FIRY JESOSY ARY FIRY ANDRIMANITRA?
21. bor2lais
(
12/04/2011 08:50)
Mikasika ilay fanazavana nentin'i RBNIR no manitikitika ahy :
Raha azoko tsara ny fandraisan'i RBNIR ny antsoina hoe trinité dia izao izany :
Andriamanitra=Ray=Zanaka=Fanahy Masina, sa diso aho ?
Raha io no zohina dia azo lazaina ve izany fa :
1. Ny Fanahy Masina na ny Zanaka (ihany) no namorona izao tontolo izao ?
2. Ny Ray na ny Fanahy Masina no nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana ?
3. Ny Ray na ny Zanaka no nilatsaka tamin'ny mpianatra tamin'ny andro pentekosta ?
RBNIR:
Arak’ireo Ray = Andriamanitra, Ny Tompo mitovy amin’Andriamanitra, ary ilay Fanahy Masina = Tompo ihany, Inona no mahasamihafa Azy telo???

22. Miharena
(
12/04/2011 09:25)
Bor2lais:

Miala tsiny raha valiako aloha izy ity Bor2lais
Ilay fahazoana ny atao hoe Andriamanitra tokana olona telo angamba no tsy azon'ny olona ny fiasany. Miasa amin'ny endrika telo Andriamanitra dia Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Tsy misaraka ireo rehefa miasa. Ny fitenenana fa Jesosy no nofantsihina ary ilazàna avy eo hoe misaraka amin'Andriamanitra Izy dia diso satria Andriamanitra dia tsy manana fahalavirana fa ao anatin"izy rehetra sady Loharanon'izy rehetra. Ilay fiasa mihitsy no hita misy tsy azon'ny tsirairay. Raha miasa ao anatintsika Andrimanitra dia amin'ny alalan'ireo telo ireo hatrany fa tsy misy mitokana satria avy Aminy avokoa ny zava-drehetra sy ny fifohazana rehetra izay ampitain'ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ilay atao hoe miasa ao anaty no manalavitra ny famaritana eo amin'ny olona manana hatrany fo nasiany efitra na rindrina manasaraka ary tia manasaraka izay rehetra hitany izy avy eo.
Ny iray ao amin'ny Ray dia asan'ny Fanahy Masina ao anatin'ny fiombonam-be ho an'ny rehetra. Ny ota no mampisaraka amin'ny Ray dia ny fitsitokotokoana izany na fametrahana rindrina mamono ny FO amin'ny alalan'ny hevitra tsy mitombina fa fehezin'ny saina fotsiny. Ny ota izany dia ilay tsy fanekena ny hihinana ny Nofo sy hisotro ny Ràn'i Kristy (raha atao fisehoana ara-materialy) ary ilay tsy fampandrosoana Ilay mandondona ao am-po (raha ara-panahy) izay samy entina anehoana fa zanak'Andriamanitra isika rehetra.
Afaka manampy i RBNIR
23. RBNIR
(
12/04/2011 10:48)
bor2lais:
Mikasika ilay fanazavana nentin'i RBNIR no manitikitika ahy :
RBNIR:
Arak’ireo Ray = Andriamanitra, Ny Tompo mitovy amin’Andriamanitra, ary ilay Fanahy Masina = Tompo ihany, Inona no mahasamihafa Azy telo???
Raha azoko tsara ny fandraisan'i RBNIR ny antsoina hoe trinité dia izao izany :
Andriamanitra=Ray=Zanaka=Fanahy Masina, sa diso aho ?
Raha io no zohina dia azo lazaina ve izany fa :
1. Ny Fanahy Masina na ny Zanaka (ihany) no namorona izao tontolo izao ?
2. Ny Ray na ny Fanahy Masina no nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana ?
3. Ny Ray na ny Zanaka no nilatsaka tamin'ny mpianatra tamin'ny andro pentekosta ?
Faly miarahaba bord2lais,
Raha ny marina namana tsy dia ilay resaka trinité loatra no tiako valiana teo fa ilay hoe azo iankohofana sy hivavahana v i Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina.
Ary araka ireo teny nentiko teo ireo dia tsy tokony hatahotra isika fa azo atao tsara tokoa.
