Iza no tena fivavahana marina sy eken'Andriamnitra e!
1. rekinbelo
(
05/05/2011 09:01)
Isika rehetra tafiditra ato dia manohana ny mitsdy y fomba rehetra hanamporofoana fa ny azy no marina fa ny an'ny sasany diso.
Raha ny tena izy mantsy dia 1 ihany no fivavahna noforoniny Jesosy Kristy fa tsy maro be toy izao ka iza @ izy ireo no tena izy?

novalian'i Maranatha ny 06/06/2011 07:44
2. Egregore
(
05/05/2011 13:52)
Araka ny voalazanao: "iray ihany no fivavahana noforonin'i Jesosy Kristy"
Iray @ izay rehetra ihany izany no marina. Izany hoe tena Kristiana Marina.
Ny Marina dia izay mahafeno ny fepetra, mahatanteraka izay voalazan'y baiboly oh : Fitiavana namana sy ny fiaraha-monina, Fahamarinana araka ny Baiboly, Finoanan'i Jesosy, batisan'ny Fanahy Masina, Fihavanana,etc.
Ny fanamarinan' Andriamanitra ny olony dia ny Hanomezany azy ny Fanahy.
Asa, misy ve sa tsia io fivavahana io?
Araka ny eritreritro dia Misy Izy io satria matoa mbola tsy tonga ny farany dia mbola misy ny olona hamarinin'ny Tompo.
Ok

3. bor2lais
(
05/05/2011 15:45)
Nefa toa nilaza Izy raha tsy diso aho hoe : "zay tsy manohitra antsika dia momba antsika" na mitovitovy amin'izay ! Tokana ve no filaza izany ?
4. Miharena
(
05/05/2011 16:17)
Tsy ny anaram-piangonana no inona fa ny fahamarinana anaty azon'ny mpino. Ka raha nyfanontanianao dia rehefa mivoaka fotsiny ny feo mitsaratsara miainga amina fiangonana na fanamarinantena miainga amin'ny hevi-dravina samihafa toy ny famoronana lalàna na fisafidifidianana lalàna arahina sy tsy arahina ao anaty Baiboly na ivelan'ny Baiboly dia efa anisan'ny manava-tena izy izay ka tokony mitandrina miditra amin'izany fiangonana izany.
Raha mizara teny fiainana kosa izy ary mampahatsiaro ny olona fa zanak'Andriamanitra ny tsirairay ka tokony hifanaja sy hifankatia dia mazava fa marina izany fiangonana izany.
Ny raharaha manko dia misy mihitsy fiangonana dia tsy handrenesanao teny mamy mihitsy fa tsikera etsy sy eroa no fahanany ny mpivavaka ao aminy. Dia manaiky daholo ireo olona tarihiny ireo ary miady fo tokoa no sahy milaza hoe "ho faty eo anie ianareo fa manaova ihany e!" Tena efa fomba fitoriana fihantsiana ilay izy ka manjary very ny maha-masina izay toriana. Variana any amin'ny fobafomba fanao ny sasany dia tsy misy fanoloran-tena mazava intsony. Ny hafa aza dia samy teny anaty Baiboly iray ihany no hifamaliany satria lasa fihevitra samihafa no fijery ny Baiboly.
Rehefa hay ny mandrava ny rindrim-by hifonosan'ny fon'ny olona manana ireo fomba fijery maro amin'ny teny tokana ireo dia afaka ny olona ary hidiran'ny fahamarinana ao anatiny ary izay lazain'ny tsirairay dia mitovy avokoa sady mazava.

