Volan'i Masina Maria

1. hery ( 09/05/2011 09:52)
Ity volana ity, ny volana mey, ho an'ny Katolika :-) isantaona dia volana natokana hanajana manokana an'i Masina Maria. Betsaka ny zavatra azo atao amin'izany. Ny tena fanao matetika dia ny hasivianandro manomboka ny 1 ka hatramin'ny 9 mey. Ny fivahinianana masina amin'ny toerana voatokana ho amin'izany (Lourdes, Fatima, Anosivolakely).

Fivavahana tsotra izay ibanjinana ny fahatongavan'i Jesoa ho nofo (incarnation) fototry ny famonjena ny olombelona dia averina matetika ilay fiarahabana nataon'ny anjely izay manambara izany fahatongavana ho nofo izany:

Arahaba ry Maria feno hasohavana
Ny Tompo ao aminao
Nohasoavina noho ny vehivavy rehetra ianao
Ary nohasoavina i Jesoa hateraky ny kibonao

Masina Maria Renin'Andriamanitra
Mivavaha ho anay mpanota
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay

Amen.

Averimberina hatrany fa tsy i Maria no Andriamanitra. Miaraka mivavaka aminy isika, manampy antsika hivavaka izy. Mampitodika antsika amin'i Jesoa sy Andriamanitra Ray izy.

Izay hatrany no asa nataon'i Maria hatramin'izay... mampitodika antsika amin'i Jesoa Zanany.
novalian'i Mpanazava ny 17/05/2011 11:25
2. 0uioui ( 09/05/2011 10:02)

Averimberina hatrany fa tsy i Maria no Andriamanitra. Miaraka mivavaka aminy isika, manampy antsika hivavaka izy. Mampitodika antsika amin'i Jesoa sy Andriamanitra Ray izy.

Izay hatrany no asa nataon'i Maria hatramin'izay... mampitodika antsika amin'i Jesoa Zanany.

misy fanamarihana kely fotsiny ity hery a !

-aza atao hoe: hanao anzao isika ,toy izao isika le resakao!!... fa ataovy ataovy hoe nareo irery sy ny mpino Kato iany hi-s'adrresse-na fa betsaka no tsy Kato eto amin forum !...merci
3. 0uioui ( 09/05/2011 10:03)
nefa kosa afaka mamaly !....

ok ?
4. RBNIR ( 09/05/2011 10:09)
Namana hery,

ka rehefa miantso ny anarany kosa v tsy efa midika midika hoe mivavaka aminy na tian-tsika na tsy tian-tsika satria sahala amin'ny mino izany isika fa henony iny teny nalefa iny .
Olona v dia ahavita an'izany??? Voninahitr'Andriamanitra irery anie ny fahaizana manao izany e! indrindra ny katolika efa mahatratra en milliard (ngamba) nefa izay miantso dia mino fa henony avokoa. Ka tsy efa Andriamanitra v izy raha mahavita an'izany???
Na dia atao hoe ampitaina aminy aza ny teny fa tsy raisiny mivantana (Aharaka izany v ny lohany izay sain'olombelona fa tsy sain'Andriamanitra?).
Diniho tsara ihany namana,
Fitiavana no antony hilazana an'izany an, izay mba takatro dia zaraiko mino aho fa ho any amin'ny tany tsara.

Samy ho tahin'ny Tompo indray e!

5. hery ( 09/05/2011 10:09)
:-) Tsy azoko fa angaha ianareo tsy liana?
6. hery ( 09/05/2011 10:11)

ka rehefa miantso ny anarany kosa v tsy efa midika midika hoe mivavaka aminy na tian-tsika na tsy tian-tsika satria sahala amin'ny mino izany isika fa henony iny teny nalefa iny

REhefa miteny hoe: Pasitera o, mba ento ambavaka ilay zanakay marary izany dia mivavaka amin'i Pasitera :-)

7. RBNIR ( 09/05/2011 10:14)
hery:

REhefa miteny hoe: Pasitera o, mba ento ambavaka ilay zanakay marary izany dia mivavaka amin'i Pasitera :-)

Ka iny mandeha tsirairay dia miresaka mivantana fa ity alefa any ambony any dia hinoana hoe misy mandray nefa olona marobe no indray miantso fa tsy hoe tsirairaika,
Sahala amin'ny mino hoe voarainy iny fa hivavaka ho ahy izy.
Ka raha tsy izy no Andriamanitra ka ahavita an'izany koa, marina e! diniho ihany

8. hery ( 09/05/2011 10:19)
Mt 22. 29 Ary Jeso namaly ka nanao taminy hoe: Diso hevitra hianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny anjelin'Andriamanitra any an-danitra izy ireo.
9. RBNIR ( 09/05/2011 10:24)

Hitovy an'ireo anjely fa tsy hitovy amin'Andriamanitra na i Jesosy Tompo ka hanana ny voninahitra izay ananay koa,

10. hery ( 09/05/2011 10:29)
Tsy misy manome voninahitra azy mitovy amin'Andriamanitra ka.

