FIRY JESOSY ARY FIRY ANDRIMANITRA?
41. RBNIR
(
03/05/2011 12:28)
rekinbelo:
IZA NO SAHY MILAZA HO MAHAY NA MAHAFANTATRA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA (NA NY ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA)MIHOATRA NOHO I JESOSY KRISTY TOMPO???
Faly miarahaba namana rekinbelo,
Azavaiko kely io teny io, I Jesosy Tompo raha nanambara ilay teny ao amin'ny Jao.14:14 dia milaza mazava amin'ny olona Izy fa azo atao tsara ny mivavaka na mangata-javatra Aminy ary Izy tenany mihitsy no hamaly ny vavaka fa tsy ny Ray akory amin'izay fotoana izay "dia hataoko izany".
Ny olona aty aoriana anefa (rehefa nandalina dia nandalina dia nandalina...) dia sahy manohitra io teny io ka dia sahy mampianatra ny olona fa tsy azo atao ny mivavaka Aminy ka izay no nametrahako ilay fanontaniana ery ambony hoe IZA NO SAHY...?
Satria ny fandraisako azy dia otran'ny milaza tokoa ireo mpandalina ankehitriny ireo hoe diso ny anao ry Jesosy fa izahay mbola mahay noho ianao fa tsy azo atao ny mivavaka Aminao fa amin'Andriamanitra Ray ihany.
Izao nefa no tokony ho tsarovan-tsika namana ! nampianatra ihany koa ilay Tompontsika hoe :« Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. » (Matio 10:24)
« Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? » (Matio 10:25)
Namana rekinbelo, izaho anie hoy aho tsy mandà fa ny Ray lehibe noho i Jesosy Tompo e! Satria Jesosy Tompo no niteny an'io.
Fanontaniana manitikitika ao amin'ny TJ v Jesosy Tompo sa Tsia?
Samy ho tahin'ny Tompo (Jesosy Kristy) anie isika e!
42. RBNIR
(
03/05/2011 15:38)
Miharena:
mandeha amim-pitiavana izy. Izay ilay tena mpino feno fa tsy mino amin'ny ampahany,
Faly miarahaba namana,
Marina io teninao io namana,
Fa inona ilay Fitiavana tena takian'Andriamanitra?
1- « koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). » (Marka 12:30)
Ahoana no ahafahana milaza fa Tian an'Andriamanitra isika?
« Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3).
Nohamafisina tamin'ny teny hoe :
« Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. » (Jaona 14:24).
Jesosy Tompo koa ary anie ka nilaza,
« …………., tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. » (Jaona 15:10)
Izy aza nitandrina ny didin'ny Rainy koa maika v izay isika??
Fa maninona no lazaina fa izay mitandrina ny didy no tena Tia an’Andriamanitra?
Ireto ny didy voalohany ka hatramin’ny fahadimy :
« Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. » (Eksodosy 20:2)
« Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:3)
« Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eksodosy 20:4)
« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy 20:5)
« nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. » (Eksodosy 20:6)
« Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. » (Eksodosy 20:7)
« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasiÂna azy. » (Eksodosy 20:8)
« Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:9)
« Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:10)
« Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eksodosy 20:11)
« Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. » (Eksodosy 20:12).
- Diniho tsara amin’ny Fo madio sy tsy miangatra, raha tena tia tokoa an’i Jehovah Andriamanitra ianao dia ho vitanao v ny tsy hanantanteraka ny iray amin’ireo didy voalohany ka hatramin’ny fahadimy ireo izay sitraky ny fon’ilay Andriamanitra izay lazainao fa malalanao. Diniho raha tianao ny zanakao, na vadinao, na ray aman-dreninao sns…. tsy ataonao v izay sitrany mba ahafaly azy ka mainka fa Andriamanitra?
2- « Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » (Marka 12:31).
Ahoana no fanantaterahana izany?
« Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Romana 13:10)
Fa maninona tokoa no lazaina fa rehefa tsy manisy ratsy ny namana dia mahatanteraka ny lalàna?
