Iza no tena fivavahana marina sy eken'Andriamnitra e!

21. lagoon ( 10/05/2011 16:22)
Fa anga izay @ manaraka an'i Kristy ihany koa no eken'Andriamanitra?
Fa lobotomisation avy aiza no nahazo anareo eto e?
Mba tongava saina fa lasa extremistes ianareo eto,tsy misy fandeferana fa mitovy tahaka @ silamo na jiosy extremistes.
Amin'izay fivavahana nanandevo aran-tsaina sy nanimba ny fomba fisainana malagasy (ianareo ireo no portofo) ny fivavahana kristianina.
22. rekinbelo ( 11/05/2011 12:16)
Eny tompoko!
Izay manaraka an'i Kristy ihany no eken'ny Jehovah Atra.raha Jehovah no Atraao de marina izay fa raha Allah de afa indray ny lalàna mankany, na BOudiste na Shintoiste sns e!
Tsy ny Kristianisme no ratsy fa ny nitondran'olombelona azy. Lazaiko anao fa io Kristianisma misy io zao dia fomba iray nentina nanjanahana ny tany taty Afrika sy ny manodidina rehetra!
mody mitory ny filazantsara nefa mampiditra ny vahiny sy mitsikilo fotsiny ny zv-misy ao @ tany iray.
Raha toa ka ilay kristianisma tena nahorin'ni Kristy de tsy nisy blem zany mitsy teto an-tany na taiza io na taiza fa saingy ilay kristianisma sarintsariny fotsiny mody mampiasa Baiboly no natanjaka ba sy nameno ny tany.
Zao fotsiny no lazaiko anao de mba valio: nahoana ny miaramila katolika iray mahasahy mamono miaramila katolika hafa firenena? Nampianatra an'izany ve Kristy?
23. christian777 ( 11/05/2011 13:53)
mahazo miresaka daholo ny rehetra araka ny fahalalany fa andao hojerena ny baiboly:
(Lioka 6:39) « Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa? »
(Lioka 6:40) « Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany. »
(Lioka 6:46) « Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? »
(Lioka 6:47) « Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: »
(Lioka 6:48) « Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana* izy.[*Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy] »

Jereo tsara eto fa betsaka ny manantona an'i Jesosy manao hoe tompo ô tompo ô kanefa tsy manao izay lazainy.Ary mahazo hery mihitsy ex:mamoaka demony,manasitrana sns...

Ireto no fampitandremana nomena ny fiangonana voalohany tsara hofantarintsika aloha
(Apokalypsy 2:7) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia] »
Mila maharesy
(Apokalypsy 2:11) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:17) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:26) « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; »
(Apokalypsy 3:5) « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. »
(Apokalypsy 3:12) « Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. »
(Apokalypsy 3:21) « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. »
(Apokalypsy 21:7) « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. »
Ireo ilay cadeau duciel omen'I Jesosy Tompo an'ny fiangonana.
Inona ary ny critika misy eo amin'ny fiangona:
Ireto misy ambangovangony:
(Apokalypsy 2:2) « Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; »
(Apokalypsy 2:3) « ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. »
(Apokalypsy 2:4) « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. »
(Apokalypsy 2:5) « Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. »
(Apokalypsy 2:6) « Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] »
(Apokalypsy 2:9) « Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) »
(Apokalypsy 2:10) « Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. »
(Apokalypsy 2:13) « Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana. »
(Apokalypsy 2:14) « Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga. »
(Apokalypsy 2:15) « Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny. »
(Apokalypsy 2:16) « Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. »
(Apokalypsy 2:19) « Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. »
(Apokalypsy 2:20) « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. »
(Apokalypsy 2:21) « Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. »
(Apokalypsy 2:22) « Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. »
(Apokalypsy 2:23) « Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:25) « kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. »

Mila tadidiantsika fa oentin'Andriamanitra ho tsaraina avy ny fiangonana misy antsika na inona io na inona hoy ny Tompo hoe:
(Matio 7:18) « Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. »
(Matio 7:19) « Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. »
(Matio 7:20) « Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. »
(Matio 7:21) « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. »
Inona moa ny sitrapon'ny Rainy:
(2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, »
Ny fibebahanao tsy anao ratsy intsony ianao mba tsy ho very ianao fa hanana ny fiainana madrakizay.