Ny momba ireto manaraka ireto indray kosa :
1. Ny Fanahy Masina na ny Zanaka (ihany) no namorona izao tontolo izao ?
2. Ny Ray na ny Fanahy Masina no nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana ?
3. Ny Ray na ny Zanaka no nilatsaka tamin'ny mpianatra tamin'ny andro pentekosta ?
Dia izao no azoko avaly :
1. « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26).
Andeha Isika fa tsy hoe Andeha Aho no voalaza eo. Maromaro ireo mpamorona eto fa tsy iray akory.
Ary mbola niverina io teny "ISIKA" io rehefa nihinana ilay hazo voarara ny olona : « Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; » (Genesisy 3:22);
Manambara fa misy ankoatran'ny anankiray no lazaina eto.
2.Jesosy Kristy Tompo kosa ilay nohombona teo amin'ny hazo fijaliane e!
3.Ilay Fanahy Masina nalatsaka anie dia voalaza fa ny Tompo ihany e! Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itœran'ny Fanahin'ny Tompo no itœran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17). Ary araka ilay tany amin'ny Joela.3:2 dia mbola nolazaina ihany koa fa ny Fanahin'i Jehovah (Ray) io Fanahy nalatsaka io.
N'inona na inona anefa lazaina dia ny mikasika ny fahalebiazana indray kosa dia hoy i Jesosy Kristy Tompo « Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jaona 14:28)
NY RAY NO LEHIBE NOHO I JESOSY KRISTY TOMPO.
Samy ho tahin'ny Tompo indray e!
24. bor2lais
(
12/04/2011 12:59)
miharena:
Miala tsiny raha valiako aloha izy ity Bor2lais
Ilay fahazoana ny atao hoe Andriamanitra tokana olona telo angamba no tsy azon'ny olona ny fiasany. Miasa amin'ny endrika telo Andriamanitra dia Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Tsy misaraka ireo rehefa miasa.
Misaotra anao nanome fanazavana, saingy tsy eo amin'io resaka fomba fiasa io akory no tiako ahatongavana : fantatro fa miara-miasa Izy Telo !
Ilay fimiràna (égalité) nataon'i RBNIR no nahatonga ilay fanontaniana.
miharena:
Ny fitenenana fa Jesosy no nofantsihina ary ilazàna avy eo hoe misaraka amin'Andriamanitra Izy dia diso satria Andriamanitra dia tsy manana fahalavirana fa ao anatin"izy rehetra sady Loharanon'izy rehetra.
Tsy bor2lais kosa angamba no nilaza fa nisaraka amin'Andriamanitra Izy e !
RBNIR:
Raha ny marina namana tsy dia ilay resaka trinité loatra no tiako valiana teo fa ilay hoe azo iankohofana sy hivavahana v i Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina.
Ary araka ireo teny nentiko teo ireo dia tsy tokony hatahotra isika fa azo atao tsara tokoa.
Miombon-kevitra aminao aho ny amin'iny ka !
Ilay "égalité" nataonao no nahatonga ahy nametraka ireo fanontaniana ireo ! Nefa araka ny fanazavanao (point 2 ohatra) dia hay tsy égalité izany ilay izy.
25. Miharena
(
12/04/2011 15:25)
Bor2lais, dia mazava tsara izany izy rehetra raha izay.
Miandry ny fanohizan-kevitr'i Christian777 isika ary miangavy azy mba tsy hanana efitra eo amin'ny famosahan-kevitra, indrindra fa hitsaratsara avy hatrany ny fombafomba mampifantoka ny mpino tsirairay amin'Andriamanitra Mpamorona azy.

26. rekinbelo
(
27/04/2011 08:17)
Zao ary ra-rbnir ,jereo ny kokosianina 1:15,lazainy ao fa izy no lahimatoa ny zavatra noforonina zany noforonina izany Jesosy fa tsy hoe mpamorona akory,Mitovy ve izany i Jk sy Jehovah rainy izay mpamorona?
Mbola milaza koa aza i apostoly Paoly (1kor 8:6) fa iray ny Andriamanitra ary 1 Jesosy Kristy midika izany fa samy hafa izy mianaka , Jereo koa ny apokalipsy milaza mazava tsara hoe "ny fanambarana an'i Jk izay NOMEN'Andriamanitra azy.Manana Pouvoir betsaka noho i Jesosy izany i Jehovah.
