PAPA JOANY PAOLY II fa hono oa ...

1. 0uioui ( 05/05/2011 09:18)
Efa nilaza mialoha ve i pape Joany paoly 2 io tamin'izy mbola velona hoe rehefa maty aho ry zanako isany de atsangano ho olotsambatra afaka dimy taona ?? - sa de nahimpon'ny mpino sy ny eveka sy ny presbitera sy ny mopera rehetra fotsiny izy io hoe andao rangahy ho atsangatsika i pape a ? ??
--mba mila valiny amitsika mpino katolika tompoko izahay mpino hafa (ivelan'ny kato) raha mba azo atao fa mba liana amin'ilay fombafomba be dia be fanao ao aminareo ?? - de fanotaniana farany : ho avoaka tao ampasana de ho alefa ao amin'ireo Razana be dia be (efa voatsangana) ao ambanin'ny vatican koa ve i pape io amin'io fananganana azy teo io ??



- miala tsiny raha mahitsihitsy le filazako azy fa amin'izao izy mazava





.
novalian'i mpive ny 21/06/2011 20:54
2. hery ( 05/05/2011 10:27)
Salama

Tsy misy tsiny ka. Mbola misy mahitsy sy manopa mihoatra noho izany aza taloha fa tsy nampaninona mihitsy :-)

Antso ho an'ny kristianina rehetra ny fahamasinana. Izany hoe ny Kristianina na iza na iza dia tokony hiaina ny fahamasinana. Ary faniriana mafy mihitsy izany hoe ho masina sy ho sambatra eo anatrehan'Andriamanitra izany. Inoako fa toy ny Kristianina rehetra dia naniry mafy ny mba ho masina koa ny Papa Joany Paoly II.

Fa ny hoe niteny ve izy hoe "atsangano ho olontsambatra aho". Dia tsy mino aho. Tsy misy olona miteny toa izany (raha tsy hoe adala tahaka ilay bandy atsy). Satria tsy misy olona mila atsangana ho olontsambatra na olomasina. Tsy filàn'ilay olona ilay izy... fa filàn'ny mpino.

Efa nosoratako ao ambadika ao fa averiko eto ihany. Tsy ny olona atsangana ho olontsambatra na olomasina irery no niaina toetra mendrika ho modely tety an-tany. Fa ireny olona atsangana ireny dia vokatry ny fangatahan'ny mpino. Rehefa misy ny fangatahana, dia mandinika ny Fiangonana, dia manaiky araka izay fotoana anaovany izany.

Tsy azoko ilay fanontaniana farany. Efa vita anie ny fananganana olontsambatra an'i Papa Joany Paoly II e :-) Sa mijapy train sy te hanontany fotsiny fa tsy mba maharaka vaovao? Dia efa vita mariazy koa i Kate sy William sao dia tsy araka koa iny :-)
3. 0uioui ( 05/05/2011 11:03)
efa reko ka ,tamin'ny voalohn'ny volana iny ny "fananganana" !....efa reko fa efa vita ny fananganana ...

hay ve le izy fangatahan'ny mpino no ahatongavana ho olontsambatra e ahannn ..tena zay aho vao naheno anzay vaovao zay le ! tena mahaliana mihitsy izy zany !
hay koa ve mbola dinihan'ny fiangonana le izy e ! ...de raha misy tsy manaiky zany le fiangonana de tsy voatsangana teo i pape joany paoly iny ???

fa hono oa ! iza zany bandy lazain'i hery fa " adala" ao ambadika " ao zany ,,,??? sao de mba ahatezitra oul amzany ry hery fa mba lanjalanjao ihany ka !!...
-- raha itanle oul (adala) zao io filazàn'i hery azy ho adala io de ho ady be eto nareo roalahy nefa sao de mba hevitra no navoakany na fanotaniana no nalefany !!!! sao de mba nanotany ny heviny na nila hevitra taminao kosa ary izy de tonga de hoe adala le oul !!!...

ny iriako fotsiny de ny hoe enga anie ka mba tsy ho itanle "bandy" lazainao fa "adala" io filazanao azy io fa mety ho raharaha nenareo!!!

