Volan'i Masina Maria
21. Miharena
(
09/05/2011 13:03)
Fahafatesana faharoa izay hahafoana ireo toetra rehetra ireo izay tsy afaka hivelona ao anatin"ny fahendren'Andriamanitra io lazainao io namana RBNIR.
Raha ny ara-panahy no jerena dia manana izay velona ny olona tsirairay ary manana izay endrika hampitodihan'ny Tompo azy avy ny tsirairay avy hananany fiadanam-po.
Efa ao anatin'ny fanadiovana izao ka ho lasa daholo ireo toetra tsy mendrika ireo izay namahana olona maro izay nifikitra taminy, saingy rehefa mifoha izy amin'ny maha-izy azy dia lasa foana ireo noho ny famelan-keloka (famelana ny lasan'ny olona mody eo anatrehan'ny Ray io). Satria hiverina Aminy avokoa izay Fofon'AINY.
Ilay trtroin"ny Ray mihitsy manko no tsy azontsika ary ny fifankatiavana noho izany maha-iray antsika rehetra na mpanota na tsia izany no hafatra fara-tampony omena antsika.
Dia manao izay hahatongavan'izany maha-IRAY izany isika rehetra fa tsy variana amin'ny resaka tsy mahasoa sy tsy mampiray sy tsy ahazoana fanantenana sy fahatokisana Ilay Mpanamboatra.
Toa zary manana izay fomba fitaizana négatif mitanisa ireo teny mamono ao anaty Baiboly manko ny Kristiana ankehitriny ka manjary zary tanteraka aminy avokoa ny tahotra sy horohoro samihafa, na lasa tanteraka amin'ny namana izaràny izany teny izany. Eto no tena responsable izay namafy ny teny satria matoa very anie ny olona iray ka mety isika kristianina tsy mahay mizara teny fiainana no mahavery azy e!
Soa fa tsy hahafoana ny sombin'Andriamanitra ao anatiny isika izay mamafy teny manafintohina ny hafa, fa isika ihany no hiverenan'izany teny izany avy eo.
Ity resaka fitsaràna ity manko no lasa maharoboka ny olona rehefa mitory izy ka raha tsy manala tanteraka ny solomasony izy tsy hahay hizara hazavana.
Dia mba samy ho velomin'Andriamanitra daholo ny sombin'AINY ka ho tonga ny mazava tanteraka.

22. RBNIR
(
09/05/2011 13:37)
Ny problema kely amin'ny teny omeny Miharena, tena tsy misy toko sy and mihitsy dia misalasala b aho amin'ny fahamarinan'ilay teny,
Tohano tenin'Andriamanitra mazava dia mety hazava kokoa amiko ny hevitrao namana,
N.B: ilay toko sy andininy tsy dia hoe fireharehana na koa zavatra hafa fa entina anamporofoina fa hevitr'Andriamanitra ny tiana ampitaina fa tsy ny fihevitro akory,
Samy tahin'ny Tompo,

23. hery
(
09/05/2011 13:50)
RBNIR> dia miverina amin'ilay olana fototra indray isika RBNIR a :-)
Ho an'ny Katolika dia tsy ny baiboly ihany no ahitana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny tenin'Andriamanitra. Resaka Katolika nefa ilay resaka Masina Maria... dia izay ilay hoe very amin'ny katesizy raha vao ny baiboly fotsiny no entina miady hevitra.
Dia hiverenana hohadihadiana indray ve hoe:
- Iza no nanoratra ny baiboly
- Oviana no nanomboka nosoratana ny baiboly
- Ny nanoratra ny baiboly ve nahita maso ny zava-nitranga
- Izay nahita maso ny zava-nitranga ve nitantara marina ny zavatra hitany REHETRA sa izay ilainy sy tiany hampitaina ho an'ny communauté ihany no nosoratany.
- Ny baiboly eny an-tanantsika amin'izao fotoana izao oviana ny copie tranainy indrindra
- Raha toa ka ekena fa tamin'ny taona 1800 tany vao nisy ny tonta printy, dia nadika tanana hatrany ny baiboly, dia tena azo antoka 100% ve fa tsy misy diso dika?