Ireto indray kosa ny didy fahenina ka hatramin’ny fahafolo
« Aza mamono olona. » (Eksodosy 20:13)
« Aza mijangajanga. » (Eksodosy 20:14)
« Aza mangalatra. » (Eksodosy 20:15)
« Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. » (Eksodosy 20:16)
« Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. » (Eksodosy 20:17).
Diniho tsara fa raha mitoetra ao am-ponao marina tokoa ary ataonao lasa fitondratenanao tokoa ny hoe tsy hanisy ratsy ny hafa aho fa ho tiaviko sahala amin’ny tenako izy dia tsy hahavita ny handika ny iray amin’ireo didy ireo mihitsy ianao.
Izay no nahatonga an’i Jesosy Tompo nilaza hoe « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17). Hotanterahina ilay lalàna.
Izay ihany koa no nahatonga ity teny manaraka ity « Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) » (1 Petera 4:8).
Satria fandikan-dalàna (fahotana) maro no voasakan’ny Fitiavana arak’iretsy voalaza ambony iretsy.
Ireo no manaporofo fa ny hoe ambany fahasoavana dia tsy midika mihitsy hoe tsy ilaina intsony ny mitandrina ny lalàna fa ny mifanohitra amin’izay ary no tokony ho izy , tokony ho hita taratra amin’ny fiainan’ilay olona voavonjy ny fitandremana ny lalàna izay porofo fa tena manam-pitiavana an'Andriamanitra sy ny namany tokoa izy.
Inona kay no nanomezan’Andriamanitra an-tsika ny Fanahy Masina?
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
Mazava b io ry namana isany ! ny hahatonga antsika mba handeha araka ny lalàn’Andriamanitra sy hitandreman-tsika ny fitsipiny ka hanarahan-tsika izany fitsipiny izany no antony hanomezana an-tsika ny Fanahy Masina. Tsy misy antony hafa fa io no tanjon’Andriamanitra ny hanampy an-tsika mba hahatanteraka ny sitrapony rehetra. Satria izay mandeha araka ny Sitrapony irery ihany no tena an-kasitrahany (Mat.7:21). Ary Tiany isika mba ahazo fankasitrahana aminy ka ampiny amin'ny alalan'ny Fanahy Masina mba ahatanteraka izay takiany amin-tsika.
Izao anefa, araka ity teny ity « Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » (2 Timoty 4:7) dia misy ady tsy maintsy atao, fihazakazahana tsy maintsy tanterahina, ary finoana tsy maintsy tehirizina mba ho tonga amin’io fahatanterahana voalaza ery ambony io.
Koa dia mbola manasa an-tsika am-pitiavana hatrany, hijery ilay fandaharana Vitao ny Asan’ny Fahamarinana ao amin’ny télé jery, isa-maraina amin’ny 5ora-6ora (Alatsinainy-Asabotsy) mba ahafantarano ny Marina rehetra.
Dia samy ho tahin’ny Tompo anie isika rehetra.
43. christian777
(
04/05/2011 08:37)
JESOSY betsaka anarana tanimboanjo
Ny tena JESOSY dia ilay hoe JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA NITSANGANA TAMIN'NY MATY ARY MIPETRAKA EO ANKAVANAN'NY AVO INDRINDRA MIASA MIARAKA AMIN'NY MPANOMPONY MANDRAPIAVINY.
JEHOVAH betsaka koa.
NY TENA IZY DIA ilay namorona ny zavatra rehetra, tompon'ny zavatra rehetra nampisy anao sy ny rehetra nanome fitsipika sy didy ho an'ny olona rehetra amin'ny andro ankehitriny mba hahavelona azy sy fiainana mandrakizay amin'ny alalan'ny FINOANA AN'I Jesosy Kristy TOMPO.
Fanahy Masina dia: Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava.
Fanahin'Andriamanitra io ary miasa miaraka aminy.
NY BATISA (famonjena)dia amin'ny anaran'ny RAY sy NY ZANAKA ary ny FANAHY MASINA.
Ka raha diso ilay Jesosy dia diso koa ny batisa.dia toy izany koa ny Ray ary ny Fanahy Masina
dia toy izany koa ny finoana.
Tadidio fa antso io finoana io.