Tanjona voalohany amin'izany dia (1 Petera 4:8) « Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) »
Eny mila mifankatia isika tsy mifampiandany fa mifanaraka tsara ka tsy hijery ny tsy mety fa mba kosa iezaka hanarina ny tsy mety miaraka.
Dikany dia mila manova ny toetsaintsika isika voalohany fa tsy micritique foana.Ary ny critique koa dia tsara anatsarana ny azy ahitana ny lesoka sns...mba ho fampandrosoana anefa fa tsy hamotehina.

Satria efa voafitaka satana ny akabeazan'ny olona amin'izao dia raha ho avy i Jesosy dia araka ny voatolotra anao no andraisany anao diakny samia mitoky tsara ny azy manao ny mahamendrika fa tsy maharatsy mba ho mendrika ho amin'ny fahatongavan'ny Tompo.

(Ohabolana 16:4) « Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza. »

Betsaka ny fivavahana matoa navelan'Andriamanitra hisy izany dia misy antony.
Fisaka ny marina ka saro-tadiavina kanefa hoy ny Tompo hoe:
(Ohabolana 8:17) « Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. »

Ity koa ny iray
(Matio 11:25) « Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. »
(Matio 11:26) « Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. »
(Matio 11:27) « Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. »
(Matio 11:28) « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. »
(Matio 11:29) « Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. »
(Matio 11:30) « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. »

Jereo tsara izay tiany hanehoana Azy ihany no mahalala ny Ray sy ny Zanaka.Dia toy izany koa ny Fanahy Masina.
(Jaona 3:8) « Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. »

Izay tiany ihany dia mazava ho azy fa tia azy izany.
Iza ary no tia an'ny Ray?
Fepetra voalohany
(1 Jaona 4:20) « Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? »


Fepetra faharoa
(Ohabolana 2:1) « [Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko, »
(Ohabolana 2:2) « Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; »
(Ohabolana 2:3) « Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, »
(Ohabolana 2:4) « Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: »
(Ohabolana 2:5) « Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. »

Mitadiava dia hahita
Domdomy dia hovoana ianao
Mangataha dia omena ianao

(Apokalypsy 22:17) « Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. »



24. Miharena ( 11/05/2011 15:59)

(Lioka 6:40) « Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany. »



Feno be ireo resaka ataon'i Christian777 ireo fa ity andininy iray ity no tanjona. Rejefa tsy avitra antsika intsony fa ao am-po ny Tompo dia mazava isika rehetra ary hahay tsara hanavaka ny mety sy ny tsy mety ataontsika na ataon'ny namana.
Miaina arak'i Kristy Zanak'Andriamanitra no atao hoe marina, ary tsy ny fiangonana no marina fa ny olona mahitsy ao anatiny.
25. rekinbelo ( 11/05/2011 16:28)
Tsy ampy fotsiny ny hoe rehefa ao am-po, fa na ny mpivarotena eo tsaralalana aza manao toy izany koa, noho izany dia tena ilaina ny fanrahana ny ohatra navelan'ilay mpampianatra.
Namela ohatra maro be izy dia ireny no mila tahafintsika amin'izay rehetra ataotsika.I Jesosy ohatra nampianatra fa mila mifandefitra sy mifankatia isika mpianany, nefa jereo ny akabeazan'ny olona mivavaka aza mifankahala, mifanenjika, mifanaratsy sns.
izay le ohatra tiako nolazaina t@ lagoon tery ambony ery. "fa ny voany hazo no afantarana azy" izany mila asehontsika @ zavatra ataontsika ny fanarahana ny modely napetraky ny Tompo!
26. Miharena ( 12/05/2011 05:17)
Rekinbelo:

Tsy ampy fotsiny ny hoe rehefa ao am-po, fa na ny mpivarotena eo tsaralalana aza manao toy izany koa, noho izany dia tena ilaina ny fanrahana ny ohatra navelan'ilay mpampianatra.


Ilay resaka mpivaro-tena dia tsy azo lazaina hoe diso fa aoka isika angamba tsy hanaratsy ny olona amin'ny fomba niadiany amin'ny fahaveloman'ny nofony. Nofo hafa ary ny fanahy dia hafa. Tsy fantantsika ny fanovana mahery vaika mety harotsaka ao anatin"ny mpivaro-tena araka ny filazanao azy.

