Tsy hoela ny farany

1. Fox40 ( 16/03/2011 09:54)
vakio ny Matio 24 dia hazava aminareo ny zava-drehetra izay mitranga fa tsy ny hoe 2012 sns.. no hiadina hevitra e, sao mantsy lany andro miady hevitra eo nefa ny Andro manantona ihany. Iry Lagoon sy ny troupeny no voalaza eto @ty Matio 24 andininy 11 ity
novalian'i niryna ny 19/03/2011 05:31
2. Fox40 ( 16/03/2011 10:14)
Mba ahoana ny hevitrareo @io Mat:24 io? mampatahotra ve sa mampiorina @ finoana?
3. RBNIR ( 16/03/2011 10:46)
Fox40:

vakio ny Matio 24 dia hazava aminareo ny zava-drehetra izay mitranga fa tsy ny hoe 2012 sns.. no hiadina hevitra e, sao mantsy lany andro miady hevitra eo nefa ny Andro manantona ihany. Iry Lagoon sy ny troupeny no voalaza eto @ty Matio 24 andininy 11 ity

Faly miarahaba anao,
Miombokevitra tanteraka aminao aho amin'ilay hoe tsy tokony ho lany andro hiady hevitra fa izay hanavotan'aina izao no tokony hamakiana loha fa efa voamarina avokoa ny Tenin'Andriamanitra.
Aza dia atao an'izany kosa ny namantsika lagoon, fa mba hambarao azy amin'ny fahalemempanahy kosa ny marina e, ento ny Soratra Masina hanitsiana izay diso araka ny voasoratra hoe « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).

Fox40:

Mba ahoana ny hevitrareo @io Mat:24 io? mampatahotra ve sa mampiorina @ finoana?

Tokony hiomana isika araka izay voasoratra ao amin'ny Mat.24:32-33 « Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. » (Matio 24:32)
« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.» (Matio 24:33)

Ary koa tokony hamantatra ny marina ka hanao ny marina mba tsy hovoafitaka araka izay voasoratra hoe « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7).

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.


4. Fox40 ( 16/03/2011 11:21)
misy tantara hoe ny tao andapa variana miady hevitra ny hoe vavy sa lahy ny anjely, ny mpanafika anefa efa manantona ka noraisipotsiny tao ireo tao andapa satria variana niady hevitra koa mampirisika anareo aza de variana loatra fa ny tafiky satana dia mandrovotsihy mihitsy amizao andro hiainantsika izao, ahoana hoy ny soratra masina : "devoly fahavalonareo dia miherona toy ny liona mitady zay harapany" mamelatra arato satana hamandrihana atsika koa raha tsy mitandrina isika dia tratran'io arato io koa de ahoana hoy ny trondro rehefa tratran'ny arato, mikipakipaka hanvotena fa dia fahafatesana no hiafarany. toy izany koa isika raha tratra ao fa dia fahafatesana mandrakizay sy fangirifirian no miandry atsika "fikotrohanify mandrakizay" no hanambaran'ny Soratra masina izany.

koa dia miambena ary mijoro @ finoana e
5. rijadolly ( 16/03/2011 16:08)
Fox40:

Iry Lagoon sy ny troupeny no voalaza eto @ty Matio 24 andininy 11 ity

Fox40>>>> Aza masiaka loatra kosa se,

Lagoon>>> ity fanotaniako ty izany dia tsy mbola nisy namaly hatramin'izay fa aleo valiko ihany ilay izy. Tokony hanome hevitra ianareo mba tsy ahatonga ny sasany hanana fanahiana amin'ilay loha hevitrareo, satria mitongilana loatra any amin'ilay fanambarana ataon'olona ianareo.
rijadolly - 06/03/2011 19:24:

Ohatry ny hanome fanotaniana kely hoe za raha azo atao.

Ilay Faminanihan' (JK) ve no manamarina ilay fanadiadiana sa ilay fanadiadiana no manamarina ilay Faminanihana?

Valiny
Ny Fikarohana no manamarina ilay voalazan' Jesoa Kristy. Izay mitarika na manamarina ilay fanoharana ilay aviavy: MATIO 24 : 32 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
6. lagoon ( 16/03/2011 18:35)
Fox40,

Aza mitsara olona fa mbola hotsarainy koa ianao.
7. niryna ( 17/03/2011 04:43)
Fox40:

vakio ny Matio 24 dia hazava aminareo ny zava-drehetra izay mitranga fa tsy ny hoe 2012 sns.. no hiadina hevitra e, sao mantsy lany andro miady hevitra eo nefa ny Andro manantona ihany. Iry Lagoon sy ny troupeny no voalaza eto @ty Matio 24 andininy 11 ity

farany amin'ny inona?
Hoy ilay namana iray izay hoe : manaova zavatra dieny izao? ha,ha,asa anao inona angaha,izy hono andeha hifindra ? oddrry


Dia ahoana hoy izahay? Dia tsy mahita ho lazaina izy fa mihaino ny fampianarana vilana ka mampianatra ny olona tsy andeha ho any am-piangonana intsony ny sasany,ao ny miteny fa tsy misy fanahy masina intsony ny fiangonana ,ao ny sahy mijoro ho mpaminany sandoka ka mahafantatra ny fotoana farany,mila mitandrina isika an

