inona no sakana?

1. milamina ( 10/05/2011 07:08)

Hoy Jesoa:
novalian'i Miharena ny 27/05/2011 04:52
2. milamina ( 10/05/2011 07:11)
Hoy Jesoa: Tiavo Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ...

Inona ny misakana anao tsy ahafahanao manatanteraka izany amin'ny fiainana andavanandro?
3. rekinbelo ( 10/05/2011 07:18)
ny Tontolon'ny SAtana!
4. milamina ( 10/05/2011 07:20)
rekinbelo> inona ilay antony mahatonga ny Tontolon'i Satana hanana fahefana aminao tsy ahafahanao mitia an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra?
5. Miharena ( 10/05/2011 13:05)
Ilay be erikerika no sakana tsy hahaizana miaina io teny io. Rehefa mahalala tsara ny Fototra anefa dia tokony ho efa afaka ny sakana. Ny tsy fahalalàna no sakana tsy hahatanterahan'io resaka fitiavana an'Andriamanitra io satria rehefa tsy fantatra Izy, atao ahoana moa ny hitia Azy? Rehefa fantatra tsara indray Izy dia mazava fa tiana manontolo satria fantatra fa Izy no mitrotro antsika zanany.

Ilay fitiavana koa moa indraindray tsy hay akory ny mamaritra azy ka izany koa miteraka sakana.

Ka tokony hovelabelarina aloha ilay atao hoe tia amin'ny fo rehetra Milamina dia ho hita eo ny azo hanampiana izay voalaza.

Raha ny resak'i Rekinbelo hoe Satana no sakana, dia hoy aho hoe rehefa fantatra tsara ny famaritana an'i Satana dia afaka manala azy tsy ho eo amin'ny erana misy isika tsy hahatonga azy ho sakana.
6. lagoon ( 10/05/2011 16:24)
Ka tsy afaka miaraka eo @ fiainana andavan'andro ny matérialisme sy ny spirituel!!

Raha tena te ho tia an'Andriamanitra @ fo rehetra ianao,dia mipetraka anaty ala na eny @ tendrombohitra toy ireo moines na sadhus ary tsy mifandray @ matérialisme izany.
7. rekinbelo ( 11/05/2011 12:25)
Ny tontolon'i Satana manodidina antsika io anie ka misy effet aty @ finoantsika e!Isika ve mahavita 100% ny fitiavana sy fanompoana an'Atra? mandainga izay milaza izany,isan'andro vo mifoha ianao de mila iady fonamba tsy ho lasa ao anaty fandrika izay mety hisy.
na ny zvt mandeha @ télé sy ny hira renesintsika isan'andro io de efa mety hanimba sy tsy ahatratra @ fomba feno ny fitianvana an'Atra.
tadidio fa tsy afabela izany enao raha kristianina fa mipetraka eto @ tontolon'ni Satana enao!
8. Miharena ( 11/05/2011 16:15)
Izay Rekinbleo no antony hijerena tsara hoe inona no fototry tontolon"i Satana?
Raha mandinika isika dia ny fitaka no fototr'io tontolo io. Mila fantarina izany ny lainga dia afaka isika. Raha fantatra tsara ny marina dia tsy laitran'ny lainga isika fa hahatsapa tsara hoe misy mikorontana izany hevitra aposatsika izany na aposaky ny hafa.

Ny momba ny fisiana sy ny zava-mifamahofaho moa no tena fototry ny hitiavan'ny olona manadihady ny momba azy sy ny Mpamorona ka izany no antony mahatonga ny fikororohana izay tsy izy ka hitadiavana ny fahamarinana marina.

Ilay mampiaina anaty tahotra no mila savaina tsara mba hahatoky fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra no manjaka. Rehefa mahalala tsara fa ireo kipantsona tsy misy fitiavana no atao hoe tsinontsinona na tontolo mamitaka dia mazava fa hazava sy ho feno ny olona.
Ao anatintsika io fahafahana mahay manavaka io ary izany indrindra no ilazan'Andriamanitra fa Fofon'Ainy isika tsirairay avy.
Rehefa mahalala izany fahatsorana izany ary mahay mitaiza izany dia tsotra ny fiainana sy ny fisainana ary manam-piadanana tsy ho voarebirebin'ny zava-poana isika.

