Fampodiana entana any dago : Mitady fifanampiana ô.

1. toky8 ( 10/05/2011 00:23)
Salama daholo ô!

Mba hitantara anareo ny olako sao misy afaka mifanampy amiko azafady :
Nianatra aty Marseille aho ary mikasa hody any dago aho amin'ny juillet 2011 izao satria vita ny fianarako.

Koa momban'ny fampodiana entana dia efa nikaroka transitaire aho, ka nahita ny site-n'ny "walexport". Dia hitako ao fa 150€ eoeo ny mandefa entana 1 metre cube. Ny entako anefa mahatratra 3 mètre cubes. Izany hoe : 500€ eoeo ny mandefa ny entako rehetra. Ny mamoaka an'ireo any @ douane koa anefa mbola tsy haiko. Ny volako koa kelikely ihany.

Ka ny anontaniako anareo dia ny hoe : ohatrinona eo ho eo kay ny mamoaka entana ao tamatave ao azafady? isaky ny metre cube ve sa arakaraky ny lanjany?

Manarak'izany : sao mba misy aminareo mpandefa zavatra any matetika ka afaka atambatra ny entantsika. Sao mba lasa moramora kokoa rehefa atambatra, na koa rehefa mahatratra container iray ?

Na koa sendra misy olona/fianakaviana hifindra any dago ka mba afaka mampiaraka entana isika ?

Momba ny resaka fifampitokisana dia izao (satria tsy tian'ny olona sasany ilay mampiaraka entana sao misy rongony na zavatra mampigadra), erireritro ihany ity a : manao taratasy hafa mihitsy isika milaza fa izaho toky8 dia tompon'izao sy izao avy.

Misaotra indrindra anareo!
novalian'i Ratoa ny 29/05/2011 02:37
2. Sourcegasy ( 10/05/2011 13:40)

[quote=toky8]

Misaotra indrindra an

Sao mba mahasoa :

ROJO IMPORT EXPORT ET MESSAGERIE
36 rue jules guesdes 93220 GAGNY
06 42 85 76 26***01 75 91 04 22
RCS BOBIGNY 483944955
iemessagerie@yahoo.fr
3. m.i.s.a ( 11/05/2011 08:56)
misy organisme mikarakara ny entan'ny mpianatra rehefa vita ny fianarany ka mody.

anontanio ko ny compagnie indrindra air mad

manana droit ianao @ io entana io ary misy tena mahatratra hatramin'ny 500kg eo.

ny compagnie hiverenanao mody hanontaniana
4. toky8 ( 12/05/2011 23:48)
MISA: nanontaniako ny air france fa toa tsy misy an'izany 'ko.

Ilay transitaire etsy ambony no ndeha hantsoiko. Teneniko eto ihany ny tohiny.

Misaotra indrindra o
5. sipagasy ( 15/05/2011 09:32)
nanao ahoana ihany???
6. kilonga3 ( 27/05/2011 18:42)
Mahazo détaxe any amin'ny douane ny mpianatra avy an-dafy mody (définitivement). Anontanio ny organisme fa zo anao izany raha toa fa mahafeno ny fepetra rehetra angatahina ianao!
7. Ratoa ( 29/05/2011 02:37)
manontania koa ny masoivhon'i Madagasikara
8. Ratoa ( 29/05/2011 02:37)
manontania koa ny masoivhon'i Madagasikara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1713