Jereo koa ity versé 1 ity: matio 12:31, ny ota rehetra mety voavela ihany fa ny manota @ Fanahy masina tsy voavela mihitsy ,midika izany fa ratsy ny manota @ fanahy masina noho ny ota rehetra.na manda an'i JK aza izany enao tsy maninona fa ny manda ny Fanahy masina notena loza.
Raha iray koa ary izy ireo nahoana no misy zvt tsy fantary Jesosy nefa fantatry ny Ray( mat 24:36)de tadidio ko fa ny anjely koa anie fanahy e! izany hoe zvt tsy mety hitany masontsika olombelona akory izany.
Asa raha azonao tsara eto fa personne samy hafa mihitsy i Jehovah sy Jesosy Kristy
Azontsika tohizana @ manaraka raha misy tianao anontaniana

27. RBNIR
(
27/04/2011 09:39)
rekinbelo:

Faly miarahaba namana rekinbelo,
Ilay kol.1:15 aloha dia izao no hitako ao fa tsy aiko ny baiboly eo aminao : « Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; » (Kolosiana 1:15). Ilay hoe teny hoe noforonina tsy hitako eo.
Tsy mandà ny fahalebiazan'ny Ray mihoatra noho i Jesosy Kristy Tompo mihitsy aho satria ny Tompo mihitsy no nilaza hoe « Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jaona 14:28).
Fa ny antony namaliako tery ambony dia tsotra ihany , Azo atao tsara ny mivavaka amin'i Jesosy Kristy Tompo satria Andriamanitra Izy (fa tsy anjely akory Izy namako).
Vakio ireto fa otran'ny mbola tsy hitanao angamba ireto izay manaporofo ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy Tompo :
« Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3] » (Marka 2:7)
Tadidio tokoa fa tsy Andriamanitra Ray akory no niteny teto hoe "voavela ny helokao" fa i Jesosy Kristy Tompo an! ary rehefa mivavaka isika moa tsy ny hamelana ny helok'isika va no angatahitsika??? ka iza ary no angatahan-tsika io famelan-keloka io?????. Moa tsy ilay niteny fahiny tety an-tany hoe Anaka voavela ny helokao v????
Manaraka izany iza no angatahin-tsika ny Fanahy Masina tsy ilay Mpanao Batisa an-tsika v? Iza no voalaza fa Mpanao Batisa amin'ny Fanahy Masina? « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33).
Farany raha mbola misalasala ianao amin'ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy Tompo dia vakio ity manaraka ity. « Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. » (1 Jaona 5:20).
Ny tenako manokona aloha namana dia tsy sahy ny hanao tsinotsinona ny Voninahitr'i Jesosy Kristy Tompo mihitsy satria IZY no mpamela ny heloko, IZY no mpanome ahy ny Fanahy Masina ary IZY koa no efa nilaza sy nampanantena fa hamaly ny vavako Jaona.14:13-14.
Farany , enga anie ka tsy hisy amin-tsika eto ho tafiditra ao amin'ny kilasin'ireo olona voasoratra ao amin'ny bokin'i Joda (voalaza fa manao tsinotsinona Ilay manana fahalebiazana) fa mampitahotra dia mampitahotra tokoa ny anjaran'ireo sokajin'olona ireo.
Samy ho tahin'ny Tompo indray namana
28. Miharena
(
27/04/2011 12:54)
RBNIR:
Farany , enga anie ka tsy hisy amin-tsika eto ho tafiditra ao amin'ny kilasin'ireo olona voasoratra ao amin'ny bokin'i Joda (voalaza fa manao tsinotsinona Ilay manana fahalebiazana) fa mampitahotra dia mampitahotra tokoa ny anjaran'ireo sokajin'olona ireo.
Miarahaba RBNIR, arak'io fanamarihana nataonao io, mety mitarika ny fahaverezan'ny fanahy ve ny saina izay tsy manaiky noho ny tsy fahatakarany?
Ny mahatonga ilay fanontaniana dia ny fahaizan-tsika manavaka ny saina sy fanahy ary ireo fahefany avy eo amin'ny fitohizan'aina ao anatin'ilay atao hoe mandrakizay.
29. RBNIR
(
27/04/2011 14:06)
Miharena:
Miarahaba RBNIR, arak'io fanamarihana nataonao io, mety mitarika ny fahaverezan'ny fanahy ve ny saina izay tsy manaiky noho ny tsy fahatakarany?
Faly miarahaba miharena,
Io no nahatonga an'Andriamanitra niteny ity teny ity namana, « Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hosea 4:6).