Ny aty amin'ny samy mpiavonavona no misy ny ady ka raha toa ka heverin"ny Krisitiana fa izany no tena fiainana dia diso izy satria tsy tao amin'ny Tompo ny fanavakavahana. Porofo i Maria Magdalena mpivaro-tena aza vitany ny nanova azy tanteraka.
Ao koa ireo fanontaniana miendrika fanamarinan-tena nataon'ny Fariseo sy ny Sadoseo (efa antoko roa sahady tao amin'ny Jiosy).

Raha ny fiainana ara-nofo no hitarafana ny finoana dia mety ho very isika fa io faharesena ara-panahy izay ny Tompo sy isika tsirairay mifampiresaka no mandrafitra azy.
27. Miharena ( 12/05/2011 13:37)
Lagoon:

Fa anga izay @ manaraka an'i Kristy ihany koa no eken'Andriamanitra?
Fa lobotomisation avy aiza no nahazo anareo eto e?
Mba tongava saina fa lasa extremistes ianareo eto,tsy misy fandeferana fa mitovy tahaka @ silamo na jiosy extremistes.
Amin'izay fivavahana nanandevo aran-tsaina sy nanimba ny fomba fisainana malagasy (ianareo ireo no portofo) ny fivavahana kristianina.

Ity resaka ataon'i Lagoon ity dia hitako tsara velabelarina ihany. Amiko tsy hoe izay manaraka an'i Kristy no eken'Andriamanitra fa misy resaka voalaza ao anaty Baiboly momba ny famaritana an'Andriamanitra izay Mpamorona izao rehetra izao izay tokony tsy hanavahana na iza na iza rehefa fantatra. Fahalalàna no zaraina ao ary fampifohazana ka izay mahazo izany fifohazana izany dia tsy hanavakavaka velively ary hahay hampifoha ny hafa.
Ilay hoe manandevo ara-tsaina dia arakaraka ny conditonnement sintonina eo amin'ny fitorian-teny no mahatonga izany. Raha atao fitaovana azo hi-dominena ny Teny ao dia izay ilay ratsy. Raha atao hoe azo hamohazana ny maha-izy ny olona kosa dia izay no tena izy.
Ny maha-Malagasy dia tsy azo tsinontsinoavina fa misy koa ny marina fonosin'ny fahendrena Malagasy. Ohatra, "aza ny lohasahamangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha".
Nanao ny fandalinana momba ny fisiana koa izy ireo dia izay no nahalalàny ny fanahy tsy mety maty fa lasan-ko razana.
Misy tokoa ny minia manafoana io fahalalàna iray io ka manjary mibirioka sy matahotra eo anatrehan'ny fahafatesan'ny nofo. Toeram-boninahitra anefa no fijerin'ny Maagasy ny nodimandry. Toy ny misy amin'ny finoana izay manandratra ny nodimadry ho olomasina io.

Ka ilay izy angamba tsara ihany no mandalina tsara vao miresaka hoe ankasitrahana sa tsia fa lasa misy fitsaratsara-poana ihany rehefa tsy alalinina tsara ny momba ny fisiana.
28. daran ( 12/05/2011 16:45)
bor2lais:

daran:

izay manaraka ny fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany no marina e, tsy lozika ve izany? izy no modely koa. D iz no réference zany. Zay nataony no tokony hotahafin'ny mpianany koa, sa ahoana e? d samy madinika zany tsika zany e, raha tsy i Jesosy mantsy no réference-tsika d héhéhé, voavily lalana sahady tsika

Mety gravy ihany izany raha amin'izao fotoana izao a !

Mila mifoha maraina, mankany an-tendrombohitra, mandeha tongotra en + ... Sa inona no tian'i daran tenenina ? :-)


zay ve no tena hamantaranao an'i Jesosy? mpandeha tongotra, mpifoha maraina, mpankany an-tendrombohitra?...inona no amantaran'ny olona an'i Jesosy? inona koa no nasainy nataon'ireo apostoly sy ny mpianany fahiny? d zay zany no tokony bol hataon'ny mpianany amin'izao androntsika izao. Ny atao hoe kristianina dia mpanaradia an'i kristy. Manao an'i Kristy ho modely ary miezaka sy MANKATO izay nolazainy. Ny asa izay ataon'ny tsirairay no manaporofo hoe tena kristianina tokoa ve izy sa ivelany ftsn.
29. bor2lais ( 12/05/2011 17:18)
daran:

izay manaraka ny fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany no marina.

