainao. Tepolin' Andriamanitra ianao izay. fitaovaNY ianao izay, irakiraka ianao izay, ambassadiNY ianao izay. ary miasa mba hampandroso ny FanjakaNY; fa tsy hoe 1er minisitra dia ao antinao, ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaovam-piasany dia ao anatinao....; Fa ny Fanjakany dia mitohetra ao anatinao izay tsy azon' iza na iza ho raisina sy ilay Mpanjaka izay tsy azon'iza na iza ho raisina ihany koa. Averiko eto indray ty teniko ity hoe: Ny Mpanjaka dia manana lapa hitoherany. Ary ny Fanjakana dia manana Mpanjaka izay mitohetra ao amin'io lapa io.

32. Miharena
(
27/05/2011 04:31)
Manomboka miha-lavitra hatrany tokoa ny fijery rehefa mihevitra fa misy ambaratongany ny Fanjakan'Andriamanitra, izany hoe mihevtra isika fa Izy Andriamanitra dia mitoetra fotsiny eo ambonin'ny seza fiandrianana dia tompoina sy deraina fotsiny fa tsy manana ny asaNY.
Rehefa mamaky tsara ny resak'i Kristy momba io fanjakana io anefa dia ao amin'ny fotoana nananaraNY ny mpianany tamin'Izy nanasa ny tongotry ny mpianatra no hita tsara ny tiaNY hampitaina.
Raha niady tokoa ny ho lehibe amin'izy rehetra manko ny Apostoly dia nilaza mihitsy Izy fa izay lehibe aminareo no ho mpanompon'izy rehetra. Toa an'i Kristy nanasa ny tongotra, nisasatra nanadio. Toa an'Andriamanitra miteny hoe : Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
Mazava fa miasa tsy ankiato izany Andriamanitra sy ny voariny rehetra izay Fofon'Ainy ihany ka izay no mandrafitra ny FanjakaNY. Ny Fanjakana eto dia ny voary manontolo iasaNY andro aman'alina sy miasa ho Azy.
Izay fahamarinana izay rehefa azo tsara dia miasa tsy amim-pihambahambana isika ka afaka miteny hoe : efa voakatsaka ny fanjakan'Andriamanitra ka hanampy antsika ny zava-drehetra.