- Raha toa ka ekena fa olona be dia be tao anatin'ny taonjato maro (samihafa fiteny, samihafa fomba, samy hafa toe-tsaina) no nandika ny baiboly dia azo antoka 100% ve fa tsy misy heviny tafatsofoka any? na taratry ny communauté niainany?
- sns..
Ny baiboly eny antananao amin'izao fotoana izao anie ka ny Fiangonana no nanaiky azy ho feno Tenin'Andriamanitra e. Nisy boky hafa tsy ekena, nisy boky hafa tsy norisina manontolo, nisy boky hafa noraisin'ny Fiangonana hafa fa navelan'ny Fiangonana hafa. Dia afaka miteny 100% ve ianao fa iny dia ampy kanefa na iny aza mbola ny Fiangonana no namolavola azy?
Averiko indray fa tsy hifandresy lahatra ny "Sola scriptura" isika satria raha resy lahatra amin'io ny protestanta dia tsy misy protestanta intsony :-)
Ary tsy ifanomezantsiny satria efa izay no finoana efa niainanao ka na izaho tsy ianao aza tsy hanaiky mihitsy hiteny indray hoe tsy ampy ny baiboly. Fa fifampizarana ilay izy, ireo antony ireo no anisan'ny mahatonga ny katolika tsy hiteny hoe "Sola scriptura" na hoe ao anatin'ny baiboly voasoratra ihany no misy ny Tenin'Andriamanitra.

24. 0uioui
(
09/05/2011 13:52)
misy anefa oul na fiangonana angahny marimarina kokoa tena tsy mba mijery anle sitrapon'Atra zay mihitsy fa de ny sitrapon'ilay be fahefana ety antany sy ilay natsangana sy noreharehana sy niankohofana tety antany iany ,, de io ilay lazain'i RBNR etsy io oe ny sitrapon'ny oul iany zany no tena katsahiny fatratra zay sitrapon'Atra kosa tsy hoe tsy katsahiny fa izay mampetipety azy iany no raisiny sy ekeny fa ny ambiny "izay sitrpony" tsy ao anaty baiboly iany !!! satria misy tenin'ny namana anankiray mafanafo izay teto ao ambanimbany ao hoe : ""tsy ny baiboly sy izay ao anaty baiboly ihany anie no tanterahina e fa misy zavatra bedeb tsy ao anaty baiboly koa itanay, tsy ampy io baiboly io.. ""otrotrizay le filazany azy !!!!io mou no nahatonga anle ranamana iray nilaza anle oe ""izay manala na manampy teny hafa ankoatra anity bokin'ny faminanaiana ity de etc...""
25. Miharena
(
09/05/2011 14:06)
Ka ilay izy namana RBNIR dia toko sy andininy faran'izay tsotra voasoratra ao amin'ny Genesisy izay tokony ho fantatry ny rehetra daholo no iantombohan'ny fanazavako rehetra. Ilay fahatsorana eo amin'ny fanazavana miainga hatrany amin'ny FOTOTRA maha-endrik'Andriamanitra antsika daholo io namana fa tsy mivoaka amin'izay mihitsy.
Io ilay jiro tokony hofohazina mandrafitra ny teny rehetra anaty Baiboly nisian'ireo tantara be dia be ireo sy ny nahatongavan'i Kristy ka asa hoe tokony hotanisaina foana ve ny toko sy andininy ? tokony efa hay tsianjery ilay izy raha mpamaky Baiboly ianao namana RBNIR.
Fa noho ianao mitady toko sy andininy aloha dia tsara raha vakiana ny Apokalypsy amin'ny anatra ho an'ny fiangonana fito, dia miverina amin'ny fitiavana voalohany isika dia ny maha-endrik'Andriamanitra antsika e! Dia mba hahazo izay teneniNY marina fa tsy hisy takona intsony amintsika izay lazaiNY.