Io fehezan-teny io ange no nasiako "sira" kely teo e : azonao ihany ilay izy ka !
Eto izao mba azoko ny tianao tenenina :
daran:

inona no amantaran'ny olona an'i Jesosy? inona koa no nasainy nataon'ireo apostoly sy ny mpianany fahiny?

Marihina fa raha ny fahitako azy dia tsy misy resaka "fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany" io valinteny nomenao io a ! :-)
30. lagoon ( 12/05/2011 18:10)

Miharena,

Fanontaniana iray no hapetraka anao:

Nampivoatra sa namotika ny toe-tsainan'ny Malagasy ny fivavahana kristianina?
31. Miharena ( 13/05/2011 03:39)
Lagoon,

Raha tena dinihina dia misy ihany ny olona manisy sira ny fiavian'ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Ny politika aloha no mahatonga ireo fiarovana ny maha-Malagasy nefa tsy fahatsiarovan-tena ihany no namonoana maritiora teto. Nitondra fanjonoana ny olona ny fivavahana teto ary ny Eoropeana izay nanaparitaka azy dia nanana sitrapo mazava raha toa ka ny asa vita rehetra momba ny fandikana amin'ny teny Malagasy ny Baiboly fotsiny aza no jerentsika.
Ny ady nisy teo amin-dry zareo araka ny antoko nisaraka (adin'ny Katolika sy Protestanta) nentina teto no isan'ny namotika io fikasana tsara io ary nanasara-bazana ny Malagasy.

Na izany na tsy izany, misy zavatra azo lazaina ihany hoe tsy takatry ny Malagasy raha tsy nisy ireo karazana fahalalàna nentin'ny Kristianisma teto. Na dia azo lazaina aza fa efa nanana ny fahalalàny momba ny fivavahany manokana isika dia nilaina ihany ny fisian'ny Baiboly ahafahana manamarina izay fahalalantsika fahagola. Mifanampy ilay izy raha toa ka mijery tsara ary miala amin'ny adilahy isika.
Ny rivotra mitsoka eran-tany koa tsy ahafahantsika mihitsy milaza fa tsy ho tafiditra eto mihitsy ny Kristianisma.
Anjarantsika fotsiny no mitanty azy ary raha toa ka nanana tokoa ny fijoroana isika dia tokony tsy hiozongozona nandray ny kristianisma fa nanao hoe : ataovy toy ny voankazo an'ala, raha mamy atelina, ary raha mangidy aloa. Dia mila mifantina fotsiny fa tsy manara-driandrano hoe miady araka ny heviny avy ny antokom-pvavahana isanisany dia isika koa hanao toy izany.
Ny foto-pisainana fihavanana ihany no nahatonga ny Malagasy hanao hoe aza ny tenako no ariana fa ny hevitro.
Rehefa mahay mijoro amin'ny fahendrena ananana dia afaka mitanty tsara izay rivotra mitsoka mitondra fahendrena hafa eo amin'ny tanin'ny tena e!

Fa io moa dia tsy maintsy miafara amin'ny fahendrena universel hatrany dia ny hoe Iray rà ny olombelona rehetra ka tokony hahatsiaro tena hifanampy sy hihavana. Izany hoe mila misokatra be mihitsy fa tsy hanao hoe izahay Malagasy ka tsy mila olon-kafa ka lasa hikombona toy ny olona manao lova tsy mifindra dia tsy mivoatra eo.
32. daran ( 17/05/2011 16:04)
bor2lais:

daran:

izay manaraka ny fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany no marina.

Io fehezan-teny io ange no nasiako "sira" kely teo e : azonao ihany ilay izy ka !
Eto izao mba azoko ny tianao tenenina :
daran:

inona no amantaran'ny olona an'i Jesosy? inona koa no nasainy nataon'ireo apostoly sy ny mpianany fahiny?