(Efesiana 4:4) « Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; »
(Efesiana 4:5) « iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, »
(Efesiana 4:6) « iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra. »
KA TSY DIA TSARA NY MANAFANGARO AN'IO.MILA MAMANTATRA TSARA ARAKA NY FANAHY
(Jaona 3:31) « Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; »
(Jaona 3:32) « koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. »
(Jaona 3:33) « Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. »
TSY AZO ATAO HOE PERSONNE MIHINTSY NY FANAHY KA SOKAJIANA HOE IRAY KA LASA FIHEVITRY NY OLOMBELONA.
ohatra raha miresaka fanahy dia tsy azo sokajiana hoe hafa ny Fanahy masina na hafa ny Fanahin'ny Zanaka na hafa ny Fanahin'ny Ray.Fa iray ihany ireo.(fa ny fifampiandaniana dia asan'ny nofo ary izany no miteraka fahotana ka mahadiso ny fahamarinana)
ohatra hoe raha milatsaka amin'ny olona ny Fanahy masina dia hoe: tsy any an-danitra izany Atra na Jesosy fa "vide" ny any.Ka mahadiso hevitra ny olona ny tsy fahatakarany ny soratra Masina.
Fa raha miresaka Personne(fihevitr'olombelona) ianao dia : Mety mihintsy ny milaza hoe JEHOVAH RAY ary JESOSY ZANAKY NY RAY.(Jesosy mipetraka eo Ankavanan'ny Ray).Ary tsy diso izany.
Mila fantarintsika ny fiasan'Andriamanitra mba hahafantarantsika azy bebekokoa.
Ny hoe Andriamanitra indray dia voninahitra omena ho an'ny izay tokony hivavahana (fiankohofana) sy hotompoina.(Matio 4:10) « Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). »
JESOSY satria Fanahy iray amin'ny Jehovah dia Azo hotompoina sy hiankohofana(am-panahy no ilazako eto fa tsy ara-bakiteny exemple: rehefa mivavaka ao an-trano ianao).
Ny fiankohofana taloha dia natao tao amin'ny tempoly natao tanana.Ankehitriny ny fiankohofana dia tsy tempoly araka ny fihevitry ny olombelona fa araka ny fanahy ka tsy azo hafangaro.
(Asan'ny Apostoly 7:49) « Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako? »
(Deotoronomia 8:19) « Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo: »
JESOSY(zanak'Andriamanitra) NO TEMPOLY (trano fivavahana)
(Jaona 2:19) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy. »
(Jaona 2:20) « Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana? »
(Jaona 2:21) « Fa ny tenany no tempoly nolazainy. »
(Jaona 2:22) « Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy. »
(Apokalypsy 21:22) « Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny. »
Jereo fa tafiditra amin'ilay Tempoly eto ny zanaka satria Fanahy iray natao hivavahana.
(Jaona 4:24) « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. »
Tandremo mba tsy hafangaro ilay Jesosy sy Jehovah fa lasa mpanompo sampy raha tsy mahay tsara an'Andriamanitra satria ny tsy mahalala izany dia mivavaka amin'ny hitany(sary na sampy) sy ny fiheverany(lanitra, hazo, vorona, rivotra, anjely sns...) no ataony fa tsy amin'ny Fanahy.
Angamba mino aho fa mazava amin'ny rehetra ny tiako ambara eto.
(Efesiana 6:18) « ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, »
(Jaona 14:14) « Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] »
(Filipiana 2:9) « Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, »
(Filipiana 2:10) « mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, »
(Filipiana 2:11) « sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray. »
(Filipiana 2:12) « Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. »
(Filipiana 2:13) « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »
MISY FANDOHALIANA ETO (FIANKOHOFANA)
(Jaona 8:54) « Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. »
(Jaona 12:28) « Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. »
(Jaona 17:1) « Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. »
(Jaona 17:5) « Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. »
Izany Andriamanitra izany dia anarana voninahitra ary mitovy ny voninahitra ao amin'ny Jesosy Tompo sy Jehovah Andriamanitra (TANDREMO FA TSY AZO ZARAINA IO FA LASA MPANOMPO SAMPY).
