i PIERA (petera) tokoa ve no vaha-olana ? ...
1. cyril
(
01/03/2011 11:33)
--- Misaotra anao RBNIR amin'ny fampitana hafatra etsy ambany amin'ilay resaka lalana ety fa tsy migodana no hizorana sy asainao izorana merci !
-------fa izao oa : tena i PETERA na i PIERA tokoa ve zany no tsy maintsy tambatambazana sy atao zay ahazahoana ny fony satria any aminy ny vavahadin'ny Lanitra sy ny Lakilen'ny Fiainana Mandrakizay ?? ...
--------Ry zareo Katolika no nanao an'izany Fanambarana izany fa raha tsy Vohain'i PIERA na i PETERA vahady mankany andanitra de taraiky any ivelany ! miaraka amin'ny fikitroha-nify sy ny Fahaverezana ! ... dia inona no tokony ho atao zany ? satria tsy any amin'i Jesoa na Andriamanitra na any amin'ny Anjely ny Lakilen'ny Lanitra fa any amin'i Masindahy PIERA

novalian'i nyhaingo ny 11/03/2011 14:05
2. cyril
(
01/03/2011 11:35)
----voalohany : atao ahoana zany no fifandraisana amin'i PIERA ?
----inona no hevitra ahatafidirana ao andanitra raha marina tokoa fa i PIERA no "mitantana' anle lakile ?
----misy fiangonana efa voafidy ve izany miditra any andanitra ? dia ireo mivavaka amin'ingah Masindahy PIERA ihany sa ahoana ?
...?

3. nyhaingo
(
02/03/2011 11:14)

i piera anie tsy oe afaka mampiditra na tsy mampiditra ny olona mankao andanitra fa nomena baiko fotsiny izy mba hanidy sy hamoha an'ireo olona tafiditra ao andanitra
4. rijadolly
(
03/03/2011 01:55)
MATIO 16 : 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao et? ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao et? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
5. Dan23
(
04/03/2011 14:14)
Fa misy ko nge ao oe izay nolazain'i Jesosy Kristy oe"Fa tsy misy mankany am Ray afa tsy amin'ny alalako irery ihany" e
6. cyril
(
04/03/2011 20:34)
de aona zany rijadolly ? ...tena any amin'ingah piera tokoa zany kay ny vavahadin'ny Lanitra ?
7. rijadolly
(
06/03/2011 18:09)
hihihihih! mampihomehy koa se ty ry Cyril, tambatambazo ao fotsiny Petera dia ho hitan'se raha vahany eo se. Tsy misy risoriso any, sady tsy azo anaovana an'izany raha ny finoan'Petera no dinihina.Ahoana hoy Paoly ao amin'
I KORINTIANINA 6 : 1 Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina?2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao hianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va hianareo?3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany.