Arak'io teny io namana ny tena marina tsy dia hoe tsy nahalala akory ny olona fa "nandà ny fahalalana" izy ireo.
Ary ny fahalalana lazaina fa tsy misy eto dia tsy inona fa io efa lazainy io ihany ny valiny "nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao".
Ny atao hoe manampahalalana amin'Andriamanitra dia olona ny tsy manadino ny lalan'Andriamanitra.
Porofointsika fa ny atao hoe fahalalana dia ny fahatsiarovana ny lalan'Andriamanitra dia izao:
« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3).
Fehiny, tsy maintsy atao izay hananana fahalalana. Tsy maintsy tandremana ny didin'Andriamanitra.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
30. Miharena
(
27/04/2011 19:09)
RBNIR:
Fehiny, tsy maintsy atao izay hananana fahalalana. Tsy maintsy tandremana ny didin'Andriamanitra
Mazava ny teninao eto fa ilay resaka hoe "tsy maintsy" no tiana hasiana fanamarihana kely hoe tsy mifanipaka ve raha nomen'Andriamanitra hanana fahalalahana hisafidy ny olombelona tsirairay?
31. Miharena
(
28/04/2011 06:56)
Tohizako kely io resaka ataoko ambony io. Ny antony dia hita fa toy ny midona amin'ny rindrina hatrany raha vao resaka safidy malalaka sy famonjena no resahana. Andriamanitra no Filohan'ny fahalalahan'ny olombelona sady Filohan'ny fahafahana amin'ny gadra isan-tokony mety mangeja ny olona. Koa sitrapon'ny olona izany no ho voageja ary raha tonga amin'izany izy dia maty izany ilay fofonaina napetrak'Andriamanitra tao anatiny. toy ny maty singa izany Andriamanitra amin'izay. Midika endrika tsy matotra izany eo amin'ny fahavelomana.
Izy ihany anefa no mitrotro sy mamelona. Koa tokony tsy ho very daholo ny rehetra fa manana efitra fotsiny mampisaraka izy amin'ny tsy fahalalany fa sombin'Andriamanitra na koa hoe zanak'Andrimanitra, vontoatin'ny resaka nataon'i Kristy rehetra.
Amiko dia rehefa foana daholo ireo finoana fahafatesana dia velona ny olona. Ny fahalalàna voalohany tazonina dia ny hoe tsy misy ny fahafatesana. Izay no vontoatin'ny fampianarana rehetra nataon'i Kristy amiko. Ary ataoko fa fampianarana nataon'ireo olon-kendry malaza rehetra (Boudha, Khrishna, Nenilava, sns...).

32. RBNIR
(
29/04/2011 09:24)
Miharena:
Mazava ny teninao eto fa ilay resaka hoe "tsy maintsy" no tiana hasiana fanamarihana kely hoe tsy mifanipaka ve raha nomen'Andriamanitra hanana fahalalahana hisafidy ny olombelona tsirairay?
Faly miarahaba Miharena,
Ilay "tsy maintsy" lazaina anie ka avy amin'Andriamanitra Miharena e!
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)
Arak'io teny io dia Mandidy (Imperatif = Tsy maintsy) ny hibebahana Izy.
Ny olona kosa anefa dia manana safidy malalaka na hanaiky hanaraka ilay didy nomeny na tsia,
Raha izaho manokana aloha dia aleko manaiky e! Ary nentiko koa ny ankohonako satria (Raha manaiky = fianianana mandrak’izay, Raha tsy manaiky = afo maharitra mandrak’izay). Voasoratra ireo an ! Ary isika samy mahafantatra hoe Andriamanitra tsy mpandainga.
Mahereza daholo e. Andao hibebaka, dia ento ny ankohonana sy ny fianakaviana,
Samy ho tahin’i Jesosy Tompo avokoa,
33. rekinbelo
(
29/04/2011 10:33)
Salama Rbnir!
Rah hotanisaiko aminao eto ny andininy rehetra manamporofo fa tsy mitovy @ Atra i Jesosy Kristy de na 1 taona aza enao tsy ahavaky azy.
Fanontaniana 1 no apetako aminao sady azavaiko ihany.
Ny israelita ve nivavaka t@ Mosesy? tsia.Ny asan'ny Mosesy dia mpanelanelana ny Jiosy sy Jehovah Andriamanitra!