(Isaia 9:5) « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] »
MINOA AN'ANDRIAMANITRA IANAREO AOKA IZAY NY ASAN4NY NOFO SY NY FIFANDIRANA SY NY FIFAMPIANDANIANA TSY METY VITA FANTARO NY FANAHIN'NY FAHAMARINANA DIA HO AFAKA IANAREO.
(Jaona 10:33) « Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] »
(Marka 2:7) « Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3] »
(Asan'ny Apostoly 17:18) « Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy* io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [* Gr. mpitsindroka] »
TADIDIO FA JESOSY DIA TSY MITOVY AMIN'NY ANJELY(tsy azo hivavahana)FA NIVOAKA AVY TAMIN'ANDRIAMANITRA IZANY NO ANTONY TSY METY HINOANY JIOSY AZY HOE ANDRIAMANITRA na hoe ZANAK'ANDRIAMANITRA
(Jaona 16:27) « fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho. »
(Jaona 16:28) « Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray. »
(Jaona 1:2) « Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. »
(Jaona 1:12) « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] »
(Jaona 1:14) « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] »
(Lioka 10:22) « Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. »
(Asan'ny Apostoly 17:22) « Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. »
(Asan'ny Apostoly 17:23) « Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, »
(Asan'ny Apostoly 17:24) « dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, »
(Asan'ny Apostoly 17:25) « sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; »
(Asan'ny Apostoly 17:26) « ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, »
(Asan'ny Apostoly 17:27) « mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; »
(Asan'ny Apostoly 17:28) « fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. »
(Asan'ny Apostoly 17:29) « Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. »
(Asan'ny Apostoly 17:30) « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, »
(Asan'ny Apostoly 17:31) « satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty. »
MAHEREZA MIVAVAKA AMIN'NY FANAHY SY NY FAHAMARINANA.
(Apokalypsy 5:13) « Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. »
(Apokalypsy 7:10) « dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry. »
(Apokalypsy 7:11) « Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr. presbytera] »
(Apokalypsy 7:12) « nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. »
(Apokalypsy 22:11) « Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. »
(Apokalypsy 22:12) « Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany. »
(Apokalypsy 22:16) « Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro. »
(Apokalypsy 22:17) « Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. »
MAHEREZA

44. rekinbelo
(
05/05/2011 06:55)
salama namana isany!
Ka le olana eto anie de le hoe azo atao sy mitovy voninahitra na hoe égal @ Atra Ray ve Jesosy?
T@ Pasitera Ramino Paul nampianatra anay mbl nianatra mantsy de nazavainy tsara ny trinité!azoko tsara mihitsy ny fanazavany. fa ny nitrangany olana dia ny noy niditra teo lesona mahaksika ny avotra sy ny fandoavana ny avotra izahay dia nisy fanontaniana maro nipoitra teo.
Na i Pastera ary t@ zay somary sahirana ihany nanome valiny.Maro moa ny Pasitera ohatra HOe Pst Tolotra, Hery sns.nanontaniako anio fa atr@ zao za alo tsy mety hafa-po satria misy zvt tsy cohérant mihitsy hitako.ary Presk ny 90% ny valiny dia mitovy @ annareo avokoa.na tao @ Advantiste aza aho izay tenamalaza ho mahay baiboly dia tena mitovitovy avokoa e!Ny TJ irery aloha atr@ zao no hitako hoe manakaiky le eritreretiko, fa mbola iresaka sy ihanatra ao amindry zareo "mahafty ny didy folo" ndray aloha de ho hita eo e
Zay fa dia mirary soa antsika rehetra e!

45. Miharena
(
06/05/2011 14:52)
Rekinbelo:
Ka le olana eto anie de le hoe azo atao sy mitovy voninahitra na hoe égal @ Atra Ray ve Jesosy?
Ilay resaka égalité aloha dia tokony hodinihina ihany. Misy resaka relatif manko eo. Lazaintsika fa lehibe rehefa manana fahefana bebe kokoa noho isika. Dia heverina izany fa Andriamanitra dia manana fahefana bebe kokoa. Nefa Jesoa niteny hoe efa nomena Ahy ny fahefana rehetra ety ambonin"ny tany sy any an-danitra. Avy eo Izy milaza fa ny Ray ihany no mahalala ny andro sy ny ora. Izy koa anefa milaza fa Izaho sy ny Ray dia Iray ihany. Izay lazain'ny Ray no ataony. Tsy mandeha ho azy izany Izy fa izay lazain'ny Ray no ataony. Koa tsy misaraka izany Izy sy ny Ray fa iray Teny. Ny Fanahy Masina no itenenan'IZY ROA izay Iray manana vava iray ho an'ny olona, ahafahany miteny sy miresaka ao anatin"ny olona tsirairay.