33. Mpanazava
(
27/05/2011 09:14)
Bor2lais
Dia iza avy ary no miaraka "manjaka" aminy ao ? Dia inona avy ny anjaran-toerany ?
Hoy i Jesosy tamin'ny Jaona amin'ny boky farany amin'ny baiboly:" Hianao [Jesosy Kristy] no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ka ho mpanjaka hitondra ny tany (Izany hoe: manjaka ambonin'ny tany). (Apok 5:9,10)
F'angaha tsy resahan'ny APok 14:1-3 ireo hiara-manjaka aminy ao.
F'angaha tsy manana vala (an'ohatra) 2 i Jesosy izay misy ny ondriny (= tena Mpanaradia azy) Ka misy ireo ondry vitsy izay entiny hiaraka hanjaka aminy sy hihinana aminy amin'ny latabatrany masina any an-danitra ary ireo sokajina ho "Ondry hafa" handova ny tany?
34. Mpanazava
(
27/05/2011 10:02)
Asehon'ny Lioka 17:20 fa niresaka tamin'ny Fariseo i Jesosy talohany nilazany ny Lioka 17:21 izay anorenana ny finoana hoe "ao am-po ny fanjakan'Andriamanitra" na dia hoy aza ny DIEM:"Indro eo afovoanareo ny Fanjakan'Andriamanitra"
Fanontaniana:
Fanontaniana:
35. Miharena
(
27/05/2011 11:33)
Mpanazava:
Hoy i Jesosy tamin'ny Jaona amin'ny boky farany amin'ny baiboly:" Hianao [Jesosy Kristy] no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ka ho mpanjaka hitondra ny tany (Izany hoe: manjaka ambonin'ny tany). (Apok 5:9,10)
F'angaha tsy resahan'ny APok 14:1-3 ireo hiara-manjaka aminy ao.
F'angaha tsy manana vala (an'ohatra) 2 i Jesosy izay misy ny ondriny (= tena Mpanaradia azy) Ka misy ireo ondry vitsy izay entiny hiaraka hanjaka aminy sy hihinana aminy amin'ny latabatrany masina any an-danitra ary ireo sokajina ho "Ondry hafa" handova ny tany?
Marina amin'ny ampahany ny filazanao Mpanazava raha ny endrika hisian'ny voary isan-tokony no faritanao.
Fa ny zavatra izay tsy voazavanao eto dia ny hoe inona avy àry no mandrafitra ny fon'ny olona tsirairay izay handova ny tany sy ny fon'ny maro izay ao an-danitra? Aiza ho aiza ny fototry ny nilazan'i Kristy ny hoe ny tenako no fihinana ary ny rako no fisotro. Inona no antony nanaovaNY izany fomba fitoriana izany ?
Eto dia mampahatsiahy ny nandaozan'ny mpianatra maro Azy aho noho io fiteniny io hoe ny nofoko ny fihinana ary ny rako no fisotro. Satria nihevitra ry zareo fa cannibalisma angamba izany fa tsy hainy loatra ny resaka hoe : Iray ao Amin'i Kristy sy Andriamanitra RAY izay miray AMINY amin'ny alalan'ny Fanahy Masina mba hananan'ny tsirairay ny sitrapon'Andriamanitra miraikitra tsara ao am-pony, ka mitondra ny fisainany rehetra izany hahazo tsara izay fifampiresahana amin'ny Ray sy ny Zanaka.
36. daran
(
27/05/2011 16:54)
daran:
ref nandinika fandikanteny maromaro aho amin'io andinin-teny io dia izao no hitako
http://djep.hd.free.fr/LaReferenceBiblique/?Livre=42&Chap=17&Vers=21
"Car voici que le Royaume de Dieu est au milieu de vous." bible de Jérusalem, bible louis segond 1910; bible darby; bible de l'Epée, bible des peuples... Vitsivitsy no nilaza hoe au dedans de vous (4/14 traductions)
Niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesosy, ho ao anatin'izy ireo ve ny fanjakan'A/tra? izy ireo anefa nandà an'i Jesosy. I Jesosy lay mpanjakan'ny fanjakan'A/tra anefa no teo anivon'izy ireo.
Mazava ho azy koa anefa fa normale tsara raha miaina mifanaraka @ fitsipik'A/tra isika. Ao am-pontsika ny lalan'A/tra ary iainantsika dieny zao zany.
AHOANA OUA NY HEVITRAREO MAHAKASIKA ANIREO FIKAROHANA HITAKO IREO? Fananinareo tsy valiana v lé izy e?
37. rijadolly
(
27/05/2011 19:22)
Miray hevitra amin'se aho amin'io
Mazava ho azy koa anefa fa normale tsara raha miaina mifanaraka @ fitsipik'A/tra isika. Ao am-pontsika ny lalan'A/tra ary iainantsika dieny zao zany.
ohatra tsotra hamaliako azy dia izao, Manankery any Amerika ve ny fahefana ananan' filohan' ny HAT? Tsia ny valiny. porofo izany fa ny ao am-po ihany no mikaoty, Izay mitarika ny fisian'ilay Fanjakana eo am-povoany raha maromaro na roa miaraka izay manana sy manaiky ho Mpanjaka an' ilay Tompon' ny Fahefana ho ao am-pony.
Niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesosy, ho ao anatin'izy ireo ve ny fanjakan'A/tra? izy ireo anefa nandà an'i Jesosy. I Jesosy lay mpanjakan'ny fanjakan'A/tra anefa no teo anivon'izy ireo.
38. daran
(
29/05/2011 07:37)
ory ry Rijadolly a, ts aiko na za no sarotra mahazo zvt na tsia fa tena tsy azoko ny fanazavanao surtout lé phrase hoe "Izay mitarika ny fisian'ilay Fanjakana eo am-povoany raha maromaro na roa miaraka izay manana sy manaiky ho Mpanjaka an' ilay Tompon' ny Fahefana ho ao am-pony."
39. Miharena
(
30/05/2011 16:33)
Ilay izy tokoa anie Rijadolly tokony ho tsotra be fa rehefa lava ny teny very ny soa e!
Tempolin'Andriamanitra daholo ny tsirairay fa rehefa tsy pmahatsapa izay izy dia mivenjivenjy mitady ets ysy eroa aloha dia rehefa ilazana fa tempoly ka manaiky tsotra dia afaka tanteraka amin'ny fiantsoana hery lavitra azy.

40. rijadolly
(
01/06/2011 19:24)
daran
HIHIHIHIH! Ohatry ny sarotra be marina ilay teniko ô!
Izao ny tiako ambara amin'io hoe:
" ohatra tsotra hamaliako azy dia izao, Manankery any Amerika ve ny fahefana ananan' filohan' ny HAT? Tsia ny valiny. porofo izany fa ny ao am-po ihany no mikaoty, ======> ny fisian'ilay Fanjakana eo am-povoany raha maromaro na roa miaraka izay manana sy manaiky an' ilay Mpanjaka Tompon' ny Fahefana ho ao am-pony."
Mbola tsy tafampitako ve ny tiako tenenina?
Daran: