FANAHY NO OLONA REGLE DE CONDUITE POUR LA SORTIE DES CRISES

1. RUZ9 ( 28/02/2011 13:45)
an’izay heveriny ho mety avokoa ny tsirairay eo anatrehan’izany. Misy ny miezaka hamaha ny olana, misy miezaka hifikitra @ saza fotsiny noho ny tombontsoan’ny tenany manokana ary samy manao sorona ny ain’ny mpiray tanindrazany noho io tombontsoa io, manao sorona ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena.
Tsarovy nefa fa Tany Masina ity firenena ity, ary lalana tokana no hahafahany mandroso, dia ny fiverenana miaina an’ilay atao hoe «NY FANAHY NO OLONA»
Lalàm-pitondran-tena tokony harahin’ny tsirairay io.
Tsy olona mpanao herisetra, tompon’antoka @ fandorana sy fandrobana fananam-bahoaka araka izany no afaka hampandroso an’ity firenena ity, mandrave no talentany ka tsy ho hainy ny mifanohitra @ izany.
Tsy mpanao sorona olona noho ny tomontsoan’ny tenany manokana no hahay hitsinjo ny mpiara-belona aminy.
Tsy ela akory izay no nitrangan’ireo tantara ireo (26-01-2009 sy 07-02-2009). Ary mitohy mandrak’izao ny fandripahana harem-pirenena raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha bois de rose, novolena ny krizy kolokoloin’olom-bitsy dia ny vahoaka no mizaka ny vokany.
NY fanonganam-panjakana moa efa eny @ fitsarana ny raharaha fa ny fampihorohoroana t@ alatsinainy mainty kosa ; iangaviana an’ireo tompon’anadraikitra am-perinasa isam-paritra handray an-tanana ny fitoriana, eo ianareo ben’ny Tanana, ny antoko politika, ianareo Ampanjaka rehetra an’ny faritra maro maro any, raha misy fitsarana marina ihany eto.
Tsy misy voafidim-bahoaka ireo ka hanana zo tsy ho voatohintohina
Tsy fotoanan’ny fiandrasana intsony fa fandraisana andraikitra.
Ny fivarotana tanindrazana izay nanenjehana ny fitondrana teo aloha natao lalam-panorenana ankehitriny. Hanorenana inona?
Mpivarotra tanindrazana sy saribakolin’ny mpanjanaka no mamoritra vahoaka eto.
Tsy hahavaha olana izany, mametraka olana no hainy.
Tsy ny «feuille de route» novolavolaina vahiny sy olo-meloka no hamaha ny olantsika
HO LANY ANDRO ETO ary hitohy ny fijaliam-bahoaka ka raha handany andro hidinika etsy sy eroa, sy hiandry fifidianana eto, satrin’ny FAT tsy hisy fifidianana hijanonany ela eo.
Fantatra izao fa olona tsy mahatana ny teniny ve no ifampidinihana, tsy mitsinjo afa-tsy ny tombotsoany sy ny mpiara-komana aminy?
Ny tompon’antoka t@ fandrobana sy fanimabana fananam-bahoaka no mibodo fahefana sy mitomany hanendry tompon’andraikitra etsy sy eroa.
Angaha moa izy ity raharaham-pirenena, fiainam-pirenena sa fikambanan-jiolahy
TENY ATSIPY FOTSINY handinihantsika fa raha tiana ny hamaha tanteraka ny olam-pirenena ka tsy hiverenan’ny Krizy intsony, dia ity ny vahaolana andraisan’ny rehetra anjara.
Ny tenako aloha tsy nandalina ny lalàna nataon’olombelona izay azo tsolorana ny mpahay azy dia manova na tsy mapihatra azy, ny lalàna andaminan’ny mpahary ny fiainana, ny fisiana sy ny tontolo no nohalaliniko.
Ho hitanao ato ato ny momba ny Fanahy, ny Tody, ny fampianaran’ny Kristy
Tsy miasa @ ity lalàna ity ny tsolotra.