Raha tsy izany dia tsy nampitaina taminy intsony ny vavaka fa tonga dia izy mihitsy no nasaina nanao azy.

"diniho ihany" :-p
11. RBNIR ( 09/05/2011 10:33)
hery:

Tsy misy manome voninahitra azy mitovy amin'Andriamanitra ka.

Raha tsy izany dia tsy nampitaina taminy intsony ny vavaka fa tonga dia izy mihitsy no nasaina nanao azy.

"diniho ihany" :-p

Ilay voninahitra tiako ambara dia ilay fahaizan'i maria mandray ilay antson'ny olona marobe (en million na milliard) Io ilay lazaiko hoe Voninahitra Izay tsy hanana'iza na iza afats'i Andriamanitra sy ny Tompo irery ihany. nefa hinoan-tsika katolika hoe vitani' maria (izay mitovy amiko sy ianao ihany).
12. hery ( 09/05/2011 10:39)

Tsy voninahitra indray izany amiko.
Mila jerena hoe ahoana tokoa ny finoanao ny olona maty anakiray. Mankaiza. Izaho aloha tsy mitovy hoe mitovy amiko ny olona iray rehefa maty, raha tsy izany izy tsy natao hoe maty.

Dia mihoatra an'izay, raha olona tsotra maty aza dia efa tsy azo antsaina marina hoe ahoana, vao mainka fa olona "Feno hasoavana" (hoy ny anjely)

Izany feno hasoavana (Pleine de grace) izany amiko dia mifono zavatra maro. Tsy Andriamanitra ny olona feno hasoavana saingy tsy inoako kosa hoe feho hasoavana.

Ny feno hasoavana izany tsy simban'ny fahalovana, raha tsy izany dia tsy feno fahasoavana.

13. RBNIR ( 09/05/2011 10:45)
hery:

Tsy voninahitra indray izany amiko.
Mila jerena hoe ahoana tokoa ny finoanao ny olona maty anakiray. Mankaiza. Izaho aloha tsy mitovy hoe mitovy amiko ny olona iray rehefa maty, raha tsy izany izy tsy natao hoe maty.
[/quote]
raha ny tenin'Andriamanitra mikasika ireo olona efa maty dia izao :« Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy. » (Mpitoriteny 9:6)
Mazava b io tsy manana anjara intsony amin'izay atao ety an-tany izy ireo.
Tenin'Andriamanitra marina fa tsy misy lainga.
14. Miharena ( 09/05/2011 10:56)
Eto aho dia mahita hatrany hoe mihidy fo mihitsy Ouioui sy RBNIR raha vao mivoaka ny resaka ataon'i Hery momba ny fombam-pivavahany.
Izay no mahatonga ahy hametraka hoe tsy tokony hamono ny FOTOTRA ny fombafomba fa ny fombafomba no tokony hanamafy ny Fototra aza.
Dia mila faritana tsara ilay FOTOTRA dia miezaka manatratra izany isika rehetra amin'ny fomba rehetra.

RBNIR:

Ka iny mandeha tsirairay dia miresaka mivantana fa ity alefa any ambony any dia hinoana hoe misy mandray nefa olona marobe no indray miantso fa tsy hoe tsirairaika,
Sahala amin'ny mino hoe voarainy iny fa hivavaka ho ahy izy.
Ka raha tsy izy no Andriamanitra ka ahavita an'izany koa, marina e! diniho ihany

Eto ohatra dia milaza izany RBNIR fa tsy mahavita izay vitan'Andriamanitra i Maria. Nefa Maria efa eo anilaNY efa ela izay ary manao ny asan'Andriamanitra hatramin'izao.
Ny fanantenan'ny kristiana no hitako manalavitra ny tena izy indraindray. Raha ny fahitako ny fahazoana izay hafatra tiana hapetraka ao anaty Baiboly dia velona ny fanahin'ny efa lasa nodimandry. Efa manana ny anjarany avy izy ireo raha ny tena izy fa ny olona no tsy mahatsiaro izany anjara asa izany.
Ohatra, ao amin'ny Baiboly dia misy ireo anjely maro sy Abrahama izay any an-danitra ary manao asa eto an-tany amin'ny fampitana hafatra. Mitohy izany hatramin'izao fotoana izao fa tsy hoe akory mijanona amin'izao. Raha tsy izay manko no izy dia ny feon'i Lucifer izay nanjaka ela izay no mbola hotazonin'ny olona fa tsy ny feon'ny irak'Andriamanitra izay feon'Andriamanitra mazava ho azy.