-- zay ko eo ihany alou fa mahaliana le filazanao azy io a!!
fa hono oa ry hery : inona hono no tena zavadehibe ilàn'ny mpino anle olona efa maty ho atsangana ndray e! - mety ahatongavana any andanitra ve raha ohatra nahavoafidy olona marobe ho any andanitra aho ??
4. hery ( 05/05/2011 11:25)
:-) raha tena adala izy tsy mahita an'io ka. Matoa izy mahita an'io de tsy adala :-)

- Raha tsy manaiky ny Fiangonana dia tsy voatsangana ho olontsambatra. Fa izany tsy midika hoe tsy nanana fiainana masina ilay olona. Ilay nolazaiko io hoe be dia be ny manana fiainana feno fahamasinana fa tsy voatery atsangana ho olontsambatra na olomasina avokoa.

- Ny ataon'ny Fiangonana dia fanambarana ampahibemaso fa olona nanana ny toetra maha-Kristianina ilay olona ka azo alaina tahaka, azo atao ohatra ny fiainany. Azo raisina ho modelim-piainana. Tsy mampiakatra grady azy akory ny Fiangonana amin'izany fa manampy ny Kristianina izay mila oha-piainana halaina tahaka. Anjaran'ny kristianina tsirairay avy eo no mandray izay oha-piainana ilainy sy sahaza azy.

- Tsy azoko ilay hoe "mety ahatongavana any andanitra ve raha ohatra nahavoafidy olona marobe ho any andanitra aho". Fa iza no mifidy?
5. andrywui ( 05/05/2011 19:11)
sali hery !

enao messieur hery aza adalain'io pikatti efa ho adala io a raha te hiditra any andanitra ony elah rapika d manaova fahamasinana tsara otran'i mr hery io a elah anie bainn sady mpiteny ratsy ,manopa olona ato ,miteniteny foana nef ny mba atsangana olomasina no mba fanirinlah e io zao no toetra tokony ianaranlah io toetra tsara ananan'i hery io jereo fa valiany amin'ny fahendrena sy ampanajàna tsara mitsy elah ,zay anie no ataoko amlah bainn ouioui oe mba oa hendry amin'izay !
sa aona mr hery ?
6. 0uioui ( 05/05/2011 19:18)

- Tsy azoko ilay hoe "mety ahatongavana any andanitra ve raha ohatra nahavoafidy olona marobe ho any andanitra aho". Fa iza no mifidy?
mazava be zany ry hery a nareo ko donto !.....efa oe ra mpino kato efa ampolo taona aho izao defa nanangana an'i rakoto ,rabe , papa joany ,mopera ralibera ,gaetana ...ho olotsambatra tamin'ny nahampino kato ah efa ela ,de mba misy pitié kely ho ahy ve mba avelan'i Piera miditra eo ambaravarana aho sa de namositra alika fotsiny ,???
--sa de ganagana nitety asa fotsiny ka ny oul natsangana lasa any andanitra mo ny tena voatono soamatsara ??
7. 0uioui ( 05/05/2011 19:19)
rawuix !...aza mifanala baraka eto less fa na pikatti aho na iza tsy idiranla zany !..ny dinika valiana de basy !..
8. hery ( 05/05/2011 19:53)

defa nanangana an'i rakoto ,rabe , papa joany ,mopera ralibera ,gaetana ...ho olotsambatra tamin'ny nahampino kato ah efa ela ,de mba misy pitié kely ho ahy ve mba avelan'i Piera miditra eo ambaravarana aho sa de namositra alika fotsiny ,???


Voalohany aloha dia tsy hitako hoe inona no idiran'ilay mpanangana olotsambatra amin'ilay resaka. Ilay atsangana ho olontsambatra no noresahintsika teto. Raha nanaraka tsara aho dia ilay Joany Paoly II nantsangana ho olontsambatra no resaka fa tsy ilay nanangana azy ho olontsambatra.

