Ny atao hoe TULIP na ireo teboka 5 n'ny Kalvinisma

1. laloanany ( 21/03/2011 14:23)
(MIALA TSINY RAHA LAVA FA VAKIO HATRAMIN'NY FARANY RAHA MANAMPOTOANA)

Nataoko ny fanadihadiana: ny tantarampiangonana Kristianina hatramin'ny nahaterahan'i Jesoa Kristy ka hatramin'izao. Nanatrika seminera marobe ia mikasika ny fiangonana Kristianina sy ny Teolojiany. Ary nijery debate maro be ihany koa. Hitako fa misy zavatra tsy torian'ny Fiangonana Malagasy (indrindra fa ireo milaza ny tenany ho Protestanta na Reformee) satria sarotra angamba ilay lohahevitra ka mety tsy ho azon'ny olona???? Tsy inona izany fa ny TULIP. Ny TULIP dia teboka 5 najoro tao amin'ny Synodan'ny Dort (Netherland, 1619) nataon'ny mpitondra fivavahana maro eran'tany ho entina hanoherana ny fampianarandiso noentin'ny Arminianisma. Ireto ary no teboka famintinana ny TULIP ary mba ahoana ny hevitrareo. Izaho manokana aloha, rehefa nanao fikarohana, na dia somary "controversial" aza ilay izy, dia hitako fa marina tsy azo lavina ny TULIP, ary ara-tsoratra Masina:

T: Total depravity: Ny olombelona rehetra dia mpanota ary tsy misy mahay manao ny tsara na dia iray ary.

U: Unconditional election: (na Predestination): Andriamanitra fony mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nahalala hoe iza sy iza avy ireo olona ho voavonjy ary iza no tsy ho voavonjy. Ary ireo voavonjy dia efa nofidiany manokana mialoha fony naharian'izao tontolo izao.

L: Limited atonement: I Jesoa Kristy dia tsy maty ho an'ny olona rehetra fa maty ho an'ireo voafidiny manokana ihany na ny ondriny. Izany hoe i Jesoa Kristy dia Mpamojy ===> Mahavoavonjy ===> Ny antony hahafatesany dia mba HAMONJY. Koa raha toa ka hamonjy ny olona rehetra no nahatongavany tety antany nefa misy olona tsy voavonjy dia tsy azo atao hoe Mpamonjy izy satria tsy nahavoavonjy ny sasany izay very ===> Tsy ho an'ny olona rehetr no nahafatesan'i Jesoa Kristy fa ho an'ireo olona voafidiny manokana ihany (ireo ondriny)

I: Irresistible Grace: Ny famonjena dia avy amin'Andriamanitra fa tsy avy amintsika olombelona. Ary ny zavatra miseho eto antany matoa miseho dia izay no sitrapon'Andriamanitra. Dia tahaka izany koa ny famonjena: Rehefa tian Andriamanitra hovonjena dia tsy maintsy voavonjy. Fa rehefa tsy tiany hovonjena dia tsy voavonjy (ohatra i Farao n'ny Ejypta). Ary tsy misy hoe nomena safidy malalaka izany ny olona fa ny olona, @ maha ratsy azy raha omena safidy malalaka dia tsy maintsy mifidy ny ratsy. Koa mba hisafidianan'ny olona ny tsara dia mila an'Andriamanitra izy ===> Andriamanitra no manova ny fon'ny olona mba hisafidy ny tsara ===> Tsy manana safidy malalaka eo amin'ny famonjeny ny olona fa tsy maintsy mila an'Andriamanitra foana.

P: Perseverance of the Saints: Ireo voafidy ho ondrin'Andriamanitra dia tsy mety ho very. Tsy very ny famonjena fa rehefa azo dia azo mandrapahafaty ary mitohy aorian'ny fahafatesana.
novalian'i Miharena ny 30/03/2011 03:27
2. Miharena ( 21/03/2011 16:43)
Raha ireo resakao ireo dia manome rariny ny Réformé aho tsy hanaparitaka ny TULIP satria Kristy dia natao hamonjy ny olon-drehetra araka ny voasoratra fa tsy natao ho an'ny olona sasantsasany ihany, ary Andriamanitra dia hanavao ny voariNY manontolo fa tsy hanary na iza na iza amin'ny fahamoram-poNY.

Ilay resaka hoe very sy tsy very no sainin'ny olona fohy fisainana fa amiko Andriamanitra tsy manam-petra tsy voafefin'izany ary hanao izay hahavelona ny VoariNy hatrany tsy an-kanavaka.

Miala tsiny raha izay no hamaliako azy, izay angamba positivisme hoy ny teolojiana.
3. laloanany ( 22/03/2011 00:09)
Ahitsiko kely: Tsy positivista izany ianao fa Universialista. Ny atao hoe Universialista dia ireo mino hoe: noho ny fahamorampon'Andriamanitra dia tsy hisy ho very ny olona fa ho any andanitra daholo satria Andriamanitra dia Fitiavana. Mangataka anao aho mba hanome andalatsoratra Masina manamarina io fampianaranao io. Fa raha ny Soratra Masina mantsy no jerena dia milaza mazava tsara fa tsy maintsy misy ny ho very ary misy ny ho voavonjy.
"Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra" (1 Kor 6:9,10). Jereo koa Mat 24:31-33
Raha fantantro fa tsy harian'Andriamanitra ia satria "voaariny" hoy ianao dia tsy aleoko ve zany manao izay tiako atao eto amin'ity tany ity eeee. Tsy aleoko zany ve izany migoka izay karazampahotana misy eto amin'ity tany ity satria tsy ho very mihitsy ia eee. Eny, mpamindra fo Andriamanitra saingy MARINA ihany koa izy: mitsara izay mpanao ny ratsy ary mamaly soa izay mpanao ny soa.

Hoy ianao "Kristy dia natao hamonjy ny olon-drehetra araka ny voasoratra fa tsy natao ho an'ny olona sasantsasany ihany". Omeo porofo ara-tSoratra Masina ihany koa raha azo atao amin'io teninao io. Fa raha ny amiko dia diso tanteraka io.
1) Maty ho an'ny MARO ny Tompo fa tsy maty ho an'ny olona rehetra (Mat 20:28, Mat 26:28)
2)Maty ho an'ny Fiangonany ny Tompo fa tsy maty ho an'ny olona rehetra erak'izao tontolo izao (Asa 20:28, Efesiana 5:25)
3)MAty ho an'ny ondriny ny Tompo da tsy maty ho an'ny osy.