8. niryna
(
08/03/2011 19:28)
rijadolly:Inona no hevitra tiany tenenina amin'izany?
MATIO 16 : 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto? ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao eto? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
Jaona 1:42,Ef 2:20
Jaona 20:21-23
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany
ho an'ny kristiana rehetra io
9. niryna
(
08/03/2011 19:57)
cyril:
----voalohany : atao ahoana zany no fifandraisana amin'i PIERA ?
Petera dia olona toa antsika,toy ireo olona izay masina hivavahan'ny hafa,tsy misy na iray aza afaka manelanelana antsika amin'Atra -Kristy irery ihany no mpanelanelana antsika.
Noho izany tsy mila na tokony hitady azy mihitsy isika,nomena fahefana izy mba hizara ny tenin'Atra,anorina ny fiangonana.Kristy no vatolampy ka eo ambonin'ny vatolampy na ao amin'i kristy no anorenana ny fiangonana- Izay no tian'i kristy hataon'i Petera.
(kristy no mpamonjy,kristy no mpanavotra,kristy no ahitantsika ny fiainana,kristy no loharanom-piainana) Ny anarany no mahavonjy antsika,ny anarany irery no hanavotana antsika.
Toy ny kristiana rehetra izay jiro sy fanazavana hitarika antsika mba hino an'i kristy dia toy izany koa Petera fa tsy afaka ny hitondra na andeha ho any amin'Atra izy na hoe hivavaka antsika amin'Atra ,tsy misy na iray aza afaka mahita an'Atra.
Izay no fahalalako azy aloha fa avereno aty amiko raha tsy izay no fahalalanareo azy.
----inona no hevitra ahatafidirana ao andanitra raha marina tokoa fa i PIERA no "mitantana' anle lakile ?
Ny finoana an'ilay kristy velona,maty noho ny otantsika kanefa dia velona indray,nitsangana tamin'ny maty ary niakatra any an-danitra( eo an-kavanan-dRay).
Ary mbola nanamafy izany koa izy hoe raha andeha aho dia angataka ny Raiko izay any an-danitra,Izy no andefa anareo ny fanahin'ny fahamarinana.
Noho izany dia ny ahatafidirantsika ao anatin'ny bokin'ny fiainana no ilaina: Izay mino ahy dia ny ataoko no ataony ihany koa ary mbola maro noho izany aza no ataony: hafatra notenenin'i kristy io.Noho izany mila mino azy (kristy ) isika satria izy no fiainana.
Mila mino Azy isika mba hanana fiainana mandrakizay.Mino azy fa Atra Izy,mino azy fa nitsangana tamin'ny maty tokoa izy ary mino azy fa mbola hiverina izy hitsara ny velona sy ny maty.FINOANA AN'I KRISTY NO AHAZOANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY FA TSY PETERA
----misy fiangonana efa voafidy ve izany miditra any andanitra ? dia ireo mivavaka amin'ingah Masindahy PIERA ihany sa ahoana ?iza no niteny an'izany fa ireo mivavaka an'ingaha Piera no andeha any an-danitra?
Ahoana ny didy folo? Eksodosy 20:1-5 DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy
10. niryna
(
08/03/2011 20:29)
cyril:Jaona 10:9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
-------fa izao oa : tena i PETERA na i PIERA tokoa ve zany no tsy maintsy tambatambazana sy atao zay ahazahoana ny fony satria any aminy ny vavahadin'ny Lanitra sy ny Lakilen'ny Fiainana Mandrakizay ?? ...
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
Iza izany no hamonjy antsika?
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
26 Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
Ity ho antsika rehetra izay mino an' I kristy
27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
11. niryna
(
08/03/2011 20:42)
nyhaingo:
i piera anie tsy oe afaka mampiditra na tsy mampiditra ny olona mankao andanitra fa nomena baiko fotsiny izy mba hanidy sy hamoha an'ireo olona tafiditra ao andanitra
Mety ho izay ilay izy,nomena teny izy mba hanangana ny fiangonana(vatolampy) ka amin'ny anaran'i kristy ilay izy,satria kristy irery no mahavonjy antsika,mpanelanelana antsika fa tsy misy na iray aza afaka manelanelana antsika amin'i kristy sy Atra
Jaona 10:
ary dia hoy koa Izy hoe:
[b] Jaona 10: 29 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako
29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray.
30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
12. niryna
(
08/03/2011 21:06)
cyril:
. dia inona no tokony ho atao zany ? satria tsy any amin'i Jesoa na Andriamanitra na any amin'ny Anjely ny Lakilen'ny Lanitra fa any amin'i Masindahy PIERA
Ny tenin'Atra no mamaly an'izany
Jaona 14
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Dia mbola mamerina indray ny teniNY
7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
[b] Any amin'i kristy no mangataka isika,any aminy no ahitantsika ny fiainana ary any aminy no manelanelana antsika amin'Atra
Jaona 14:10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
Dia ity koa ny teny nomeny antsika kristiana rehetra fa tsy Petera irery
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.
15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.
16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.
Vita tompoko!
13. cyril
(
09/03/2011 10:35)
Niryna !
betsaka zavatra mahaliana ny valitenin'i niryna ,hay ve misy teny betsaka otrizao ao anaty baiboly amin'ity resaka PIERA ty e
le teny ao anaty baiboly mandiso an'io mihitsy no tena mahaliana ahy ,hay olombelona ihany zany izy (petera ) fa tsy fanahy ka afaka handefa olona any amin afobe sy hampiditra olona ao andanitra !
nefa mahagaga fa misy fiangonana iray tena manizingizina mitsy fa i PIERA mitsy no mitana sy mitantana an'io laclé io ka raha tsy avy aminy tsy tafiditra ao andanitra ny olona !
misy raha tsy mazava mitsy zany ka !