5. daran
(
05/05/2011 19:19)
izay manaraka ny fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany no marina e, tsy lozika ve izany? izy no modely koa. D iz no réference zany. Zay nataony no tokony hotahafin'ny mpianany koa, sa ahoana e? d samy madinika zany tsika zany e, raha tsy i Jesosy mantsy no réference-tsika d héhéhé, voavily lalana sahady tsika
6. blackj521
(
06/05/2011 05:58)
Andao ange ho ao @ palais des sports rahampitso 7 Mey 2011 @ 3 ora de ho hitanao ao ny valiny.
7. bor2lais
(
06/05/2011 09:57)
daran:
izay manaraka ny fivavahan'i Kristy tamin'izy tety an-tany no marina e, tsy lozika ve izany? izy no modely koa. D iz no réference zany. Zay nataony no tokony hotahafin'ny mpianany koa, sa ahoana e? d samy madinika zany tsika zany e, raha tsy i Jesosy mantsy no réference-tsika d héhéhé, voavily lalana sahady tsika
Mety gravy ihany izany raha amin'izao fotoana izao a !
Mila mifoha maraina, mankany an-tendrombohitra, mandeha tongotra en + ... Sa inona no tian'i daran tenenina ? :-)
8. 0uioui
(
06/05/2011 11:12)
rekinbelo ===) raha ny fahafantarako azy de izay manao ny sitrapon'Atra sy manaraka ny Teniny ary mitandrina ny Didiny dia efa Fivavahana marina izy zay !!! tsisy hanavahanao io na kato na sekta na apokalipsy na TJ na islam fa rehefa manantanteraka an'ireo de fivavahana marina zay !!........fa raha mamorona zavatra hafa ankoatra ny ao anaty Baiboly izay Boky lehibe nentin'Atra hanely ny Teniny sy ny hafany rehetra kosa de tokony ho MAILO ihany ny rehetra !!...
9. 0uioui
(
06/05/2011 11:14)
faharoa : ekena koa ilay fivavahana raha : mino fa Jesoa Kristy maty noho fahotantsika araka ny soratra Masina , ary natsangana tamin'ny andro fahatelo , eo ankavanan'Atra Ray Tsitoha , ary mbola ho avy h&andray atsika izay zanany ...!!
10. egregore
(
06/05/2011 17:33)
bor2lais:
Nefa toa nilaza Izy raha tsy diso aho hoe : "zay tsy manohitra antsika dia momba antsika" na mitovitovy amin'izay ! Tokana ve no filaza izany ?
Marina fa niteny izany izy.
Raha tsy manohitra azy dia momba Aza. Kanefa samy miara mahita isika fa maro samihafa ny fiangonana milaza hoe Kristiana, ary izay tsirairay ireo dia samy manana ny fombany sy ny "Doctrine" maha izay azy avokoa. Ny fanjakana Mizarazara hono tsy maharitra. Raha lazaina hoe fanjakan'i Kristy avokoa ireo dia Mamita-tena isika mianakavy satria miara mahita izao fa mifamely ny fiangonana samy fiangonana ary samy milaza manana an'Jesosy avokoa.
Izany ve dia ho lazaina fa sitrak'Andriamanitra?
11. bor2lais
(
06/05/2011 17:51)
egregore:
Kanefa samy miara mahita isika fa maro samihafa ny fiangonana milaza hoe Kristiana, ary izay tsirairay ireo dia samy manana ny fombany sy ny "Doctrine" maha izay azy avokoa. Ny fanjakana Mizarazara hono tsy maharitra. Raha lazaina hoe fanjakan'i Kristy avokoa ireo dia Mamita-tena isika mianakavy satria miara mahita izao fa mifamely ny fiangonana samy fiangonana ary samy milaza manana an'Jesosy avokoa.
Izany ve dia ho lazaina fa sitrak'Andriamanitra?
Tsy dia iombonako ny fijerinao eto satria tahaka ny mahasamihafa ny fiasan'ny Fanahy Masina amin'ny tsi11 no mahasamihafa ihany koa ny fomba fiainan'ny tsi11 ny finoany. Ka amiko dia heveriko fa Jesoa tokana ihany no inoan'ireo lazainao Fiangonana maro be ireo (raha Kristiana tokoa izy) fa tsy i Apolosy na Kefasy na Paoly akory ! :-)
12. rekinbelo
(
09/05/2011 07:10)
tsy samy hafa izany intsony fiasany fanahy masina.tsy mampanao fahagagana, fanasitranana, sns e.efa tonga @ fe-potona vaovao anie sika izao ka tsy mety intsony izany rehetra izany.
fa ny tiako ahatongavana de hoe: maninona i Jesosy no niteny hoe tsy izay rehetra manao hoe tompoko, tompoko no handova ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon'ny RAy.
midika izany fa tsy ireo milaza azy hoe mino an'i Jesosy akory de ankasitrahany daholo!ka eo mihitsy no mitranga ny fototra ilay thème hoe IZA NO FIVAVAHANA ANKASITRAHANA SY MARINA @ zao fotona izao.