PS: Eny, fantatro fa nampianarina anao fony fahazaza ilay hoe hamonjy ny olona rehetra ny nahatongavan'i Jesoa teto antany saingy jereo ny Soratra Masina dia hitanao fa diso io fampianarana io. Azonao atao ihany koa ny manamarina ao amin'ny tantarampiangonana fa ny fiangonana Katolika voalohany tamin'ny androndry Masindahy Augustine (taonjato faha 4) dia manamarina mazava tsara ireo zavatra teneniko ireo (Jereo ireo Konsily voalohany nataon'ny Fiangonana Katolika). Ankoatra izay, Jereo ihany koa ny boky nosoratan'i Martin Luther: "The bondage of will" ho fanampiny. Jereo koa ny tantaran'ny Synodan'ny Dort (1618 - 1619: nampijoroana ny TULIP) fa hitanao fa tsy "olona fohy fisainana" araka ny nolazainao izany ireo nanao ny Synodan'ny Dort fa olona manampahaizana maro be avy amin'ny firenena samihafa. Aoka koa ho referansy fa io Synodan'ny Dort io ihany koa no fototra nahaterahan'ny Baiboly Angilisy "The King James Bible" izay mbola ampiasain'ny olona hatramin'izao ==> Tsy nataotao foana ny Synodan'ny Dort.
Ankoatra izay, ny TULIP no anisan'ny fototra ijoroan'ny fiangonana Reformee: jereo wikipedia mikasika ny fiangonana Reformee
http://en.wikipedia.org/wiki/Reformed_churches
Ary any Amerika sy any Eropa dia anisan'ny fampianarana ampianarina ao @ fiangonana Reformee amin'izao fotoana izao ny TULIP.
4. laloanany ( 22/03/2011 00:13)
Fanampiny amin'ilay rohy napetrako io mikasika ny fiangonana Reformee: http://en.wikipedia.org/wiki/Calvinism
5. Miharena ( 22/03/2011 04:24)
Laloanany:

olona manampahaizana maro be avy amin'ny firenena samihafa


Ity ihany no azoko raisina amin'ny fanazavanao rehera eo ambony. Ny sain'olombelona amiko tsy mahafehy ny fisainan'Andriamanitra na milaza ho manam-pahaizana toy ny inona aza izy satria tanimanga novolavolaina ihany. Miala tsiny.

Ary tsy te-hitsara izay olona manaparitaka io fampianarana io aho fa amiko ilay izy restrictif be fa tsy manome ny fahafahana sy fiadanana nozarain'i Kristy. Ary indrindra mitsipaka ilay famaritana voalohany an'Andriamanitra namorona ny mazava sy ny voary rehetra ary ny olona rehetra araka ny endriNY.

Mety ho mafimafy kokoa angamba raha hiteny aho hoe fampianarana mamono tena ilay izy raha izany satria mitsipaka ny FOTOTRA mihitsy. Asa ny fandraisanao azy Laloanany?
6. AndriambyII ( 22/03/2011 13:25)
Ialoanany >>>> Diniho sy eritrereto anie ny fampitan- kevitra ataon' io Tulip voalazanao io é ! Tsy maintsy misy marina @ ambangovangony , nefa tsy ho lafatra tanteraka satria mifanipaka @ principe nolazain' i A/tra t@ Abraham !
Misy fitenenana hoe " la voie du seigneur est impenetrable "

7. niryna ( 23/03/2011 06:03)
laloanany]!

misaotra anao nizara
Ny zavatra tiako ambara kely fotsiny dia izao:mila mandanjalanja sy mamaky ny tenin'Atra tsara isika mba ahafantarana ny marina rehetra ary mila references ao anatin'ny baiboly izany.
Ny tenin'Atra dia tsy azo anasorana na anampiana fa izay manao izany dia hianjadian'ny fahatezeran'Atra.
Raha niteny hianao hoe ny famonjena dia tsy avy amin'ny olona fa avy amin'Atra: angaha nisy fiangonana nilaza fa avy amin'ny olombelona ilay izy?

Gal 5 3 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana.

14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 19. 18).

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana

16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.

dia mila zahana toetra tsara izany ny fampianarana na avy amin'ny fanahy masina tokoa ilay izy na avy amin'ny olona sa ahoana?




8. niryna ( 23/03/2011 06:46)
laloanany:

Hitako fa misy zavatra tsy torian'ny Fiangonana Malagasy (indrindra fa ireo milaza ny tenany ho Protestanta na Reformee)
tsy aiko aloha sady tsy hiadiako hevitra izay toriany sy tsy toriany any satria tsy misy ary tsy hisy olona ahavita hitory ny baiboly iray manontolo na iray aza.
Ka raha tsy nitory izay tianao hihainoana izany ny olona dia anjaranao no mamakafaka izany takelaka ao amin'ny baiboly misy izay tianao sa tsy izay ?

satria sarotra angamba ilay lohahevitra ka mety tsy ho azon'ny olona???? Tsy inona izany fa ny TULIP.
dia sarotra izany ilay izy fa dia zarao eto hiaraha mianatra indray izay azo raisina

T: Total depravity: Ny olombelona rehetra dia mpanota ary tsy misy mahay manao ny tsara na dia iray ary.
iza no tsy mahalala izany ,saingy rehefa mahafantatra ny mety tamin'ny tsy mety izy dia miverina manao retour dia Atra no manampy azy andeha amin'ny fahamarinana amin'izay.Lavo indray izy ? dia mibebaka dia mifona,dia mangataka ny fanampiana avy any Aminy dia manampy azy koa ny fanahy masina izay nangatahin'i kristy tamin'ny Rainy .

U: Unconditional election: (na Predestination): Andriamanitra fony mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nahalala hoe iza sy iza avy ireo olona ho voavonjy ary iza no tsy ho voavonjy. Ary ireo voavonjy dia efa nofidiany manokana mialoha fony naharian'izao tontolo izao.
dia hiverina any amin'ny lesona mikasika ny fiantsoana mivantana sy ankolaka indray izany isika raha izany : misy olona voaantso mivantana: Mosesy ,Abrahama sns ,misy kosa tsy mivantana ,dia izy tokoa no mahalala ny ao am-pon'ny olona fa mbola misy fotoana isika hatramin'izao hibebahana satria tiany ho voavonjy avokoa isika.


L: Limited atonement: I Jesoa Kristy dia tsy maty ho an'ny olona rehetra fa maty ho an'ireo voafidiny manokana ihany na ny ondriny. Izany hoe i Jesoa Kristy dia Mpamojy ===> Mahavoavonjy ===> Ny antony hahafatesany dia mba HAMONJY. Koa raha toa ka hamonjy ny olona rehetra no nahatongavany tety antany nefa misy olona tsy voavonjy dia tsy azo atao hoe Mpamonjy izy satria tsy nahavoavonjy ny sasany izay very ===> Tsy ho an'ny olona rehetr no nahafatesan'i Jesoa Kristy fa ho an'ireo olona voafidiny manokana ihany (ireo ondriny)