14. rijadolly
(
09/03/2011 16:48)
nefa mahagaga fa misy fiangonana iray tena manizingizina mitsy fa i PIERA mitsy no mitana sy mitantana an'io laclé io ka raha tsy avy aminy tsy tafiditra ao andanitra ny olona !
Piera amiko dia nahazo anjara asa tahaka ny olon-drehetra tahaka ny ao am-piangonanana ihany. Samy nomena anjara asany (fahasoavana) avy ny Apostoly rehetra.Matoa nasiana ny Apostoly dia misy antony ao, fa tsy hoe tsy nisy nilaina azy ireny akory. Tsy azotsika hamaivanina ny anjara asan'ireny Mpitandrina ireny fa tena ilaina tokoa na dia ny fankatoavana ny maha lehiben'tena ( RD ) azy ihany aza. Diso anefa raha mametraka azireny amin' toerana na hitovy laharana amin'Andriamanitra, araka ny fahatahoran' Cyril. An' Andriamanitra ny Farany.
15. andrywui
(
09/03/2011 19:40)
rijadolly ! tena marina tokoa izany teninao izany ! tena marina fa tsy tokony apetraka hitovy laharana amin'Andriamanitra tokoa ireny olotsambatra atsangana ireny fa omena ny toerana zay tokony hisy azy saingy eo ambany fahefan'Andriamanitra lehibe fa tsy hoe izy hibaiko hamoha sy hanidy ny olona fotsiny tsy mahazo miditra eo !.. ny fianakm's n'i Rapiera zany zao sur fa tafiditra daholo ra izany !.. izy v hamela ny baviny na ny baininy atono any amin'ny afobe eo fa vohainy vavahady soamatsara mitsy reo na mpamono olona sy mpanendaka aza ! hoouuunnn ...
mila jiro ihany ty resaka ty fa misy raha tsy mazava , misy resaka tsy mlamm satri de adala ary ve ""ilay fiangonana " nanao hoe any amind-rapiera ny laclé fa any mitady solisio e
mila jiro ihany ty resaka ty fa misy raha tsy mazava , misy resaka tsy mlamm satri de adala ary ve ""ilay fiangonana " nanao hoe any amind-rapiera ny laclé fa any mitady solisio e
16. nyhaingo
(
10/03/2011 10:47)
ka raha tsisy mpamoha sy mpanidy kosa ary ve ny vavahadin'ny lanitra dia iza ary no hamoha an'io eo ?
sa efa electronique na mecanique le izy ka raha misy olona efa tokony hiditra de mivoha ho azy ary raha misy tsy tafiditra de tsy misokatra ny vavahady ?
sa efa electronique na mecanique le izy ka raha misy olona efa tokony hiditra de mivoha ho azy ary raha misy tsy tafiditra de tsy misokatra ny vavahady ?
17. niryna
(
10/03/2011 17:41)
rijadolly:izay indrindra,tsy misy na iray aza afaka misolo ny toeran'ATra ka dia anjarantsika no mivavaka amin'Atra fa tsy amin'ny olona na hiankohoka eo an-tongotry ny olona fa tsy mandohalika mitady famonjena amin'Atra ooops azafady raha toa ka misy tsy mbola mahalala fa fahotana lehibe eo anatrehan'Atra ny mivavaka amin'ny olona(mitovy amintsika ) fa tsy Aminy
Diso anefa raha mametraka azireny amin' toerana na hitovy laharana amin'Andriamanitra, araka ny fahatahoran' Cyril. An' Andriamanitra ny Farany.
18. niryna
(
11/03/2011 04:27)
nyhaingo:
i piera anie tsy oe afaka mampiditra na tsy mampiditra ny olona mankao andanitra
izay indrindra,tsy misy na olombelona iza haka ny toeran'Atra
tsy fantatro indray izany nomena baiko hamoha sy hanidy ny olona ao an-danitra izany? iza no niteny izany ary aiza ao amin'ny baiboly no miteny izany? sao mba diso fitadidy kosa nyhaingo?
fa nomena baiko fotsiny izy mba hanidy sy hamoha an'ireo olona tafiditra ao andanitra
na ny anjely aza mbola hitsara azy ireo ny mpino raha tsy diso ny fitadidiko ny soratra masina
Eny e,mila mianatra sy mamaky baiboly isika mba ahafantarantsika ny fahamarinana,taloha dia tsy nahazo namaky baiboly ny olona ka izay notenenin'ny mpitondra dia lazainy fa ny fanahy masina no mampiteny azy.Taty aoriana kosa dia namaky baiboly ny olona teo ambany fahefany ary dia nahafantatra ny marina ka nanohitra ny teny diso ooops.Tsy hiadiana hevitra anefa izany fa samy mbola mianatra ny tenin'Atra avokoa isika rehetra.Tsy afaka ny andresy lahatra kosa aloha isika raha toa ka tsy mahafantatra na farafaharatsiny nandinika ny soratra masina e.Mivavaka,mangataka ny fanahy masina mba hanazava izany tenin'Atra izany amintsika satria Kristy mihitsy no niteny fa angataka amin'ny rainy izy mba andefa ny fanahy masina hiaraka amintsika mandrakizay ary io fanahin'ny fahamarinana io no anamarina,ampahafantatra,ampahatsiahy antsika ny teNy
19. niryna
(
11/03/2011 04:28)
Dan23:tena marina izany ary ny teniNy no manambara izany .Izy irery ihany
Fa misy ko nge ao oe izay nolazain'i Jesosy Kristy oe"Fa tsy misy mankany am Ray afa tsy amin'ny alalako irery ihany" e
20. niryna
(
11/03/2011 04:33)
cyril:cyril koa mody mangana eo hi,hi
de aona zany rijadolly ? ...tena any amin'ingah piera tokoa zany kay ny vavahadin'ny Lanitra ?
ahoana no fieritreretanao izany?
raha atao sariteny izany dia izao: iny hono cyril fa mandohalika dia miantso an'i piera?
Manahoana hianao piera,mifona aminao aho fa diso ,mamela ny heloko ,sitrano ny havako,sasao madio ny heloko.Manantena anao aho fa ho vahainao ny vavahadin'ny lanitra fa mba te hiditra any aho ary hianao irery ihany no nahazo fahefana hamoa sy hanidy an'io
Dia alaivo sary antsaina ary ny hafatry ny Tompo nomeny ny mpianany: izaho no vavahady tsara,izaho no voaloboka,hianareo no sampany. Izaho sy ny Raiko dia iray ihany,tsy misy olona afaka mankany amin'ny raiko raha tsy avy amiko..Dia lasa diso daholo izany ilay teny nomeny ary lasa mampandainga Azy izany isika fa i Piera mpianany ery no ambony noho izy ..diniho kely anie e