Fihaonana Namana Serasera Roma Aout 2011

1. hery ( 09/05/2011 15:12)
Araka ny vinavina mandeha dia hisy fihaonan'ny namana serasera indray aty Roma amin'ny volana aogositra 2011. Ny daty dia ny 12-15 aogositra 2011. Nalefa aloha mihitsy ity fampilazana ity mba hahafahan'ny tsirairay mandamina sahady ny congé-ny.

Tamin'ny taona 2006 sy ny taona 2008 dia efa nisy fihaonana tahaka izao, ka tsy nanenina izay tonga.

Ny zavatra hatao dia miankina amin'ny fangatahan'ny tsirairay no handaminana azy.

Ny zavatra efa voafaritra fotsiny dia :
- Ny daty 12 - 15 Aout (afaka tonga aloha sy miala aoriana fa ireo no itambarana)
- Hisy fitsidihana miaraka ho an'ireo izay sambany vao nanatrika
- Hisy alina iarahana mikorana
- Ny toerana hivantanana dia tsy miova fa toy ny taloha ihany

Afaka mifandray sahady amin'i hery, Angie, ikalamako, ao amin'ny http://namana.serasera.org

novalian'i hery ny 27/06/2011 08:50
2. fahamarinana ( 09/05/2011 15:53)
tsy tafa e!!! Fa mirary fiarahana mahafinaritra ho an'ny rehetra o ! :)
3. sipagasy ( 10/05/2011 09:16)
Mankasitrakahatrany,

ny fanontaniana moa dia ny hoe ohatrinona moa iznay ny frais sur place?? hebergement, sakafo sy fitaterana sa alefantsika ligne 11 ihany io dia mety?

fanontaniana hafa indray ny 15 Aout moa ilay misy ilay fametrahana fehezan-doha voninkazo an'i Masina Maria any dia ilay feno olona beh any???
4. sipagasy ( 12/05/2011 09:43)

sipagasy:

Mankasitrakahatrany,

ny fanontaniana moa dia ny hoe ohatrinona moa iznay ny frais sur place?? hebergement, sakafo sy fitaterana sa alefantsika ligne 11 ihany io dia mety?

fanontaniana hafa indray ny 15 Aout moa ilay misy ilay fametrahana fehezan-doha voninkazo an'i Masina Maria any dia ilay feno olona beh any???



t@ izany andro izany e!!!!!!!

http://forum.serasera.org/forum/message/m480f9de865ba4
5. ds ( 22/05/2011 11:15)
Manamafy fa ho avy...:-)
6. sipagasy ( 23/05/2011 16:59)
firy izany isika izao no ho avy??
7. Ralay ( 26/05/2011 08:13)
Tena tsy mety aminay le date kle snif snif
8. hery ( 27/06/2011 08:50)
Salama daholo

Izao izany vao azo ny tena confirmation-n'ny trano.

Ny trano dia ilay efa nandehanana hatramin'izay ihany, ao amin'ny YWCA. Ka amin'ity dia 20 Euro isaky ny fandriana.

Ny sakafo dia boriboriana ho 5 euros isanandro eo (hahandro isika na haka mpahandro)

Ny hetsika madinika isankarazany no manampy ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2389