Fahazavana no tanisaina namana RBNIR ary hiharihary ny fitaka rehetra rehefa mandalina tsara am-pahatsorana isika sady misokatra amin'ny fanazavan'ny anjely sy ireo personnage rehetra voasoratra ao anaty Baiboly (Mikaela, Jesosy, Maria, Melkizedeka sy ny sisa maro be ao izay mety miteny ankehitriny mampahafantatra an'Andriamanitra sy ny fikasaNY ho an'ny olombelona).
Jereo ohatra hoy aho ny "site terre nouvelle" dia afaka manana anjara amin'izay fikasana ankehitriny ianareo izay tsotra dia tsotra fa tsy mila adihevitra be dia be miainga amin'ny zavatra tsy fantatra tsara akory. Voatanisa ao ireo anarana rehetra ao anaty Baiboly ao izay fantatsika fa manome hafatra ankehitriny ary mampitombo finoana kokoa noho ny fanadihadiana lalina ataon'ny mpianatra Baiboly fotsiny.

26. bichette
(
09/05/2011 14:52)
Fa inona marina no mahatonga ny katolika mivavaka amin'ny Marie ? satria tsy misy mampiseho mihitsy hoe misy nivavaka tamin'ny Maria tao anaty baiboly ary raha niarahaba an'i Maria ny anjely, tsy midika akory izany hoe "nivavaka" taminy izy ireo ary raha "nohasoavina" i Maria tsy midika izany hoe "nivavahana". ;-)
27. hery
(
09/05/2011 14:56)
bichette> Manao fiavin'ny tafara be :-p
Aiza no misy hoe nivavaka tamin'i Maria?
Andriamanitra ihany no ivavahana.

28. Miharena
(
09/05/2011 15:20)
Ouioui:
misy anefa oul na fiangonana angahny marimarina kokoa tena tsy mba mijery anle sitrapon'Atra zay mihitsy fa de ny sitrapon'ilay be fahefana ety antany sy ilay natsangana sy noreharehana sy niankohofana tety antany iany ,, de io ilay lazain'i RBNR etsy io oe ny sitrapon'ny oul iany zany no tena katsahiny fatratra zay sitrapon'Atra kosa tsy hoe tsy katsahiny fa izay mampetipety azy iany no raisiny sy ekeny fa ny ambiny "izay sitrpony" tsy ao anaty baiboly iany !!! satria misy tenin'ny namana anankiray mafanafo izay teto ao ambanimbany ao hoe : ""tsy ny baiboly sy izay ao anaty baiboly ihany anie no tanterahina e fa misy zavatra bedeb tsy ao anaty baiboly koa itanay, tsy ampy io baiboly io.. ""otrotrizay le filazany azy !!!!io mou no nahatonga anle ranamana iray nilaza anle oe ""izay manala na manampy teny hafa ankoatra anity bokin'ny faminanaiana ity de etc...""
Ka ilay izy Ouioui mila vakiana manontolo ny Baiboly alohan'ny hahitana fa tsy ampy. Satria ny Baiboly ihany dia efa manambara fa tsy ampy ny ao anatiny. Vakio tsara anie e!
Aza verin'ny tenin'i Jaona fotsiny ao amin'ny Apokalypsy amin'ny resala manampy na manala.. izay voafetra ho ny bokin'ny Apokalypsy ihany. Nefa anie ka ao anatin"io boky Apokalypsy io ihany no misy ny zavatra nolazaina tamin'i Jaona izay nasaina tsy nosoratany aloha, ary ao ihany no misy filazana fa nisy boky hafa nateliny izay ataoko fa tsy natambatra tao anaty Baiboly.
Misy boky mbola hosoratana izany aty aoriana momba ny filazantsaran'Andriamanitra sy Kristy ary tokony efa mba mailo mijery ireny ny mpino fa tsy avy hatrany dia manome tsiny ireo izay manana hafatra mitobaka avy amin'Andiramanitra ankehitriny.
30. hery
(
09/05/2011 15:34)
bichette> Hoy ilay tapany faharoa hoe
"Masina Maria Renin'Andriamanitra mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay, Amen."