Tsy ho hary ho voazava eto daholo ity resaka ity fa fampianarana lavabe saingy omeko kely izay mba azoko atao:
" Ny tenin'Atra dia manambara amintsika fa Atra Ray dia nahary izao tontolo izao:mpahary
Kristy dia mpamonjy ary ny fanahy masina dia manamasina.Hatrany amboaloany ireo ary miaraka foana.Andron'ny fanamasinana izao hoy ilay olona iray izay,nomen'Atra antsika ilay mpanamasina dia ny fanahy masina izany ka izy no mampianatra antsika ny tenin'Atra .
Ahoana ny teny izay voasoratra? Fa toy izao no notiavan'ATra izao tontolo izao( iza ireo tontolo izao ? ny olombelona rehetra izay nahariany ) Nomeny ny zanany lahitokana mba hamonjy izay rehetra mino azy mba hanana fiainana mandrakizay.( efa nomena izany ny famonjena,efa nasehon'Atra antsika izany ny fitiavany antsika rehetra) dia anjarantsika no mino ny teny izay nampitondraina.. dia mbola nohamarinina ihany izany fa tsy tonga hiantso ny marina izy fa ny mpanota rehetra izay mibebaka (Jaona 3: 16-18) io fa hamarino kely dia ahitsiho raha tsy izay

I: Irresistible Grace: Ny famonjena dia avy amin'Andriamanitra fa tsy avy amintsika olombelona. Ary ny zavatra miseho eto antany matoa miseho dia izay no sitrapon'Andriamanitra.
ka iza no tsy mahalala izany fa na dia ny volondohantsika aza dia efa voaisany? moa misy na iray aza afaka hanampy ny fotoana hiainany na hanajanona ny fahafatesany?

Dia tahaka izany koa ny famonjena: Rehefa tian Andriamanitra hovonjena dia tsy maintsy voavonjy. Fa rehefa tsy tiany hovonjena dia tsy voavonjy (ohatra i Farao n'ny Ejypta).
ka izay no mahatonga azy miteny hoe aza manamafy ny fontsika isika...saingy indrisy mbola misy ihany izany ka dia mana-maso izy fa tsy ahita,manantsofina fa tsy handre ary dia vao maika ho hamafisiny ny fon'izay manamafy fo ary dia omeny fampianarana diso satria izay no tadiaviny(mba zahao kely ao amin'ny baiboly ilay ref misy an'izay)
ilay hoe rehefa tiany na tsy tiany dia ahitsiko kely fa tiany avokoa isika ary tiany ho vonjena matoa izy niseho tamin'ny maha nofo tahaka antsika.Fa hoe moa mino ny teny izay nampitondraina ve isika,moa mbola manamafy ny fontsika isika ? eo no ???

Ary tsy misy hoe nomena safidy malalaka izany ny olona fa ny olona, @ maha ratsy azy raha omena safidy malalaka dia tsy maintsy mifidy ny ratsy.
raha tsy nomeny safidy ve tsy mbola nijanona nanaraka azy foana satana sy ny firongony raha izany,satria nomeny safidy dia izay tsy nanaiky azy dia niaraka an'i satana
satria izay manamafy ny fony hoy aho dia vao maika ho hamafisiny ny fony nomeny safidy izany isika,safidinao ny hino ny teny ka rehefa mangetaheta hianao dia omeny fahazavana tokoa ny sainao ka

Tsy misy teny mihitsy kosa aloha ao amin'ny baiboly milaza hoe tsy maintsy manaraka ahy hianareo.Avia hoy ny Tompo manaraha ahy,tsy nanery izy

Koa mba hisafidianan'ny olona ny tsara dia mila an'Andriamanitra izy ===> Andriamanitra no manova ny fon'ny olona mba hisafidy ny tsara ===> Tsy manana safidy malalaka eo amin'ny famonjeny ny olona fa tsy maintsy mila an'Andriamanitra foana.
tsy azoko,ny fantatro araka ny baiboly kosa dia hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaHo no nifidy anareo
MIsy olona mbola tsy naheno ny tenin'Atra mihitsy ary mbola tsy nahalala izany famonjena izany dia ahoana izany ireny?

P: Perseverance of the Saints: Ireo voafidy ho ondrin'Andriamanitra dia tsy mety ho very. Tsy very ny famonjena fa rehefa azo dia azo mandrapahafaty ary mitohy aorian'ny fahafatesana.
miambena ,miambena mba tsy ho voafitaka isika.Eny ny fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika

ka maninona no misy ny teny hoe carnal,fornicator,backsliding? ireo izay olona efa nino kanefa niala tamin'ny finoany indray,ireo olona izay mahafantatra fa tsy tian'Atra ny zavatra ataony kanefa mbola vao maika ataony mibaribary,ireo teny marobe ao amin'ny levitikosy izay mahafaty ny fanahintsika kanefa dia mbola atao ihany.Ireo izay nandalo fisedrana maro ka nanjary niala teo amin'ny finoana an'Atra dia ahoana?

fehiny: Izay mahasoa antsika ,fizarana ny tenin'Atra ka ahatonga ny olona hiverina amin'Atra no tanjona amiko fa raha hoy ranona hoe tsy izao raha tsy izao kanefa tsy mi-base amin'ny baiboly dia isika no hianjerahan'ny rihitra rehefa avy eo
9. laloanany ( 23/03/2011 12:31)
Misaotra anareo namoaka ny hevitrareo mikasika ny TULIP. Ity indray ary ny valiny entiko (tapany voalohany).
niryna:

Ka raha tsy nitory izay tianao hihainoana izany ny olona dia anjaranao no mamakafaka izany takelaka ao amin'ny baiboly misy izay tianao sa tsy izay ?

Dia araka ny teneniko teo aloha ihany,tsy hoe za no te hanery ny fiangonana hitory ny TULIP fa mahagaga ahy fotsiny hoe maninona no tsy toriana @ fiangonana reformee eto Mada (FJKM) ilay izy:
matoa mantsy mitonona anarana hoe "Reformee" ny fiangonana iray dia anisan'ny fototra ijoroany ny TULIP. Ka rehefa tsy mitory ny TULIP ve tsy aleo tsy mitonona ny tenany hoe "reformee" ee???


Fa toy izao no notiavan'ATra izao tontolo izao( iza ireo tontolo izao ? ny olombelona rehetra izay nahariany ) Nomeny ny zanany lahitokana mba hamonjy izay rehetra mino azy mba hanana fiainana mandrakizay.