Marihina fa raha ny fahitako azy dia tsy misy resaka "fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany" io valinteny nomenao io a ! :-)


azontsika resahina ny fivavahan'i Kristy ka. Ny fanontaniana azontsika apetraka d hoe nivavaka tamin'iza i Jesosy? Marc 6: 46; matio 26: 42; marka 15: 34; Jaona 20: 17

Inona no zava-dehibe tamin'i Jesosy tamin'izy tety an-tany? lioka 8: 1; marka 1: 38

Dia izay kristianina izany (mpanara-dia an'i Kristy), dia manao an'i Kristy ho modely; araka ny lozika moa zany e

Dia ny valinteny nomeko etsy ambony tsis misy hoe Jesosy katolika, na protestant na silamo... fa raha fintinina dia hoe ny tena kristianina dia manao an'i Jesosy ho modely. Izay zava-dehibe amin'i Jesosy dia tokony ho zava-dehibe amin'ny mpianany iany koa. Izay nivavahan'i Jesosy dia io koa no A/tra ivavahan'ireo mpanara-dia azy...Ohatr'izay zany lé raisonnement e. :-)
33. bor2lais ( 18/05/2011 09:41)
daran:

Dia izay kristianina izany (mpanara-dia an'i Kristy), dia manao an'i Kristy ho modely; araka ny lozika moa zany e

Dia ny valinteny nomeko etsy ambony tsis misy hoe Jesosy katolika, na protestant na silamo... fa raha fintinina dia hoe ny tena kristianina dia manao an'i Jesosy ho modely. Izay zava-dehibe amin'i Jesosy dia tokony ho zava-dehibe amin'ny mpianany iany koa. Izay nivavahan'i Jesosy dia io koa no A/tra ivavahan'ireo mpanara-dia azy...Ohatr'izay zany lé raisonnement e.

Raha azoko tsara "lé raisonnement" (nefa koa mety tsy azoko angamba) dia :
1. afaka milahatra na mandeha irery eo anoloan'ny Ray tahaka an'i Jesoa (tety an-tany) izany ny antsoinao hoe Kristiana e ?
2. mitovy amin'ny iraka nampanaovin' ny Ray Azy izany ny tokony ataon'ny Kristiana e ?
3. ny teboka 2 milaza ho an'ny Kristiana fa tsy mbola vita ny iraka nampanaovina Azy e ?
34. daran ( 20/05/2011 10:59)
bor2lais:

daran:

Dia izay kristianina izany (mpanara-dia an'i Kristy), dia manao an'i Kristy ho modely; araka ny lozika moa zany e

Dia ny valinteny nomeko etsy ambony tsis misy hoe Jesosy katolika, na protestant na silamo... fa raha fintinina dia hoe ny tena kristianina dia manao an'i Jesosy ho modely. Izay zava-dehibe amin'i Jesosy dia tokony ho zava-dehibe amin'ny mpianany iany koa. Izay nivavahan'i Jesosy dia io koa no A/tra ivavahan'ireo mpanara-dia azy...Ohatr'izay zany lé raisonnement e.

Raha azoko tsara "lé raisonnement" (nefa koa mety tsy azoko angamba) dia :
1. afaka milahatra na mandeha irery eo anoloan'ny Ray tahaka an'i Jesoa (tety an-tany) izany ny antsoinao hoe Kristiana e ?
2. mitovy amin'ny iraka nampanaovin' ny Ray Azy izany ny tokony ataon'ny Kristiana e ?
3. ny teboka 2 milaza ho an'ny Kristiana fa tsy mbola vita ny iraka nampanaovina Azy e ?


sarotra koa lé miresaka am soratra e :-)

tsy azoko tsara ny tianao holazaina am lé 1.

1/ Ny kristianina dia afaka manantona ny ray no sorona fampihavanana nataon'i Jesosy. Izy mits aza no nampianatra ny mpianany hivavaka hoe RAINAY ANY AN-DANITRA....kanefa raha tsy mino an'i Jesosy koa ny olona te hanantona ny Ray dia tsy mahazo sitraka am Ray.

2/ Bor2lais a: ao am jaona 14: 12 ny valin'ny fanontanianao


35. bor2lais ( 20/05/2011 15:20)
daran:

1/ Ny kristianina dia afaka manantona ny ray no sorona fampihavanana nataon'i Jesosy. Izy mits aza no nampianatra ny mpianany hivavaka hoe RAINAY ANY AN-DANITRA....kanefa raha tsy mino an'i Jesosy koa ny olona te hanantona ny Ray dia tsy mahazo sitraka am Ray.

Ka izay indrindra no tiako ho fantatra tamin'io teboka 1. io : tsy afaka ny "hisosososo" manatona ny Ray ny Kristiana raha tsy amin'ny alàlan'i Jesoa ihany ! Izany hoe tsy afaka miantso "Rainay izay any an-danitra" raha tsy vita fihavanana Aminy tamin'ny alàlan'i Jesoa !

