BABYLONA LEHIBE
21. rekinbelo
(
11/05/2011 16:37)
koa nahoana ary i adama sy eva no maty e, nefa noforonina tsy ho faty mihitsy izy mivady?avy aiza ny fahadisoana, tsy rizareo ihanykoa ve no nampidi-kizo antsika rehetra ny @ fahadisoana e!
22. Miharena
(
12/05/2011 05:44)
Ilay tsy mampitovy tadin-dokanga antsika anie Rekinbelo dia ilay resaka ara-panahy e! Ny nofo dia hita sy iaraha-mahita fa miraraka. Dia io no ifotoran'ny olona iresahana fahafatesana, heveriny fa manaraka izany ny fanahy (âme et esprit). Zavatra tsy hita amin'ny tontolon'ny 3 dimensions ireo ary isika ao anaty nofo aza anie dia efa mahatsapa amin'ny alalan'ny fahafahantsika mieritreritra fa tsy azo tsapain-tanana izany eritreritra izany fa tsy maintsy ny saina (tsy materialy) no handinihintsika ny zava-misy rehetra.
Ka raha hiverina hatrany any amin'ny resaka Adama sy Eva nofo isika fa tsy manao interprétation ara-panahy izay zava-nitranga namifanipa-kevitra dia very amin'ny famaritana ataontsika. Ary mbola voavoy anaty tahotra fahafatesana hatrany satria tsy mahatsapa ara-panahy fa voasariky maso ara-nofo fotsiny ihany dia hihevitra fa misy fahafoanana rehefa ilaozana izany nofo izany.
Ny famaritana ny fanahy mety maty dia eritreritra ihany fa ny tena izy tsy ho faty ny fanahy. Eto isika izany dia mila manavaka tsara ny atao oe eritreritra sy ny tena Essence na zava-mandrafitra antsika tsy miova ary mitondra antsika izay manao io eritreritra io (izay mety mandalo arakaraka ny vanim-potoana nodiavin'ilay tsy miova).

23. Miharena
(
12/05/2011 15:30)
Ary lasa muvoana amin'ny lohahevitra moa isika ity Rekinbelo fa ilay Babylona lehibe lasa tsy hita. Fa ampifandraisiko amin'io resaka eritreritra io ity Babylona lehibe ity.
Toa an'i Babela izy io ka ny eritreritry ny olona araka izay saim-pantany fa tena fiainana no nandrafitra ilay Babylona. Ilay hevitra materialy anaty eritreritra ilay izy na koa ireo hevi-diso rehetra nalefan'ilay eritreritra ka nanjary lasa loto ngezabe manarona sy las amandrafitra ny foto-pisainan'ny olona tsirairay.
Ka rehefa mipongatra ny tena maha-izy ny olona, izany hoe mifoha izy fa mipoitra ny maha-sombinain'Andriamanitra azy dia rava daholo ireo zava-mandalo nametrahany ny eritreriny ireo. Io ilay rava Babylona lehibe (vola aman-karena fa tsy AINA). izay noheveriny fa namelona azy.