Ilay hoe "izao tontolo izao" (na "kosmos" hoy ny dikanteny fototra) ao amin'ny Filazantsaran'i Jaona dia tsy midika velively hoe "ny olombelona rehetra erantany". Ao amin'io andinintSoratra Masina io, ny hoe "izao tontolo izao" dia manondro ny Fiangonan'Andriamanitra eran'izao tontolo izao, na ny ondrin'Andriamanitra, na ireo "voafidy" fa tsy ny olombelona erantany akory. Nampiasa ny teny hoe "izao tontolo izao" i Jaona mba ho entiny milaza fa tsy mijanona an'ny Jiosy irery ihany ny fiangonan'Andriamanitra fa misy ihany koa ondrin'Andriamanitra ao amin'ny tontolon'ny Jentilisa. Dia araka ny tenin'i Jesoa fa misy ondriny hafa ivelan'ny vala ===> ivelan'ny Israely ==> Jentilisa.
Porofo fanampiny:
1) Jaona 1:29 "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!". Jereo tsara, andeha hoe jerena raha midika hoe olombelona rehetra erantany ilay izao tontolo izao eto eee. Lasa hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'ny olombelona erantany. Izany hoe nesorin'Andriamanitra ny fahotan'ny olombelona erantany tsy misy ankanavaka. Ary Andriamanitra tsy diso @ zay zavatra ataony (GOD DOES NOT FAIL. Dieu ne s'echoue pas a ce qu'il fait [miala tsiny raha diso tsipelina sy fitsipika ny dikanteny @ teny Frantsay]). Koa noho izany rehefa nesoriny izany ny fahotan'ny "olombelona rehetra eto antany" dia tsy maintsy afaka fa tsy hoe nesorin'Andriamanitra le fahotana nefa misy ny sasany tsy afaka dia misy ny sasany afaka. Sahal@ aretina ihany: rehefa sitranin'Andriamanitra dia sitrana fa tsy hoe nositranin'Andriamanitra nefa tsy sitrana, matoa tsy sitrana dia tsy nositranin'Andriamanitra [Tsidihiko dieny mialoha eto ihany koa ilay hoe rehefa vonjen'Andriamanitra dia voavonjy fa tsy misy hoe novonjen'Andriamanitra nefa tsy voavonjy fa matoa tsy voavonjy dia tsy novonjen'Andriamanitra.]. Koa rehefa afaka daholo ary ny fahotan'ny olombelona rehetra erantany, tsy tokony ho any andanitra daholo ve izany ny olombelona rehetra eto antany eee. Koa matoa tsy ny olombelona rehetra eran'tany no ho any andanitra fa ny ondrin'Andriamanitra irery ihany dia "izao tontolo izao" @ io andininy io = "ondrin'Andriamanitra" (Jiosy + Jentilisa) fa tsy ny olombelona rehetra erantany akory.

2)Jaona 6:33. "Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao".
2.a. raha nomena fiainana [mandrakizay] ny olombelona rehetra erantany, moa ve tsy ho any andanitra avokoa izany izy rehetra??? ny "izao tontolo izao" @ io andininy io dia anondroana ny ondrin'Andriamanitra (ireo voafidy na "the elects") fa tsy ny olna rehetra akory.

2.b. Manaporofo fa tsy marina ilay hoe "anjarantsika ny misafidy na horaisina ny famonjena na tsy ho raisina" sy ilay hoe "maty hamonjy ny olona rehetra erantany tsy misy ankanavaka ny Tompo": Ilay "manome" eto raha @ dikanteny Frantsay dia "donner" fa tsy "offrir". @ dikanteny Anglisy dia "to give" fa tsy "to offer". Omena ilay fiainana fa tsy hoe apetraka ambony latabatra dia izay te handray dia mandray ary izay tsy te handray dia tsy mahazo. Ary "fiainana" no omena fa tsy hoe sakafo na bonbon akory. Averimberin'ny Soratra Masina ilay hoe isika dia "maty" noho ny fahotantsika ka mba ho velona ao @ Tompo dia tsy maintsy omena fiainana. Misy antony matoa nampitaha antsika ho sahal@ "maty" ny Soratra Masina. Ny "maty" dia tsy mahay misafidy ary tsy mahay manaiky na manda. I Jesoa Kristy rehefa nampitsangana ny maty dia nitsangana ny maty fa tsy nisy niteny mihitsy "za tsy nisafidy ny hitsangana @ maty ka tsy hitsangana @ maty ka". Ary araka ny nolazaiko teo aloha ihany: God does not fail. Ka rehefa mamonjy Izy dia voavonjy izay rehetra vonjeny fa tsy hoe misy ny nisafidy ny tsy hovonjena dia lasa tsy voavonjy tampoka. Novonjen'Andriamanitra nefa tsy voavonjy????? Raha izany tsy mahavoavonjy anie izany ilay famonjen'Andriamanitra satria misy tsy voavonjy ny sasany @ ireo vonjeny eeee...Angamba na izaho na ianao dia samy miaiky fa ampy ny ra nalatsak'i Jesoa teo @ hazo fijaliana ary MAHAVOAVONJY ny famonjeny. Koa satria misy ny tsy voavonjy dia tsy novonjen'Andriamanitra izy ireny. ===> Tsy afaka "misafidy malalaka" eo amin'ny famonjeny ny olona. Satria raha misafidy malalaka @ famonjena izy dia sahal@ hoe noho ny safidiny no nahavoavonjy azy ka hilaza fa nandray anjara @ famonjen'Andriamanitra izy ka hirehareha hoe "noho za tsara fanahy no nahavoavonjy ahy" fa tsy noho Andriamanitra. Misy dikany, indrindra fa amin'ny fiangonana Protestanta ny ilazana ao ampiangonana isankalahady ilay hoe "Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra" na Soli Deo Gloria mba hilazana fa tsy misy olona afaka hirehareha hoe "za tsara fanahy ka voavonjy" na "i Rakoto ratsy fanahy ka tsy voavonjy" fa Andriamanitra irery ihany no Tompon'ny famonjena ary tsy misy idiran'ny olona ao @ resaka famonjena mihitsy.


fa tsy tonga hiantso ny marina izy fa ny mpanota rehetra izay mibebaka (Jaona 3: 16-18)

Angamba ity no tianao lazaina: "tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. " (Lioka 5:32)
Tsy misy an'ilay teny hoe "rehetra" amin'io andalantSoratra Masina io. Na dia hoe asiana ilay teny "rehetra" aza eo dia tsy dia mampiova ny tian'i Jesoa lazaina. Ny tiany hambara (raha esorina ilay teny hoe "rehetra" satria tsy misy an'io eo) dia hoe tsy izay manamarintena no hovonjena (angamba mety manondro ihany koa hoe: tsy izay milaza ny tenany hoe "noho ny safidiko marina no nahavoavonjy ahy" na "novonjena aho satria izaho tsara fanahy ka nahay nifidy ny Marina" no hovonjena????)