Fanamarihana kely fotsiny : "manatona" no izy fa tsy "manantona" fa lasa miova be ny dikany ! :-)
daran:

2/ Bor2lais a: ao am jaona 14: 12 ny valin'ny fanontanianao

Resaka iraka no nolazaiko eo amin'ny teboka 2 fa tsy asa ka ! Izany hoe io lazainao "sorona fampihavanana" io no ataoko hoe iraka eto !

Miteny Jaona 14 : 12 ihany ianao fa toa misy ao hoe "Raha mino Ahy" e, ka angamba eo koa no mety tsy mitovy ny hevitra amin'ny finoana Azy raha ny fijeriko azy ! :-)
36. daran ( 25/05/2011 13:06)
Bor2lais, ka inona no tianao tenenina am lé iraka fa ts azoko e? raha irahina enao, midika inona izany aminao?

Lay finoana ekeko, fa ny finoana maty raha tsy arahin'asa jakoba 2: 24; 26
37. maranatha ( 30/05/2011 05:57)
Nahita ireo hevitra rehetra nampidirin'ireo namana teo aloha aho dia te hilaza fa raha tsisy fiangonan'A\tra izay fahazavan'izao tontolo izao eto ambonin'ny tany dia atondraka sy hampanaranam-po amin'ny maizina ny mponin'ny tany. Noho izany tsy maintsy misy FIANGONAN' A\TRA , iray ihany koa anefa ilay izy, fa raha tsy izany dia mampirafy i Kristy Vakio ny Tononkiran'ny salomona 6:8-10 sy ny efesiana 5:23-25 . Fa ny fanontaniana dia hoe Iza ary io Fiangonana io? na iza no tena fivavahana marina sy eken'A\tra?

Izay tena manao ny sitrampon'A\tra no ekeny sy hainony Jakoba 5:16 "... Ny fiasan'ny fivavakin'ny marina dia mahery indrindra". Izay manaraka ny teniny zato isan-jato. Dia ny Teniny no atao mizana handrefesana izay hankasitrahany.

Raha vao misy tsy ampy ny fahamarinana hiainan'ilay Fiangonana dia tsy fiangonan'A\tra izy izay, tari-dalana ho an-tsika ny nilazany tamin'ny Jaona ao amin'ny Apokalipsy 14:12 hoe "Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'Atra sy ny finoana an'i Jesosy"

Raha io Teny io no jerena dia TSY MAINTSY MITANDRINA NY DIDIN'A\TRA izany no voalohany
ary MINO AN'I JESOSY no faharoa dia refesina amin'ireo fotsiny ilay fiangonana dia fantatra ilay izy; ankoatra ireo mbola misy refy hafa fa amin'ny manaraka jerena indray izay satria maro no fiangonana milaza fa mahatanteraka ireo. Tokana ihany anefa ny fiangonan'i Kristy.



38. Miharena ( 01/06/2011 14:42)
Maranatha:

Tokana ihany anefa ny fiangonan'i Kristy.

Eny Tokana ny Fiangonan'i Kristy dia ny FONTSIKA.

Tsy ny trano sy ny mpivavaka ao aminy fa Krsity velona ao anaty, izay no Fiangonana Tokana na koa hoe Tempoln'Andriamanitra.
39. Maranatha ( 06/06/2011 07:44)
Marina ny An'Miharena hoe isika no tempolin'Atra ny olona tsirairay izay manaiky ny sitrapon'Atra ka hahafahan'i Fanahin'Atra mitoetra.
Tsy diso izay fa misy koa ny atao hoe tanana fandosirana raha mamaky ny Josoa 20:2 izay fandosirana ny mpamaly rà, io tanana io no voaaron'Atra amin'ny loza rehetra izay mety mitranga. Ary mbola io tanana io ihany koa na ny fiangonana no Hopitaly fanamboarana ny toetran'ny olona izay tsy mbola mifanaraka amin'ny sitrapony, ao no homen'Atra sy hampilazany ny mpaminaniny ao izay zavatra tiany hatao sy ny fahamarinana tokony harahina amin'ny vanim-potoana hiainana.
io Fiangonana io no tenan'i kristy fa Izy (Kristy) no Loha .Dikany Tsy maintsy misy io Fiangonana io ary tokana ihany fa raha tsy izany mampirafy i kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0472