Raha resaka materialy dia tsy misy zavatra azontsika atao na dia kely aza,tsy misy mahazaka na inona na inona koa moa ,jereo ireny fahoriana nahazo ny olona tany japon ireny (mahatonga saina sady mampalahelo tokoa)
8. AndriambyII ( 17/03/2011 09:06)
http://www.20minutes.fr/article/688636/societe-tremblements-terre-tsunamis-pain-beni-fondamentalistes-apocalypse

Samy miambina daholo ny rehetra , fa raha ny hoe "iza no hahita ny fanafana ? " no tsy mbola fantatra .
9. Miharena ( 17/03/2011 14:32)
Andriambyll:

Samy miambina daholo ny rehetra , fa raha ny hoe "iza no hahita ny fanafana ? " no tsy mbola fantatra .


Ilay resaka hoe hahita fanafana no tiako tsindriana eto amin'ity resak'i Andriambyll ity. Mahagaga tokoa ny olona fa manontany foana hoe iza no tompon'andraikitra ary iza no hahita fanafana amin'izao savorovoro mahazo ny olona izao. Fanontaniana tokony ho efa ilaozan'ny toetr'andro amiko io fanontaniana io (miala tsiny amin'i Andriambyll sy ny olona mpametraka io fanontaniana io). Ny antony dia tsotra ihany, ny olombelona avokoa no manao izay zavatra rehetra mitranga ankehitriny ary izy ihany no tokony hisaina tsara ahafahany mahalala ny fahadisoan'ny lalan-kalehany ka hanitsiany azy. Efa betsaka ny hafatra etsy sy eroa ary mampahatsiahy ny olona fa manana hery afaka mamorona sy manova izay zavatra napetraka teto amin'ity planeta ity isika olombelona. Safidy no mahatonga antsika ho amin'izao sehatra ankehitriny izao (Japon ohatra, safidy no nampiasany ny nokleary hahazoana herinaratra dia rehefa tonga ny tokoa dia raisiny ny vokany, safidy ny azy ny hipetrahany ao amin'io archipel izay instable io dia rehefa tonga ny horohorontany dia mandray izany izy)? Izaho manokana aloha dia miaiky fa ny japoney dia olona courageux ary mandray ny responsabilité-ny amin'ny zava-drehetra izay mitranga aminy fa ny olona izay mbola tsy mahatsiaro tena no manolaka ny fahavoazana mitranga amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana ao aminy ho ny nataon'ny hafa hatrany fa izy tsy misy pentina hono na malemy ka tsy nandray anjara mihitsy tamin'ny fahavoazana mihatra aminy.

Ny mety dia ny mijoro tsy matahotra na amin'inona na amin'inona, amin'izay tsy hitady olona hahavaha olana fa miezaka mamaha ny an'ny tena sy izay mila fanampiana amin'ny tena.
10. mirananirina ( 18/03/2011 18:50)
Aleo isika hiandry ny farany eto.tsitako moa ny voalaza ao @ baiboly io
11. niryna ( 19/03/2011 05:31)

mirananirina:

Aleo isika hiandry ny farany eto.tsitako moa ny voalaza ao @ baiboly io

izay indrindra,ny tsy mino an'i kristy no matahotra izany.Rehefa mahafantatra sy efa nametraka ny fiainana ho eo am-pelantanany fotsiny ny tena dia efa ampy izay amiko( izay mino azy no hanana fiainana mandrakizay).Ampy ho hinoako ilay izy fa isan'andro kosa dia tsy maintsy mivavaka,mangataka famelankeloka( heloka vita sy ny natao kanefa tsy fantatara) ,ny mamela ny hafa.Tsy hamela anao ho Irery aho hoy ny Tompo dia izay no teniny ka dia tazomiko koa izay.Eny tsy mora kanefa mila mandroso mitady azy isika( manokatra ny fontsika hidirany)

Tsy misy afaka anao na inona na inona eo tokoa moa fa dia ny ampatahotra ny olona no ataon'ny sasany lava .Tsy eto ihany fa hatraiza io.Raha efa naheno ity pasitera iray ity hianareo dia ho gaga fa efa hatramin'ny 1993 hono izy no efa nolazaina fa ho tonga ny farany,hatramin'izao izy dia mbola mampianatra diso ihany ,aiza izay 1993 teo hoy ireo nanaraka azy. Dia nasainy tsy miangona intsony ny olona fa tsy misy fanahy masina intsony hono ao am-piangonana (odrry).Ary dia tena nisy olona maro nivarotra ny fiangonany tokoa ka izay voan'ny fanontaniana foana izy dia mamaly hoe tamin'iny aho mbola tsy nianatra soratra masina tsara ,ha,ha.Tandremo ny mpaminany sandoka,ny ambodia mitafy hodi-janak'ondry

Rehefa tonga anefa ny fanambadiana dia asainy mitady fiangonana indray ny olona ho any hamasinina ( jereo amin'izany-lasa fampianaran'ny olona ilay izy fa tsy mifantoka amin'ny baiboly)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0361