Toy izany koa ny anjara asan'i Jesosy Kristy, mpanelanelana @ Andriamnitra sy ny olombelona rehetra izy fa tsy jiosy fotsiny intsony akory.Heb 3:1 azonao vakian mihitsy aza ny tohiny ao @ io hebreo 3 io mba hampazava ny asa ataon'i Jesosy Kristy.
Ny fototry ny finoana sy ilay fivavahana mihitsy no mila jerena raha tsy izany de tsy ho azonao mihitsy hoe inona RÔLE TAZONIN 'i Jesosy Kristy eo @ fandaharan'Atra.
Tsy manao tsinontsinona an'i Jesosy akory izany fa izaho mino sy mankasitraka ny SORONA nataony ho antsika olombelona ary manao izay azo atao aho mba hanamporofoako fa tia azy, fa tsy mivavaka aminy kosa aho fa mivavaka @ alalany izany hoe Jehovah no andefasako ny vavaka sy ny fitarainako rehetra de faranako avie hoe " amin'i alalany Jesosy Kristy no anateraka izany vavaka izany.Amen"
Izay fa dia mirary soa antsika rehetra dia mahaiza mandinika tsara e!

34. Miharena
(
29/04/2011 11:53)
RBNIR:
Ilay "tsy maintsy" lazaina anie ka avy amin'Andriamanitra Miharena e!
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)
Arak'io teny io dia Mandidy (Imperatif = Tsy maintsy) ny hibebahana Izy.
Salama RBNIR a!
Ilay resaka hoe mandidy izay heverina ho impératif no hitako lasa manome endrika tsy avy amin'Andriamanitra izany. Ny Be Fitiavana dia mizara Fitiavana sy Aina fa tsy mandidy amiko.
Endrika nentina hilazana ny hafatra ihany angamba io mandidy io satria tsy hita izay voambolana nanehoana azy. Azo lazaina ohatra ny teny hoe : aoka hisafidy ny lala-marina.
Ankoatr'izay moa ny momba ilay resaka fahaverezana, Matoa Jesoa niteny hoe : Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony dia misy dikany izay. Fantany tsara fa voafitaka ireo izay nanenjika Azy ary fantatry ny Rainy koa izany. Ka asa angamba isika no mety ho latsaka anatin'ny fitsaratsaram-poana matoa lasa voasariky ny fomba fijery hoe izay tsy manaiky dia ho very.
Fizaràna Fiainana no atao ka raha mifangaroharo izany fizaràna izany dia manjary na ny olona mandray azy aza dia tsy hahazo azy velively. Araka ny teniko hoe mifanipaka ilay izy. Mizara fahalalahana hisafidy Andriamanitra nefa Izy indray no mandidy hoe rehefa tsy manketsy dia maty an!
Eo amin'ilay Andriamanitra mpitsara no tiana havoitra kely. Matoa Jesosy sahy nangataka ny hamelana heloka dia mazava fa famindram-po no tadiaviNY. Izay no maha-Lehibe an'Andriamanitra. Ambonin'ny zava-drehetra Izy matoa manana izany fijery izany.
Raha miverina any amin'ny resaka Lucifer indray isika dia ho hita ao hoe tafalatsaka anaty fandrika isika izay mihevitra fa Andriamanitra dia mitsara. Ny fieritreretan'i Lucifer no nametraka fa Andriamanitra dia mitsara (izany no nolazainy tamin'i Eva raha nasainy nihinana ny hazo fahalalàna ny ratsy sy ny tsara: nolazainy fa hitovy amin'Andriamanitra ry zareo izany hoe hahazo hitsara). Dia tafalatsaka tao amin'ny ota izy, ota voalohany izany ny fitsarana. Izany hoe tsy tokony hataon'Andriamanitra izany. Saingy, lasa zary toy izany daholo ny niafaran'ny fomba fanoratan'ny olona ny Baiboly, tafalatsaka tanaty fandrika mampiditra an'Andriamanitra anatin'izay tsy asaNY, dia ny fitsaràna sy ny fandringanana.
Dia lasa miaina anaty tahotra sy hovitra ny olona ary voadika tao anaty Baiboly koa izany dia lazaina fa avy amin'Andriamanitra.