1. Renin'Andriamanitra fa tsy andriamanitra
2. Mivavaha ho anay fa tsy hoe ianao no ivavahanay
SA tsy azoko?

31. bor2lais
(
09/05/2011 15:44)
Fononteny kely :
Volan'i Masina Maria !
Hay ... volana !!! :-)
Mety HS raha tsy mamaky tsara a ! :-)
Fononteny-tapitra
Volan'i Masina Maria !
Hay ... volana !!! :-)
Mety HS raha tsy mamaky tsara a ! :-)
Fononteny-tapitra
32. RBNIR
(
10/05/2011 05:17)
hery:
bichette> Manao fiavin'ny tafara be :-p
Aiza no misy hoe nivavaka tamin'i Maria?
Andriamanitra ihany no ivavahana.
Faly miarahaba indray,
Marina mihitsy ny an'i bichette, tsy hitako mihitsy tamin'ny fampianaran'i Jesosy Tompo manamarina fa azo atao ny miantso an'i Marie reniny atao mpanelanelana ka ahazoana fankasitrahana amin'Andriamanitra,
Didy nataon'olombelona io amiko ka ny vokadratsiny hoe foana midika koa hoe very maina ny fisasarana rehetra.
Samy ho tahin'ny Tompo
33. RBNIR
(
10/05/2011 06:08)
hery:
Ho an'ny Katolika dia tsy ny baiboly ihany no ahitana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny tenin'Andriamanitra. Resaka Katolika nefa ilay resaka Masina Maria... dia izay ilay hoe very amin'ny katesizy raha vao ny baiboly fotsiny no entina miady hevitra.
Namana Hery,
Araka ilay ao amin'ny Apok.22:18-19 dia ny baiboly ihany no fototra tsy tokony ampiana na analana fa io no sitrapony.
Ny zavatra mety hitranga rehefa manaraka io fomba lazainao eo ambony io (ilay teneninao hoe tsy ny baiboly ihany no ahitana ny sitrapon'Andriamanitra) dia ilay Teny natolotr'Andriamanitra ao anaty baiboly indray no mety ho lasa ambanijavatra na mety lasa tsinotsinona mihitsy aza fa ilay nampidirina ivelany rehetra taty aoriana indray no himasoana mafy dia mafy.
Anjaran-tsika araka izany no mandinika, sitrak'Andriamanitra v izany sa tsia?
Amiko manokana, tsia no valiny,
Samy ho tahin'ny Tompo indray,
34. bor2lais
(
10/05/2011 09:45)
Raha ny fahitako azy, marina tokoa fa mety tsy voasoratra mivantana ao amin'ny Baiboly daholo ny fombafomba fampiasan'ny Fiangonana tsi11, saingy ny fanontaniana tsara apetraka hatrany dia ny hoe : mifanohitra amin'ny voalaza ao anefa ve ny ataony ?
Izay no mahatsara ny fifanakalozana satria raha jerena sy valiana maimaika io fanontaniana io dia TOA mifanohitra tokoa satria ny MASO no lasa mibaiko ny eritreritra ary izay matetika no mibahan-toerana ao an-tsaina ka mahatonga ilay fomba fijery toa mihidy, araka ny voalazan'i Miharena izay ! ;-)
Ny fifanakalozana amin'ny fo tony momba ilay fombafomba tsy eken'ny saina io anefa dia mety hanampy amin'ny fisokafan'io fomba fijery io.
Tsy milaza akory izany fa resy lahatra amin'ny ataony ianao fa mba azonao na mazava aminao farafaharatsiny ny mahatonga azy manao ilay fombafomba nokianinao teo aloha ! Tsy resaka fifandresen-dahatra rahateo moa ilay izy !
Izay amiko no antsoina hoe dinika mampandroso sy mahasoa. :-)

35. RBNIR
(
10/05/2011 10:45)
Amiko manokana ry namana isany dia izao no hitako fa fahendrena,
« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21)
Samy nomen'Andriamanitra saina isika hamantatra ny zavatra rehetra ary hihazona mafy izay tsara.