Sady voalaza teo fa tsy misy idiran'ilay atsangana ho olontsambatra mihitsy ny nananganana azy. Tsy misy tombony manokana ho azy. Fa averiko ihany hoe ho an'ny mpino izay nangataka izany fananganana ho olontsambatra izany ilay izy. Ny mpino velona no mila izany fa tsy ilay atsangana ho olontsambatra velively.

9. 0uioui ( 06/05/2011 11:09)
fa inona no amporisihina ny oul hivily amizany olotsanbatra zany ? maninnn raha ny Filazantsara sy ny Tenin'Atra no lazaina sy Toriana aminy fa tsy zany "Faty atsangana" zany foana ? ...efa hoy ny Tompo hoe aleo ny maty handevina ny maty ao aminy !! mazava be zany fa tsy manandraharaha amin'ny velona mihitsy ny maty fa rehefa maty de maty any ary maloto mihitsy koa ary no filazan'ny baiboly anireny faty ireny !! ko ireny ndray no lalaovina sy atao anizao sy izao ! ...amitsika Malagasy aza de mpams mihitsy no atao anaran'ireny mpilalao faty ireny !
10. hery ( 06/05/2011 11:42)
Tsy hitako hoe inona no olana amin'izay izy :-)

Fa angaha voavily ianareo? Raha tsy voavily ianareo dia aleo izay manaiky avily any aviliny. Adala daholo ry zareo raha manaiky avily fa ny anareo atao tsara amin'ny lalambe mahitsy sy migodàna :-)

Ny resaka eto dia fifampizaràna. Izaho mizara aminareo izay zavatra fantatro momba ny finoako. Ianareo koa mizara amiko izay fantatrareo momba ny finoanareo. Aza mieritreritra ny handresy lahatra ny hafa mihitsy... satria ho lany fotoana eo. Sady tsy mampitombo izany, tsy manabe.

Mahereza hatrany
11. 0uioui ( 06/05/2011 13:31)
Tsy mandresy lahatra mihitsy mr hery a . .. fa manazava sy manome ny hevitro fotsiny ah oe maninn raha mba ny baiboly no ampianarina ary fa tsy izany "faty atsangana e" olona atsangana " zany foana !
-- ao amin'ny baiboly betsaka fampianarana tsy lany ao azo atao tsara ,ka maninn mamorona an'izao atsanga tsy aman'orana rehetra zao e bedin'ny Tompo amin'izany hianareo ny farany !...
12. RBNIR ( 09/05/2011 09:10)
Lalina koa ity,
Nanokatra aho dia tamin'ny nanokafako azy tafakatra 666 ny lohahevitr'i Hery etsy ambany etsy ,
Jereo ange e!

Adin'ny iray Adin'ny 5 lasa Iray andro lasa Dimy andro lasa Mihoatra

Hevitra Mpanoratra Valiny Vangy Niova farany
PAPA JOANY PAOLY II fa hono oa ...
0uioui 10 152 ny 06/05/2011 15:31
hoy 0uioui

Iza no tena fivavahana marina sy eken'Andriamnitra e!
rekinbelo 15 141 ny 09/05/2011 10:34
hoy bor2lais

HAFATRA HOA ANAO
rahery08 1 119 ny 04/05/2011 17:35
hoy rijadolly

celebration 2011 7 mai
blackj521 1 65 ny 06/05/2011 08:42
hoy blackj521

FANAZAVANA ARA-TSIANTIFIKA NY ATAO HOE FANAHY NO OLONA
RUZ9 0 52 ny 02/05/2011 15:24
hoy RUZ9

FANDRESENA
ydifas 0 42 ny 02/05/2011 05:45
hoy ydifas

Papa Joany Paoly II
hery 62 666 ny 09/05/2011 11:04
hoy 0uioui

MARIKY NY BIBIDIA
christian777 19 250 ny 05/05/2011 14:53
hoy christian777

FAMINANIANA FAHANTANTRAHANA
christian777 9 137 ny 05/05/2011 14:44
hoy christian777