Izany hoe ny tena asan'Andriamanitra dia lasa takona araka izao manaraka izao:
Ny FIAINANA = FITIAVANA no tiana zaraina ka raha mifangaro tahotra dia tsy ho tafita mihitsy. Toa an'i Kristy nilaza hoe, ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Raha vao misy pentina dia tsy tafita. Ka raha mbola mivoy fampitandremana mandrakariva dia tsy maintsy miantso izany sehatra mamono izany hatrany izay mpizara ka tsy ho tafita velively izay tena fiainana.
Mila mandalina finoana tsara isika mba hampjoro tanteraka antsika ary hahay hizara fa raha tonga dia misy milaza fa tsy avotra raha manao izatsy na izaroa dia mazava fa tsy ny Fahazavana no zaraitnsika fa haizina indray aza satria mampitera-panontaniana be dia be dia tsy hita intsony ny FOTOTRA.
35. RBNIR
(
29/04/2011 12:41)
rekinbelo:
Fanontaniana 1 no apetako aminao sady azavaiko ihany.
Salama rekinbelo,
Fanotaniana ihany koa no mba entiko amaliana anao namana, Iza no angatahinao ilay Fanahy Masina ?«hoy ny soratra Masina : Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:9) Iza no voalaza fa mpanao Batisa amin'ny Fanahy Masina?
Raha tsy manana ny Fanahin'i Jesosy Kristy ianao dia an'iza??
Io Fanahy Masina io tsy ny Mpanao Batisa ve no mizara AZY?? koa raha angataka ianao moa tsy azo atao tsara ny mangataka any amin'ilay Mpanao Batisa???
Manaraka izany raha tsy azo hivavahana (na angatahana) i Jesosy Kristy Tompo tsy niteny an'ireto mihitsy : « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. » (Jaona 14:13).
« Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] » (Jaona 14:14).
Milaza ny Tenany i Jesosy Kristy Tompo eto raha manao hoe "hataoko izany" fa tsy milaza An'Andriamanitra Ray akory,
Mpandainga ary v izy izany??? Mpanolobato mafana??? Fantatra fa tsy azo atao nefa ampianarina ny olona mba hataony???
IZA NO SAHY MILAZA HO MAHAY NA MAHAFANTATRA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA (NA NY ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA)MIHOATRA NOHO I JESOSY KRISTY TOMPO???
Izay no azoko avaly namana.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
36. Miharena
(
29/04/2011 13:20)
Ilay resaka iray sy misaraka no lasa mapieritreritra anareo Rekinbelo sy RBNIR, nefa miray hevitra ihany ianareo. Andriamanitra RAY ZANAKA FANAHY no Loharano iraisana nefa heverin'ny TJ fa Jehovah misaraka amin'ny ireo roa manaraka. Ilay elanelana no aoka faritana tsara hoe toy ny ahoana dia afaka mahita ny mampitovy fijery isika.
Raha toa ka vonoina ohatra ny iray amin'ireo, dia misy fotony ve ny finoana?
Eo koa moa ny fandraisana sary an-tsaina ny fiasan'Andriamanitra. Te-hanamarika antsika amin'inona moa ny Mpamorona? tsy te-hampitoetra ny FanahiNY ao anatintsika ve mba ho iray ao Aminy isika na dia maro aza? Izy Telo ireo nefa tsy misaraka amin'ny asany.
Tokony ho lasa Kristy be dia be ny vokatry ny asaNY, izany hoe zanak'Andriamanitra manana Fanahy Masina ilay mira ho Kristy.
Ka ny vavaka dia fangatahana ny iasan'ireo telo ireo ao anaty ary raha vao ao anaty IZY dia mazava ny fo fa miray amin'ny LOHARANO dia mahazo rano miboiboika misy fiainana.
Ka na Rekinbelo, na RBNIR dia zanak'ANdriamaitra daholo matoa samy mahatakatra io principe io.
Raha tsy hoe angaha, misy indray milaza any ho any fa ny fipoiran'io atao hoe trinite io dia avy amin'ny Belzebota satria izao sy izao no antony...... Dia mba hevero anie ny firesak'ilay olona fotsiny aza e!
Ilay izy raha tsy arahina fahatsapana tanteraka dia tsy mitombina na dia voavaky impiry ao anaty Baiboly aza.

37. RBNIR
(
29/04/2011 13:43)
Miharena:
Ilay resaka hoe mandidy izay heverina ho impératif no hitako lasa manome endrika tsy avy amin'Andriamanitra izany. Ny Be Fitiavana dia mizara Fitiavana sy Aina fa tsy mandidy amiko.