Tonga amin'ilay resaka nataon'i Kristy hoe: "Izaho sy ny ray dia Iray ihany" izy ity ka lasa mitana ny toeran'ireo mpitondra fivavahana namantsika Azy tamin'izany fotoana izany isika izay mitsara fahatany ny tsy fahatanterahan'ireo mpanompon'Andriamanitra efa lasa nodimandry izay samy tokony hanana ny anjarany avy eo amin'ny fitohizan'Aina sy fitohizan'ny asan'Andriamanitra.
15. 0uioui ( 09/05/2011 10:57)
fa inona no problem mr hery raha tonga de mivavaka mazava , mahitsy direct amin'Atra na Jesoa kristy isika , fa maninn mbola asiana mpanelanelana be fona e (ohatra masina maria , pape , olo-masina efa maty ...) olana be angaha raha mivavaka direct ,?? sa tsy mahatoky tena fa be fahotana be ?? sa defa raikitapisaka ao andoha fona le oe tsy mahavita mivavaka mihitsy fa misy asaina manelanelana foana !!!....rehefa hangataka bonbon amin'i dadanareo zany i hery de atsoina kely alou i 0uioui hanelanelana oe omeo bonbon ony i hery fa izy tsary sahy mangataka direct amin'i dada !!...hafahafa !!!....sadasada manantsoratra
16. RBNIR ( 09/05/2011 11:16)
Ilay izy miharena ny baiboly ihany no tokony fototra iaingana a! io no Sitrapon'Andriamanitra ka tsy maintsy hajaina na tiantsika na tsy tiantsika, ary tsy tokony hamitatena ka hamorana didy hafa entina hanantonana na anankaikaizana an'Andriamanitra.
Ianao izao manana ny sitraponao, dia toy izany koa Andriamanitra manana ny Sitrapony ary ny Sitrapony efa nosoratany fa tsy azon'iza na iza hovaina satria raha manova ianao dia mazava ho azy fa tsy ilay tena Sitrapony intsony izany no atao fa ny sitrapon'ilay nanova azy.
Ny marina no ambara ary io marina io ilay manoatra noho ny sabatra 2 lela ka mila mahay mandray tsara isika.
Fitiavana ny filazana ny marina fa tsy fanenjehana na fitsarana akory, satria any aoriana any mety hivoaka ny teny hoe fa naninona no fantatrao fa tsy azo atao izao nefa tsy nambaranao ahy, ianao nefa iry faly ery izaho aty hijaly aty.
Tsy maintsy lazaina ny marina ary tsarovy fa i Jesosy Tompo aza nanindrona ny fon'ny reniny sy ny rahalahiny tamin'ny teny mahararay raha nilaza ny fahamarinana tamin'izireo.

Samy ho tahin'i Jesosy Tompo
17. Miharena ( 09/05/2011 11:33)
Ka io indrindra anie RBNIR no antony hilazako matetika eto hoe ny tena marina izay tsy raisin'ny mpino ankehitriny dia ny tsy fisian'ny fahafatesana e! Ny filazana ny Fototra dia ny hoe nataon'Andriamanitra sahala amin'ny endriNy isika rehetra, izany hoe mandova ny fiainana ananaNY.

Hevitra mivilivily daholo ny manaraka rehetra noho ny fisian'ny fitaka nataon'i Lucifer ary mamerina amin'ny laoniny ny zava-drehetra amin"zao fotoana izao ny mampandre sy izay mampandre fa zanak'Andriamanitra isika rehetra na i Maria, na i Jesosy na i Mosesy na i Kaina na i Abela na izaho na ianao, na mpanota na tsy mpanota.

Dia raha misy ireo hafatra ataon'ireo izay efa manana ny anjarany ao amin'Andriamanitra dia tsara aloha mamantatra tsara izay lazainy na tenin'Andriamanitra marina izany na tsia vao milaza hoe tsy izy io iresahanareo io.