Ankoatra izay, efa nolazaiko tetsy aloha: Maty ho an'ny MARO ny Tompo fa tsy maty ho an'ny olondrehetra. Maty ho an'ny OLONY Izy fa tsy ho an'ny olondrehetra. Maty ho an'ny FIANGONANY fa tsy ho an'ny olondrehetra (Jereo ny valiny nataoko teo aloha, misy ny fanaporofoana ara-tsoratra masina)

Somary lava be ilay izy fa ialako tsiny, faranako amin'ity fampahafantarana fanampiny mikasika ny TULIP ny valiny ataoko satria na izaho ara nandany efa ho adiny roa nanoratra ity . Koa @ manaraka indray tohizako

Fampahafantarana fanampiny mikasika ny TULIP sy ny teolojia reformee:

Ireo fampianarana soratako etsy ambony ireo dia fampianaran'ny teolojia reformee (ary mandray kely ihany koa ny teolojia Luterana nefa tsy mitovy tanteraka). Ny teolojia reformee dia efa nisy hatr'izay, efa nisy hatr@ andron'ny fiangonana voalohany (jereo Council of Carthage nataon'ny fiangonana t@ taonjato faha 4) saingy rehefa nivaona tsikelikely ny fiangonana dia nohadinoina hany ka potika ilay izy. I Martin Luther sy ry John Calvin no anisan'ny nampiverina ilay fampianarana reformee. T@ fanombohan'ny taona 1600 dia nisy fampianarana vaovao nitsimoka tao @ fiangonana Protestanta izay notarihin'i Arminius ary nampijoroany ny Arminianisma sy ny teboka 5 n'ny Armanianisma. Noho io korontana io dia natsangana ny Sinodan'ny Dort ka nametraka ihany koa ny teboka 5 n'ny Kalvinisma izay tsy inona fa ny TULIP mba hamaliany ireo teboka 5 n'ny Arminianisma. Ny tiako holazaina dia hoe: fampianarana efa nisy hatry ny ela tao @ fiangonana io zavatra lazaiko etsy ambony io, saingy ho fanamafisana ilay fampianarana sy ho fanoherana ny Arminianisma dia nofintinina t@ ilay hoe TULIP ilay fampianarana.

10. bor2lais ( 23/03/2011 13:45)
Mahaliana ny fanazavan'i laloanany.
laloanany:

Ankoatra izay, efa nolazaiko tetsy aloha: Maty ho an'ny MARO ny Tompo fa tsy maty ho an'ny olondrehetra. Maty ho an'ny OLONY Izy fa tsy ho an'ny olondrehetra. Maty ho an'ny FIANGONANY fa tsy ho an'ny olondrehetra (Jereo ny valiny nataoko teo aloha, misy ny fanaporofoana ara-tsoratra masina)

Ny manitikitika dia ity : toa naniraka ny mpianaNY Izy talohan'ny niakaraNY fa "ataovy mpianatro ny firenena rehetra ..."
Ahoana indray ary ny fandraisanao an'io "mission" ampanaoviNY antsika io : inona no dikan'ilay hoe firenena rehetra ?
11. laloanany ( 23/03/2011 16:15)
(valiny tapany faharoa)

Ny manitikitika dia ity : toa naniraka ny mpianaNY Izy talohan'ny niakaraNY fa "ataovy mpianatro ny firenena rehetra ..."
Ahoana indray ary ny fandraisanao an'io "mission" ampanaoviNY antsika io : inona no dikan'ilay hoe firenena rehetra ?

Ilay hoe "firenena rehetra" dia firenena rehetra, olona rehetra erantany. Ny ANTSON'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra saingy tsy ny olona rehetra no "nofidiNy" ho ao amin'ny famonjena. "Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina" (Mat 22:14). [Natao hoe "maro" izy eto satria misy ireo olona maty tsy nahare ny antson'ny Tompo]
Dia araka ny tenin'i Niryna
Niryna:

ia mana-maso izy fa tsy ahita,manantsofina fa tsy handre ary dia vao maika ho hamafisiny ny fon'izay manamafy fo ary dia omeny fampianarana diso satria izay no tadiaviny(mba zahao kely ao amin'ny baiboly ilay ref misy an'izay)

Ity ilay andinintSoratra Masina: "mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony"
(Marka 14:12). Ireo olona ireo dia nantsoina saingy tsy isan'ny "voafidy" (the elects) ka tsy afaka ny hino mihitsy.
Ny anjarantsika anefa dia mitory ny Filazantsara @ olona rehetra satria tsy fantatsika hoe iza sy iza avy ireo "voafidy"(the elects) ary iza ireo tsy voafidy. "Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra." (Marka 13:27), Jereo koa Lioka 18:7
"Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony,fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna kosa ny fon'ny sisa" (Romana 11:7) ===> NY "voafidy" ihany no nahazo.

hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaHo no nifidy anareo

Dia marina 100% io. Tsy miankina @ safidintsika olombelona hoe hovonjena isika na tsy hovonjena ny famonjena fa miankina @ safidin'Andriamanitra. Izy no mahalala hoe iza no "voafidy" ary iza no tsy voafidy. Isika tsy afaka hanome tsiny an'Andriamanitra hoe nahoana kosa Izy no manao an'izany satria Izy no Mpamorona ary tsy misy tsiny eo aminy. Dia sahal@ nandringanan'Andriamanitra ny miaramila Ejiptiana t@ Testamenta Taloha. I Israely no "voafidy" t@ Testamenta Taloha. Efa fantatr'Andriamanitra hatr@ voalohany fa hofaty daholo ireo miaramilan'i Farao ireo saingy mbola noforonony ihany. Dia sahal@ izany ihany koa ireo "tsy voafidy", efa fantatrAndriamanitra fa ho very daholo ireny olona ireny saingy mbola noforoniny ihany sy navelany hiaina eto ambonin'ny tany. Isika tsy afaka hanome tsiny an'Andriamanitra @ zay zavatra ataony:
"araka ny voasoratra hoe: "Jakoba no tiako, fa Esao no halako" (Mal. 1.2, 3).
Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: "Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo" (Eks. 33. 19)" (Rom 9:13-16)
"Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo ny hamafìny fo." (Rom 9:18)
Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray [samy olombelona voaarin'Andriamanitra]ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina[ireo voafidy???], ary ny iray hatao tsinontsinona[ireo very???]?
(Rom 9:20-21)

MIsy olona mbola tsy naheno ny tenin'Atra mihitsy ary mbola tsy nahalala izany famonjena izany dia ahoana izany ireny?

Andriamanitra no mahalala ny ho avin'izy ireny. Ny anjaratsika fotsiny dia ny mitory ny Filazantsara @ olona rehetra.
Mitovy @ hoe ho aiza ny zazakely tsy nahalala akory an'i Kristy nefa maty????
Raha amiko manokana, tsy dia mino an'ilay hoe "makany andanitra daholo ny zazakely rehetra raha maty @ fahazazany" satria raha izay mantsy dia lasa fomba iray mahomby handefasana olona any andanitra ny fanalana zaza: miteraka bedebe ia de vonoako daholo ny zanako mba ho lasa any andanitra daholo izy rehetra. Za koa anefa tsy mino hoe very daholo ny zaza rehetra maty @ fahazazany. ==> Andriamanitra irery ihany no mahalala ny momba azy ireny.
12. Miharena ( 23/03/2011 19:49)

Citation
hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaHo no nifidy anareo