Ny Ray izany no mampihetsika ny rehetra sy iainan'ny rehetra sady ao amin'ny rehetra saingy amin'ny alalan'ny Telo izay Iray no iasaNY.
Mety eo amin'ny fisainana elanelana no mahatonga antsika hilaza fa lehibe ny anankiray noho ny anankiray. Rehefa miray anefa ireo dia tsy misy elanelana ka izany no maha-miara-miasa azy ilazana hatrany fa Iray izy telo.
Izay fisainana elanelana izay hatrany no hita mampisalasala ny mpino. Nefa ny Tompo no milaza fa mandondona Izy ka izay mampandroso Azy dia hiditra Izy ary hiara-hisakafo mihitsy. Izy ao amintsika ary isika ao Aminy hoy Izy. Iray koa izany Izy sy isika amin'izay. Dia tsy misy afa-tsy Iray izy rehetra na hoe isika rehetra. Ka io resaka IRAY io hatrany no voizina rehefa misy ny fitoriana an'i Kristy.
Ka asa hoe aiza ho aiza no mampisalasala an'i Rekinbelo ny amin'ny fahatakarana izany zavatra tsotra izany. Raha tsy hoe angaha Rekinbelo mbola mahatsapa fa lavitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay miara-miasa sy manerana izao rehetra izao.
46. rekinbelo
(
09/05/2011 07:36)
tsy hoe misalasala za fa ny ahy zany zvt logique miainga @ base tena marina foana no akako ny hevitra e!Raha ny fototry ny trinité mantsy de tsy nisy izy io raha tsy tany @ taona 300 tany ho any refa vita ny concile de nicée. teo no nanomboka nipoitra io resaka io, Raha marina anefa io dia tokony i Jesosy mihitsy no nampanoratra ireo mpianatra mazava tsara hoe trinité ao anaty baiboly fa tsy nisy izay, satria tsy nampianatra io foto-pinoana io i JK.
nahoana moa i Jesosy no mitovy @ rainy?tsy nanao fahagagana anie JK ra tsy efa vita batisa ka nandray ny fanahy Masina e!
i Mosesy, Samsona, Samoela sns ireny koa anie izany mitovy JK satria nandray ny Fanahy Masina izy de avieo nanao fahagagana e!

47. Miharena
(
09/05/2011 09:02)
Raisin'i Rekinbelo ara-tantara ilay lojikan'ni Rekinbelo ka izany no mahavery ilay fampianaran'i Kristy. Tsy hoe hita voasoratra hoe ataovy hoe trinité io ao anaty Baiboly fa ny fiasan'i Kristy no nahitana taratra io trinité io. Izany hoe fandalinam-pinoana no miteraka teny iray hamaritana ny fomba fahazoana azy. Ireo vavaka nataon'i Jesosy ao amin'ny Jaona talohan'ny nisamborana Azy no manambara ny fiasaNY. Ary io filazany fa Izy sy ny Ray dia Iray ihany io no tena nampisavoaravaora ny fahatezeran'ny mpitarika fiangonana Jiosy nahatonga Azy ho voafantsika teo amin'ny hazo.
Raha tohizina aza ankehitrny anie ny fomban'ny fiangonana amin'ny fanajana ny Tompo dia mametraka hatrany fa tsy mahazo manao io fomba fitenenan'i Kristy io mihitsy ny olombelona fa tsy maintsy miaiky ho mpanota e! raha vao misy milaza fa izy no Kristy dia efa misy manenjika. Nefa ekeny ny filazan'i Paoly hoe tsy izaho intsony no velona fa Krsity no velona ato anatiko. Ka raha ity filazan'i Paoly ity no heverina dia io no modely tokony halain-tahaka fa tsy hiroaroa saina amin'ny resaka etsy sy eroa izay mampisalasala sy tsy mitombina satria tsy manam-pototra iaingana sy iankinana mihitsy, dia ny fanalavirana an'Andriamanitra sy Kristy sy ny Fanahy Masina izay miasa anatin'ny Kristiana tsirairay.
