Baiboly Tenin'Andriamanitra velona ..

1. 0uioui ( 11/05/2011 18:17)
- Maranitra toy ny sabatra roa lela !...(baiboly)

- Endrey ny hamamin'ny Teninao raha nandramako (baiboly), fa nanoatra ny tantely tato ambavako aza !...

- fa velona sy Mahery ny Tenin'Andriamanitra !(baiboly)

- NY HAMARANAKO AZY dia izao .... Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa :"NY TENY REHETRA IZAY NALOAKY NY VAVAN'ANDRIAMANITRA
(baiboly)
- NALOAKY NY VAVAN ANDRIAMANITRA

- NALOAKY NY VAVAN ANDRIAMANITRA
novalian'i 0uioui ny 13/05/2011 18:15
2. rijadolly ( 11/05/2011 18:50)
"Ny teniNao no fahamarinana." JAONA 17 : 17
3. hery ( 12/05/2011 09:11)
Marina mihitsy io

Tenin'Andriamanitra ny Baiboly
(oviana i ouioui no mba niteny hoe marina ny nolazaiko? lolll)

Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.

Ary ny Fiangonana no nampita izany tamintsika.

Ny Fiangonana no niteny hoe ireto boky ireto ihany no Baiboly fa ireto tsy izy. Misy an'izany Filazantsaran'i Thomas izany tsy nampidirina kanefa mitantara ny fiainan'i Jesoa, nitantara ny fampianaran'i Jesoa. Fa ny Fiangonana niteny hoe tsy manampy amin'ny finoana dia tsy Tenin'Andriamanitra.

4. 0uioui ( 12/05/2011 11:57)
HERY efa niteny imbetsaka mihitsy ah hoe marina ny anao ry hery !! fangamba ririnindasa tsy tsaroana le izy !! tsy maninona ka !...ity zao santionany ::

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Papa Joany Paoly II
Valiny : 71
Pejy: 1 2 3 > Farany
hery - 29/04/2011 00:27
Vaovao mahafaly koa itony (mivonto zao ny oron'ny sasany kanefa ny vaovao mahafaly tsy maintsy lazaina). Hatsangana ho olontsambatra amin'ny 1 mai izao eto Roma ny papa Joany Paoly II. Atao ahoana, hoy i Gamaliela izay hoe raha tsy manao ny asan'Andriamanitra ireo dia ho levona ho azy eo. Efa 2000 taona aty aoriana mbola tsy levona fa vao maika miroborobo.

Dia ho tsiniko ve?
Valio | Miverina eny ambony andrywui - 29/04/2011 08:13
Marina izany Hery à ekena leroa à haleloia... haleloia ..

5. milamina ( 13/05/2011 02:41)
Ouioui> Dia maninona raha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly?
6. 0uioui ( 13/05/2011 08:31)
milamina ===) asa !..tsy haiko tokoa hoe maninnn tokoa ary raha Tenin'Atra ny Baiboly ? samia mamaly any ampony any r'ingah roa a

- Fa ny valiny anah alou de hoe : Tenin'Antra ny Baiboly ka iainana sy ankatoavina ==) -- zay ny ny ahy !! ary ny an'i milamina? ...
7. 0uioui ( 13/05/2011 08:33)
fanampiny : Tenin'atra velona velona io ka tsy anampiana na analana fa tsindrimandrin'Atra ho an'ny mpanoratra izay voasoratra tao !...
8. bor2lais ( 13/05/2011 12:09)
Ouioui:

fanampiny : Tenin'atra velona velona io ka tsy anampiana na analana fa tsindrimandrin'Atra ho an'ny mpanoratra izay voasoratra tao !...

Misaotra an'i Ouioui nanamafy fa velona ilay Teny !
Ka any amin'ilay hoe "tsy anampiana na analana" izany ve no ilazana (na andraisana) azy fa velona ? :-)
9. 0uioui ( 13/05/2011 18:15)
- Efa velona aloha izy ry bor2lais no eo aloha a zay vao tsy anapiana na analana amizay ! _ i hery ve manaiky aloha hoe :"avy amin'ny Tsindrimandry avy amin'Atra daholo ankoatra ny direct (didy folo..) no nanoratana ny Baiboly fa tsisy saina be sy loha be fotsiny ".????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1029