Io fomba fisainana io no nahamora ny famitahan'ny devoly an'ireo ray aman-drenin-tsika namana.
Satria Fitiavana Andriamanitra dia azo atao tsinotsinona ny sitrapony. Mety foana na hohanina na tsy hohanina ny voan'ilay hazo fa hamindrafo foana Izy fa aza matahotra (Tsy ho faty tsy akory ianareo hoy ilay devoly ratsy).
Namindra fo marina tokoa anefa v Izy? naninona ary no lasa mety maty daholo ny olona? Azo atao v ny manararaotra ny famindram-pon'Andriamanitra? Anjaran'ny tsirairay no misafidy fa raha izaho aloha tsy ho sahy mihitsy namana satria efa noporofoiny fa tsy mivazivazy Izy.
Miharena:
Ankoatr'izay moa ny momba ilay resaka fahaverezana, Matoa Jesoa niteny hoe : Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony dia misy dikany izay. Fantany tsara fa voafitaka ireo izay nanenjika Azy ary fantatry ny Rainy koa izany. Ka asa angamba isika no mety ho latsaka anatin'ny fitsaratsaram-poana matoa lasa voasariky ny fomba fijery hoe izay tsy manaiky dia ho very.
Ka lainga ary v izany ireto teny ireto ry namana?
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7).
Mampahatsiahy ny olona anie no tokony hataon'ireo mahalala fa sao adino fa misy AfoB voasoratra any e! Amiko Fitiavana ny fampahatsiahivana izany ary raha hendry ny olona hamafazana izany teny izany dia tokony ho tonga saina izy ka hanao hoe hay tokoa moa misy AfoB notenenin'ny Tompo any ho any aleo marina aho hitandrina fa marina izany? Sa ts'izany???Mino aho fa hendry daholo ny namana eto.
Miharena:
Raha miverina any amin'ny resaka Lucifer indray isika dia ho hita ao hoe tafalatsaka anaty fandrika isika izay mihevitra fa Andriamanitra dia mitsara.
Lainga daholo koa ary v izany ireto ry namako?
« Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? » (1 Korintiana 6:2)
« Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: » (2 Timoty 4:1)
« hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." » (Joda 15)
« Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany. » (Apokalypsy 11:18).
Miharena, fantatro fa manana Fitiavana ny namanao ianao ary ny fieritreretana ny momba ireo hafa (ireo izay tsy kristianina, ny osa ara-panahy sns...) no mahatonga anao hamaly toy izao.
Nefa namana tadidio fa misy dikany raha toa ka:
- maty tokoa ny olona raha nihinana ny voan'ilay hazo voarara
- ny fianakavian'i Lota ihany no novonjena tao Sodoma sy Gomora
- i Noa valo mianaka ihany no navotana tamin'ny sambo fiara
- Niteny izao Jesosy Tompo « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Matio 22:14)
Raha tena TIA ny naman-tsika isika moa v tsy izao manaraka izao no no tokony atao?
- Mivavaka mandrakariva ho azy ireo (toy ilay nataon'i Jesosy Tompo teo ambony hazo fijaliana).
- Torina amin'izireo ny fahamarinana rehetra (tsy misy afenina na iray aza) mba hahatonga saina ny maro ka hibebaka izy ireo ary handray ny famonjena marina.
Ny fanafenana ny marina dia tsy mahavonjy an'iza na iza fa ny devoly irery ihany no mahazo vahana amin'izay satria raha azony atao aza dia tapenany fotaka mandrevo dia mandrevo mihitsy ny masonao ho jamba mandrak'izay.
Izay aloha no azoko avaly namana androany.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra
38. Miharena
(
29/04/2011 14:42)
RBNIR:
Raha tena TIA ny naman-tsika isika moa v tsy izao manaraka izao no no tokony atao?
- Mivavaka mandrakariva ho azy ireo (toy ilay nataon'i Jesosy Tompo teo ambony hazo fijaliana).
- Torina amin'izireo ny fahamarinana rehetra (tsy misy afenina na iray aza) mba hahatonga saina ny maro ka hibebaka izy ireo ary handray ny famonjena marina.