13. bor2lais
(
09/05/2011 07:39)
rekibelo:
tsy samy hafa izany intsony fiasany fanahy masina.tsy mampanao fahagagana, fanasitranana, sns e.efa tonga @ fe-potona vaovao anie sika izao ka tsy mety intsony izany rehetra izany.
Mba omeo fanazavana misimisy hoe raha azo atao mikasika io hevitao io !
Misaotra mialoha !
14. rekinbelo
(
09/05/2011 07:43)
fa ngah enao mino ireny fanasitranana sy fahagagana atony fivavahna hafa ireny?
15. bor2lais
(
09/05/2011 08:34)
rekinbelo:
fa ngah enao mino ireny fanasitranana sy fahagagana atony fivavahna hafa ireny?
Ny fanontaniako ange tsy any fa eo amin'ilay teneninao hoe "tsy samy hafa izany intsony ny fiasan'ny Fanahy Masina" e !
16. bichette
(
09/05/2011 15:18)
Voalohany indrindra aloha dia tsy azo atao mihitsy ny miteny hoe "ny fiangonanay no tena marina" . Eny fa na dia fiangonana tena mitoetra amin'ny tenin'Atra aza, satria na fiangonana inona na fiangonana inona dia EO ANATREHAN'Andriamanitra dia misy tsy fahatanterahana daholo satria tsy misy tanteraka ny olombelona. ny fiangonana koa tsy misy na iray aza tena hoe "masina" tena tsy manantsiny mihitsy, tsy misy ota, manao ny mety 100% sns.
Andriamanitra dia tsy MIOVA OMALY ANIO ARY MANDRAKIZAY. Ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao dia Izy ihany no Andriamanitry Abrahama Isaka sy Jakoba, Andriamanitry Ely ihany koa ary mbola Andriamanitry foana VELONA SY MARINA. Ilay jehovaha Andriamanitra nanao fahagagana taloha raha niasa tamin'ny mpaminany, Iny Jehovah iny ihany no miasa amin'izao vanin'andro hiainantsika izao.
raha niakatra any an-danitra i Jesosy dia nandefa ny Fanahy Masina izy. dia io Fanahy Masina io no ahafahaha manao fahagagana amin'izao fotoana izao. tsy dia ahitana firy intsony angamba, angamba hoy aho ny fiasan'ny fanahy Masina satria miha-mangatsiaka ny fon'olombelona (efa voasoratra ao anaty baiboly fa hihangatsiaka ny fon'olombelona), anaty ota sns, mitoetra anaty ota ka tsy afaka miasa malalaka ny Fanahy Masina.
Matetika isika olombelona dia mitady "fahamarinana" foana, dia mitady aminà boky maro isankarazany, ary mety voafitaka mihitsy aza ka hany ka lasa mino hery hafa izay an'i satana.
raha tena te hahalala ny momba an'Andriamanitra isika dia tsotra : mivavaka manontany directement an'ilay Andriamanitra. dia mandalina ny baiboly satria hita ao anaty baiboly sy voalaza ao ny : - toetran'Andriamanitra - iza moa Andriamanitra - Ahoanany fiasan'Andriamanitra - inona no tokony atao raha tena te hahatsapa ny fisian'Andriamanitra - Inona no tokony atao sy ny tsia - raha te ho benis amin'ny fiainana dia inona no tokony atao - inona no mahatonga ny fiainako mikorosi-fanaha - arakan'Andriamanitra ve izao zavatra izao sa tsia ....
rehefa misy zavatra tsy azo dia mivavaka mba hampihiratiny ny masom-panahy hahazaoana izay tsy azo
izay angamba aloha ;-) sao lava loatra hihihihi

17. hery
(
09/05/2011 15:37)
Raha ny tena izy mantsy dia 1 ihany no fivavahna noforoniny Jesosy Kristy fa tsy maro be toy izao ka iza @ izy ireo no tena izy?
Tsy namorona fivavahana i Jesoa ka :-)
Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy izy, ka na fivavahana inona na fivavahana toa inona rehefa mandray azy ho lalana sy fahamarinana sy fiainana dia fivavahana marina izay.
18. bor2lais
(
09/05/2011 16:12)
blackj521:
Andao ange ho ao @ palais des sports rahampitso 7 Mey 2011 @ 3 ora de ho hitanao ao ny valiny.
Dia inona hono no valiny ry blackj521 (fa ianao no nisolo tena anay tany) ? :-)
19. lagoon
(
09/05/2011 17:10)
taiza i jesosy izany no namorona fivavahana?izy ary toa jiosy ary tsy nivadika t@ io fivavahana io.
tsy ny apostoly sy ny fanjakana Romana izay nitetika ny hanjanaka indray ve namorona ny fivavahana kristianina?
ary @nareo izany dia voatery ny fivavahana kristianina no marina fa ny hafa tsy izy?

20. rekinbelo
(
10/05/2011 06:44)
aleo ary ataontsika hoe tsy krisitanina fa mpanaradia an'i Kristy e.Manaraka ny modely izay nataon'ny Kristy ny olona tia sy mivavaka @ Atra.