zanak'Andriamanitra mpiara-miasa @ Ray

1. vonynive ( 22/04/2011 06:05)
miarahaba antsika rehetra,
raha mamaky ireo faminaniana voalaza teo aloha isika dia manontany tena hoe ho tanteraka ve izany ? ary iza no hanatanteraka azy ?
miara-miasa mandrakariva @ olona ety ambonin'ny tany Atra rehefa hanatanteraka vina iray (hampihatra ny faminaniana); tsy miasa irery Izy izany fa tsy maintsy mila antsika. tahaka ny nahaterahan'i Jesosy ohatra dia tsy maintsy nanaiky i Maria aloha hitondra vohoka an'i Jesosy vao afaka tonga teto antany Jeso (na dia azon'I Jehovah natao aza ny hoe nisy molekiola maromaro nitambatra hono tery amoron-dranomasina tery dia nitambatambatra lasa loha, dia lasa tanana dia farany lasa olona toy ireny film fahitantsika ireny...)
fehiny : na inona na inona zavatra irin'ny Tompo hatao dia tsy maintsy miara-miasa Aminy isika.
novalian'i Miharena ny 23/04/2011 04:12
2. bor2lais ( 22/04/2011 12:26)
Miarahaba an'i vonynive sady misaotra nanokatra an'ity lohateny vaovao ity !
vonynive:

tsy miasa irery Izy izany fa tsy maintsy mila antsika.

Ny manitikitika kely ny saina dia ilay teny hoe "tsy maintsy".
Toa milaza izany fa tsy vitaNY ve izay iriNY raha tsy eo isika ?
Raha ny fijeriko indray dia faniriana ny Azy fa tsy fanerena akory, ary fahasoavana lehibe atolony antsika izany fahafahana miara-miasa Aminy izany.
Sa ahoana hoy ianao ?
3. Miharena ( 23/04/2011 04:12)
Raha zohina tokoa ny foto-pisainana momba an'Andriamanitra dia hahatsapana io fiombonan'asa io. Fiombonana no hilazako azy satria tsy miara-miasa isika fa miombon'asa. Raha nohariaNY araka ny endriny isika dia manana fahefana hahaleotena tokoa eo amin'ny famoronana. Izy nefa no iainantsika ary ao Aminy isika dia mazava fa izay ataontsika dia tanteraka ao Aminy. Izay no fahefana efa nolovaintsika hatramin'izay ka ho mandrakizay. Izay irintsika dia faniriaNY ary lasa tanteraka tokoa. "Miara-miasa ny zavatra rehetra". Ka na tsara io na ratsy dia niseho avokoa araka ny fotoany avy ahafahana mamantatra ny herintsika izay HeriNY ao anatinsika ihany koa. Satria tsy misy afa-tsy IZY no iainan'ny erana rehetra sy ny zava-mananaina rehetra.
Io ilay fomba fijery IRAY ao amin'ny RAY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1014