Toy ny voankazo an'ala io ny mamy atelina fa ny mangidy kosa alo.
Ny voasoratra ao anaty Soratra Masina irery ihany amiko no Marina,
N'iza n'iza mampianatra ahy zavatra hafa ankoatran'izay voasoratra ao dia laviko,
ary n'iza n'iza kosa mampianatra zavatra voasoratra ao dia ekeko satria ny marina iray ihany ka na iza na iza no miteny azy tsy ho lasa diso tsy akory iny fa marina foana, oh raha misy miteny hoe JEHOVAH no Andriamanitra dia marina foana io na katolika na protestante na advantiste na iza na iza no miteny azy fa tsy hoe rehefa ny katolika no miteny dia diso fa rehefa protestante dia marina.
Araka ny Soratra Masina (Mat.7:21) dia izay manao ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany no horaisin'i Jesosy Tompo rahatr'izay, Na iza na iza mampianatra ahy io sitrapon'Andriamanitra io ka hitako mazava fa ara-tsoratra Masina dia hataoko.
Rehefa ho tonga ny farany izaho sy ny Tompo no hifanatrika, tsy misy hahavonjy ahy izany afatsy ny zavatra nataoko tety an-tany ihany ary raha misy zavatra tsy nifanaraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra nataoko tsy ho afaka mihitsy aho ny hiteny hoe ka hoy pasteur hoe.... na hoy mompera hoe... nomena saina ngeh isika hamantatra e! hataonao inona io saina io. I mompera sy pasteur ary mbola hiandry ny anjarany koa , mety hoy izy amin'izay fotoana izay hoe aoka aloha fa ny ahy aza ity manahirana ahy.
Arak'ity teny ity :« na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. » (Ezekiela 14:20).
dia personnel ny famonjena ry namako isany, tsy misy azonao hianteherana eo afatsy ny tenanao ihany ka ataovy izay ahatafidiranao ao.
Io tsy hijerevana hoe dia ahoana izany ry zareo b dia b ary ho faty daholo v? raha hitanao fa ho faty v izy dia iny koa ianao handeha hamono tena miaraka aminy any???? Ny fijoroanao no tadiavina, fa raha samy hiaraka any daholo dia iza indray no jiro hanazava???
I lota sy ny zanany anie ka tsy nahasahy niherika mihitsy na dia voa aza ny vadiny sy ny reniny e! ny fantany dia hoe havotako aloha ny aiko.
Samia mahery daholo ry namana a! aoka hitombandahy hoy ny sotratra Masina,
Samy ho tahin'i Jesosy Tompo daholo e!

36. bor2lais
(
10/05/2011 11:38)
RBNIR:
Ny voasoratra ao anaty Soratra Masina irery ihany amiko no Marina,
Miteny an'io ianao satria protestanta ianao !
Ny tsy azo odian-tsi-hita kosa anefa ny fisian'ny Katolika, izay efa nazavaina fa tsy io ihany akory ny azy (milaza izany fa tsy mandà ny voasoratra ao koa izy) ...
Ekeko fa fahendrena tokoa ny mamantatra ny zavatra rehetra ka mitazona izay tsara ! Ary ho an'izay koa ange ity sehatra ity e !
Fa tsara ihany koa raha mba ao an-tsaintsika hatrany ilay tenin'i Gamaliela nampahatsiahivin'i Hery ao ambadika ao ... sao lasa miady amin'Andriamanitra isika ! :-)
37. Miharena
(
10/05/2011 12:44)
Raha ny tena marina anie tsy hoe misy fitsipahana izay lazain'ny Baiboly ny fombafomba rehetra entina mivavaka fa tafiditra ao anatin'ny fandinihan-tena daholo ireo fombam-pivavahana mamaritra ny fitondran-tenan'ny olomasina ireo. Ho an'ny protestanta ohatra dia rehefa hifidy ny diakona sy ny loholona dia efa misy ireo fepetra isafidianana azy araka ny toetra taratra aminy. Toy izany koa no hanindrian'ny Katolika ny fitondran-tenan'i Maria. Dia fampianarana daholo toy izany koa no miraraka ao anaty Baiboly ao, miainga amin'ny lesona noho ny fitondran-tenan'ny tsirairay ao avokoa ny fampianarana ao fa tsy misy zavatra hafa akory.