Dia marina 100% io. Tsy miankina @ safidintsika olombelona hoe hovonjena isika na tsy hovonjena ny famonjena fa miankina @ safidin'Andriamanitra. Izy no mahalala hoe iza no "voafidy" ary iza no tsy voafidy. Isika tsy afaka hanome tsiny an'Andriamanitra hoe nahoana kosa Izy no manao an'izany satria Izy no Mpamorona ary tsy misy tsiny eo aminy. Dia sahal@ nandringanan'Andriamanitra ny miaramila Ejiptiana t@ Testamenta Taloha. I Israely no "voafidy" t@ Testamenta Taloha. Efa fantatr'Andriamanitra hatr@ voalohany fa hofaty daholo ireo miaramilan'i Farao ireo saingy mbola noforonony ihany. Dia sahal@ izany ihany koa ireo "tsy voafidy", efa fantatrAndriamanitra fa ho very daholo ireny olona ireny saingy mbola noforoniny ihany sy navelany hiaina eto ambonin'ny tany. Isika tsy afaka hanome tsiny an'Andriamanitra @ zay zavatra ataony:
"araka ny voasoratra hoe: "Jakoba no tiako, fa Esao no halako" (Mal. 1.2, 3).
Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: "Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo" (Eks. 33. 19)" (Rom 9:13-16)
"Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo ny hamafìny fo." (Rom 9:18)
Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray [samy olombelona voaarin'Andriamanitra]ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina[ireo voafidy???], ary ny iray hatao tsinontsinona[ireo very???]?
(Rom 9:20-21)


Lava tsara ity tanisa ity izay mametraka mazava fa manam-pahefana tanteraka Andriamanitra amin'ny olon-drehetra nefa io indrindra no lasa mampametra-panontaniana hoe inona no antony hamoronana nefa hariana avy eo??? Tsy misy very ireo amiko fa miverina amin'ny Tompony avokoa satria izay mihitsy ny fanoharana momba ny tanimanga izay miverina amin'ny tompony daholo ihany na tsara na ratsy ilay novolavlainy. Ny olombelona no manary fa tsy Andriamanitra amiko.
Raha miverina amin'ny fomba fiteny dia mifanohitra be ny teny hoe tsy misy afaka hanome tsiny an'Andriamanitra sy ny hoe efa voafidy ny hariana sy hovonjena. Fiangarana avy hatrany izany raha izay no tena izy. Raha toa kosa ka natao hitomboan'Andriamanitra ny namoronany izany rehetra izany dia samy efa nahavita ny asany avy izany anie na Jakoba na Esao, na tsara na ratsy araka ny nanamboarana azy ka noho izany dia lasa any am-paradisa daholo izy rehetra, samy tokony hahazo valim-pankasitrahana. Toy ny hoe tsy hita ny hatsaran'Andriamanitra raha tsy fantatra izay mifanohitra amiNy dia ny Devoly. Ka lasa any am-paradisa daholo satria samy amin'ny asany avy araka ny namoronana azy.

Laloanany:

Raha amiko manokana, tsy dia mino an'ilay hoe "makany andanitra daholo ny zazakely rehetra raha maty @ fahazazany" satria raha izay mantsy dia lasa fomba iray mahomby handefasana olona any andanitra ny fanalana zaza: miteraka bedebe ia de vonoako daholo ny zanako mba ho lasa any andanitra daholo izy rehetra. Za koa anefa tsy mino hoe very daholo ny zaza rehetra maty @ fahazazany. ==> Andriamanitra irery ihany no mahalala ny momba azy ireny.

mitovy amin'ny toetran'Andriamnitra namorona ny hovonoina sy ny tsy hovonoina ity tantaranao ity ary mampametra-panontaniana hoe mpamono olona àry ve Andriamanitra hatrizay hatrizay mba hitomboaNY?
13. bor2lais ( 24/03/2011 11:02)
laloanany >> Raha azoko tsara izany ny fanazavanao ilay TULIP ka arahina ara-bakiteny dia toa tsy ilaina akory ny finoana sy fanarahana Azy satria efa voasoratra mialoha e ! Ary ilay "mission" ampanaoviNY koa toa filambaniny fotsiny satria "mission impossible" !

Izay ve ilay izy sa izaho no diso fandray ?
14. laloanany ( 26/03/2011 00:39)
Ho an'i Miharena
Mangataka anao hatrany aho mba hanome fanaporofoana aratSoratra Masina ahafahanao milaza fa tsy mifidy ny olona izay hovonjeny Andriamanitra fa anjaran'ny olona ny mifidy an'Andriamanitra raha te hovonjena. Raha ny Soratra Masina mantsy no jerena dia voalaza fa MIFIDY ny olona izay hovonjena ny Tompo ary ireo tsy voafidy dia tsy voavonjy.
(Mat 22:14) (Marka 13:27)(Lioka 18:7)(JOHN 16:15) (ASA 13:48) (Rom 11:7)(Efe 1:4,5) Jereo io Efe 1:4,5 io fa milaza mazava tsara fa NIFIDY ny olona hovonjeny Andriamanitra dieny mbola tsy voaforona Izao Tontolo izao ary NY SITRAPONY no ifidianany izany fa tsy sitrapon'olombelona(Mat 24:22,24,31) sns ...

Ho an'i bor2lais

Raha azoko tsara izany ny fanazavanao ilay TULIP ka arahina ara-bakiteny dia toa tsy ilaina akory ny finoana sy fanarahana Azy satria efa voasoratra mialoha e. Ary ilay "mission" ampanaoviNY koa toa filambaniny fotsiny satria "mission impossible" !

Raha ny fijerko ny teninao dia tsy azonao tsara ny fanazavako ilay TULIP sy ny Teolojia reformee. Averiko sy fintiniko @ fomba mora indray:
A. Ny famonjen'Andriamanitra
1) ILAINA NY MINO SY MANARAKA AN'ANDRIAMANITRA mba hahavoavonjy antsika.
2)Tsy misy olona afaka mino an'Andriamanitra anefa satria mpanota ny olona rehetra (Total Depravity) ary maty tao @ fahotany ny olona.
3)Mba ahafahan'ny olona iray mino an'Andriamanitra dia mila an'i Kristy hanangana azy @ "fafahafesana" ara-panahy ilay olona.
4)I Kristy no mifidy izay hatsangany @ maty sy izay hijanona @ fahafatesana ara-panahy satria ny maty tsy afaka hifidy na oviana na oviana ary tsy afaka hampitsangana ny tenany @ maty.
(Jereo ireo andinitSoratra Masina marobe nosoratako etsy ambony)
5)Raha toa ka maty ho an'ny olona rehetra ny Tompo dia voavonjy daholo anie izany ny olona rehetra eee. Koa satria misy ny olona tsy voavonjy dia tsy maty ho an'ny olona rehetra Izy fa maty ho an'ny MARO. (Jereo andinitSoratra Masina nolazaiko tao @ valiny teo aloha)

B. Mikasika ny "mission" nampanaovin'Andriamanitra sy ny antson'Andriamanitra.
1) Andriamantra dia miantso ny olona rehetra ao aminy sy mba hino Azy SAINGY tsy izay voaantso rehetra akory no hovonjena fa ireo voafidy irery ihany (Mat 22:14)
2) Ny Kristianina dia asain'Andriamanitra mitory ny filazantsara @ olona REHETRA saingy ireo "tsy voafidy" dia TSY AFAKA NY HINO MIHITSY satria maty ara-panahy. Ireo voafidy kosa, efa natsangan'i Kristy t@ maty dia hino. Mitory ny Filazantsara @ olona rehetra isika na ho an'ny voafidy izany na ho an'ny tsy voafidy satria TSY FANTATSIKA olombelona hoe iza no voavidy sy tsy voafidy raha tsy toriana @ izy ireo ny Filazantsara.