Ilay fahamarinana heverinareo foana hoe efa voasoratra daholo ao anaty Baiboly no misy tsy ampy satria na ny Baiboly aza, raha mijery ianareo ao amin'ny Apokalypsy dia milaza fa misy boky teny an-tanan'ny anjely izay nomeny an'i Jaona ka nohaniny ka mamy toy tantely tao am-bavany fa nangidy tao an-kibony. Teny manadio io matoa nangidy tao an-kibony (izay kibo mbola naloto tamin'io fotoana io). Mbola misy izany ny boky fahamarinana mivoaka fa tsy voafetra amin'ny Baiboly intsony akory. Mety ho manamafy ireo voalaza ao anaty Baiboly ny teny ao anatin"io bokin'ny Filazan-tsara mandrakizay io ary mety hisy zava-baovao izay mbola tsy takantsika ankehitriny.
Izay no antony hisokafana amin'ny hafatra azo avy amin'ny anjely maro ankehitriny. Ny fahaiza-manavaka no ahafahana mahafantatra fa anjelin'ny haizina na anjelin'ny hazavana no miteny. Anisan'izany Maria sy Jesosy sy ireo izay mitohy mampita hafatra ho antsika olombelona noho ny fahitany fa tsy haintsika ny miresaka mivantana amin'Andriamanitra.
18. RBNIR ( 09/05/2011 11:44)
Miharena:

Ka io indrindra anie RBNIR no antony hilazako matetika eto hoe ny tena marina izay tsy raisin'ny mpino ankehitriny dia ny tsy fisian'ny fahafatesana e! Ny filazana ny Fototra dia ny hoe nataon'Andriamanitra sahala amin'ny endriNy isika rehetra, izany hoe mandova ny fiainana ananaNY.

Ilay tsy fisian'ny fahafatesana anie namana marina e! fa saingy araka ny baiboly izao no voasoratra : « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apokalypsy 20:15)
hisy araka izany ny ho velona mandrak'izay any amin'ny fiainana ka hiaina am-piadanana mandrak'izay nefa hisy ihany koa hoe velona mandrak'izay ihany saingy hijaly dia hijaly any amin'ny farihy afo.
Ny marina no ambarako eto namana teny avy ao amin'ny baiboly io fa tsy namorona aho akory.
Ary noho io antony farany io hizarako ny marina fantatro eto fa tsy misy antony hafa akory.

Samy ho tahin'i Jesosy indray e
19. Miharena ( 09/05/2011 12:19)
RBNIR:

Ilay tsy fisian'ny fahafatesana anie namana marina e! fa saingy araka ny baiboly izao no voasoratra : « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apokalypsy 20:15)

Marina tokona ny resakao eto namana, fa ny fanahy ve namana mety manana anarana rehefa miala amin'ny nofo?

Ka io resaka voasoratra amin'ny bokin'ny fiainana io dia tsara ho fantatra fa ny fianam-baovao hodiavina aorian'ny fiovan'izao rehetra izao noho ny fiposahan'ny hazavan'i Kristy. Izany hoe ny toetra sy teny rehetra mamono no hatsipy satria tsy ilaina intsony fa ny teny mamelona voasoratra no hanan-kery.

Ka noho izany dia tsara ihany isika mijery ireo izay ho voasoratra (tsy anaran'olona fa fahendrena) ao anatin'ny bokin'ny fiainana ahafahantsika miaina tsara ara-dalàna ao amin'ny fanahy endrik'Andriamanitra napetraka tato anatintsika tsirairay avy.

Ny antony hitenenana sy hivoizana resaka eto ny ahy dia ny hampahafantatra fa efa tonga ny fipoiran'ny Teny Fiainana fa tsy voafetra anaty Baiboly intsony. Ny Baiboly manontolo dia efa voavaky avokoa fa tsy ampy ny fanazavana izay mampiroaroa ny olona.

Izy ity koa moa resaka ara-panahy ka tokony horaisina ara-panahy hatrany fa raha ara-nofo sy araka ny maha-individu antsika fotsiny ihany no handraisana azy dia manjary mibirioka hatrany any amin'ilay fahafatesana ny resaka namana RBNIR.
20. RBNIR ( 09/05/2011 12:41)
Miharena:

Izy ity koa moa resaka ara-panahy ka tokony horaisina ara-panahy hatrany fa raha ara-nofo sy araka ny maha-individu antsika fotsiny ihany no handraisana azy dia manjary mibirioka hatrany any amin'ilay fahafatesana ny resaka namana RBNIR.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

Fa raha arak'io teny io aloha namana ataoko kosa fa tsy misy resaka nofo intsony eto an,
Sa ts'izany.

Ilay fahafatesana faharoa tsy dia hoe fahafatesana ara-bakiteny fa raha azo hatao ary no misafidy mety hoe tsara kokoa ny tsy mifoha amin'izany fotoana izany toy izay hiharan'io.
Sa ts'izany?

Samy ho tahin'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4882