Ka raha resahana fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly dia manaiky izany isika fa misy fitondran-tena voarakitra ao izay tokony hananana ka raha mankalaza ny iray amin'izany fitondran-tena izany ve ny fiangonana iray dia heverina fa sampy ohatra? Mila famaritana tsara ny zava-drehetra rehefa te-hiaro hevitra iray fa tsy tonga dia bontolo fotsiny ilay izy.
Fa eo amin'ny resaka lazaina ombieny hoe "aza ampiana ary aza analàna" dia izay voalaza ao amin'ny Apokalypsy ihany no voakasik'io fa tsy ny Baiboly manontolo akory satria raha ny Baiboly manontolo anie ka tokony hiteraka fiainana ary fomba fitondran-tena maha-zanak'Andriamanitra ary mety mitatra araka izay fanazavana izay voasoratra ao ny fametrahana tsara hoe inona no tian'ny Tompo ambara ao e! Dia samy manana ny fijeriny ny tsirairay dia eo no hanaovana loabary an-dasy toy izao ahafahana mijery hoe marina ve sa tsy marina ny fanohanan-kevitra atao.
Atao ohatra eto ny trinité izay tsy voasoratra ao fa hita amin'ny fomba firesahana ataon'i Krsity ao.
Toy izany koa ny fifampitaizana rehetra ataon'ny Apostoly, Maria sy ny sisa...
Ary araka ny efa voalaza moa dia misy ireo boky izay tsy tafiditra ao amin'io Baiboly io mbola tokony hampidirina ao fa tsy tokony tonga dia ferana ilay izy.
Ny fampahalalàna ihany koa dia mivoatra hatrany ary miha-tonga lafatra hatrany arakaraka ny fandrosoan'ny fotoana ka ireo nodimandry dia manana hafatra omena antsika koa satria izy efa manana ny toetra tokony hananantsika rehefa mandao ny nofontsika isika. (Ohatra: Nenilava izay nampakarina tany an-danitra hahafantatra izay any alohan'ny nanaovany asa lehibe teto an-tany, ao koa Mère Theresa, sy ny sisa maro ary amin'izao aza dia efa misy ireo olona fantantsika mazava fa manana fifandraisana tsy tapaka amin'ny Tompo.
Dia isika koa tokony haniry izany ary hiresaka tsara Aminy sy ireo izay manana anjara hizara dia omeNY fahazavan-tsaina ihany koa.

38. RBNIR
(
10/05/2011 13:46)
Miharena:
Raha ny tena marina anie tsy hoe misy fitsipahana izay lazain'ny Baiboly ny fombafomba rehetra entina mivavaka fa tafiditra ao anatin'ny fandinihan-tena daholo ireo fombam-pivavahana mamaritra ny fitondran-tenan'ny olomasina ireo.
Hoekeko tokoa namana raha vitanao ny manamporofo izay ara-baiboly, fa raha tsy izany kosa dia miala tsiny fa amiko ny hevitra haroso dia tokony hitaporofo mazava fa ilay avy Aminy tokoa mba tsy hanaovanaovana foana. satria tsy tokony hoe ny fihevitro no aroso na ny fihevitrao fa ny an'Ilay Andriamanitra mihitsy.
Tsy mila voatsiary tsy fa tsy kitoatoa hoy aho ny resaka fa miankina amin'izay ny fiainan-tsika mandrak'izay, raha vao manaonao foana mety ho fahaverezana mandrak'izay no hihafarana.