Mila miverina any an-doharano isika miaina tanteraka an’ity Fanahy no olona ity ka olona manam-panahy no apetraka hitondra fa tsy DJ manao remixe an’izao hadalana rehetra izao.
Rehefa ny lohany mantsy no matsatso, matsatso manaraka an’izany ny rafitra rehetra hatr@ vahoaka.
Tsarovy, «tsy mahantra olomanga isika fa mahantra olo-marina»
Efa nitondra antsika avokoa na mpampianatra, na bekintana, profesora, mpandraharaha, ilay DJ moa vao mainka loza.
Tsy fombafomba ivelany toy ny fitafy sy fomba fiteny no tao hoe fandalana ny maha Malagasy, ivelany fotsiny ireny fa fikarohana lalina kosa anefa no nahitana ny tena foto-pisainana sy fiainan’ny Malagasy an’ity FANAHY ity
INONA ARY NY ATAO HOE FANAHY?
ARAHO ATO NY FANAZAVANA http://cyrius.centerblog.net
novalian'i milamm ny 03/03/2011 02:43
2. milamm ( 02/03/2011 10:37)
moramora bazy a, vokatry ny ratsy ataony ireo tsy manampanahy(mpangalatra fahefana) nge no mahatonga ny hafa tsy manatsafidy ho noana e aiza ny vahaolana any anisany le kibo noana v bazy any sa dedaka fotsn eto e? tsy nde anome vary 1 kapoaka na @ tonnes an'ireo tsy manana any fa b wawawa, le izy nge kobony rehetra ry lavanify sy ireo governemanta voavidiny tsy handry fotsy mandrakizay zany sy be menomen otrany le bazy nefa sahy miteny @ anarany vahoaka oe mijaly(tonga ny fanomezany ireo vary atao fanomezana tany toamasina herinandro lasa amidy indray ny vary nefa amonjena ireo traboinany bingiza no resaka). Aiza le famitahana ampahibemaso 17/03/09 reny oe hitandro ny tombotsoa ambony firenena sy hanova ny tsy mety teo aloha tsy mila averina resaka oe Atoa Ravalomanana sy ratsy iraka zany(zay samy nanao) fa toetsaina ny tsy manampanahy io no tiany ruz tsipihana de valio arak'izay ny resany
3. milamm ( 02/03/2011 10:40)
ruz9, oadray tatsy @ lohahevitra 1 misy an'i bazy mikozy oe kibo noana fa tsy fanahy no saika amaliana ty azafady e
4. bazylou ( 02/03/2011 18:54)
shh, resy indray ry milamm dia maneno ao izy.
Zaranareo aza tsy nampanenjehan'i tgv ny zana dambo le le8nareo iny.

i zoma aza izao efa miakatra lapa aty eropa ry baina.
loooooll
5. bazylou ( 02/03/2011 18:56)
rehefa noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy
6. milamm ( 03/03/2011 02:43)
oadray lty ry lebazy tsy manohana aho na iza na iza fa ny hevitro olontsotra no ijoroako, fa nga mo zany de tsy nahitambaliny hatrizay zany kibo noana zany ao anatiny . Fanahy tsara no miaro mandamina sy mikarakara zany (ny saina sy vatana fitaovana mpanatanteraka), ny fanahy ratsy kosa izay manararaotra dia mitoetra ny misy azy mampitomboina ny mosary sy tsy fisiany asa ny fahandriampahalemana, fidangany vidimpiainana(de miomana tsara dolidoly vao mipoaka eo ny fianjerany gaddafi ao lybia manampy ireo maghrebiana hafa ny fiakatry ny vidintsolika anampy trotraka izany), eo no ilàna fifehezana ny Lalàm-pitondran-tena ts1/1 @ fanatontosany ny andraikitra sahaniny avy, fanarenana goavana fa tsy resaky ny tsy ampy taona oe an'iza no naharesy na iza no resy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1761