Raha milaza moa Rekinbelo hoe mila mitandrina ary i Lagoon manao hoe tsy afaka miaraka ny fanahy sy ny materialy dia misy fitaizana mibirioka ihany mikasika ireo.
Ny principe voalohany izay very no mahatonga ireo rehetra ireo, izany hoe ny fanadinoana fa zanak'Andriamanitra sy avy Aminy daholo izao rehetra izao. Rehefa fantatra ity fampianarana tsotra fototra ity dia tokony tsy hisy efitra mampisaraka ny materialy sy ny ara-panahy. Satria fanahy daholo ny zava-drehetra amin'izay satria tao anatin"ny Teny no nahariana azy rehetra.
Reefa ao anatintsika izay Teny fanorenana izay dia mazava fa tsy hisy hahasakana antsika hitia an'Andriamanitra izay isika dia sombiNY. Ilay intégrité izany no tokony ananana dia tsy afaka hanjaka ny fitaka sy ny fitsaratsaram-poana tsy misy fitiavana.
9. rekinbelo ( 11/05/2011 16:46)
fantatro mihitsy ny tontolon'ni satana an'azy daholo ny fanfapahana an'izao tontolo izao (Luc 4:5-8) izay no tsy ahitatsika mangirana eto @ fiainana.izay no mampikorotana ny fiaintsika olombelona ka raha tsy miova mihitsy ny mpitondra an'ity tontolo ity izany hoe raisin'i Jesosy an-tanana dia mbl ratsy foana no manjaka eto."ny mpanaradia an'i Kristy dia tsy anisan'izao tontolo izao hoy Jesosy" JN 17: 16
10. milamina ( 12/05/2011 04:30)
misaotra anareo rehetra. Marina tokoa ry rekinbelo fa feno fitaka ny tontolo manodidina iainantsika. Kanefa araka ny nambaran'i Miharena dia hanafaka antsika tsy ho "andevo" ny "Marina" raha fantatsika hoy i Kristy.

Ny mety ho antony mahatonga ny sakana angamba dia isika no mety "tsy sahy" mandray ilay "fahamarinana" satria hitondra fiovana goavana be eo amin'ny fiainantsika izany, ary ny olombelona matetika dia matahotra fiovana. Ny azo atao anefa dia mangataka hery @ Tompo ahafahantsika mino sy mandray ary mitia Azy.
11. RBNIR ( 26/05/2011 06:34)
milamina:

Hoy Jesoa: Tiavo Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ...

Inona ny misakana anao tsy ahafahanao manatanteraka izany amin'ny fiainana andavanandro?

Faly miarahaba namana,
Tsy tokony hisy sakana mihitsy fa ny fanantanterahana azy sisa no andrasana amin-tsika :

« Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. » (Jaona 14:24)

Nohamafisina :

« Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3)
Mazotoa daholo ary mahereza hatrany.

Samy ho tahin'ny Tompo daholo


12. rekinbelo ( 26/05/2011 08:27)
Tsy mora anie namana ny manaraka io didin'Atra io e.Enao io ve mino fa tena tsy manao fahotana intsony mihitsy izao?
I jesosy Kristy ihany aloha izao no fantaro fa olombelona tsy nisy ota sady tsy nanota teto aantany fa raha isika dia mbl misy ota foana ary mety manota foana isan'andro vaky izao.
Soa ihmany fa eo I Jesosy mba isolo antsika noho ny otantsika ka afaka manana fifandraisana madio @ Rainy foana isika na dia mpanota aza.
13. RBNIR ( 26/05/2011 08:35)
rekinbelo:

Tsy mora anie namana ny manaraka io didin'Atra io e.Enao io ve mino fa tena tsy manao fahotana intsony mihitsy izao?
I jesosy Kristy ihany aloha izao no fantaro fa olombelona tsy nisy ota sady tsy nanota teto aantany fa raha isika dia mbl misy ota foana ary mety manota foana isan'andro vaky izao.
Soa ihmany fa eo I Jesosy mba isolo antsika noho ny otantsika ka afaka manana fifandraisana madio @ Rainy foana isika na dia mpanota aza.

Fantaro ny marina namana a! Fantaro ny marina,
Hoy ny Teny hoe "sady tsy mavesatra ny didiny". Andriamanitra tsy mba mpandainga namana (sa ts'izany??).
Tsy manolo-bato mafana izany Izy fantaro ny marina.
Jereo ilay fandaharana, sady raha tsy diso aho ianao eto mada e??

Samy tahin'i Jesosy namana
14. Miharena ( 27/05/2011 04:52)
Rekinbelo:

fantatro mihitsy ny tontolon'ni satana an'azy daholo ny fanfapahana an'izao tontolo izao (Luc 4:5-8) izay no tsy ahitatsika mangirana eto @ fiainana.izay no mampikorotana ny fiaintsika olombelona ka raha tsy miova mihitsy ny mpitondra an'ity tontolo ity izany hoe raisin'i Jesosy an-tanana dia mbl ratsy foana no manjaka eto."ny mpanaradia an'i Kristy dia tsy anisan'izao tontolo izao hoy Jesosy" JN 17: 16

Izay indrindra Rekinbelo no izy, izany hoe rehefa mahalala tsara fa ao amin'izao tontolo izao isika fa tsy naman'izao tontolo izao dia efa mahafantatra fa manana izay anjarantsika ao amin'ny miafina tsy hitan'ny maso sy tsy tsapan'ny retsika ara-nofo.
Ny momba ny eritreritra mamitaka nangonintsika tsirairay teto amin'ity tany nisian'ny korontana ity sisa no ezahantsika fantarina sy tsy averina intsony araka ny maha-zanaka antsika. Io ilay fahatsiarovan-tena na fifohazana lazaiko matetika eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0327