Samy ho tahin'ny Tompo e
39. Miharena
(
10/05/2011 15:13)

Ilay mitsimpona ao anaty Baiboly nefa tsy mahalaza izay lazaina marina namana RBNIR no mamery kokoa noho ny manazava amin'ny ankapobeny izay fantatra fa foto-dresaky ny Baiboly. Heverina fa efa mamaky Baiboly manontolo daholo isika mamaky ny fifanakalozana eto. Ary ho an'ireo izay tsy mpamaky Baiboly dia ezahana ny miresaka zavatra tsotra aminy mba tsy hisian'ny resaka lalina loatra tsy takatry ny saina vokatry ny fandinihana mety hivily lalana tampoka.
Miteny moa ianao hoe iankinan'ny fiainana mandrakizay izy ity. Ny fananana fahatsorana mandray izany fiainana mandrakizay izany no alaina taratra ao anaty Baiboly. Fa indraindray isika mandray fomba fanoratra ao izay manome fanafintohinana ny olona mitovy amintsika ihany ka mahatonga azy ireo tsy hino izay voalazantsika aminy na dia harentiretintsika aza fa Andriamanitra mihitsy no niteny izany. Ity no tena raharaha rehefa mitory isika, izany hoe misolo vava an'Andriamanitra ka mitsimpona ao anaty Teniny ao nefa tsy mahay mandray ny toeraNY izay miteny ka hany ka mamindra fikombonana ho an'izay mihaino ilay izy fa tsy fizaràna fiainana intsony izay Fitiavana avy amin'Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao.
Mampahtsiahy ahy izay olona nitory teo Analakely izay ity farany ity. Namaky ranamana izay tandrifin'ny masony teo, dia loza sy fahafatesana no andalana novakiany. Izy anefa te-hanambara ny fitiavan'Andriamanitra, dia hoy izy hoe; Izany ve dia hataon'Andriamanitra? Tsy manao izany Izy raha Fitiavana no ao Aminy. Izany hoe nolaviny ilay teny voalahatra tao.
Na izany na tsy izany dia hita ihany fa misy tokony havahana tsara rehefa mamaky Baiboly isika hoe inona no teny manome fanantenana mandrakizay ao ary inona no teny milaza tantara izay efa lasa ka tokony tsy hotsiahivina raha tsy hay ny manakilasy azy arak'izay hampahazava azy.
Ohatra: ireo teny fanozonana rehetra ao anaty Baiboly, tokony hotsiahivina mandrakarva ve ireo ary inona no vokany ho an'ny mpandray izany? Ny tena mahazendana dia isika no lasa maizina miaraka amin'izany teny izany satria ahitrikitrika tsara hoe tsy izaho no milaza izany fa Andriamanitra an! Ary malaky ery isika mandray ireny teny manafay ireny hatrany ao anaty Baiboly ao raha vao misy olona mamosaka ny hevi-pivavahany. Maka ny toeran'ny mpitsara izay nolovana tamin''i Lucifer isika eto ka manjary very anjavony ny Fitiavana mandrakizay dradradradrain'Andriamanitra ao ho an'ny olombelona.
Posa-kevitra ihany moa izy ity fa asa na mahasoa na tsia RBNIR mba hitomboana kokoa rehefa mizara e!
Samy hobitsihin'ny Fanahy Masina daholo ary samy mba hitsakotsako ao am-po izay ambara e!
40. Mpanazava
(
17/05/2011 11:25)
Hoy i Hery
Ity volana ity, ny volana mey, ho an'ny Katolika isantaona dia volana natokana hanajana manokana an'i Masina Maria. Betsaka ny zavatra azo atao amin'izany. Ny tena fanao matetika dia ny hasivianandro manomboka ny 1 ka hatramin'ny 9 mey. Ny fivahinianana masina amin'ny toerana voatokana ho amin'izany (Lourdes, Fatima, Anosivolakely).
Ho ahy te hahafanta-javatra: Fa nahoana kay no tsy volana hafa no natao fa mey? De tsy manaja intsony izany amin'ny volana hafa! Amin'io moa ilay misy fijanonana in 14 de Arahaba ry Maria in150 sns