PS: Ho anareo izay maneho hevitra dia angatahana mba hanome fanaporofoana ara-tSoratra Masina na/sy fanaporofoana eo @ tantaran'ny Fiangonana Kristianina mba ahafahana manohana tsara ny hevitrareo.
15. laloanany ( 26/03/2011 02:57)
Ho antsika liana sy mila fanazavana kokoa mikasika ny teolojia reformee dia ity misy fandaharana iray nataon'ny Radio Geneva midinika indrindra io lohahevitra io:

Hevitr'i James White(Th. D, mpampianatra ny teny Hebrio sy Grika, filoha mpitantana ny Alpha and Omega Ministries) izay batista reformee manoloana ny hevitr'i Ergun Caner (mpampianatra teolojia sy tantarampiangonana ao amin'ny Liberty University Virginia) izay batista tsotra tsy reformee.

http://www.youtube.com/watch?v=h3yZMlempDw

Mazotoa daholo tompoko
16. Miharena ( 26/03/2011 04:35)
=Laloanany
Ho an'i Miharena
Mangataka anao hatrany aho mba hanome fanaporofoana aratSoratra Masina ahafahanao milaza fa tsy mifidy ny olona izay hovonjeny Andriamanitra fa anjaran'ny olona ny mifidy an'Andriamanitra raha te hovonjena. Raha ny Soratra Masina mantsy no jerena dia voalaza fa MIFIDY ny olona izay hovonjena ny Tompo ary ireo tsy voafidy dia tsy voavonjy.
(Mat 22:14) (Marka 13:27)(Lioka 18:7)(JOHN 16:15) (ASA 13:48) (Rom 11:7)(Efe 1:4,5) Jereo io Efe 1:4,5 io fa milaza mazava tsara fa NIFIDY ny olona hovonjeny Andriamanitra dieny mbola tsy voaforona Izao Tontolo izao ary NY SITRAPONY no ifidianany izany fa tsy sitrapon'olombelona(Mat 24:22,24,31) sns ...




Tsy dia manana fotoana hitanisana ny toko sy andininy mazava ao amin'ny Soratra Masina aho fa ny hevitra dia ambarako arakarak'izay fametrahana fanontaniana mipoitra eto.

Raha mijery ireo tanisa bedebe nataonao ireo aho dia mametraka fanontaniana hoe iza avy àry ny miteny ao ary ahoana ny toe-pony niteny izany?
Raha Kristy no niteny dia Tenin'ny Ray ao anatiNY no itenenaNY. Ilay Ray anefa dia efa manana ny famaritana AZY dia ILAY NAMORONA IZAO REHETRA IZAO. Ny hiantefan'ny Teny dia Ireo voary NOFORONINY izay misy ny FOFONAINY ka iza amin'ireo no holaviNY ?? Sa holaviNY ny fofonaiNY???

Raha i Paoly no niteny, dia hoy Izy "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiko" dia miantefa amin'ny fahazoana io resaka Andriamanitra io ihany ilay izy ary Paoly aza nahavory antapitrisany noho i Kristy araka ny filazan'i Kristy. Ary tsarovy fa Paoly anie ka mpanenjika AZY fa tsy nahatohitra AZY ary jamban'ny HAZAVANY indray aza ka nahateny io teny etsy ambony io !

Koa midika izany fa voafidy daholo ny olon-drehetra fa tsy misy an-kanavaka.
Sa ahoana indray ny fandraisanareo azy?

Ny zavatra azoko ambara fotsiny dia rehefa mazava ny fijerin'ny fo dia mazava ny toe-pon'ny mpizara n TENY ka manazava ny rehetra satria misy ny firesahana amin'ny mitovy amin'ny tena. Hoy Kristy hoe : "Tsya hataoko hoe mpianatro intsony ianareo fa ataoko ho Rahalahy".

Raha araka ny olombelona indray n hanaovana fanoharana dia mazava fa tsy ho mpianatra foana akory ny olona mianatra fa tonga mpampianatra. Ka aiza ho aiza no misy antsika mpandinika sy mpandalina rehefa mamosaka hevitra momba ny Tenin'Andriamanitra ? Mahay maka ny fomba fijeriNY TSY MANAMPETRA ve sa mandray ny fijery voafetra fotsiny ?

Ny fandraisanao ny tanisa manko Laloanany dia entinao hanohanana ny hevitrao amin'io TULIP io fotsiny fa tsy mandray ny votoatin-javatra izay miankina tanteraka amin'ny fomban'Andriamanitra be FAMINDRAM-PO.

17. bor2lais ( 28/03/2011 11:47)
laloanany:

Raha ny fijerko ny teninao dia tsy azonao tsara ny fanazavako ilay TULIP sy ny Teolojia reformee. Averiko sy fintiniko @ fomba mora indray:
A. Ny famonjen'Andriamanitra
1) ILAINA NY MINO SY MANARAKA AN'ANDRIAMANITRA mba hahavoavonjy antsika.
2)Tsy misy olona afaka mino an'Andriamanitra anefa satria mpanota ny olona rehetra (Total Depravity) ary maty tao @ fahotany ny olona.
3)Mba ahafahan'ny olona iray mino an'Andriamanitra dia mila an'i Kristy hanangana azy @ "fafahafesana" ara-panahy ilay olona.
4)I Kristy no mifidy izay hatsangany @ maty sy izay hijanona @ fahafatesana ara-panahy satria ny maty tsy afaka hifidy na oviana na oviana ary tsy afaka hampitsangana ny tenany @ maty.
(Jereo ireo andinitSoratra Masina marobe nosoratako etsy ambony)
5)Raha toa ka maty ho an'ny olona rehetra ny Tompo dia voavonjy daholo anie izany ny olona rehetra eee. Koa satria misy ny olona tsy voavonjy dia tsy maty ho an'ny olona rehetra Izy fa maty ho an'ny MARO. (Jereo andinitSoratra Masina nolazaiko tao @ valiny teo aloha)

B. Mikasika ny "mission" nampanaovin'Andriamanitra sy ny antson'Andriamanitra.
1) Andriamantra dia miantso ny olona rehetra ao aminy sy mba hino Azy SAINGY tsy izay voaantso rehetra akory no hovonjena fa ireo voafidy irery ihany (Mat 22:14)
2) Ny Kristianina dia asain'Andriamanitra mitory ny filazantsara @ olona REHETRA saingy ireo "tsy voafidy" dia TSY AFAKA NY HINO MIHITSY satria maty ara-panahy. Ireo voafidy kosa, efa natsangan'i Kristy t@ maty dia hino. Mitory ny Filazantsara @ olona rehetra isika na ho an'ny voafidy izany na ho an'ny tsy voafidy satria TSY FANTATSIKA olombelona hoe iza no voavidy sy tsy voafidy raha tsy toriana @ izy ireo ny Filazantsara.