Io Trinité io no miasa ao anaty rehefa mivavaka amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika.

48. rekinbelo
(
10/05/2011 07:17)
Jereo ko anie fa talohan'ny nahafatesany i jesosy de nivavaka t@ Rainy hoe mba ho iray ihany ny mpianany tahaka maha iray ny Ray sy ny Zanaka e! Tsy firaisana ara-trinité akory zany no tian'ny Jesosy lazaina makasika azy @ Rainy fa ny fisainana sy ny fikasana mhakasika ny olombelona ary ny fitiavany ny olombelona.dia toa izany ko ny vavaka nataon'ny Jesosy momba ny mpianany hoe iray ihany izy rehetra izany hoe iray saina momba ny fanompoana an'Atra.
Jereo fotsiny anie ireto andininy ireto e de mariho tsara fa na efa tonga tany an-danitra aza i Jesosy dia tsy nanana ny Fanahy Masina mihitsy fa mbola nomen'ny Ray azy aza izy io.Izay i Jesosy vao nizara io Fanahy masina io t@ mpianany ny pentekosta .
"Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra Izy (Jesosy), ary nandray tamin'ny Ray (Jehovah) ny Fanahy Masina Izay nokasai[ny] (Jesosy), dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy."(Version Protestant)
"ary nony efa nakarin'ny tànana an-kavanan'Andriamanitra izy sy efa nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao."(Version katolika).
" Élevé par la droite de Dieu, il a reçu du Père le Saint Esprit qui avait été promis, et il l`a répandu, comme vous le voyez et l`entendez." Luois Segond

49. Miharena
(
12/05/2011 13:16)
Eto Rekinbelo dia hita hoe misy tantara napetraka tokoa araka ny voatanisanao ireo. Ny hany mba tiako hampitaina fotsiny dia manana toetra LEHIBE Andriamanitra ka tsy voafehin'ny lasa sy ny ho avy satria IZY avokoa izao rehetra izao. Ka raha miresaka Trinité isika dia fomba fiasa efa elabe io na dia mbola tsy tonga nofo aza i Kristy. Fa naseho rehefa tonga ny fotoana hanehoana azy amin'ny olombelona mba hahaleovany tena amin'ny ara-panahiny.
Ilay iRAY ao amin'ny RAY anie Rekinbelo ka toetra mipongatra fa tsy zavatra avy any ivelany miditra.
Eto no misy zavatra mahavalalanina rehefa miresaka amin'ny Kristianina satria heveriny fa avy any ivelany foana no maha-mazava azy fa tys heveriny hoe misy zavatra fohazina ao anatiny.
Ilay mifoha no atao hoe irotsahan'ny Fanahy Masina fa tsy hoe nirotsaka avy any ananonanona any izy io.
Ka raha hoy ianao hoe taty aoriana Kristy vao nanana Fanahy Masina dia diso satria Izy efa tao amin'ny Ray no tonga nofo ary manana Fanahy Masina nitenenany hatrany fa tsy hoe mbola natory Izy akory teto an-tany fa rehefa niakatra vao nifoha.
Indraindray aloha mahita aho hoe ny fomba fitenenana no mahavery ny olona satria lasa manalavitra azy ilay ataony hoe Andriamanitra fa tsy heveriny ho ao anatiny izay fohazina araka ny fotoany ho an'ny tsirairay.
Rehefa mampianatra ny olona iray dia izay fifohazana izay ao aminy na fahazoana izay misy ao aminy no tiany hofohazina ao amin'ny olona hafa izay ampianarina. Izany hoe efa ao anatin"ilay mpianatra koa io ary fantatra fa hifoha ao aminy.
Io ilay hoe coeur à coeur izany hoe fandrehetana jiro avy amin'ny fo mifampiresaka.