Rainay izay any an-danitra QUMRAN
Miharena 7 128 ny 28/04/2011 14:26
hoy Miharena

zanak'Andriamanitra mpiara-miasa @ Ray
vonynive 2 89 ny 23/04/2011 06:12
hoy Miharena

BABYLONA LEHIBE
rekinbelo 15 183 ny 09/05/2011 10:49


samy ho tahin'ny Tompo
13. RBNIR ( 09/05/2011 09:12)
666 ny mpitsidika no tiako ambara,
14. Miharena ( 09/05/2011 12:47)
Mahatsikaiky namana RBNIR ity 666 lazainao ity. Ny hany mba azoko ambara fotsiny dia sao dia diso mianatra io resaka isa io ianao ka lasa very amin'ny katesizy an!
Raha ny fitadiavana fahamarinana marina manko dia tokony tsy any amin'ny zavatra ivelany intsony (na fanadihadiana chiffre) fa efa ny fanadiovana izay ao anatin"ny tena no ilaina ka sao dia ireo resaka arafitry ny olona noho ny analyses rehetra ataony no mibahana ao anaty fa tsy ny fahatsoram-po tian'i Kristy ahatongavana.
15. RBNIR ( 09/05/2011 12:50)
Miharena:

diso mianatra io resaka isa io ianao ka lasa very amin'ny katesizy an!

Tena tsy mampaninona ahy ny very amin'ny katesizy namana(hi hi hi) fa raha very amin'ny baiboly aho no malahelo,

Samy tahin'ny Tompo e,
16. hery ( 09/05/2011 13:03)
Fialam-boly kely aloha eny antsefatsefany eny :-)



17. Miharena ( 09/05/2011 13:08)
RBNIR:

Tena tsy mampaninona ahy ny very amin'ny katesizy namana(hi hi hi) fa raha very amin'ny baiboly aho no malahelo,

Samy tahin'ny Tompo e,


Ny ainao no tian'ny Tompo hamiratra kokoa noho izao entinao anatin'ny nofonao izao RBNIR fa tsy ny fahaizanao Baiboly akory. Sao diso hevitra isika, fa soratra ihany ny Baiboly fa ny miaina araka an'Andriamanitra no izy an!
HotrotroiNY hatrany anie isika rehetra !
18. 0uioui ( 09/05/2011 14:08)
Tena tsara ny hira hery a !!! enao aloha de tena efa hita mihitsy fa "mpihira" manantalenta e"


merci mba manala hamohamo kely ary e
19. 0uioui ( 09/05/2011 14:09)

merci bogosy a!!



aza saropiaro i Rondro fa mody foana io raha sendrasendra ka lasa vetivety eee ....
20. pissoa ( 09/05/2011 17:16)
Ohatra ny atao mifangaroharo be loatra ilay resaka ! Misy hoe "natsangana ho olon-tsambatra" dia misy resaka filalaovam-paty sy pams ! Hi hi hi tsy haiko na tsy fahalalana no mahatonga ilay izy mifangaro be na finiavana tsy hahalala mihitsy.
Sinon, resaka somary mandany jiro ihany ny resaka toy itony. Amiko manokana mantsy dia mila manaiky ny olona iray fa tsy mahavita tena izay vao afaka mahazo zavatra amin'ny ataon'ny Katolika na izay zava-misy ao. Ao amin'ny Katolika ihany mantsy no hitako mi-promote ny fifanampian'ny samy olombelona amin'ny fiainana ny Finoana, fa ny an'ny finoana Kristianina hafa amin'ny ankapobeny dia ny "mandeha direct sy seul" ihany no mety.
Rehefa ao amin'izay hoe tsy mahavita tena izay, dia mety hahazo ihany ny anton'ny zavatra maro be ataon'ny Katolila.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0685