Misaotra anao amin'ny valinteny fa izay vao mazava amiko ilay izy !
18. Miharena ( 29/03/2011 15:53)
Laloanany:

2) Ny Kristianina dia asain'Andriamanitra mitory ny filazantsara @ olona REHETRA saingy ireo "tsy voafidy" dia TSY AFAKA NY HINO MIHITSY satria maty ara-panahy. Ireo voafidy kosa, efa natsangan'i Kristy t@ maty dia hino. Mitory ny Filazantsara @ olona rehetra isika na ho an'ny voafidy izany na ho an'ny tsy voafidy satria TSY FANTATSIKA olombelona hoe iza no voavidy sy tsy voafidy raha tsy toriana @ izy ireo ny Filazantsara.



Ahoana indray ary ny momba ireo lalan-pamonjena marobe nosokafana ho an'ny olon-drehetra ? voafehy ao amin'io TULiP io ve izany?

Ary avy aiza no ipoiran'ny fanahy?

Iza ireo olona milaza ho namoaka devoly tamin'ny ANARANY nefa noroahiNY ary ireo olona nilaza tsy mahalala AZY nefa nampandrosoiny?

Ahoana ny momba ny fitiavana ny fahavalo? Iza no fahavalo?

Marobe ny fanontaniana teraka rehefa mampianatra zavatra toy izao ka asa hoe inona no antony nanaovana ilay fandinihina nandritra io Konsily io?
19. laloanany ( 29/03/2011 17:13)

Ary avy aiza no ipoiran'ny fanahy?
Iza ireo olona milaza ho namoaka devoly tamin'ny ANARANY nefa noroahiNY ary ireo olona nilaza tsy mahalala AZY nefa nampandrosoiny?

Tsy dia azoko io fanontanianao io ary tsy dia hitako izay idiran'ny TULIP @ ilay fanontaniana. Tsy dia hitako ao @ Baiboly ihany koa ilay hoe "nisy olona tsy mahalala ny Tompo nefa voavonjy". Ny hitako kosa ao anatin'ny Baiboly dia ilay hoe: Hosea 4:6 "ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana". Raha toa ka hoe tsy nahalala ny Tompo izy taloha nefa nampahalalana ny Tompo ka nino sy natao batisa dia izay angamba no voavonjy. Satria
Marka 16:16 "izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina"

inona no antony nanaovana ilay fandinihina nandritra io Konsily io?

Ahitsiko kely: tsy konsily io fa Synoda.
Ny antony nanaovana an'io dia araka no nolazaiko imbetsaka teo aloha fa ho fanoherana ny fampianarandiso nentin'ny Arminianista. Ny Arminianista dia namorona fampianarana nataony t@ teboka 5 ary niteraka fikorontanana teo @ fiangonana Protestanta. Ho fanoherana ireo teboka 5 ireo dia nanao teboka 5 ihany koa ny fiangonana Protestanta dia ny TULIP izany. Ny TULIP dia AMPAHANY fotsiny eo @ teolojia reformee fa tsy hoe ny TULIP irery no ao @ teolojia reformee. Ohatra zao ho fanampin'ny TULIP dia misy koa ny antsoina hoe "5 solas" ao @ teolojia reformee: sola Scriptura, Solo Christo, Soli Deo Gloria, Sola Fide, Sola Gracia. Raha toa ka nentina nanoherana ny Arminianista ny TULIP, ny 5 Solas kosa dia nentina nanoherana ny Katolika.


Ahoana ny momba ny fitiavana ny fahavalo? Iza no fahavalo?

Ny "fitiavana" dia entin'ny mpino maneho indrindra ho an'nireo olona tsy mpino (ireo mitsangana ho fahavalo) fa Kristianina izy ireo. Jaona 13:35 Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.
Tsy hitako no idiran'nio fanontanianao io ao @ TULIP. Za tsy miteny mihitsy hoe tsy tian'Andriamanitra ny zavatra noforoniny. Tiany na ny mpino na ny tsy mpino saingy tsy mitovy ny fitiavany ny tsy mpino sy ny fitiavany ny zanany(=ny mpino azy). Dia sahal@ tsy fitovian'ny fitiavanao ny zanaky ny fianakavian'ny namanao sy ny zanaka naterakao na dia samy tianao daholo aza ireo dia tianao kokoa ny zanakao. Andriamanitra dia tia ny voaariny rehetra saingy tsy mitovy ny fitiavany ny biby sy ny fitiavany ny olombelona sns...
Romana 9:13 araka ny voasoratra hoe: "Jakoba no tiako, fa Esao no halako"


Ahoana indray ary ny momba ireo lalan-pamonjena marobe nosokafana ho an'ny olon-drehetra ? voafehy ao amin'io TULiP io ve izany?

Ahitsiko kely: tsy marobe ny lalampamonjena fa iray ihany dia i Kristy. Izy no LALANA sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy ny TULIP no milaza io fa ny Soratra Masina.
Nosokafana ho an'ny olondrehetra i Kristy SAINGY isika @ maha-mpanota antsika dia tsy afaka ny hino sy handray azy mihitsy @ heritsika. Mba ahafahan'ny olona mino an'i Kristy dia mila an'i Kristy ny olona hanangana azy @ "fahafatesana ara-panahy". Ireo natsangan'i Kristy t@ fahafatesana ara-panahy ka mino sy mandray ny Tompo no antsoina hoe "voafidy" na "ondrin'Andriamanitra" na "zanak'Andriamanitra" na "olomasin'Andriamanitra" sns...
Izay tsy mino ny Tompo (ireo tsy anisan'ny ondrin'Andriamanitra) moa dia ho very araka ilay hoe:
Jaona 3:36 "izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy."
20. Miharena ( 30/03/2011 03:27)
Laloanany:

Ahitsiko kely: tsy marobe ny lalampamonjena fa iray ihany dia i Kristy. Izy no LALANA sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy ny TULIP no milaza io fa ny Soratra Masina.



Mazava io resaka nataonao io ka noho izany dia tsy manana ambara momba io izany ny TULIP sa ahoana?
Ny Soratra Masina no mamaly ny zava-drehetra momba ny lalam-pamonjena dia ny fitenenana hoe "manana ondry maro ivelan'ity vala ity Aho". Dikany, misy fitaovana maro ampiasain'ny Tompo. Ohatra iray mivaingana: tsy i Paoly fahavalo ve no mizara amin'ny maro izao? Ka izay indrindra no tsy dia mampazoto loatra amin'ny fandalinana apetraka fepetra raikitra toy ny TULIP.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.146