Ny fanafenana ny marina dia tsy mahavonjy an'iza na iza fa ny devoly irery ihany no mahazo vahana amin'izay satria raha azony atao aza dia tapenany fotaka mandrevo dia mandrevo mihitsy ny masonao ho jamba mandrak'izay.
Tsy manafina ny marina ny manazava RBNIR. Izany no hanazavako ny zava-drehetra araka ny fizaràna sy fahitsiam-pijery fantatro. Misy tokoa ireo resaka mitsara lazainao ireo fa ny heviny no tsy manilika fa mametraka eo amin'ny toerany ny olona tsirairay avy araka ny fahalalàny avy amin'ny vanim-potoana iray iainany avy ka ahafahana manambara aminy fa tsy ampy ny fijeriny fa tsy hoe very akory. Ilay fitsarana tsy izy dia ilay hoe ; ity atao hoe ratsy ary izato atao hoe tsara.
Ohatra mazava ireo tanisainao eo ambony ireo ary diniho lalina dia lalina, satria entina mampahitsy ny fisainana.
Ilay hazo mahafaty dia hazo mampiteraka fitsarana manilika na diso (izay voafaritra eo ambony ) tao anatin"ny olona ka namorika azy tsy handrosoany amim-pahasahiana amin'izay hataony rehetra. Andramo itaizana ny fonao anie ny manana io fomba fitsarana io hatrany raha tsy hitanao fa ho lasa maro be ny olona tsy azonao iraisa-monina intsony e! Aleo mitokana amin'izay fa tsy afaka ny hijery na iza na iza intsony ianao.
Amin'ny Fo feno fitiavana no antony mbola hanazavana sy hampitodihana ny olona hiatrika ny fony izay itoeran'Andriamanitra. Ary miainga avy amin'izany avokoa ny fomba fanehoako hevitra eto. Azo lazaina fa mpitsara aho amin'izay fa mpitsara mametraka amin'ny toerany ny zava-drehetra fa tsy manilika izay tsy mitovy hevitra. Ny fisokafan'ny fon'ny tsirairay dia miankina aminy.
Ilay mibebaka dia ny fialàna amin'ny geja izay fitanana fahamarinana voafetra ihany toy ny fametrahana lalàna tsy ahafahana manao izatsy na izaroa fa mahavery hono. Olona misokatra fo no mibebaka, izany hoe mamaky tanteraka ny fony hiposahan'ny mazava, fa tsy ny fitolokoana hoe tsy hanao izatsy na izaroa intsony aho satria voalaza fa mahafaty izany....
Hoy ny Soratra Masina, hihinana zava-mahafaty izy nefa tsy hampaninona azy izany ; Tsy mandaitra aminy intsony izany izay ozona isan-karazany satria olona mandeha amim-pitiavana izy. Izay ilay tena mpino feno fa tsy mino amin'ny ampahany, ka na inona na inona ny tranga miseho eo anatrehany dia manana azo zaraina hatrany izy fa tsy amin'ny fandraràna fa amin'ny fampitomboana fanazavana aza.
39. blackj521
(
03/05/2011 10:01)
Tongava ao @ palais des sports Mahamasina @ 3ora @ 7 Mey 2011 dia ho hitanareo ao ny valin' izany fanontaniana izany.
40. rekinbelo
(
03/05/2011 11:07)
IZA NO SAHY MILAZA HO MAHAY NA MAHAFANTATRA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA (NA NY ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA)MIHOATRA NOHO I JESOSY KRISTY TOMPO???
Ianao ihnay de fa afaka mamaly ny teninao.i Jesosy irery no mahafantatra ny Ray mihoatra ny zavaboary rehetra.Maro be nefa ny zvt tsy logique apoitran'io hoe fitoviany Fanahy Masina sy Jesosy Kristy ary ny Ray io hany ka misafotofoto be mihitsy isika miresaka azy io.
1- Raha nilatsaka t@ mpianatra 120 ve ny FM de lasa 120 koa Atra? Asa 2/1-4
2-Atra ve dia nivavaka t@ tenany ihany.mapme be le fisehoan-jvt eto. ohtr fotsiny: luc 22:42-44
3-mitovy ve ny mpanome sy ny mandray eto.Iza mpanome eto de iza no mandray? luc 5:24, mat 28:18
4-milaza ny tenany ihany ve Jesosy eto Jn20::17?
Mba hazavao tsirairay hoe ireo azafady.
Zay de mazoto daholo e!